Slovenian

Malagasy

Exodus

14

1In GOSPOD je govoril Mojzesu, rekoč:
1Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
2Govóri sinovom Izraelovim, naj se vrnejo in tabore pred Pihahirotom, med Migdolom in morjem, pred Baalzefonom; njemu nasproti razpnite šatore pri morju.
2Lazao amin'ny Zanak'Isiraely mba hivily izy ka hitoby eo akaikin'i Pi-hahirota, eo anelanelan'i Migdolasy ny ranomasina; eo akaikin'i Bala-zefona, dia tandrifiny, no hitobianareo, eo amoron'ny ranomasina.
3Kajti Faraon poreče o Izraelovih sinovih: Zašli so v deželi, puščava jih je obdala.
3Ary Farao hilaza ny Zanak'Isiraely hoe: Azon'ny tamberintany izy ka voahidin'ny efitra.
4Jaz pa hočem otrditi srce Faraonovo, da bo hitel za njimi, in hočem se oslaviti na Faraonu in na vsej vojski njegovi; in Egipčani spoznajo, da sem jaz GOSPOD. In storili so tako.
4Dia hanamafy ny fon'i Farao Aho, ka hanenjika anareo izy; dia hankalazaina Aho noho ny hataoko amin'i Farao sy amin'ny miaramilany rehetra, ka ho fantatry ny Egyptiana fa Izaho no Jehovah. Dia nataon'ny Zanak'Isiraely izany.
5In ko so kralju egiptovskemu sporočili, da je ljudstvo zbežalo, se izpremeni srce Faraonovo in služabnikov njegovih proti ljudstvu, in reko: Kaj smo to storili, da smo odpustili Izraelce iz službe svoje!
5Ary nisy nanambara tamin'ny mpanjakan'i Egypta fa efa nandositra ny olona, dia niova ny fon'i Farao sy ny mpanompony ny amin'ny olona, ka hoy izy: Inona izao nataontsika izao, no nandefa ny Isiraely hiala tamin'ny fanompoany antsika isika?
6Zapreže torej svoj voz ter vzame ljudstvo svoje s seboj;
6Dia nasainy nofehezina tamin'ny kalesy ny soavaly, sady nitondra ny vahoakany hanaraka azy izy.
7vzame namreč šeststo izbranih voz in vse vozove egiptovske in bojevnike na vsakem iz njih.
7Ary nitondra kalesy enin-jato voafantina sy ny kalesin'ny Egyptiana rehetra izy, izay samy nisy mpiady avy izy rehetra.
8In GOSPOD je otrdil srce Faraona, kralja egiptovskega, da je dirjal za sinovi Izraelovimi. A sinovi Izraelovi so odhajali po visoki roki.
8Ary Jehovah nanamafy ny fon'i Farao, mpanjakan'i Egypta, dia nanenjika ny Zanak'Isiraely izy, na dia tamin'ny tanana avo aza no nivoahany.
9Egipčani pa so hiteli za njimi, in vsi konji in vozovi Faraonovi, konjiki njegovi in vojska njegova so jih došli, ko so taborili pri morju ob Pihahirotu, nasproti Baalzefonu.
9Koa nanenjika azy ny Egyptiana, dia ny soavaly rehetra mitarika ny kalesin'i Farao sy ny soavaliny fitaingina ary ny miaramilany, ka nahatratra azy nitoby teo amoron'ny ranomasina, teo anilan'i Pi-hahirota, tandrifin'i Balazefona.
10Ko se je pa bližal Faraon, povzdignejo sinovi Izrelovi oči, in glej, Egipčani gredo za njimi; in ustrašijo se sinovi Izrelovi zelo in vpijejo h GOSPODU.
10Ary rehefa mby akaiky Farao, dia natopin'ny Zanak'Isiraely ny masony, ka, indreo, ny Egyptiana tamy manenjika azy; dia raiki-tahotra indrindra ny Zanak'Isiraely ka nitaraina tamin'i Jehovah.
11In govore Mojzesu: Ni li morda bilo nobenih grobov v Egiptu, da si nas odpeljal, da umrjemo v puščavi? Zakaj si nam to storil, da si nas izvedel iz Egipta?
11Ary hoy koa izy tamin'i Mosesy: Moa tsy nisy fasana va tany Egypta, no nentinao ho faty atỳ an-efitra izahay? Nahoana no nanao izany taminay ianao ka nitondra anay nivoaka avy tany Egypta?
12Ali to ni beseda, ki smo ti jo govorili v Egiptu, rekoč: Pusti nas, naj služimo Egipčanom, zakaj bolje nam je služiti Egipčanom nego umreti v puščavi.
12Tsy izao va no teny nolazainay taminao fony tany Egypta hoe: Aoka izay fa avelao ihany izahay hanompo ny Egyptiana? Fa aleonay manompo ny Egyptiana toy izay ho faty any an-efitra.
13In Mojzes veli ljudstvu: Ne bojte se, stojte trdno in glejte rešitev GOSPODOVO, ki jo za vas izvrši danes; zakaj Egipčanov, ki jih danes vidite, ne boste nikdar več videli na veke.
13Ary hoy Mosesy tamin'ny olona: Aza matahotra ianareo, mijanòna, fa ho hitanareo ny famonjen'i Jehovah, izay hataony ho anareo anio; fa ny Egyptiana, izay hitanareo anio, dia tsy ho hitanareo intsony mandrakizay.
14GOSPOD se bo za vas bojeval, vi pa bodite mirni!
14Jehovah hiady ho anareo, fa ianareo kosa hangina.
15In GOSPOD reče Mojzesu: Zakaj vpiješ k meni? Véli Izraelovim sinovom, naj gredo naprej!
15Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Nahoana no mitaraina amiko ianao? lazao amin'ny Zanak'Isiraely mba handroso.
16Ti pa povzdigni palico svojo in iztegni roko nad morje ter ga razdeli, in šli bodo sinovi Izraelovi sredi morja po suhem.
16Ary aingao ny tehinao, dia ahinjiro ambonin'ny ranomasina ny tananao, ka saraho ny rano, dia handeha hamaky eo afovoan'ny ranomasina mandia ny tany maina ny Zanak'Isiraely.
17In glej, jaz otrdim srce Egipčanov, da pojdejo za vami; in hočem se oslaviti na Faraonu in na vsej vojski njegovi in na vseh vozovih in konjikih njegovih.
17Ary, indro, Izaho hanamafy ny fon'ny Egyptiana, ka hiditra hanenjika azy izy; dia hankalazaina Aho noho ny hataoko amin'i Farao sy amin'ny miaramilany rehetra mbamin'ny kalesiny sy ny mpitaingin-tsoavaliny,
18In Egipčani spoznajo, da sem jaz GOSPOD, kadar se oslavim na Faraonu, na njegovih vozeh in konjikih njegovih.
18dia ho fantatry ny Egyptiana fa Izaho no Jehovah, rehefa ankalazaina Aho noho ny ataoko amin'i Farao sy ny kalesiny sy ny mpitaingin-tsoavaliny.
19In vzdignil se je angel GOSPODOV, ki je šel pred vojsko Izraelcev, in gre zadaj za njimi, in oblakov steber izgine izpred njih in se postavi za njimi,
19Ary Ilay Anjelin'Andriamanitra, Izay nandeha teo alohan'ny tobin'ny Isiraely, dia nifindra ka nankeo aoriany; ary ny andri-rahona nifindra niala teo alohany dia nijanona teo aoriany
20in pride med vojsko Egipčanov in vojsko Izraelovo; in tam je oblak delal temo, tu pa je razsvetljeval noč. In eni se niso drugim približali celo noč.
20ka tonga teo anelanelan'ny tobin'ny Egyptiana sy ny tobin'ny Isiraely: dia teo ihany ny rahona sy ny fahamaizinana, nefa nampahazava ny alina kosa, ka dia tsy nifanatona izy roa tonta mandritra ny alina.
21Mojzes torej iztegne roko nad morje, in GOSPOD je odpravil morje s silnim vzhodnikom, ki je pihal celo noč, in je napravil v morju suha tla, in voda se je razdelila.
21Dia nahinjitr'i Mosesy teo ambonin'ny ranomasina ny tànany; ary rivotra mahery avy atsinanana no nampisavan'i Jehovah ny ranomasina mandritra iny alina iny, ka nataony tany maina ny ranomasina, ary dia voasaraka ny rano.
22In sinovi Izraelovi so šli sredi morja po suhem, in vode so jim bile kakor zidovje na desni in na levi.
22Dia nandeha teo afovoan'ny ranomasina nandia ny tany maina ny Zanak'Isiraely; ary ny rano dia tonga fefy ho azy teo amin'ny ankavanany sy teo amin'ny ankaviany.
23In Egipčani so gnali za njimi, in prišli so vsi konji Faraonovi, vozovi in konjiki njegovi v sredo morja.
23Dia nanenjika azy ny Egyptiana ka niditra nanaraka azy teo afovoan'ny ranomasina, dia ny soavalin'i Farao rehetra sy ny kalesiny ary ny mpitaingin-tsoavaliny.
24In zgodi se ob jutranji straži, da pogleda GOSPOD na vojsko Egipčanov iz ognjenega in oblakovega stebra in napravi zmešnjavo v vojski Egipčanov;
24Ary tamin'ny fiambenana maraina dia nijery ny tobin'ny Egyptiana tao amin'ny andri-afo sy ny rahona Jehovah ka nampifanaritaka ny tobin'ny Egyptiana.
25in stori, da se kolesa vozom izmaknejo, tako da so s težavo vozili. In Egipčani reko: Bežímo pred Izraelom, kajti GOSPOD se bojuje zanje proti Egiptu.
25Ary nanala ny kodian'ny kalesiny Izy ka nampahasarotra ny nandehanany, dia hoy ny Egyptiana: Aoka handositra ny tavan'ny Isiraely isika, fa Jehovah no miady amin'ny Egyptiana ho an'ireo.
26In GOSPOD reče Mojzesu: Iztegni roko nad morje, da se vode povrnejo na Egipčane, na njih vozove in jezdece.
26Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Ahinjiro eo ambonin'ny ranomasina ny tananao, mba hikatonan'ny rano amin'ny Egyptiana mbamin'ny kalesiny sy ny mpitaingin-tsoa valiny.
27Tedaj iztegne Mojzes roko po morju, in povrnilo se je morje ob jutranjem svitu v navadno valovanje svoje; in Egipčani so bežali proti njemu, in GOSPOD jih je pognal v sredo vodovja.
27Dia nahinjitr'i Mosesy teo ambonin'ny ranomasina ny tànany, ka nikatona ho tahaka ny teo ny ranomasina, rehefa nadiva ho maraina ny andro; ary ny Egyptiana nandositra, kanjo nitsena ny rano ihany izy, dia narian'i Jehovah teo afovoan'ny ranomasina ny Egyptiana.
28In povrnile so se vode in zagrnile vozove in konjištvo vse vojske Faraonove, ki je šla za Izraelci v morje; ni preostalo izmed njih še enega ne.
28Ary dia nikatona ny rano ka nanarona ny kalesy sy ny mpitaingin-tsoavaly, dia ny miaramilan'i Farao rehetra izay niditra teo amin'ny ranomasina nanenjika ny Zanak'Isiraely; koa tsy nisy niangana na dia iray akory aza.
29Ali sinovi Izraelovi so šli sredi morja po suhem, in vode so jim bile v zidovje na desni in na levi.
29Fa ny Zanak'Isiraely kosa nandeha tamin'ny tany maina teo afovoan'ny ranomasina; ary ny rano dia tonga fefy ho azy teo amin'ny ankavanany sy teo amin'ny ankaviany.
30Tako je otel GOSPOD tisti dan Izraela iz roke Egipčanov. In videl je Izrael Egipčane mrtve ob bregu morja.In videl je Izrael preveliko moč, ki jo je bil GOSPOD pokazal nad Egipčani, in balo se je ljudstvo GOSPODA in verovalo je GOSPODU in Mojzesu, njegovemu služabniku.
30Izany no namonjen'i Jehovah ny Isiraely tamin'izany andro izany mba tsy ho azon'ny Egyptiana; ary hitan'ny Isiraely teny amoron'ny ranomasina ny fatin'ny Egyptiana.Ary rehefa hitan'ny Isiraely ny asa lehibe izay nataon'ny tànan'i Jehovah tamin'ny Egyptiana, dia natahotra an'i Jehovah ny olona ka nino an'i Jehovah sy Mosesy mpanompony.
31In videl je Izrael preveliko moč, ki jo je bil GOSPOD pokazal nad Egipčani, in balo se je ljudstvo GOSPODA in verovalo je GOSPODU in Mojzesu, njegovemu služabniku.
31Ary rehefa hitan'ny Isiraely ny asa lehibe izay nataon'ny tànan'i Jehovah tamin'ny Egyptiana, dia natahotra an'i Jehovah ny olona ka nino an'i Jehovah sy Mosesy mpanompony.