Slovenian

Malagasy

Amos

9

1Videl sem Gospoda stati nad oltarjem, in je velel: Udari na stebrov glavič, da se tresejo pragi, in razbij jih v kosce na glavo njih vseh; in kar jih še preostane, pomorim z mečem: kdor se spusti v beg, ne ubeži, niti eden iz njih se ne reši.
1[Ny fahitana ny amin'ny handravana ny fanjakana be ota, sy ny hananganana indray ny tabernakelin'i Davida] Nahita ny Tompo nitsangana teo anilan'ny alitara aho, ka hoy Izy: Asio ny kapitaly hihetsiketsehan'ny tokonana, ary torotoroy hianjera amin'ny lohan'izy rehetra, ka izay sisa aminy dia hovonoiko amin'ny sabatra; Ary tsy hisy afa-mandositra izy, sady tsy hisy izay sisa ho afaka akory. [Na: ambonin']
2Ko bi pridrli v kraj mrtvih, tudi odtod jih izvleče roka moja, in ko bi stopili v nebesa, jih odondod privedem doli;
2Na dia mibosesika ho any amin'ny fiainan-tsi-hita aza izy, dia any no hanalan'ny tanako azy; Ary na dia miakatra ho any an-danitra aza izy, dia avy any no hampidinako azy. [Heb. Sheola]
3in ko bi se skrili na vrhu Karmela, jih poiščem in vzamem odtod; in ko bi se izpred mojih oči poskrili v globočine morja, tam zapovem kači, da jih piči;
3Ary na dia miery any an-tampon'i Karmela aza izy, dia any no hitadiavako sy hangalako azy; Ary na dia manafin-tena any ambanin'ny ranomasina aza izy, mba tsy ho hitan'ny masoko, dia any no handidiako ny menarana, ka hanaikitra azy.
4in ko bi šli v sužnost pred svojimi sovražniki, tam zapovem meču, da jih pomori. In obrnem oko svoje proti njim v hudo in ne v dobro.
4Ary na dia lasan-ko babo eo anoloan'ny fahavalony aza izy, dia any no handidiako ny sabatra, ka hamono azy; Ary hampanandriniko azy ny masoko hahatonga ny loza aminy, fa tsy ny soa.
5Kajti Gospod, Jehova nad vojskami, on se dotakne zemlje, in se taja in žalujejo vsi prebivalci na njej in se vsa razlije kakor Nil in zopet upade kakor reka egiptovska;
5Ary Jehovah, Tompon'ny maro, no manendry ny tany, ka dia miempo izany, ka misaona ny mponina rehetra ao aminy; Ary dia hihatondraka tahaka an'i Neily avokoa Izany, ary hihena indray izy toy ny Neilin'i Egypta,
6on je zgradil v nebesih zgornji hram svoj in si utrdil obok nad zemljo; on kliče morske vode ter jih razliva po površju zemlje: Jehova je ime njegovo.
6Ary manao ny tranony ambony any an-danitra Izy, sady manorina ny andohalambony eny ambonin'ny tany; Ary miantso ny rano eny an-dranomasina ka mampilatsaka azy eny amin'ny tany, Jehovah no anarany.
7Ali mi niste, o sinovi Izraelovi, kakor otroci Etiopcev? govori GOSPOD. Nisem li peljal Izraela iz dežele Egiptovske, Filistejcev pa iz Kaftorja in Sircev iz Kira?
7Moa tsy toy ny taranaky ny Etiopiana va ianareo raha amiko, ry Zanak'Isiraely? hoy Jehovah. Tsy ny Isiraely va no nentiko nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta. Ary ny Filistina avy tany Kaftora, Ary ny Syriana avy tany Kira?
8Glej, oči Gospoda Jehove so obrnjene zoper to pregrešno kraljestvo, in ga potrebim s površja zemlje; samo da docela ne iztrebim hiše Jakobove, govori GOSPOD.
8Indro, ny mason'i Jehovah Tompo no manandrina ity fanjakana feno ota ity, ka dia hofongorako tsy ho eo ambonin'ny tany izy; Kanefa tsy dia hofongorako avokoa ny taranak'i Jakoba, hoy Jehovah.
9Kajti glej, jaz ukažem, in rešetali bodo sinove Izraelove med vsemi narodi, kakor se trese žito na rešetu; a nobeno zrnce ne pade na tla.
9Fa, indro, Izaho no handidy, ka hosivaniko any amin'ny firenena rehetra ny taranak'Isiraely, tahaka ny fanasivana vary amin'ny sivana; Nefa tsy hisy voam-bary ho latsaka amin'ny tany na dia iray akory aza.
10Pod mečem umrjo vsi grešniki ljudstva mojega, kateri govore: Ne približa se nam in ne zadene nas nesreča.
10Sabatra no hamonoana ny mpanota rehetra amin'ny oloko, dia ireo izay manao hoe: Ny loza tsy hanakaiky na hahatratra anay.
11Tisti dan vzdignem šator Davidov, ki je razpadel, in zazidam razpoke njegove in postavim razvaline njegove, in zidal ga bom kakor v dneh starodavnih;
11Amin'izany andro izany dia hatsangako indray ny trano-bongon'i Davida izay efa nianjera, ary hotampenako ny efa banga ao; Ary hamboariko izay efa rava aminy, ka hataoko tahaka ny taloha izy,
12da dobodo v last ostanek Edoma in vse narode, nad katerimi se je klicalo moje ime, govori GOSPOD, ki to napravlja.
12Mba hananany izay sisa amin'i Edoma sy amin'ny jentilisa rehetra, izay hantsoina amin'ny anarako, hoy Jehovah, Izay manao izany.
13Glej, pridejo dnevi, govori GOSPOD, ko bo stopal orač precej za ženjcem in tlačilec grozdja takoj za sejalcem; in z gorá bo kapljalo sladko vino in vsi griči se raztajajo.
13Indro, avy ny andro, hoy Jehovah, Izay hahatraran'ny mpiasa tany ny mpijinja, ary ny mpanosihosy voaloboka hahatratra ny mpamafy; Ny tendrombohitra hipoipoitra ranom-boaloboka, ary ny havoana rehetra hiempo.
14In pripeljem nazaj ujetništvo ljudstva svojega Izraela; in zgradili bodo opustošena mesta in v njih prebivali, in zasajali bodo vinograde in vino iz njih pili, in narejali bodo vrtove in jedli sadje ž njih.In zasadim jih na njih zemljo, in ne bodo več izruvani iz zemlje svoje, ki sem jo jim dal, pravi GOSPOD, Bog tvoj.
14Ary hampodiko ny Isiraely avy amin'ny fahababoana, dia hanangana ny tanàna efa rava izy ka honina ao, ary hanao tanim-boaloboka izy ka hisotro ny divay avy aminy; Hanao saha koa izy ka hihinana ny vokatra.Eny, hamboleko ao amin'ny taniny izy, ka tsy hongotana amin'ny taniny izay nomeko azy intsony izy, Hoy Jehovah Andriamanitrao.
15In zasadim jih na njih zemljo, in ne bodo več izruvani iz zemlje svoje, ki sem jo jim dal, pravi GOSPOD, Bog tvoj.
15Eny, hamboleko ao amin'ny taniny izy, ka tsy hongotana amin'ny taniny izay nomeko azy intsony izy, Hoy Jehovah Andriamanitrao.