1Mrtve muhe napravijo, da se mazilarju mazilo skazi in usmradi: enako malo neumnosti lahko prevlada modrost in slavo.
1Ny fatin-dalitra mahamaimbo sy mampamorivory ny menaky ny mpangaroharo zava-manitra; ary toy izany, ny fahadalana kely dia mavesatra noho ny fahendrena sy ny voninahitra.
2Modrega srce je na pravi strani njegovi, a bedakovo na napačni.
2Ny fon'ny hendry dia eo ankavanany; fa ny fon'ny adala kosa dia eo ankaviany.
3Saj tudi ko po poti gre, manjka bedaku razuma in vsakemu pove, da je bedak.
3Ary koa, raha mandeha eny an-dalambe ny adala, dia levona ny fahalalany, ka milaza tena amin'ny olona rehetra izy fa adala.
4Ako se vzdigne vladarjeva jeza zoper tebe, ne zapusti mesta svojega; kajti krotkost zabrani velike pregrehe.
4Raha tezeran'ny mpanapaka ianao, aza miala amin'ny fitoeranao; fa ny fahatsindriam-po mahasakana ny fahadisoana lehibe.
5Je zlo, ki sem ga videl pod solncem, pomota namreč, ki jo povzroča vladar:
5Misy ratsy efa hitako atỳ ambanin'ny masoandro, ka toa fahadisoana ataon'ny mpanapaka izany;
6neumnost posajajo na najvišja mesta in bogatini morajo sedeti na nizkih.
6Asandratra ho ambony indrindra ny adala, ary ny mpanankarena mipetraka eo amin'ny toerana ambany.
7Videl sem hlapce na konjih, knezi pa so šli peš kakor hlapci.
7Efa hitako ny mpanompo mitaingin-tsoavaly, ary ny mpanapaka kosa mandeha an-tongotra toy ny mpanompo.
8Kdor koplje jamo, lahko pade vanjo, in kdor predira ograjo, ga piči gad.
8Izay mihady lavaka no ho latsaka ao, ary izay mandrava fefy vato no hokekerin'ny menarana.
9Kdor lomi kamenje, se lahko ž njim poškoduje, in kdor kolje drva, je v nevarnosti od njih.
9Izay manovoka vato dia haratrany, ary izay mamaky hazo no ho voany.
10Kadar se železo skrha in ostrine kdo ne nabrusi, tedaj mora človek bolj napenjati svojo moč; ali modrost je koristna, da dosežeš uspeh.
10Raha dombo ny antsy ka tsy asainy, dia tsy maintsy manao an-teninaina izy; fa ny fahendrena no mahasoa, satria mahalavorary ny raharaha izany.
11Če kača piči, preden jo zakolne, nima nič dobička zaklinjalec.
11Raha manaikitra ny menarana, satria tsy mbola nasiana ody, dia ahoana no mahatsara ny mpanao ody?
12Besede iz ust modrega moža so milobne, ustnice bedakove pa njega samega pogoltnejo.
12Soa ny teny aloaky ny vavan'ny hendry; fa ny molotry ny adala kosa mitelina ny tenany.
13Začetek besed ust njegovih je neumnost in konec govorjenja njegovega je zlobna blaznost.
13Ny fiandohan'ny teny aloaky ny vavany dia fahadalana, ary ny fiafaran'ny teniny dia fahaverezan-tsaina mampidi-doza.
14Bedak rad govori veliko besed; toda človek ne ve, kaj bode, in kar pride za njim, kdo mu oznani?
14Maro teny ny adala nefa tsy misy olona mahalala izay ho avy; ary iza no mahalaza aminy ny ho avy any aoriany?
15Trud bedaka izmozgava, ker niti ne ve, kako bi šel v mesto.
15Ny fisasaran'ny adala mahareraka azy, fa ny lalana mankany an-tanàna aza tsy fantany akory.
16Gorje ti, o dežela, ako je tvoj kralj otrok in tvoji knezi se gosté že zjutraj!
16Lozanao, ry tany, raha zaza no mpanjakanao, ary ny lehibenao homa-maraina!
17Srečna si, o dežela, če je tvoj kralj sin plemenitnikov in tvoji knezi jedo o pravem času v okrepčavo in ne iz požrešnosti!
17Sambatra kosa ianao, ry tany, raha tena karazan'andriana no mpanjakanao, ary ny lehibenao homana amin'izay fotoana mety, mba hampahatanjaka ny tenany, fa tsy ny hampahamamo azy!
18Vsled lenobe gnije streha in po zanikarnosti kaplje v hišo.
18Ny fahalainana be no mampianjera ny lohatrano, ary ny hakamoan'ny tanana no mampitete ny trano.
19Gostí se napravljajo v razveseljevanje in vino razvedruje življenje, denar pa zagotovi vse.Ne preklinjaj kralja, še v svojih mislih ne, in v svoji spalnici ne kolni bogatina, kajti ptice nebeške bi odnesle glas in krilatci bi oznanil besedo.
19Ataony laolao ny hanina, ary ny divay no maharavoravo ny aina, ary ny vola no hahazoana ny zavatra rehetra.Aza manozona ny mpanjaka na dia amin'ny eritreritrao aza; ary aza manozona ny mpanankarena na dia ao anatin'ny efi-trano fandrianao aza; fa na dia ny voro-manidina aza anie ka hitondra ny feo, ary na dia ny manana elatra dia hanambara ny teny.
20Ne preklinjaj kralja, še v svojih mislih ne, in v svoji spalnici ne kolni bogatina, kajti ptice nebeške bi odnesle glas in krilatci bi oznanil besedo.
20Aza manozona ny mpanjaka na dia amin'ny eritreritrao aza; ary aza manozona ny mpanankarena na dia ao anatin'ny efi-trano fandrianao aza; fa na dia ny voro-manidina aza anie ka hitondra ny feo, ary na dia ny manana elatra dia hanambara ny teny.