Slovenian

Malagasy

Deuteronomy

21

1Ko najdejo v deželi, ki ti jo daje GOSPOD, tvoj Bog, da jo posedeš, ubitega človeka, ki leži na polju, pa se ne ve, kdo ga je ubil:
1[Ny amin'ny fanesoran-keloka, raha misy faty hita, nefa tsy fantatra izay nahafaty azy] Raha tahìny misy maty novonoin'olona hita miampatra any an-tsaha amin'ny tany izay omen'i Jehovah Andriamanitrao anao holovana, ary tsy fantatra izay nahafaty azy,
2naj pridejo starejšine in sodniki tvoji in merijo od ubitega do vsakega mesta, ki je v okolici.
2dia hivoaka ny loholonao sy ny mpitsaranao ka horefesiny hatreo amin'ny faty ka hatramin'izay tanàna manodidina azy.
3Starejšine mesta pa, ki je najbliže ubitemu, naj vzamejo junico iz črede, s katero se še ni delalo in ki še ni vlekla v jarmu;
3Ary ny loholona amin'ny tanàna izay akaikin'ny faty indrindra dia haka ombivavy kely izay tsy mbola nampiasaina na nasiana zioga hitarihany.
4in starejšine tistega mesta naj peljejo junico v dolino, kjer vedno teče voda, v kateri se ne orje in ne seje, in naj ji zlomijo šijnjak tam v dolini.
4Ary ilay ombivavy kely dia ho entin'ny loholona amin'izany tanàna izany midina any amin'izay lohasaha tsy voasa na voafafy sady misy renirano tsy mety ritra, dia hofolahiny any an-dohasaha ny vozony.
5Nato naj pristopijo duhovniki, sinovi Levijevi, zakaj nje je izvolil GOSPOD, tvoj Bog, da mu strežejo ter blagoslavljajo v imenu GOSPODOVEM, in po njih besedi naj se poravna vsaka pravda in vsaka poškodba.
5Ary ireo mpisorona, taranak'i Levy, dia hanatona, fa izy no nofidin'i Jehovah Andriamanitrao hanao fanompoam-pivavahana aminy sy hitso-drano amin'ny anaran'i Jehovah; koa araka ny teniny no hanefana ny ady rehetra sy ny vonoana rehetra;
6In vsi starejšine tistega mesta, ki je najbliže truplu ubitega človeka, naj si umijejo roke nad junico, ki so ji bili šijnjak zlomili v dolini,
6ary ny loholona rehetra amin'izany tanàna akaikin'ny faty izany dia hanasa ny tànany eo ambonin'ilay ombivavy kely izay efa voafolaka tany an-dohasaha ny vozony;
7in izpregovore ter reko: Naše roke niso prelile te krvi in naše oči niso videle tega.
7dia hiloa-bava ireo ka hanao hoe: Tsy ny tananay no nandatsaka ity rà ity, sady tsy nahita izany ny masonay.
8Odpusti, o GOSPOD, svojemu ljudstvu Izraelu, ki si ga odrešil, in ne prištej nedolžne krvi ljudstvu svojemu Izraelu! In krivda krvi jim bo odpuščena.
8Jehovah ô, mamelà ny heloky ny Isiraely olonao izay navotanao ka aza atao ho heloky ny Isiraely olonao ny rà marina! Dia ho afa-keloka ny amin'izany rà izany izy.
9Tako odpraviš nedolžno kri izmed sebe, ko storiš, kar je prav v očeh GOSPODOVIH.
9Ka dia hesorinao ho afaka aminao ny rà marina, raha hanao izay mahitsy eo imason'i Jehovah ianao.
10Ko pojdeš na vojsko zoper svoje sovražnike in GOSPOD, tvoj Bog, ti jih da v roke ter odpelješ izmed njih ujetnike
10[Ny amin'ny vehivavy babo hovadin'izay nahazo azy] Raha mivoaka hanafika ny fahavalonao ianao, ary atolotr'i Jehovah Andriamanitrao eo an-tananao izy ka voababonao,
11in vidiš med ujetniki lepe postave žensko ter se vanjo zaljubiš, da bi jo vzel za ženo,
11ary misy vehivavy tsara tarehy hitanao eo amin'ny babo ka tianao hovadina,
12vpelji jo v hišo svojo in naj si postriže lase in obreže nohte.
12dia ento ho ao an-tranonao izy, ka asaovy haratany ny lohany sy alàny ny hohony,
13In naj sleče oblačilo ujetništva svojega in ostane v hiši tvoji ter joka cel mesec po svojem očetu in po svoji materi; in potem pojdi k njej in bodi njen mož, in ona bodi žena tvoja.
13ary asaovy esoriny koa ny fitafiany tamin'ny nahababo azy, dia aoka hitoetra ao an-tranonao andro iray volana izy hitomany ny ray aman-dreniny; ary rehefa afaka izany, dia vao mahazo mandry aminy ianao ka ho tompom-bady azy, ary ho vadinao izy.
14Ako pa nimaš veselja ž njo, pusti jo, kamor hoče iti, ali za denar je nikakor ne smeš prodati, tudi ne kot s sužnico ž njo ravnati, zato ker si jo ponižal.
14Fa raha tsy tianao intsony ravehivavy, dia alefaso handeha araka izay sitrapony izy: fa aza mivarotra azy hatao vola aman-karena na manandevo azy, satria efa nampietry azy ianao.
15Ako ima kdo dve ženi, eno, ki jo ljubi, in eno, ki mu je zoprna, in obe mu rodita otroke, ljubljena in neljubljena, in ako je prvorojenec tiste neljubljene:
15[Ny amin'ny lovan'ny lahimatoa] Raha misy lehilahy mamporafy, ka ny anankiray tiany, fa ny anankiray kosa tsy tiany, ary samy miteraka zaza aminy izy roa vavy, na ny tiany na ny tsy tiany, ary zanak'ilay tsy tiany no lahimatoa:
16ko pride dan, da bo delil svojim sinovom v dediščino, kar ima, ne sme storiti sinú ljubljene za prvenca mimo sina neljubljene, ki je prvenec;
16amin'ny andro handidiany fananana ho an'ny zananilahy dia tsy azo hatao lahimatoa ny zanaky ny tiany, raha mbola eo ihany ny zanaky ny tsy tiany, izay tena lahimatoany;
17temuč pripoznaj sina neljubljene za prvorojenca s tem, da mu da dvojni del vsega, kar ima; zakaj ta je začetek njegove moči in njegova je pravica prvenstva.
17fa ny lahimatoa, zanak'ilay tsy tiany ihany, no hekeny ka homeny anjaran-droa amin'izay rehetra ananany; fa voalohan'ainy izy, ka azy ny fizokiana.
18Ako ima kdo svojevoljnega in upornega sina, ki ne posluša glasu svojega očeta in svoje matere, in ga kaznujeta, pa ju noče poslušati,
18[Ny fanao amin'ny zanaka maditra tsy zaka anarina] Raha misy olona manana zanakalahy maditra sy manohitra ka tsy mety mihaino ny feon'ny rainy, na ny feon'ny reniny, ka tsy zakany anarina,
19naj ga primeta oče in mati ter ga pripeljeta k starejšinam svojega mesta, k vratom svojega kraja,
19dia hosamborin'ny rainy sy ny reniny izy ka ho entiny amin'ny loholona amin'ny tanànany, eo amin'ny vavahadin'ny tanàna onenany,
20ter rečeta mestnim starejšinam: Ta najin sin je svojevoljen in uporen, najinega glasu noče poslušati, požrešnik je in pijanec.
20dia hiteny amin'ny loholona amin'ny tanànany izy mivady hoe: Ity zanakay ity dia maditra sy manohitra ka tsy mihaino ny feonay, fa mpandany sy fileony.
21Nato naj ga vsi možje njegovega mesta posujejo s kamenjem, da umrje. Tako odpravi hudo izmed sebe, in vsak Izraelec bo slišal in se bal.
21Dia hitora-bato azy ho faty ny mponina rehetra ao an-tanànany; ka dia hofongoranao tsy ho eo aminao ny fanao ratsy; ary ny Isiraely rehetra dia handre izany ka hatahotra.
22In če kdo zakrivi greh, ki je smrti vreden, in bo umorjen in ga obesiš na les,naj ne ostane njegovo truplo čez noč na lesu, temuč ga moraš tisti dan pokopati, zakaj kletev Božja je obešenec; ti pa ne smeš onečiščati dežele svoje, ki ti jo da v dediščino GOSPOD, tvoj Bog.
22[Ny amin'ny fandevenana ny fatin'ny meloka izay efa nahantona tamin'ny hazo] Ary raha misy olona manao fahotana izay tokony hahafaty azy ka atao maty ary ahantona amin'ny hazo.dia tsy havela hiloaka alina eo amin'ny hazo ny fatiny, fa tsy maintsy halevinao androtr'iny ihany izy (fa voaozon'Andriamanitra ny mihantona amin'ny hazo); koa aza lotoina ny taninao, izay omen'i Jehovah Andriamanitrao anao ho lovanao.
23naj ne ostane njegovo truplo čez noč na lesu, temuč ga moraš tisti dan pokopati, zakaj kletev Božja je obešenec; ti pa ne smeš onečiščati dežele svoje, ki ti jo da v dediščino GOSPOD, tvoj Bog.
23dia tsy havela hiloaka alina eo amin'ny hazo ny fatiny, fa tsy maintsy halevinao androtr'iny ihany izy (fa voaozon'Andriamanitra ny mihantona amin'ny hazo); koa aza lotoina ny taninao, izay omen'i Jehovah Andriamanitrao anao ho lovanao.