1Dobro ime je boljše nego dišeče mazilo in dan smrti boljši nego dan rojstva.
1[Ohabolana samy hafa ny amin'ny mahasoa ny olombelona] Tsara ny laza soa noho ny menaka manitra; ary ny andro ahaterahana tsy mahaleo ny andro ahafatesana.
2Bolje je iti v hišo žalosti nego v hišo pojedine, ker v oni se vidi konec vseh ljudi, in živeči si to vtisne v srce.
2Tsara ny mankamin'ny trano misy fisaonana noho ny mankamin'ny trano misy fanasana; fa ho amin'iny no hiafaran'ny olombelona rehetra, ary ny velona handatsaka am-po izany.
3Boljša je žalost nego smeh, kajti po otožnem obličju se poboljšava srce.
3Tsara ny alahelo noho ny hehy; fa na dia malahelo aza ny tarehy, mety tsara ihany ny fo.[Na: faly]
4Srce modrih je v hiši žalosti, bedakov srce pa v hiši veselja.
4Ny fon'ny hendry dia ao amin'ny trano misy fisaonana; fa ny fon'ny adala kosa dia ao amin'ny trano misy fifaliana.
5Bolje je poslušati karanje modrega nego petje bedakov.
5Tsara ny mihaino ny anatra mafy ataon'ny hendry noho ny mihaino ny hiran'ny adala.
6Kajti smeh bedakov je kakor prasketanje trnja, gorečega pod loncem. Tudi to je ničemurnost.
6Toy ny firefodrefotry ny tsilo eo ambanin'ny vilany, dia tahaka izany ny fihomehezan'ny adala; zava-poana koa izany.
7Res, nasilstvo omami modrega in podkupilo uniči razum.
7Fa ny fampahoriana dia mahavery saina ny hendry; ary ny kolikoly mahasimba ny fo.
8Boljši je konec reči nego njen začetek; boljši je potrpežljivi nego ošabni.
8Tsara ny iafaran'ny raharaha noho ny iandohany; tsara ny mahari-po noho ny miavanavom-panahy.
9Ne bodi prenaglega duha za jezo, kajti jeza počiva v nedrjih bedakov.
9Aoka tsy halaky tezitra ny fanahinao; fa ny fahatezerana mitoetra ao an-tratran'ny adala.
10Ne govóri: Kako da so bili prejšnji dnevi boljši nego sedanji? Kajti tega ne vprašuješ v modrosti.
10Aza manao hoe: Ahoana no nahatsara ny andro taloha noho ny ankehitriny? fa tsy avy amin'ny fahendrena no anontanianao izany.
11Modrost je enako dobra kakor dediščina in še boljša njim, ki gledajo solnce.
11Tsara tahaka ny lova ny fahendrena, sady zava-mahasoa ho an'izay mahita masoandro izany.
12Kajti modrost je obrana in denar je obrana, toda prednost znanja je ta, da modrost ohrani v življenju njega, kdor jo ima.
12Fa fialokalofana ny fahendrena, ary fialokalofana ny vola; ary ny mahatsara ny fahalalana dia izao: Maharo ny ain'ny manana azy ny fahendrena.
13Glej delo Božje! Kajti kdo more zravnati, kar je on skrivil?
13Saino ny asan'Andriamanitra; fa iza moa no mahahitsy izay nataony ho meloka?
14Ob dnevi blagostanja bodi vesel, a ob dnevi nesreče pomisli: Tudi ta dan je Bog naredil z onim vred, da človek ne iznajde, kar bode za njim.
14Amin'ny andro mahafaly dia mifalia; ary amin'ny andro mahory mieritrereta; fa nampitanandrifin'Andriamanitra ireo, mba tsy hahitan'ny olona akory izay ho avy any aoriany.
15Marsikaj sem videl v dnevih ničemurnosti svoje: je pravičnik, ki gine v pravičnosti svoji, in je brezbožnik, ki podaljša življenje svoje v hudobnosti svoji.
15Izao rehetra izao dia efa hitako tamin'ny androko mandalo foana: misy marina maty amin'ny hamarinany; ary misy meloka ela velona amin'ny haratsiany.
16Ne bodi prepravičen in ne kaži se modrega čez mero: zakaj bi se pogubljal?
16Aza marina loatra, ary aza miseho ho hendry loatra; nahoana noho simbanao ny tenanao?
17Ne bodi preveč brezbožen in ne bodi bedast: zakaj bi umrl, preden pride tvoj čas?
17Aza ratsy loatra ianao, ary aza adala; nahoana no ho faty ianao, raha tsy efa tonga ny andronao?
18Dobro je, da se oprimeš tega, pa tudi onega ne izpustiš iz roke, zakaj kdor se boji Boga, uide vsem tem skrajnostim.
18Tsara raha mitana iroa ianao, nefa aza mampiala ny tananao amin'itsy; fa izay matahotra an'Andriamanitra dia ho afaka amin'izany rehetra izany.
19Modrost jači modrega bolj nego deset mogotcev, ki so v mestu.
19Ny fahendrena no maharo ny hendry mihoatra noho ny mpanapaka folo ao an-tanàna.
20Res, na zemlji ni pravičnega človeka, ki dela dobro in ne greši.
20Fa tsy misy olona marina ambonin'ny tany izay manao tsara ka tsy manota.
21Naj ti tudi ne sega do srca vse, kar se govori, da ne boš moral slišati, kako te hlapec tvoj preklinja;
21Aza mihainohaino ny teny rehetra tenenina, fandrao handre ny mpanomponao manozona anao ianao;
22kajti mnogoterikrat, tvoje srce ve, si tudi ti druge klel.
22fa fantatry ny fonao fa na dia ny tenanao aza dia mba efa nanozona ny sasany matetika ihany koa.
23Vse to sem preizkušal v modrosti. Dejal sem: Hočem biti moder, a daleč je ostala od mene modrost.
23Izany rehetra izany dia notsapaiko tamin'ny fahendrena. Hoy izaho: Ho hendry aho; kanjo lavitra ahy izany.
24Daleč je, kar je, in pregloboko: kdo more to doseči?
24Eny, izay rehetra lavitra sady lalina dia lalina, iza no mahatakatra azy?
25Obrnil sem se in srce mi je bilo namenjeno, spoznavati in zasledovati in iskati modrost in pravi razsodek, da bi spoznal, kako je brezbožnost neumna in nespamet besna.
25Nitodika aho, ka nampiasaiko ny foko hahalala sy handinika ary hitady fahendrena sy izay anton-javatra ary hahafantatra ny faharatsiana ho fahadalana, ary ny fahadalana ho fahaverezan-tsaina;
26In našel sem, kar je grenkejše nego smrt: ženo, čije srce se mreže in zadrge in roke njene spone. Kdor je ugoden Bogu, ji ubeži, grešnika pa ulovi.
26ka hitako fa mangidy noho ny fahafatesana ny vehivavy, izay fandrika sy harato ny fony, sady famatorana ny tànany; nefa izay ankasitrahan'Andriamanitra dia ho afa-mandositra azy, fa ny mpanota ihany no ho azony.
27Poglej, to sem našel, pravi Propovednik, ko sem zlagal drugo z drugim, da bi dobil pravi razsodek:
27Indro, izany no hitako, hoy Mpitoriteny, raha nandinidinika ny zavatra tsirairay aho mba hahitana izay antony.
28Česar duša moja še vedno išče, pa nisem našel, je to: enega moža iz tisoč sem našel, ali žene med temi vsemi nisem našel nobene.Poglej, samo to sem našel, da je Bog ustvaril človeka poštenega, oni pa iščejo veliko spletk!
28Izay notadiaviko koa, fa tsy hitako, dia izao: lehilahy iray no hitako ho marina tao amin'ny arivo; fa tao amin'ny vehivavy arivo dia tsy nisy hitako na dia iray akory aza.[Heb. teo amin'ireo dia tsy nisy vehivavy hitako,etc]Indro, izao ihany no hitako: nataon'Andriamanitra mahitsy ny olona, kanjo namorona sain-kafa maro izy.
29Poglej, samo to sem našel, da je Bog ustvaril človeka poštenega, oni pa iščejo veliko spletk!
29Indro, izao ihany no hitako: nataon'Andriamanitra mahitsy ny olona, kanjo namorona sain-kafa maro izy.