1Vzvidelo se je pa Dariju postaviti nad kraljevino sto in dvajset namestnikov, ki naj bodo po vsej kraljevini,
1Ary Dariosa Mediana no nandray ny fanjakana, rehefa tokony ho roa amby enim-polo taona no andro niainany.
2in čeznje tri vojvode, katerih eden je bil Daniel: da jim bodo dajali račune tisti namestniki ter da kralj ne bo imel škode.
2[Ny amin'ny nanipazana an'i Daniela tao an-davaky ny liona] Sitrak'i Dariosa ny hanendry solo-mpanjaka roa-polo amby zato hanapaka ny fanjakana, izay hanapaka ny fanjakana rehetra.
3Tedaj je ta Daniel nadkriljeval vojvode in namestnike, ker je bil odličen duh v njem; in kralj ga je mislil postaviti nad vse kraljestvo.
3Koa tamin'ireo dia nisy komandy lehibe telo lahy, ary Daniela no anankiray tamin'ireo, mba hilazan'ny solo-mpanjaka ny raharaha tsy hahafatiantoka ny mpanjaka.
4Tedaj so vojvode in namestniki gledali, kako bi našli kaj zoper Daniela, da bi ga tožili zastran kraljestva; ali niso mogli dobiti razloga za tožbo, ne hudega dejanja, zato ker je bil zvest in pregreška ali hudega dejanja ni bilo zaslediti pri njem.
4Izany Daniela izany dia nihoatra noho ny komandy lehibe sy ny solo-mpanjaka namany, fa nanam-panahy hendry izy; ary ny mpanjaka nikasa hanandratra azy ho lehibe amin'ny fanjakana rehetra.
5Nato so rekli tisti možje: Ne dobimo razloga za tožbo zoper tega Daniela, razen če najdemo kaj zoper njega, kar zadeva Boga njegovega postavo.
5Koa ny komandy lehibe sy ny solo-mpanjaka dia nitady izay hiampangany an'i Daniela ny amin'ny fanjakana, nefa tsy nahita izay hiampangany azy na izay tsininy akory ireo, satria marina izy, ka tsy nisy kilema na tsiny hita taminy.
6Potem se ta vojvoda in namestniki pripodé h kralju ter ga ogovore takole: Kralj Darij, žívi vekomaj!
6Dia hoy ireo lehilahy ireo: Tsy ho hitantsika izay hiampangantsika io Daniela io raha tsy ny amin'ny lalan'Andriamaniny no misy hitantsika hiampangana azy.
7Vsi vojvode kraljestva, oblastniki in namestniki, svetovalci in deželni glavarji, so se posvetovali in sklenili, naj se postavi kraljev zakon in izda ostra prepoved: kdorkoli bo v tridesetih dneh kaj prosil kateregasibodi boga ali človeka razen tebe, o kralj, bodi vržen v levnjak!
7Dia somaritaka nivory ho any amin'ny mpanjaka ireo komandy lehibe sy solo-mpanjaka ireo; ary izao no nataony taminy: Ry Dariosa mpanjaka ô, ho velona mandrakizay anie ianao.
8Sedaj torej, o kralj, izdaj to prepoved in podpiši spis, ki se ne sme izpremeniti po postavi Medov in Peržanov, ki je neomajna.
8Ny komandy lehibe rehetra amin'ny fanjakana sy ny mpanapaka sy ny solo-mpanjaka sy ny mpanolo-tsaina ary ny governora dia mifanara-kevitra fa tokony hanao lalàna sy didy mafy ianao, ry mpanjaka, ka na zovy na zovy no hanao fangatahana ato anatin'ny telo-polo andro, na amin'Andriamanitra na amin'olona, afa-tsy aminao ihany, ry mpanjaka ô, dia hatsipy ao an-davaky ny liona izy.
9Zatorej je kralj Darij podpisal spis in prepoved.
9Ankehitriny, ry mpanjaka ô, ataovy mafy ny lalàna, ka asio sonia mba tsy hiova, araka ny lalàn'ny Mediana sy ny Persiana izay tsy azo ovana.
10In ko je Daniel zvedel, da je spis podpisan, je šel v hišo svojo (imel pa je v zgornji sobi svoji odprta okna proti Jeruzalemu) in je trikrat vsak dan padel na kolena in molil in se zahvaljeval pred Bogom svojim, prav kakor je delal poprej.
10Ary noho izany dia nasian'i Dariosa mpanjaka sonia izany lalàna sy didy izany.
11Tedaj se pripode ti možje in zalotijo Daniela, da moli in milo prosi pred Bogom svojim.
11Nony fantatr'i Daniela fa efa voaisy sonia ny didy, dia nankao an-tranony izy; ary ny varavarankelin'ny tranony ambony nanandrify an'i Jerosalema dia nivoha. Koa intelo isan'andro no nandohalika ka nivavaka sy nisaotra teo anatrehan'Andriamaniny izy, satria fanaony hatramin'ny taloha izany.
12Potem pristopijo in govore pred kraljem glede kraljeve prepovedi: Nisi li podpisal prepovedi, da bodi vsak, ki bo v tridesetih dneh prosil kaj katerega boga ali človeka razen tebe, o kralj, vržen v levnjak? Kralj odgovori in reče: Res je to po postavi Medov in Peržanov, ki je neomajna.
12Dia somaritaka nivory ireo lehilahy ireo ka nahita an'i Daniela mangataka sy mifona eo anatrehan'Andriamaniny.
13Nato odgovore in reko pred kraljem: Tisti Daniel, ki je izmed ujetnikov iz Judeje, se ne meni zate, o kralj, ne za prepoved, ki si jo podpisal, temuč trikrat na dan opravlja svojo molitev.
13Dia nanatona izy ka niteny teo anatrehan'ny mpanjaka noho ny amin'ilay lalàn'ny mpanjaka ka nanao hoe: Moa tsy misy lalàna nasianao sonia fa na zovy na zovy no hanao fangatahana, na amin'Andriamanitra na amin'olona, ato anatin'ny telo-polo andro afa-tsy aminao ihany, ry mpanjaka ô, dia hatsipy ao an-davaky ny liona? Ny mpanjaka namaly ka nanao hoe: Marina izany, dia araka ny lalàn'ny Mediana sy ny Persiana izay tsy azo ovana.
14Kralju pa, ko je slišal te besede, ni bilo nikakor pogodu in se je namenil v srcu, da reši Daniela; in do solnčnega zahoda si je prizadeval ga oteti.
14Dia niteny ireo ka nanao teo anatrehan'ny mpanjaka hoe: Ilay Daniela, isan'ny babo avy amin'ny taranak'i Joda, dia tsy manaiky anao, na ny lalàna izay nasianao sonia, ry mpanjaka ô, fa manao fangatahana intelo isan'andro izy.
15Tedaj se pripode ti možje h kralju in mu reko: Vedi, o kralj, da je pri Medih in Peržanih postava, da se ne sme izpremeniti nobena prepoved, ne naredba, ki jo je kralj postavil.
15Dia tezitra indrindra ny mpanjaka, raha nahare izany teny izany, nefa matiny ihany izy ny hanafaka an'i Daniela, ka nanao izay tratry ny heviny hamonjy azy mandra-pilentiky ny masoandro.
16Nato kralj zapove, in pripeljejo Daniela ter ga vržejo v levnjak. Kralj izpregovori in reče Danielu: Bog tvoj, ki mu služiš neprestano, on naj te reši!
16Dia somaritaka nivory ho any amin'ny mpanjaka ireo lehilahy ireo ka nanao tamin'ny mpanjaka hoe: Aoka ho fantatrao, ry mpanjaka, fa izao no lalàn'ny Mediana sy ny Persiana: Ny lalàna sy ny didy izay efa navoaky ny mpanjaka dia tsy azo ovana.
17In prineso kamen ter ga polože vrhu jame, in kralj ga zapečati s prstanom svojim in s svojih mogočnežev prstani, da bi se glede Daniela nič ne izpremenilo.
17Dia nandidy ny mpanjaka; ary nentina Daniela ka natsipy tao an-davaky ny liona. Dia niteny ny mpanjaka ka nanao tamin'i Daniela hoe: Andriamanitrao Izay tompoinao mandrakariva anie hamonjy anao.
18Nato odide kralj v palačo svojo ter prenoči ob postu, ne dovoli žen pripeljati predse, in spanje ga mine.
18Ary nisy vato natampina ny vava-lavaka; ary ny mpanjaka nanomboka izany tamin'ny fanombohan-kaseny sy tamin'ny fanombohan-kasen'ny andriandahiny, mba tsy hovana ny teny ny amin'i Daniela.
19In vstane kralj z jutranjo zarjo, ko se je svitalo, in hitro gre k levnjaku.
19Dia nody tany an-dapany ny mpanjaka ary tsy nitendry hanina mandritra ny alina, sady tsy nisy zava-maneno nampidirina teo anatrehany, ary tsy nahita torimaso izy.[Na: zazavavy mpandihy]
20In ko se približa jami, zavpije po Danielu z žalostnim glasom. Kralj izpregovori in reče Danielu: O Daniel, živega Boga služabnik, ali te je mogel Bog tvoj, ki mu služiš neprestano, rešiti levov?
20Dia nifoha maraina koa ny mpanjaka ka nandeha faingana ho any amin'ny lavaky ny liona.
21Nato reče Daniel kralju: O kralj, žívi vekomaj!
21Ary nony tonga teo amin'ny lavaka izy, dia niantso an'i Daniela tamin'ny feo malahelo; eny, niteny ny mpanjaka ka nanao tamin'i Daniela hoe: Ry Daniela, mpanompon'Andriamanitra velona ô, moa Andriamanitrao Izay tompoinao mandrakariva mahavonjy anao amin'ny liona va?
22Moj Bog je poslal angela svojega, in zaprl je žrela levom, da mi niso škodovali, kajti pred njim sem bil spoznan za nedolžnega, in tudi pred teboj, kralj, nisem storil nič žalega.
22Namaly ny mpanjaka Daniela hoe: Ry mpanjaka, ho velona mandrakizay anie ianao.
23Tega se kralj silno oveseli in zapove, naj izvlečejo Daniela iz jame. In potegnejo Daniela iz jame, in nobene poškodbe ni bilo videti na njem, ker je upal v Boga svojega.
23Andriamanitro efa naniraka ny anjeliny ka nanakombona ny vavan'ny liona tsy handratra ahy, satria fahamarinana no hitany tamiko; ary teo anatrehanao koa, ry mpanjaka ô, tsy nanao ratsy aho.
24In kralj zapove, in pripeljejo tiste može, ki so ovadili Daniela, in vržejo v levnjak nje, njih otroke in žene; in niso še prileteli do tal v jamo, že so jih levi zgrabili ter jim vse kosti strli.
24Dia faly indrindra ny mpanjaka, ka nasainy nakarina avy ao an-davaka Daniela. Dia nakarina avy tao an-davaka Daniela, ary tsy hita nisy naratra izy, satria nino an'Andriamaniny.
25Tedaj je kralj Darij pisal vsem ljudstvom, narodom in jezikom, ki prebivajo po vsej zemlji: Mir naj se vam pomnoži!
25Ary ny mpanjaka nandidy, ka nentina ireo lehilahy niampanga an'i Daniela ireo, dia natsipy tao an-davaky ny liona izy mbamin'ny vadiny aman-janany, ary ny liona nanan-kery taminy ka nanapatapaka ny taolany, raha tsy mbola nipaka tamin'ny vodin'ny lavaka akory aza izy.[Ar. nihinana ny nofony]
26Povelje dajem, da naj po vsej kraljevini, kamor sega gospostvo moje, ljudje trepetajo in se boje Boga Danielovega; zakaj on je živi Bog in ostane večno, in gospostvo njegovo bo trajalo do konca;
26Tamin'izany Dariosa mpanjaka dia nanoratra ho amin'ny fokom-pirenena sy ny firenena sy ny samy hafa fiteny rehetra izay monina ambonin'ny tany rehetra hoe: Hitombo anie ny fiadananareo.
27on rešuje in otimlje ter dela znamenja in čudeže na nebu in na zemlji: ta je otel Daniela iz oblasti levov.In ta Daniel je imel srečo ob kraljevanju Darija in ob kraljevanju Cira, Perzijca.
27Manao lalàna aho mba hangovitan'ny olona sy hatahorany eo anatrehan'Andriamanitr'i Daniela eran'ny fanjakako rehetra; fa Izy no Andriamanitra velona sady maharitra mandrakizay; ny fanjakany haharitra hatramin'ny farany.
28In ta Daniel je imel srečo ob kraljevanju Darija in ob kraljevanju Cira, Perzijca.
28Izy no mamonjy sy manafaka ary manao famantarana sy fahagagana any an-danitra sy etỳ an-tany, ary Izy no namonjy an'i Daniela ho afaka tamin'ny herin'ny liona.Ary izany Daniela izany dia nambinina tamin'ny nanjakan'i Dariosa sy tamin'ny nanjakan'i Kyrosy Persiana.
29Ary izany Daniela izany dia nambinina tamin'ny nanjakan'i Dariosa sy tamin'ny nanjakan'i Kyrosy Persiana.