1In tisti čas nastopi Mihael, veliki knez, ki se poteguje za sinove ljudstva tvojega; in bode čas stiske, kakršne ni bilo, odkar je narod, do tistega časa. A v tistem času bo oteto ljudstvo tvoje, vsak, kogar najdejo zapisanega v knjigi.
1Ary amin'izany andro izany dia hitsangana Mikaela, andrian-dehibe, izay mitsangana hiaro ny zanaky ny firenenao; ary hisy andro fahoriana, izay tsy nisy tahaka azy hatrizay nisian'ny firenena ka hatramin'izany andro izany; ary amin'izany dia ho afaka ny firenenao, dia izay rehetra hita voasoratra ao amin'ny boky.
2In mnogi iz teh, ki spe v prahu zemlje, se bodo prebudili: ti za večno življenje, oni pa za sramoto, za večno gnusobo.
2Ary maro amin'izay matory ao amin'ny vovoky ny tany no hifoha: ny sasany ho amin'ny fiainana mandrakizay, ary ny sasany ho amin'ny henatra sy ny latsa mandrakizay.
3In razumni se bodo svetili kakor svetlost nebesnega obloka in tisti, ki mnoge vodijo v pravičnost, kakor zvezde vselej in vekomaj.
3Ary izay hendry dia hamirapiratra toy ny famirapiratry ny lanitra; ary izay mamerina ny maro ho amin'ny fahamarinana dia ho tahaka ny kitana mandrakizay doria.
4Ti pa, Daniel, hrani na skrivnem te besede in zapečati knjigo do časa konca. Mnogi bodo to preiskovali in spoznanje se pomnoži.
4[Teny farany] Ary ianao, ry Daniela, dia ahoroninao ny teny, ka asio tombo-kase ny taratasy mandra-pihavin'ny andro farany; maro no hazoto mandinika, ka hitombo ny fahalalana.[Heb. hivoivoy]
5Tedaj pogledam jaz Daniel in glej: druga dva stojita tu, eden na tem bregu, drugi na onem bregu reke.
5Dia nijery aho Daniela, ka, indro, nisy roa hafa koa nitsangana ny anankiray teto amoron'ny ony, ary ny anankiray kosa teroa an-dafiny.
6In eden reče možu, oblečenemu v platno, ki je bil nad vodo reke: Kdaj bo konec teh čudovitih reči?
6Ary hoy ny anankiray tamin'ilay lehilahy mitafy rongony fotsy, izay teo ambonin'ny rano amin'ny ony: Mandra-pahoviana vao ho tanteraka ny faran'ireo fahagagana ireo?
7In slišal sem moža, oblečenega v platno, ki je bil nad vodo reke, ko je povzdignil desnico in levico proti nebu in prisegel pri njem, ki živi vekomaj: Čas, dva časa in pol časa; in ko dokončajo drobljenje moči svetega ljudstva, se vse te reči dopolnijo.
7Ary ilay lehilahy mitafy rongony fotsy, izay teo ambonin'ny rano amin'ny ony, dia nanandratra ny tànany ankavanana sy ny tànany ankavia ho amin'ny lanitra ka reko nianiana tamin'Izay velona mandrakizay izy fa ho fetr'andro iray sy fetr'andro roa ary antsasaky ny fetr'andro; ary rehefa vita ny fanamontsamontsanana ny herin'ny olo-masina, dia ho tanteraka ireo rehetra ireo.
8In jaz sem slišal, a nisem razumel; in rečem: Gospod moj, kaj bode posledek teh reči?
8Ary nandre izany aho, nefa tsy nahafantatra; dia hoy izaho: Tompoko ô, hanao ahoana no hiafaran'ireo zavatra ireo?
9In veli: Pojdi, Daniel, kajti besede bodo na skrivnem hranjene in zapečatene do časa konca.
9Dia hoy izy: Andeha, ry Daniela, fa efa voahorona ny teny sady voaisy tombo-kase mandra-pihavin'ny andro farany.
10Mnogi se bodo čistili in belili in precejali, a brezbožni bodo brezbožno delali; nobeden brezbožni pa ne bo umel, ali razumni bodo umeli.
10Maro no hodiovina sy hofotsiana ary hozahan-toetra; fa ny ratsy fanahy kosa mbola hanao ratsy ihany, ary tsy hisy amin'ny ratsy fanahy hahafantatra, fa ny hendry no hahafantatra.
11In od časa, ko bo odpravljena neprestana daritev in se postavi gnusoba, ki povzroča opustošenje, bode tisoč dvesto in devetdeset dni.
11Ary hatramin'ny andro hampitsaharana ny fanatitra isan'andro sy hampidirana ny fahavetavetana mahatonga fandravana dia hisy andro sivifolo sy roan-jato amby arivo.
12Blagor mu, kdor bo čakal in dosegel tisoč tristo petintrideset dni.Ti pa pojdi, dokler ne pride konec! Počival boš in vstaneš, da prejmeš delež svoj ob koncu dni.
12Sambatra izay miandry sy mahatratra ny andro dimy amby telo-polo amby telon-jato sy arivo.Fa mandehana ianao mandra-pihavin'ny farany; fa hitsahatra ianao ka hitsangana ho ao amin'ny anjaranao amin'ny andro farany.
13Ti pa pojdi, dokler ne pride konec! Počival boš in vstaneš, da prejmeš delež svoj ob koncu dni.
13Fa mandehana ianao mandra-pihavin'ny farany; fa hitsahatra ianao ka hitsangana ho ao amin'ny anjaranao amin'ny andro farany.