1In Mojzes in starejšine Izraelovi so zapovedali ljudstvu, rekoč: Ohranite vso to zapoved, ki vam jo danes zapovedujem.
1[Ny amin'ny hanaovana tsangam-bato hanoratana ny lalàna, sy ny hanaovana ny tso-drano sy ny fanozonana ao an-tendrombohitra Gerizinia sy Ebala] Ary Mosesy sy ny loholon'ny Isiraely dia nandidy ny vahoaka ka nanao hoe: Tandremo ny lalàna rehetra izay andidiako anao anio.
2In v dan, ko pridete prek Jordana v deželo, ki ti jo daje GOSPOD, tvoj Bog, si postavi velike kamene in jih pobeli z apnom;
2Ary amin'ny andro izay hitànareo an'i Jordana ho any amin'ny tany izay omen'i Jehovah Andriamanitrao anao, dia manangàna vato lehibe ho anao, ka lalory sokay;
3in nanje napiši vse besede tega zakona ob svojem prehodu; da dospeš v deželo, ki ti jo daje GOSPOD, tvoj Bog, deželo, ki v njej teče mleko in med, kakor ti je obljubil GOSPOD, tvojih očetov Bog.
3dia soraty eo aminy ny teny rehetra amin'ity lalàna ity, rehefa tafita ianao mba hiditra ao amin'ny tany izay omen'i Jehovah Andriamanitrao anao, dia tany tondra-dronono sy tantely, araka izay nolazain'i Jehovah, Andriamanitry ny razanao taminao.
4Ko torej prestopite Jordan, postavite te kamene, o katerih vam jaz zapovedujem danes, na gori Ebalu, in jih prebelite z apnom.
4Ary rehefa tafita an'i Jordana ianareo, dia atsangano ao an-tendrombohitra Ebala ireo vato ireo, izay nandidiako anareo andro any ka lalory sokay.
5In ondi zgradi oltar GOSPODU, Bogu svojemu, oltar kamenov, nad katerimi ne boš vihtel železnega orodja.
5Ary manorena alitara ao ho an'i Jehovah Andriamanitrao; vato no hataonao alitara, nefa aza pehim-by izy.
6Iz neobdelanih kamenov zgradi oltar GOSPODA, svojega Boga, in na njem daruj žgalne daritve GOSPODU, Bogu svojemu.
6Vato tsy voapaika no hataonao alitaran'i Jehovah Andriamanitrao; ka manatera fanatitra dorana eo amboniny ho an'i Jehovah Andriamanitrao.
7Daruj tudi mirovne žrtve in jih zaužij ondi, in veseli se pred GOSPODOM, svojim Bogom.
7Ary manatera koa fanati-pihavanana, ka mihinàna eo sy mifalia eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrao.
8In napiši na tiste kamene vse besede tega zakona dobro in razločno.
8Ary soraty amin'ireo vato ireo ny teny rehetra amin'ity lalàna ity, ka ataovy velona tsara ny soratra.
9In Mojzes in duhovniki leviti so govorili vsemu Izraelu, rekoč: Molči in čuj, o Izrael! Danes si postal ljudstvo GOSPODU, Bogu svojemu.
9Dia niteny tamin'ny Isiraely rehetra Mosesy sy ireo Levita mpisorona ka nanao hoe: Mangìna, ka mihainoa, ry Isiraely ô: androany no efa tonga firenen'i Jehovah Andriamanitrao ianao.
10Poslušaj torej glas GOSPODA, svojega Boga, in izpolnjuj zapovedi in postave njegove, ki ti jih jaz danes zapovedujem.
10Koa henoy ny feon'i Jehovah Andriamanitrao, ary araho ny didiny sy ny lalàny, izay andidiako anao anio.
11In Mojzes zapove ljudstvu tisti dan, rekoč:
11Dia nandidy ny vahoaka tamin'izany andro izany Mosesy ka nanao hoe:
12Tile naj stoje na gori Garizimu, da blagoslovijo ljudstvo, ko prestopite Jordan: Simeon, Levi, Juda, Isahar, Jožef in Benjamin;
12Ireto no hijanona eo an-tendrombohitra Gerizima hitso-drano ny vahoaka, rehefa tafita an'i Jordana ianareo: dia ny Simeona sy ny Levy sy ny Joda sy ny Isakara sy ny Josefa ary ny Benjamina.
13in tile naj stoje za proklinjanje na gori Ebalu: Ruben, Gad, Aser, Zebulon, Dan in Neftali.
13Ary ireto kosa no hijanona eo an-tendrombohitra Ebala hanozona: dia ny Robena sy ny Gada sy ny Asera sy ny Zebolona sy ny Dana ary ny Naftaly.
14In leviti naj izpregovore in reko vsem možem Izraelovim z velikim glasom:
14Dia hiteny ny Levita ka hanao amin'ny Isiraely rehetra amin'ny feo mahery hoe:
15Proklet bodi, kdor naredi rezano ali ulito podobo, kar je gnusoba GOSPODU, tvorina umetnikove roke, in jo postavi na skrivnem! In vse ljudstvo naj odgovori in reče: Amen!
15Hozonina ny olona izay manao sarin-javatra voasokitra na sarin-javatra an-idina, izay fahavetavetana eo imason'i Jehovah, asan'ny tanan'ny mahay tao-zavatra, ka mametraka azy ao amin'ny takona. Dia hamaly ny vahoaka rehetra ka hanao hoe: Amena.
16Proklet bodi, kdor ne spoštuje očeta svojega in matere svoje! In vse ljudstvo naj reče: Amen!
16Hozonina izay manao tsinontsinona ny rainy na ny reniny. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amena.
17Proklet bodi, kdor prestavi svojega bližnjega mejnik! In vse ljudstvo naj reče: Amen!
17Hozonina izay mamindra ny faritanin'ny namany. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amena.
18Proklet bodi, kdor zavede slepega s pota, da blodi! In vse ljudstvo naj reče: Amen!
18Hozonina izay mampivily lalana ny jamba. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amena.
19Proklet bodi, kdor zvija pravico tujcu, siroti in vdovi! In vse ljudstvo naj reče: Amen!
19Hozonina izay manao fitsarana miangatra amin'ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amena.
20Proklet bodi, kdor leži pri ženi svojega očeta, ker je odgrnil svojega očeta odejo! In vse ljudstvo naj reče: Amen!
20Hozonina izay mandry amin'ny vadin-drainy, fa mandry amin'izay nandrian-drainy izy. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amena.
21Proklet bodi, kdor se peča s kako živino! In vse ljudstvo naj reče: Amen!
21Hozonina izay mandry amin'ny biby. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amena.
22Proklet bodi, kdor leži pri svoji sestri, hčeri svojega očeta ali hčeri svoje matere! In vse ljudstvo naj reče: Amen!
22Hozonina izay mandry amin'ny anabaviny, dia ny zanakavavin-drainy, na ny zanakavavin-dreniny. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amena.
23Proklet bodi, kdor leži pri svoji tašči! In vse ljudstvo naj reče: Amen!
23Hozonina izay mandry amin'ny rafozani-vavy. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amena.
24Proklet bodi, kdor skrivoma ubije svojega bližnjega! In vse ljudstvo naj reče: Amen!
24Hozonina izay mamely ny namany ao amin'ny takona. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amena.
25Proklet bodi, kdor sprejme darilo, da koga ubije in prelije nedolžno kri! In vse ljudstvo naj reče: Amen!Proklet bodi, kdor ne potrdi besed te postave, izpolnjujoč jih! In vse ljudstvo naj reče: Amen!
25Hozonina izay mandray kolikoly hahafaty olo-marina. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amena.Hozonina izay tsy mankatò ny tenin'ity lalàna ity. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amena.
26Proklet bodi, kdor ne potrdi besed te postave, izpolnjujoč jih! In vse ljudstvo naj reče: Amen!
26Hozonina izay tsy mankatò ny tenin'ity lalàna ity. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amena.