1Ako vzame kdo ženo in se ž njo poroči in potem ona ne najde milosti v njegovih očeh, zato ker je odkril kaj mrzkega pri njej, naj ji napiše ločilni list ter ji ga da v roke in jo pošlje stran iz svoje hiše.
1[Didy samy hafa ny amin'ny fisaoram-bady sy ny tsi-fanaovana izay hampahory ny sasany] Raha misy lehilahy maka vady ka mampakatra azy, ary tsy tiany intsony ravehivavy noho ny ahitany fahalotoana eo aminy, dia aoka hanoratra taratasy fisaoram-bady ho an-dravehivavy Izy ary hanolotra izany eo an-tànany ka hampiala azy ao an-tranony.
2Ona pa odide iz njegove hiše in lahko gre in postane drugemu možu žena.
2Ary rehefa miala ao an-tranony ravehivavy, dia mahazo mandeha ka manambady olon-kafa.
3A če jo drugi mož mrzi in ji napiše ločilni list ter ji ga da v roko in jo odslovi iz svoje hiše; ali pa če drugi mož umre, ki si jo je vzel za ženo:
3Ary raha tsy tia an-dravehivavy ilay vao manambady azy ka manoratra taratasy fisaoram-bady koa ary manolotra izany eo an-tànany ka mampiala azy ao an-tranony, na maty ilay nanambady azy taoriana:
4prvi njen mož, ki jo je odslovil, si je ne sme zopet vzeti za ženo, potem ko je onečiščena, zakaj gnusoba je to pred GOSPODOM. Ti pa ne spravljaj v greh dežele, ki ti jo da GOSPOD, tvoj Bog, v dediščino.
4ilay nanambady azy taloha ka nisaotra azy dia tsy mahazo manambady azy intsony, rehefa voaloto izy; fa fahavetavetana eo imason'i Jehovah izany; ary aza mampiditra heloka amin'ny tany, izay omen'i Jehovah Andriamanitrao ho lovanao.
5Kdor se je pred kratkim oženil, naj ne hodi na vojsko, tudi naj se mu ne naloži opravilo: svoboden bodi doma eno leto in naj veseli ženo svojo, ki jo je vzel.
5Raha misy lehilahy vao nampaka-bady, dia tsy handeha hiantafika izy, ary tsy hampanaovina fanompoana akory, fa havela hitoetra ao an-tranony herintaona ka hampifaly ny vadiny izay vao nampakariny.
6Ne jemlji v zastavo ne ročnega mlina, ne zgornjega mlinskega kamena, zakaj s tem bi vzel v zastavo življenje. –
6Aza misy olona maka ny fikosoham-bary ho tsatòka, na ny vatony ambony aza; fa maka aina ho tsatòka izany.
7Ako se zve za moža, ki ukrade enega izmed svojih bratov, Izraelovih sinov, in ž njim ravna kot s sužnikom ali ga proda, tedaj naj umrje tisti tat. Tako odpravi hudo izmed sebe. –
7Raha misy olona hita mangalatra ny anankiray amin'ny Zanak'Isiraely rahalahiny ka manandevo azy, dia hatao maty izany mpangalatra izany; hofongoranao tsy ho eo aminao ny fanao ratsy.
8Varuj se pri nadlogi gob, da marljivo paziš in delaš po vsem, kar vas uče duhovniki leviti, kakor sem jim zapovedal; pazite, da tako delate.
8Mitandrema ny amin'ny habokana, ka araho tsara izay rehetra hatoron'ireo Levita mpisorona anareo; araka izay nandidiako azy no hotandremanareo harahina.
9Spominjaj se, kar je storil GOSPOD, tvoj Bog, Mirjami, na poti, ko ste šli iz Egiptovske zemlje. –
9Tsarovy izay nataon'i Jehovah Andriamanitrao tamin'i Miriama teny an-dalana tamin'ny nandehananareo avy tany Egypta.
10Ko daš svojemu bližnjemu kaj na up, ne stopi v njegovo hišo, da vzameš od njega zastavo;
10Raha mampisambo-javatra ny namanao ianao, dia aza miditra ao an-tranony handray ny antoka aminy.
11zunaj postoj, in mož, ki mu upaš, naj ti prinese ven zastavo svojo.
11Mijanòna eo ala-trano, ary ny lehilahy izay nampisamborinao no hamoaka ny antoka ho aminao eo ala-trano.
12In ako je ubožec, ne pojdi spat z njegovo zastavo,
12Ary raha malahelo ralehilahy, dia aza tananao miloaka alina ny antoka,
13marveč povrni mu zastavo, ko solnce za goro gre, da bi spal v svojem oblačilu in te blagoslovil; in to ti bode pravičnost pred GOSPODOM, tvojim Bogom. –
13fa tsy maintsy haverinao aminy mihitsy, rehefa tokony ho maty masoandro, mba hirakofany ny lambany, ka hisaorany anao; dia ho fahamarinana ho anao eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrao izany.
14Ne tlači ubogega in potrebnega najemnika, bodi izmed tvojih bratov ali izmed tujcev, ki bivajo v deželi tvoji po tvojih mestih.
14Aza manao fitondrana sarotra amin'ny mpikarama izay mahantra sy malahelo, na rahalahinao, na vahiny ao amin'ny taninao sy ao an-tanànanao.
15Tisti dan, ko dela, mu daj plačilo, še preden zajde solnce, zakaj potreben je in duša mu hrepeni po njem; da ne bi zoper tebe vpil h GOSPODU, in bilo bi ti v greh.
15Fa andro anaovany ihany no hanomezanao azy ny karamany, raha mbola tsy milentika ny masoandro, fa malahelo izy, ka izany no irin'ny fony; fandrao hitaraina amin'i Jehovah noho ny nataonao izy, dia ho fahotana aminao izany.
16Očetje naj se ne obsodijo v smrt za otroke, tudi ne otroci za očete: sleherni naj umrje le za svoj greh.
16Ny ray tsy hatao maty amin'ny ataon'ny zanany, ary ny zanaka tsy hatao maty amin'ny ataon'ny rainy; fa samy hatao maty amin'ny fahotany avy ihany ny olona.
17Ne ovrzi pravice tujcu in siroti, tudi ne jemlji vdovi oblačila v zastavo.
17Aza manao fitsarana miangatra amin'ny vahiny sy ny kamboty; ary aza maka ny fitafian'ny mpitondratena ho tsatòka.
18In spominjaj se, da si bil suženj v Egiptu, in GOSPOD, tvoj Bog, te je odkupil odondod: zato ti zapovedujem, da tako ravnaj.
18Fa tsarovy fa andevo tany Egypta ianao, ary Jehovah Andriamanitrao efa nanavotra anao ho afaka tany; koa izany no andidiako anao hanao izany zavatra izany.
19Ko boš žel žito na njivi svoji, pa pozabiš kak snop na njej, ne vrni se, da ga vzameš: ostane naj tujcu, siroti in vdovi, da bi te blagoslovil GOSPOD, tvoj Bog, pri vsem delu tvojih rok.
19Raha mijinja ny varinao any an-tsaha ianao, ka misy amboara hadinonao any, dia aza miverina haka azy; fa aoka ho an'ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena izany; mba hotahin'i Jehovah Andriamanitrao ianao amin'ny asa rehetra ataon'ny tananao.
20Ko boš tresel sad z oljk svojih, ne obiraj še veje za vejo: tujcu, siroti in vdovi ostani to.
20Raha manintsana ny hazo olivanao ianao, dia aza miverina hitsimpona izay sisa; fa aoka ho an'ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena izany.
21Ko si trgal v vinogradu svojem, ne pobiraj jagod za seboj: tujcu, siroti in vdovi ostani to.In spominjaj se, da si bil suženj v Egiptovski deželi; zato ti zapovedujem, da tako ravnaj.
21Raha mioty ny voalobokao ianao, dia aza miverina hitsimpona izay sisa; fa aoka ho an'ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena izany.Ary tsarovy fa andevo tany amin'ny tany Egypta ianao; koa izany no andidiako anao hanao izany zavatra izany.
22In spominjaj se, da si bil suženj v Egiptovski deželi; zato ti zapovedujem, da tako ravnaj.
22Ary tsarovy fa andevo tany amin'ny tany Egypta ianao; koa izany no andidiako anao hanao izany zavatra izany.