1In Mojzes je šel gori s planjav Moabskih na goro Nebo, na vrh Pizge, ki je nasproti Jerihu. In GOSPOD mu je pokazal vso pokrajino Gileadsko do Dana
1[Ny nahafatesan'i Mosesy, sy ny nandevenana azy] Dia niakatra niala teo Arbota-moaba Mosesy ka nankany an-tendrombohitra Nebo, ao an-tampon'i Pisga, izay tandrifin'i Jeriko. Ary nasehon'i Jehovah azy ny tany Gileada rehetra hatrany Dana
2in ves Neftalijev kraj in Efraimovo in Manasejevo pokrajino in vso deželo Judovo do zadnjega morja,
2sy Naftaly rehetra sy ny tanin'ny Efraima sy ny Manase sy ny tanin'ny Joda rehetra hatramin'ny ranomasina andrefana
3in južno stran in ravnino ob Jordanu, nižavo ob Jerihu, palmovem mestu, do Zoarja.
3ary ny tany atsimo sy ny ao amin'ny lohasahan'i Jeriko, tanàna be rofia hatrany Zoara.
4In mu reče GOSPOD: To je dežela, ki sem zanjo prisegel Abrahamu, Izaku in Jakobu, rekoč: Dati jo hočem tvojemu semenu. Dal sem ti, da jo vidiš z očmi svojimi, vanjo pa ne pojdeš.
4Dia hoy Jehovah taminy: Io no tany izay nianianako tamin'i Abrahama sy Isaka ary Jakoba hoe: Homeko ny taranakao izy; nataoko mahita azy ny masonao, nefa tsy ho tafita ho tonga eny ianao.
5Umrl je torej Mojzes, hlapec GOSPODOV, ondi v Moabski deželi po besedi GOSPODOVI.
5Ary Mosesy, mpanompon'i Jehovah, dia maty teo amin'ny tany Moaba araka ny tenin'i Jehovah.
6In pokopal ga je v dolini, v deželi Moabski, nasproti Bet-peorju; ali nihče ne ve za njegov grob do današnjega dne.
6Ary naleviny tao an-dohasaha tao amin'ny tany Moaba, tandrifin'i Beti-peora, izy; ka tsy misy olona mahalala ny fasany mandraka androany.
7Bil pa je Mojzes sto in dvajset let star, ko je umrl; oko mu ni otemnelo in moč njegova ni opešala.
7Efa roa-polo amby zato taona Mosesy vao maty; ary tsy pahina ny masony, na nihena ny heriny.
8In sinovi Izraelovi so plakali za Mojzesom na planjavah Moabskih trideset dni, in dopolnjeni so bili dnevi jokanja, žalovanja za Mojzesom.
8Ary ny Zanak'Isiraely nisaona an'i Mosesy telo-polo andro teo Arbota-moaba; dia tapitra ny andro fitomaniana nisaonana an'i Mosesy.
9Jozue pa, sin Nunov, je bil napolnjen duha modrosti; zakaj Mojzes je bil položil svoje roke nanj. In sinovi Izraelovi so ga poslušali in delali, kakor je bil GOSPOD ukazal Mojzesu
9Ary Josoa, zanak'i Nona, dia feno ny fanahim-pahendrena, fa efa nametrahan'i Mosesy tanana izy; dia nihaino azy ny Zanak'Isiraely ka nanao araka izay nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
10A ni nastopil več noben prorok v Izraelu, enak Mojzesu, katerega bi bil GOSPOD poznal od obličja do obličja,
10Ary tsy nisy mpaminany intsony niseho teo amin'ny Isiraely tahaka an'i Mosesy, izay fantatr'i Jehovah nifanatrika
11po vseh znamenjih in čudežih, ki jih ga je poslal GOSPOD izvršit v deželi Egiptovski proti Faraonu in proti vsem njegovim služabnikom in proti vsej deželi njegovi,in po vsej mogočni roki in po vseh velikih in grozovitih delih, ki jih je storil Mojzes pred očmi vsega Izraela.
11tamin'ny famantarana rehetra sy ny fahagagana, izay nanirahan'i Jehovah azy mba hataony tany Egypta tamin'i Farao sy ny mpanompony rehetra ary ny taniny rehetraary tamin'ny herin-tanana rehetra sy ny fampahatahorana lehibe rehetra, izay nasehon'i Mosesy teo imason'ny Isiraely rehetra.
12in po vsej mogočni roki in po vseh velikih in grozovitih delih, ki jih je storil Mojzes pred očmi vsega Izraela.
12ary tamin'ny herin-tanana rehetra sy ny fampahatahorana lehibe rehetra, izay nasehon'i Mosesy teo imason'ny Isiraely rehetra.