Slovenian

Malagasy

Exodus

23

1Ne raznašaj lažnivega govorjenja; ne podajaj roke svoje krivičniku, da bodeš priča za nepravičnost.
1Aza manangan-tsaho foana. Aza mifandray tanana amin'ny ratsy fanahy ho vavolombelona mampidi-doza.
2Ne potegni z množico, da bi delal zlo; in v pravdi ne govóri iz nagnjenja do množice, da se izprevrne sodba.
2Aza manaraka ny maro hanao ratsy; ary aza mamaly ny amin'ny adin'olona hivily hanaraka ny maro hamadika ny rariny.
3Tudi na ubožca se ne oziraj v pravdi njegovi.
3Aza mandravaka ny tenin'ny malahelo eo amin'ny fandaharan-teniny ianao.
4Ako srečaš vola sovražnika svojega ali osla, da je zašel, pripelji mu ga varno nazaj.
4Raha hitanao mania ny ombin'ny fahavalonao, na ny borikiny, dia avereno any aminy mihitsy izany.
5Ako vidiš osla sovražilca svojega, da leži pod tovorom svojim, ne hodi mimo, ne da bi mu pomagal: rad mu pomozi ž njim vred.
5Raha hitanao ny borikin'izay mankahala anao mihonaka ao ambanin'ny entany, dia aza malaina hamonjy azy ianao, fa manampia ny namanao hamaha azy tokoa.
6Ne zavijaj pravice siromaku svojemu v pravdi njegovi.
6Aza mamily ny rariny izay ananan'ny malahelo ao aminao, raha manana ady izy.
7Ogiblji se nepoštene reči. Nedolžnega in pravičnega ne ubijaj, zakaj krivičnega ne opravičim.
7Manalavira izay teny lainga, ary aza mamono izay tsy manan-tsiny sy izay marina ianao; fa tsy hanamarina ny meloka Aho.
8Ne jemlji daril, kajti darilo oslepi nje, ki gledajo z odprtimi očmi, in preobrne besede pravičnih.
8Ary aza mandray kolikoly, fa ny kolikoly mahajamba ny mason'ny mahiratra sy mamadika ny tenin'ny marina.
9In tujca ne tlači, zakaj veste, kako je v duši tujcu, ker ste sami bili tujci v deželi Egiptovski.
9Ary aza mampahory vahiny, fa ianareo mahalala ny fon'ny vahiny, satria efa mba vahiny tany amin'ny tany Egypta ihany ianareo.
10Šest let posevaj zemljo svojo in spravljaj pridelke njene;
10Ary enin-taona no hamafazanao amin'ny taninao sy hanangonanao ny vokatra;
11a sedmo leto naj ti leži in počiva, da jo uživajo ubožci tvojega ljudstva, in kar po njih preostane, naj pojé poljska zverina. Prav tako delaj z vinogradom in z olivnikom svojim.
11fa amin'ny taona fahafito kosa dia hatsahatrao tsy hovolena izy, mba hisy hohanin'ny malahelo amin'ny firenenao; ary izay sisan'ireo dia mba hohanin'ny biby any an-tsaha kosa. Toy izany koa no hataonao amin'ny tanim-boalobokao sy amin'ny tanin'olivanao.
12Šest dni opravljaj posel svoj in sedmi dan počivaj, da se odpočijeta vol in osel tvoj in se oddahneta sin dekle tvoje in tujec.
12Henemana no hanaovanao ny raharahanao; fa amin'ny andro fahafito dia hitsahatra ianao, mba hialan'ny ombinao sy ny borikinao sasatra, ary mba hakan'ny zanaky ny ankizivavinao sy ny vahiny aina.
13In pazite na vse, kar sem vam rekel; in imena tujih bogov ne omenjajte, še sliši naj se ne iz vaših ust.
13Ary tandremo izay rehetra nolazaiko taminareo, ka aza manonona ny anaran'andriamani-kafa akory ianareo; aza avela ho re avy amin'ny vavanao izany.
14Trikrat v letu mi posvečuj praznik.
14Intelo isan-kerintaona no hanaovanao andro firavoravoana ho Ahy.
15Praznik opresnikov praznuj: sedem dni boš jedel opresen kruh, kakor sem ti zapovedal, v določeni čas v mesecu Abibu, kajti v njem si šel iz Egipta; in nihče naj se ne prikaže prazen pred mojim obličjem;
15Tandremo ny andro firavoravoana fihinanana ny mofo tsy misy masirasira; hafitoana no hihinananao ny mofo tsy misy masirasira, araka izay nandidiako anao, amin'ny fotoan'andro amin'ny volana Abiba, fa tamin'izany no nivoahanao avy tany Egypta; ary aoka tsy hisy hiseho foana tsy mitondra fanatitra eo anatrehako.
16in praznik žetve, prvin tvojega pridelka, tistega, kar seješ na polju; in praznik spravljanja ob koncu leta, kadar pospraviš svoje pridelke s polja.
16Ary tandremo koa ny andro firavoravoana amin'ny fijinjana ny voaloham-bokatry ny asanao, izay nafafinao tany an-tsaha, sy ny andro firavoravoana amin'ny fanangonana amin'ny faran'ny taona, raha manangona ny vokatry ny asanao avy any an-tsaha ianao.
17Trikrat v letu naj se prikažejo vsi moški tvoji pred obličjem Gospoda Jehove.
17Dia intelo isan-kerintaona no hisehoan'ny lehilahy rehetra aminareo eo anatrehan'i Jehovah Tompo.
18Ne daruj krvi daritve moje zraven kvašenega kruha, in masti od mojega praznika naj ne ostane do jutra.
18Aza manatitra ny ran'ny zavatra vonoina hatao fanatitra ho Ahy ianao, raha mbola misy masirasira ao aminao; ary aza avela ho tra-maraina ny saboran'ny zavatra vonoina amin'ny andro firavoravoana ho Ahy.
19Prve prvine plodov zemlje svoje prinesi v hišo GOSPODA, svojega Boga. Ne kuhaj kozliča v matere njegove mleku.
19Ny santatry ny voaloham-bokatry ny taninao dia ho entinao ao an-tranon'i Jehovah Andriamanitrao. Aza mahandro zanak'osy amin'ny rononon-dreniny.
20Glej, jaz pošiljam angela svojega pred teboj, da te varuje na potu in te pripelje v kraj, katerega sem pripravil.
20[Ny niantohan'Andriamanitra hiaro ny Zanak'Isiraely sy hamponina azy soa aman-tsara ao amin'ny tany Kanana] Indro, Izaho maniraka Anjely eo alohanao hiaro anao any an-dalana sy hitondra anao ho any amin'ny fitoerana izay namboariko.
21Pazi se obličja njegovega in poslušaj njegov glas; ne upiraj se mu, ker ne izpregleda prestopkov vaših, zakaj moje ime je v njem.
21Mitandrema eo anatrehany, ka mihainoa ny feony, ary aza mampahatezitra Azy; fa tsy hamela ny fahotanareo Izy; fa ny anarako no ao aminy.
22Če boš pa pazljivo poslušal njegov glas in delal vse, kar govorim: sovražnik bodem tvojim sovražnikom in nasprotnikom tvojim nasprotnik.
22Fa raha hihaino ny feony tokoa ianao ka hanao izay rehetra lazaiko, dia ho fahavalon'ny fahavalonao sy ho rafin'ny rafinao Aho.
23Kajti angel moj pojde pred teboj in te privede k Amorejcem in Hetejcem in Ferizejcem in Kanaancem in Hevejcem in Jebusejcem, in jih iztrebim.
23Fa handeha eo alohanao ny Anjeliko ka hitondra anao any amin'ny Amorita sy ny Hetita sy ny Perizita sy ny Kananita sy ny Hivita ary ny Jebosita; ary dia hofongorako ireny,
24Ne klanjaj se njih bogovom in jim ne služi, tudi ne delaj po njih delih, marveč docela jih razruši in dočista poteri njih stebre s podobami.
24Aza miankohoka eo anatrehan'ny andriamanitr'ireny ianao, na manompo azy, na manao araka ny ataony; fa aringano tokoa izy, ary torotoroy tokoa ny tsangam-baton-tsampiny.
25In služite GOSPODU, Bogu svojemu, in blagoslovil bo kruh tvoj in vodo tvojo, in odpravim bolezen izmed vas.
25Fa manompoa an'i Jehovah Andriamanitrareo, dia hitahy ny haninao sy ny ranonao Izy; ary hesoriko aminao ny aretina.
26Ne bode je, ki bi negodno rodila, ne nerodovitne v deželi tvoji; število dni tvojih dopolnim.
26Tsy hisy ho afa-jaza na ho momba ao amin'ny taninao; hotanterahiko ny isan'ny andronao.
27Strah svoj pošljem pred teboj ter zbegam vsa ljudstva, h katerim prideš, in vse sovražnike tvoje poženem v beg pred teboj.
27Hampandeha ny fahatahorana Ahy eo alohanao Aho ka hampifanaritaka ny firenena rehetra izay alehanao, ary hampiamboho ny fahavalonao rehetra anao Aho.
28In pošljem pred teboj sršene, ki bodo pregnali Hevejce, Kanaance in Hetejce izpred tebe.
28Ary hampandeha fanenitra eo alohanao Aho, ka handroaka ny Hivita sy ny Kananita ary ny Hetita eo alohanao ireny.
29Ne preženem jih izpred tebe v enem letu, da se ne opustoši dežela in se ne pomnože poljske zveri zoper tebe.
29Tsy handroaka azy eo alohanao amin'ny taona iray Aho, fandrao ho lao ny tany, ka hihamaro hamely anao ny bibi-dia.
30Pomalem jih preženem izpred tebe, dokler se ne razmnožiš in ne posedeš dežele.
30Tsikelikely no handroahako azy eo alohanao mandra-pahamaronao ka handova ny tany.
31In postavim mejo tvojo od Rdečega morja do morja Filistejcev in od puščave do velereke; kajti v roko tvojo dam prebivalce tiste dežele, in izgnal jih boš pred seboj.
31Ary hatramin'ny Ranomasina Mena ka hatramin'ny ranomasin'ny Filistina no hataoko fari-taninao, ary hatramin'ny efitra ka hatramin'ny Ony; fa hanolotra ny mponina amin'ny tany ho eo an-tananareo Aho; ary handroaka azy eo alohanao ianao.
32Zaveze ne skleni ž njimi, ne ž njih bogovi.Ne prebivajo naj v tvoji deželi, da te ne zapeljejo v greh zoper mene; zakaj če bi služil njih bogovom, bi ti gotovo bilo v zanko.
32Aza manao fanekena aminy na amin'ny andriamaniny ianao.Tsy honina eo amin'ny taninao ireny, fandrao hampanota anao amiko; fa raha manompo ny andriamaniny ianao, dia ho fandrika aminao tokoa izany,
33Ne prebivajo naj v tvoji deželi, da te ne zapeljejo v greh zoper mene; zakaj če bi služil njih bogovom, bi ti gotovo bilo v zanko.
33Tsy honina eo amin'ny taninao ireny, fandrao hampanota anao amiko; fa raha manompo ny andriamaniny ianao, dia ho fandrika aminao tokoa izany,