Slovenian

Malagasy

Exodus

16

1In odrinili so iz Elima, in prišla je vsa občina sinov Izraelovih v puščavo Sinsko, ki je med Elimom in med Sinajem, petnajsti dan drugega meseca po svojem odhodu iz Egipta.
1Ary tamin'ny andro fahadimy ambin'ny folo tamin'ny volana faharoa taorian'ny nialany tany amin'ny tany Egypta dia nifindra niala tao Elima ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra, ka nankany amin'ny efitra Sina, izay eo anelanelan'i Elima sy Sinay.
2In mrmrala je vsa občina sinov Izraelovih zoper Mojzesa in Arona v puščavi,
2Dia nimonomonona tamin'i Mosesy sy Arona tany an-efitra ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra,
3in rekli so jima sinovi Izraelovi: O, da bi bili umrli po roki GOSPODOVI v deželi Egiptovski, ko smo sedeli pri loncih mesa in jedli kruh dosita! kajti izpeljala sta nas v to puščavo, da vso tole množico pomorita z lakoto!
3ka nanao taminy hoe: Inay anie izahay mba matin'ny tànan'i Jehovah tany amin'ny tany Egypta, raha nipetraka teo anilan'ny fahandroan-kena ka nihinan-kanina ho voky; fa nitondra anay nivoaka ho atỳ an-efitra ianareo hahafaty mosary izao fiangonana rehetra izao.
4Tedaj reče GOSPOD Mojzesu: Glej, dežil vam bom kruh z neba; ljudstvo pa naj hodi in pobira vsak dan, kolikor tisti dan potrebuje, da ga izkusim, ali bo po mojem zakonu živelo ali ne.
4Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Indro, Izaho handatsaka mofo avy any an-danitra ho anareo; dia hivoaka ny olona ka hanangona izay sahaza hohaniny isan'andro, hizahako toetra azy, na handeha manaraka ny lalako izy, na tsia.
5In šesti dan naj pripravijo, kar so nabrali, in bode dvakrat toliko, po kolikor so nabrali vsak dan.
5Ary raha mby amin'ny andro fahenina dia hamboariny izay azony; ary hisy indroa toraka izay angoniny isan'andro.
6In Mojzes in Aron sporočita vsem sinovom Izraelovim: Zvečer spoznate, da vas je GOSPOD peljal iz dežele Egiptovske,
6Ary hoy Mosesy sy Arona tamin'ny Zanak'Isiraely rehetra: Anio hariva dia ho fantatrareo fa Jehovah no nitondra anareo nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta;
7in zjutraj boste videli slavo GOSPODOVO, ker je on slišal mrmranje vaše zoper GOSPODA, kajti kaj sva midva, da mrmrate zoper naju?
7ary rahampitso maraina dia ho hitanareo ny voninahitr'i Jehovah, fa efa reny ny fimonomononanareo tamin'i Jehovah; fa izahay moa no inona, no imonomononanareo?
8In reče Mojzes: Po tem to spoznate, ko vam GOSPOD dá zvečer jesti mesa in zjutraj kruha dosita; ker je GOSPOD slišal mrmranje vaše, s katerim ste godrnjali zoper njega. Kaj sva pač midva? Ne zoper naju je mrmranje vaše, ampak zoper GOSPODA.
8Ary hoy koa Mosesy; Ho hitanareo izany, raha homen'i Jehovah hena hohanina ianareo anio hariva, ary mofo hahavoky rahampitso maraina; fa efa ren'i Jehovah ny fimonomononanareo, izay nimonomononanareo taminy; fa izahay moa no inona? Tsy izahay no imonomononanareo, fa Jehovah.
9In veli Mojzes Aronu: Govori vsej občini sinov Izraelovih: Približajte se GOSPODU, kajti slišal je mrmranje vaše.
9Ary hoy Mosesy tamin'i Arona: Lazao amin'ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra, hoe: Manatòna eo anatrehan'i Jehovah; fa efa reny ny fimonomononanareo.
10In zgodilo se je, ko je Aron govoril vsej občini sinov Izraelovih, da se obrnejo proti puščavi, in glej, slava GOSPODOVA se je prikazala v oblaku.
10Ary raha Arona mbola niteny tamin'ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra, dia nijery nanatrika ny efitra izy ireo, ka, indro, ny voninahitr'i Jehovah niseho teo amin'ny rahona.
11In GOSPOD je govoril Mojzesu, rekoč:
11Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
12Slišal sem mrmranje Izraelovih otrok; povej jim tole: Proti večeru boste jedli meso in zjutraj se nasitili kruha, in spoznali boste, da sem jaz GOSPOD, vaš Bog.
12Efa reko ny fimonomononan'ny Zanak'Isiraely, koa mitenena aminy hoe: Anio hariva dia hihinan-kena ianareo, ary rahampitso maraina kosa dia ho voky mofo ianareo, ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.
13In zgodi se zvečer, da so priletele prepelice in pokrile tabor; in zjutraj je ležala rosa okrog tabora.
13Ary nony hariva dia niakatra ny papelika, ka rakotra azy ny toby; ary nony maraina dia nisy ando manodidina ny toby;
14Ko se je pa rosa vzdignila, glej, po površju puščave je nekaj drobnega, luskinastega, drobnega kakor slana na tleh.
14ary nony niala ny ando, dia, indro, nisy zava-madinika boribory teny amin'ny efitra, madinika toy ny fanala amin'ny tany.
15In sinovi Izraelovi, videč to, so rekli drug drugemu: Kaj je to? niso namreč vedeli, kaj je. In Mojzes jim reče: To je tisti kruh, ki vam ga je dal GOSPOD za jed.
15Ary rehefa hitan'ny Zanak'Isiraely izany, dia nifanontany hoe izy: Inona itony? satria tsy fantany ireny. Dia hoy Mosesy taminy: Itony no mofo izay nomen'i Jehovah ho fihinanareo.
16To je beseda, ki jo je zapovedal GOSPOD: Vsak naj nabere tega, kolikor more pojesti; gomer za vsako glavo, po številu vaših duš; vsak naj vzame tega za tiste, ki so v njegovem šatoru.
16Izao no teny izay nandidian'i Jehovah: Samia manangona azy ianareo araka izay tokony ho laninareo avy, dia eran'ny vata omera avy ho amin'ny isan-olona, araka ny isanareo; samia mitondra ianareo rehetra ho an'izay ao an-dainy avy.
17In storili so tako sinovi Izraelovi, in nabrali so, eden več, drugi manj.
17Dia nanao izany ny Zanak'Isiraely, ka samy nanangona: ny sasany nanangona be, ary ny sasany kosa kely.
18In so merili z gomerom: in kdor je mnogo nabral, mu ni ničesar preostalo, in kdor je malo nabral, mu ni ničesar manjkalo; vsakdo je nabral, prav kolikor je mogel snesti.
18Ary raha nafatrany tamin'ny vata omera izany, dia tsy nanana amby ny nanangona be, ary ny nanangona kely tsy nanana ny tsy ampy; samy nanangona araka izay fihinany avy izy.
19In Mojzes jim veli: Nihče naj ne pusti kaj tega do jutra!
19Ary hoy Mosesy taminy: Aza misy mamela sisa ho tra-maraina.
20Toda niso Mojzesa poslušali, in nekateri so pustili ostanek do jutra; in zaredili so se v tem črvi, in usmradilo se je. In razsrdil se je Mojzes nad njimi.
20Kanefa tsy mba nanaraka ny tenin'i Mosesy izy, fa namela sisa ho tra-maraina ihany ny olona sasany, dia niteraka olitra izany ka maimbo; ary dia tezitra tamin'ny olona Mosesy.
21In nabirali so jutro za jutrom, vsakdo, kolikor je mogel pojesti; kadar pa je solnce pripekalo, se je raztajalo.
21Ary nanangona ny mana isa-maraina ny olona, dia samy araka izay fihinany avy; ary nony nafana ny andro, dia levona ireny.
22In zgodi se šesti dan, da nabero kruha dvakrat toliko, dva gomera za enega. In pridejo vsi prvaki občine povedat to Mojzesu.
22Ary nony tamin'ny andro fahenina dia nanangona avy sasaka noho ny isan'andro ny olona, dia indroan'ny vata omera ho an'ny isan-olona avy; dia avy ny lohan'ny fiangonana ka nanambara tamin'i Mosesy.
23In on jim reče: To je, kar je govoril GOSPOD: Jutri bo praznik, svet počitek GOSPODU; kar hočete peči, pecite, in kar hočete kuhati, kuhajte, in karkoli preostane, denite na stran, da se prihrani do jutra.
23Ary hoy Mosesy taminy: Izao no lazain'i Jehovah: Rahampitso dia tena andro fitsaharana masina ho an'i Jehovah; koa manendasa izay hendasinareo, ary mahandroa izay handrahoinareo, ary izay sisa rehetra dia avelao ho anareo, hotehirizina ho tra-maraina.
24Deli so torej to na stran do jutra, kakor je ukazal Mojzes, a ni se usmradilo, tudi ni bilo črvov v tem.
24Dia namela izany ho tra-maraina izy, araka izay nandidian'i Mosesy; ary tsy mba maimbo na niteraka olitra izany.
25In Mojzes reče: Jejte to danes, kajti danes je praznik GOSPODU, danes ne najdete nič tega na polju.
25Ary hoy Mosesy: Hano ireny anio, fa Sabata ho an'i Jehovah anio, ka anio no tsy hahitanareo azy any an-tsaha.
26Šest dni boste nabirali, a sedmi dan je počitek, tedaj ne bo tega.
26Henemana no hanangonanareo azy; fa Sabata ny andro fahafito, ka dia tsy hisy amin'izany.
27Zgodi se pa sedmi dan, da so šli nekateri izmed ljudstva nabirat, a niso ničesar našli.
27Ary nony tamin'ny andro fahafito dia nisy olona nivoaka hanangona, fa tsy nahita na dia kely akory aza.
28In GOSPOD reče Mojzesu: Doklej se pa boste upirali, da spoštujete ukaze moje in povelja moja?
28Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Mandra-pahoviana no handavanareo tsy hitandrina ny didiko sy ny lalàko?
29Glejte, ker vam je GOSPOD dal praznik, zato vam daje šesti dan kruha za dva dni. Vsakdo naj ostane na svojem, nihče ne odhajaj s svojega kraja sedmi dan!
29Saino fa Jehovah no nanome anareo ny Sabata, koa izany no anomezany anareo mofo ampy ho indroa andro amin'ny andro fahenina; samia mitoetra eo amin'ny fitoerany avy ianareo, ka aoka tsy hisy hiala amin'ny fitoerany amin'ny andro fahafito.
30Počivalo je torej ljudstvo sedmi dan.
30Dia nitsahatra ny olona tamin'ny andro fahafito.
31In imenovala je hiša Izraelova ta kruh mano; bil je pa kakor belo koriandrovo seme in njegov okus kakor medeni kolači.
31Ary ny anarany dia nataon'ny taranak'Isiraely hoe Mana; ary tahaka ny voan-drafy izy sady fotsy; ary ny fanandramana azy dia tahaka ny mofo misy tantely.
32In Mojzes je rekel: To je, kar je ukazal GOSPOD: Poln gomer tega naj se shrani za prihodnje rodove vaše, zato da vidijo kruh, s katerim sem vas hranil v puščavi, ko sem vas peljal iz dežele Egiptovske.
32Ary hoy Mosesy: Izao no teny izay nandidian'i Jehovah: Analao eran'ny vata omera izy hotehirizina hatramin'ny taranakareo fara mandimby, mba ho hitany ny mofo izay nampihinaniko anareo tany an-efitra, raha nitondra anareo nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta Aho.
33Veli torej Mojzes Aronu: Vzemi posodo in deni vanjo poln gomer mane, in položi jo pred GOSPODOM, da se hrani za prihodnje rodove vaše.
33Ary hoy Mosesy tamin'i Arona: Makà vilany, ka asio mana eran'ny vata omera eo anatiny, dia apetraho eo anatrehan'i Jehovah mba hotehirizina hatramin'ny taranakareo fara mandimby.
34Kakor je bil ukazal GOSPOD Mojzesu, tako jo je Aron položil pred pričevanjem, da bodi shranjena.
34Ary araka izay nandidian'i Jehovah an'i Mosesy no nametrahan'i Arona izany teo anatrehan'ny Vavolombelona mba hotehirizina.
35In jedli so sinovi Izraelovi mano štirideset let, dokler niso prišli v naseljeno deželo; jedli so mano, dokler niso prišli do meje dežele Kanaanske.Gomer pa je deseti del efe.
35Ary ny Zanak'Isiraely nihinana mana mandritra ny efa-polo taona mandra-pahatongany tany amin'izay tany misy monina: eny, mana no nohaniny mandra-pahatongany tany amin'ny sisin'ny tany Kanana.Ary ny omera dia ampahalofon'ny vata efaha.
36Gomer pa je deseti del efe.
36Ary ny omera dia ampahalofon'ny vata efaha.