Slovenian

Malagasy

Exodus

32

1In ko je videlo ljudstvo, da se Mojzes obotavlja priti z gore, se zbere množica k Aronu in ga ogovori: Vstani, naredi nam bogove, ki naj gredo pred nami; zakaj tistemu možu Mojzesu, ki nas je odpeljal iz dežele Egiptovske, ne vemo, kaj se mu je prigodilo.
1[Ny nanaovan'ny Zanak'Isiraely ombilahy kely volamena hiankohofany, sy ny fahatezeran'Andriamanitra noho izany] Ary rehefa hitan'ny olona fa efa ela ka tsy mbola nidina avy tao an-tendrombohitra ihany Mosesy, dia niangona ho eo amin'i Arona izy ka nanao taminy hoe: Mitsangana, ka anaovy andriamanitra izahay, hitarika antsika eo aloha; fa ilay Mosesy iny, izay lehilahy nitondra antsika niakatra avy tany amin'ny tany Egypta, dia tsy fantatray izay nanjo azy,
2In Aron jim veli: Izderite zlate obodce, ki so v ušesih žen vaših, sinov in hčer vaših, in jih prinesite k meni.
2Ary hoy Arona taminy: Romboty ary ny kavim-bolamena, izay eny amin'ny sofin'ny vadinareo sy ny zanakareo-lahy ary ny zanakareo-vavy, ka ento etỳ amiko.
3In odtrga vse ljudstvo obodce zlate, ki so jih imeli v ušesih, in jih prinesejo k Aronu.
3Ary ny olona rehetra dia nandrombotra ny kavim-bolamena izay teny amin'ny sofiny ka nitondra azy ho eo amin'i Arona.
4On pa jih vzame iz njih rok in jih upodobi z dolbilom in napravi iz njih zlito tele. In reko: To je bog tvoj, o Izrael, ki te je pripeljal gori iz dežele Egiptovske.
4Ary izy nandray azy tamin'ny tanan'ny olona, dia namboatra azy tamin'ny fandraka ka nanao azy ho ombilahy kely anidina; dia niteny ny olona ka nanao hoe: Io no andriamanitrao, ry Isiraely, izay nitondra anao niakatra avy tany amin'ny tany Egypta.
5In ko Aron to vidi, sezida oltar pred njim in razglasi, rekoč: Jutri bodi praznik GOSPODU!
5Ary raha hitan'i Arona izany, dia nanao alitara teo anoloany izy; ary dia niantso Arona ka nanao hoe: Andro firavoravoana ho an'i Jehovah rahampitso.
6In zjutraj vstanejo zgodaj, in darovali so žgalne in prinesli mirovne daritve; in ljudstvo je sedlo jest in pit in vstalo igrat.
6Dia nifoha maraina koa ny olona ka nanatitra fanatitra dorana sy nitondra fanati-pihavanana; ary nipetraka hihinana sy hisotro ny olona, dia nitsangana hilalao.
7Tedaj veli GOSPOD Mojzesu: Pojdi, stopi doli! Zakaj tvoje ljudstvo, ki si ga pripeljal iz dežele Egiptovske, se je skazilo.
7Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Ma­ndehana midina ianao; fa efa nanao ratsy ny olonao izay nentinao niakatra avy tany amin'ny tany Egypta.
8Hitro so zašli s pota, ki sem ga jim zaukazal: naredili so si ulito tele in se poklanjali pred njim in mu darovali, govoreč: To je bog [Ali: bogovi.] tvoj, o Izrael, ki te je pripeljal iz dežele Egiptovske.
8Nalaky nivily niala tamin'ny lalàna izay nasaiko nalehany izy ka efa nanao ombilahy kely anidina ho azy; ary efa niankohoka teo anatrehany sy namono zavatra hatao fanatitra taminy izy ka nanao hoe: Io no andriamanitrao, ry Isiraely, izay nitondra anao niakatra avy tany amin'ny tany Egypta.
9In reče GOSPOD Mojzesu: Videl sem to ljudstvo, in glej, trdovratno ljudstvo je;
9Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Efa hitako io firenena io, fa, indro, firenena mafy hatoka izy.
10sedaj torej me pusti, da se vname srd moj zoper nje in jih pokončam; tebe pa storim v velik narod.
10Koa ankehitriny avelao hirehitra aminy ny fahatezerako, ka haringako izy; fa hahatonga anao ho firenena lehibe Aho.
11Mojzes pa milo prosi GOSPODA, Boga svojega, govoreč: Zakaj, o GOSPOD, se vnema srd tvoj zoper ljudstvo tvoje, ki si ga peljal iz dežele Egiptovske z veliko močjo in z roko mogočno?
11Fa Mosesy nifona tamin'i Jehovah Andriamaniny ka nanao hoe: Jehovah ô, na­hoana ny fahatezeranao no mirehitra amin'ny olonao, izay nentinao nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta tamin'ny hery lehibe sy ny tanana mahery?
12Zakaj naj bi govorili Egipčani: Za nesrečo jih je izpeljal, da jih pomori v gorah in zatre s površja zemlje? Obrni se od togote srda svojega in žal ti bodi hudega zoper ljudstvo svoje.
12Nahoana ny Egyptiana no avela hilaza hoe: Mba hahita loza no nitondrany ireny nivoaka, hamonoany azy eny an-tendrombohitra sy handringanany azy tsy ho ambonin'ny tany? Mialà amin'ny fahatezeranao mirehitra, ka manenena ny amin'ny loza izay hanjo ny olonao.
13Spomni se Abrahama, Izaka in Izraela, hlapcev svojih, ki si jim prisegel pri sebi in jim rekel: Pomnožim seme vaše kakor zvezde na nebu in vso to deželo, ki sem o njej govoril, dam zarodu vašemu, da jim je v dedno last vekomaj.
13Tsaro­vy Abrahama sy Isaka ary Isiraely mpanomponao, izay nianiananao tamin'ny tenanao sy nilazanao hoe: Hahamaro ny taranakareo Aho ho tahaka ny kintana eny amin'ny lanitra; ary izany tany rehetra nolazaiko izany dia homeko ny taranakareo, ary izy handova izany mandrakizay.
14In žal je bilo GOSPODU hudega, o katerem je bil govoril, da stori svojemu ljudstvu.
14Ary Jehovah dia nanenina ny amin'ny loza izay nokasainy hamelezana ny olony.
15In Mojzes se obrne in stopa doli z gore, držeč dve plošči pričevanja v roki svoji, plošči popisani na obeh straneh: na tej in na oni strani je bilo pisano.
15Ary Mosesy nihodina ka nidina avy tao an-tendrombohitra, nitondra ny vato fisaka roa nisy ny Vavolombelona teny an-tànany; ny vato fisaka nosoratana teo amin'ny lafiny roa: dia teo anatrehany sy teo ambadika no nisy ny soratra.
16In plošči sta bili delo Božje, in pisava je bila pisava Božja, vdolbena v plošči.
16Ary ny vato fisaka dia asan'Andriamanitra, ary ny soratra dia soratr'Andriamanitra, voasoratra teo amin'ny vato fisaka.
17In Jozue, ko je začul krik ljudstva, ki je ukalo, reče Mojzesu: Bojno vpitje je v taboru.
17Ary rehefa ren'i Josoa ny fitabataban'ny olona izay nihorakoraka, dia hoy izy tamin'i Mosesy: Misy tabataban'ady atsy an-toby.
18On pa reče: To ni glas takih, ki ukajo zaradi zmage, ne glas takih, ki vpijejo v poboju; glas pevajočih slišim jaz.
18Fa hoy kosa izy: Tsy feo fihobian'ny mahery na feo fitomanian'ny resy no reko, fa feon'ny mihira.
19In zgodi se, ko se približa taboru in zagleda tele in ples, da se razsrdi in vrže plošči iz roke in ju razbije pod goro.
19Ary raha nanakaiky ny toby izy, dia nahita ny ombilahy kely sy ny dihy; ary nirehitra ny fahatezeran'i Mosesy, dia natontany ny vato fisaka teny an-tànany ka novakivakiny teo am-bodin'ny tendrombohitra.
20In vzame tele, ki so ga bili naredili, in ga sežge v ognju in ga zdrobi v prah in iztrese v vodo in jo da piti sinovom Izraelovim.
20Dia nalainy ilay ombilahy kely izay efa nataon'ny olona ka nodorany tamin'ny afo, ary notorotoroiny ho vovoka, dia nafafiny tambonin'ny rano ka nampisotroiny ny Zanak'Isiraely.
21In Mojzes reče Aronu: Kaj ti je storilo to ljudstvo, da si nadnje pripravil velik greh?
21Ary hoy Mosesy tamin'i Arona: Inona no nataon'ity firenena ity taminao, no nitondranao heloka lehibe taminy?
22Aron pa reče: Ne razvnema naj se jeza gospoda mojega! Saj poznaš ljudstvo, da je hudobno.
22Fa hoy kosa Arona: Aoka tsy hirehitra ny fahatezeranao, tompoko, fa ianao mahalala ny toetry ny olona, fa mpanao ratsy izy;
23Rekli so mi namreč: Naredi nam bogove, ki naj gredo pred nami, zakaj tistemu možu Mojzesu, ki nas je pripeljal iz dežele Egiptovske, ne vemo, kaj se mu je prigodilo.
23ary hoy izy tamiko: Manaova andriamanitra ho antsika, hitarika antsika eo aloha; fa ilay Mosesy iny, izay lehilahy nitondra antsika niakatra avy tany amin'ny tany Egypta, dia tsy fantatray izay nanjo azy.
24Jaz pa sem rekel: Kdo ima zlata? odtrgali so si ga in mi dali, in vrgel sem ga v ogenj, in izšlo je to tele.
24Ary hoy izaho taminy: Na zovy na zovy manam-bolamena, aoka handrombotra izany izy, ka dia nomeny ahy; ary natsipiko tao anaty afo izany, ka io ombilahy kely io no nivoaka.
25In Mojzes je videl ljudstvo, da je razuzdano, kajti Aron ga je spravil v razuzdanost, v škodoželjen zasmeh pri sovražnikih njegovih.
25Ary rehefa hitan'i Mosesy fa natondraka hanaram-po amin'izay tsy mety ny olona, satria efa natondrak'i Arona ho fanakorana eo amin'ny fahavalony izy,
26Tedaj se postavi Mojzes med vrati v tabor in kliče: Sem k meni, kdor je GOSPODU na strani! In zbero se k njemu vsi sinovi Levijevi.
26dia nijanona teo amin'ny vavahadin'ny toby Mosesy ka nanao hoe: Izay rehetra an'i Jehovah mankanesa etỳ amiko. Ary ny taranak'i Levy rehetra niangona teo aminy.
27In jim veli: Tako pravi GOSPOD, Bog Izraelov: Pripašite vsak meč svoj in pojdite semtertja, od vrat do vrat v taboru, in ubijte vsak brata svojega in vsak prijatelja svojega in vsak soseda svojega.
27Dia hoy izy taminy: Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Samia manao ny sabany eo am-balahany avy ianareo, dia mandrosoa sy miverimberena amin'isam-bavahadin'ny toby, ary samia mamono ny rahalahiny avy sy ny sakaizany avy ary ny namany avy ianareo.
28In storili so sinovi Levijevi po besedi Mojzesovi; in padlo jih je tisti dan izmed ljudstva blizu tri tisoč mož.
28Dia nanao araka ny tenin'i Mosesy ny taranak'i Levy; ary nahafatesana tokony ho telo arivo lahy ny olona tamin'izany andro izany.
29In Mojzes reče: Posvetite se danes GOSPODU, da, vsak proti sinu svojemu in proti bratu svojemu, da pripravite danes blagoslov nad sebe.
29Fa Mosesy efa nilaza hoe: Manokàna ny tenanareo ho an'i Jehovah ianareo anio; eny, samia mamono ny zanany sy ny rahalahiny avy, mba hahazoanareo fitahiana anio.
30In zgodi se drugega dne, da reče Mojzes ljudstvu: Pregrešili ste se z velikim grehom; in sedaj hočem iti gori h GOSPODU, morda dosežem pomirjenje za greh vaš.
30[Ny nifonan'i Mosesy, sy ny navalin'Andriamanitra azy] Ary nony maraina dia hoy Mosesy tamin'ny olona: Efa nanao fahotana lehibe ianareo; ary ankehitriny, dia hiakatra ho amin'i Jehovah aho, fa angamba hahazo manao fanavotana ny amin'ny fahotanareo.
31Vrne se torej Mojzes h GOSPODU in reče: Ah, pregrešilo se je to ljudstvo z velikim grehom, ko si je naredilo boga iz zlata.
31Ary Mosesy dia niverina ho ao amin'i Jehovah ka nanao hoe: Indrisy! efa nanao fahotana lehibe ity firenena ity ka efa nanao andriamani-bolamena ho azy.
32In sedaj, o da bi odpustil njih greh! če pa ne, izbriši me, prosim, iz knjige svoje, ki si jo pisal!
32Ary ankehitriny, enga anie ka hamela ny fahotany Hianao! fa raha tsy izany, mifona aminao aho, vonoy eo amin'ny bokinao izay nosoratanao ny anarako.
33In GOSPOD reče Mojzesu: Kdorkoli je grešil zoper mene, njega izbrišem iz knjige svoje.
33Fa hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Na iza na iza nanota tamiko, dia hovonoiko ny anarany eo amin'ny bokiko.
34In sedaj pojdi, vodi ljudstvo tja, kamor sem ti povedal. Glej, angel moj pojde pred teboj; ali v dan obiskovanja svojega bom na njih kaznoval njih greh.In GOSPOD je udaril ljudstvo, zato ker so naredili tele, ki ga je napravil Aron.
34Mandehana ankehitriny, ka ento ny olona ho any amin'izay efa nolazaiko taminao; indro, ny Anjeliko no hitarika anao eo aloha; ary amin'izay andro hamaliako dia hamaly azy noho ny fahotany Aho.Ary Jehovah namely ny olona, satria nanao ny ombilahy kely izy, dia ilay nataon'i Arona.
35In GOSPOD je udaril ljudstvo, zato ker so naredili tele, ki ga je napravil Aron.
35Ary Jehovah namely ny olona, satria nanao ny ombilahy kely izy, dia ilay nataon'i Arona.