1Še mi pride beseda GOSPODOVA, govoreč:
1[Ny fahotan'i Jerosalema sy ny Isiraely] Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
2In ti, sin človečji, hočeš li soditi, hočeš li soditi mesto, ki je prelivalo kri? tedaj mu oznani vse gnusobe njegove
2Ry zanak'olona, moa tsy hitsara va ianao ? Tsy hitsara ny tanana mpandatsa-drà va ianao ? Ampahafantaro azy ary ny fahavetavetany rehetra,
3in reci: Tako pravi Gospod Jehova: Mesto, ki preliva kri v svoji sredi, da pride njegov čas, in ki si dela malike zoper sebe, da se ognuša!
3ka ataovy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Tanàna mpandatsa-drà ao ampovoany hahatonga ny fotoany sady manao sampy ao aminy hahaloto azy.
4Krivdo si nadse spravilo s krvjo, ki si jo prelilo, in ognusilo si se z grdimi maliki svojimi, ki si jih naredilo; in storilo si, da so se približali dnevi tvoji, in dospelo si v leta svoja. Zato sem te postavil v zasramovanje vsem narodom in v zasmeh po vseh deželah.
4Ny rà izay nalatsakao no nahameloka anao, ary ny sampy izay nataonao no nahaloto anao; ary efa nampanakaiky ny andronao ianao ka efa tonga amin'ny taonanao, koa izany no nanaovako anao ho fandatsan'ny jentilisa sy ho fanakoran'ny tany rehetra,
5Bodisi, da so blizu ali daleč od tebe, zasmehovali te bodo, ker si umazanega imena in obilo v zmešnjavi.
5ka na ny akaiky anao na ny lavitra anao dia samy hanakora anao voaloto anarana sy be tabataba.
6Glej, v tebi so bivali knezi Izraelovi, vsak po moči svoji, da bi prelivali kri.
6Indreo ny lehiben'ny Isiraely efa samy ao aminao araka ny heriny avy mba handatsa-drà.[Heb sandriny]
7Očeta in mater so zaničevali v tebi; sredi tebe so delali silo tujcu, siroto in vdovo so žalili v tebi.
7Ao aminao no anozonana ray aman-dreny; ary ao aminao no anaovana izay sarotra amin'ny vahiny; ary ao aminao no ampahoriana ny kamboty sy ny mpitondratena.
8Svetinje moje si zaničevalo in sobote moje si skrunilo.
8Hamavoinao ny zavatra masina. ary lotoinao ny Sabatako.
9Opravljivci so bili v tebi, da prelivajo kri; in izmed tebe so jedli mališke žrtve po gorah; sredi tebe so počenjali nesramnosti.
9Ao aminao misy olona mandehandeha manaratsy mba handatsa-drà; ary ao aminao misy mihinana eny an-tendrombohitra; ao aminao misy manao fahavetavetana.
10V tebi so odkrivali očetov svojih nagoto; v tebi so se pečali ž njo, ki je ločena zavoljo nesnage svoje.
10Ao aminao misy mandry amin-drainy; ao aminao misy misavika izay mararin'ny fadim-bolana.
11In eden je počenjal gnusobo z ženo bližnjega svojega, in drugi je nesramno oskrunil snaho svojo, še drugi pa je v tebi posilil sestro svojo, očeta svojega hčer.
11Misy manao fahavetavetana amin'ny vadin'ny namany; misy manao fahavetavetana mandoto ny vinantovaviny; ary misy misavika ny anabaviny zanakavavin-drainy.
12V tebi so darila jemali, da prelivajo kri; obresti in namečke si jemalo in s silo si dobičkarilo na svojih bližnjih. Mene pa si pozabilo, govori Gospod Jehova.
12Ao aminao misy mandray kolikoly handatsa-drà; maka zana-bola sy tombony ianao sady manao an-keriny mandroba ny an'ny namanao ka manadino Ahy, hoy Jehovah Tompo.
13Zato, glej, sem udaril v svojo roko v jezi nad dobičkaželjnostjo tvojo, s katero si ravnalo, in nad krivdo krvi, ki se je prelila sredi tebe.
13Koa, indro, manjera tanana Aho noho ny harena azonao tamin'ny tsy marina sy ny latsa-drà tao aminao.
14Bo li tvoje srce preneslo to, ali bodo roke tvoje zadosti močne v dneh, ko bom obračunjal? Jaz, GOSPOD, sem govoril in tudi storim to.
14Hahatoha va ny fonao, na hahazaka va ny tananao, amin'ny andro izay hisehoaka aminao? Izaho Jehovah no nilaza sady hahatanteraka izany.[Heb. hanaovako]
15In razkropim te med poganske narode in razženem te po deželah in docela odpravim nesnažnost tvojo iz tebe.
15Ary haeliko ho any amin'ny jentilisa sy hahahako ho any amin'ny tany samy hafa ianao, ary holevoniko ho afaka aminao mihitsy ny fahalotoanao.
16In oskruniš se samo po sebi pred očmi narodov; in spoznaš, da sem jaz GOSPOD.
16Ary dia ho hitan'ny jentilisa fa ny nataonao ihany no nahaloto anao; ka dia ho fantatrao fa Izaho no Jehovah.
17In beseda GOSPODOVA mi je prišla, govoreč:
17Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah anao hoe:
18Sin človečji, hiša Izraelova mi je postala v žlindro: vsi izmed njih so bron in kositer in železo in svinec sredi peči; srebrna žlindra so.
18Ry zanak'olona, ny taranak'Isiraely dia efa tonga tain-drendrika amiko; izy rehetra dia varahina sy vifotsy sy vy ary firaka ao anatin'ny memy; eny, efa tonga taim-bolafotsy izy.
19Zatorej pravi tako Gospod Jehova: Ker ste vsi postali žlindra, zato, glejte, vas zberem sredi Jeruzalema.
19Koa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Noho ny nahatongavanareo rehetra ho tain-drendrika, dia, indro, hangoniko ho ao Jerosalema ianareo.
20kakor spravijo srebro in bron in železo in svinec in kositer v peč in ogenj spodaj podpihajo, da to raztope: tako vas skopičim v jezi in togoti svoji in vas vsadim v ogenj ter vas raztopim.
20Toy ny anangonana volafotsy sy varahina sy vy sy firaka ary vifotsy ho ao anatin'ny memy ka misy mifofotra azy amin'ny afo ho rendrika, dia toy izany no hanangonako anareo amin'ny fahatezerako sy ny fahavinirako, ary hataoko ao ianareo ka ho voarendrika;
21Da, zberem vas in ogenj jeze svoje bom pihal zoper vas, in raztapljali se boste sredi Jeruzalema.
21eny, nangoniko ianareo, dia hifofotra anareo amin'ny afon'ny fahatezerako Aho, ka ho voarendrika ao anatiny ianareo.
22Kakor se srebro topi sredi peči, tako se boste topili sredi njega. In spoznate, da sem jaz, GOSPOD, izlil srd svoj nad vas.
22Toy ny andrendrika volafotsy ao anatin'ny memy no handrendrehana anareo ao anatiny; ka dia ho fantatrareo fa Izaho Jehovah no nampidina ny fahatezerako aminareo.
23In beseda GOSPODOVA mi pride, govoreč:
23Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
24Sin človečji, reci ji: Ti si dežela, ki nisi oplaknjena, ki si ostala brez dežja v dan jeze.
24Ry zanak'olona, lazao aminy hoe: Hianao no tany tsy hazavain'ny hainandro sady tsy ilatsahan'ny ranonorana amin'ny andro fahatezerana.[Na: tsy voadio]
25Njeni proroki so napravili zaroto v njej: kakor rjoveči lev, ki trga plen, žro duše, jemljejo zaklade in dragotine, vdove pomnožujejo v njej.
25Mikomy ny mpaminany ao aminy; tahaka ny liona mierona mamiravira haza izy; mihinana olona izy sady mahalasa ny harena sy ny zava-tsoa ary mahamaro ny mpitondratena ao aminy.
26Duhovniki njeni delajo silo postavi moji in skrunijo svetinje moje; med svetim in nesvetim ne delajo razločka, tudi ne uče razločevati med nečistim in čistim; in zagrinjajo si oči pred sobotami mojimi in mene onečaščujejo med seboj.
26Ny mpisorona dia mandika ny lalàko sy mandoto ny zavatra masina; tsy manavaka ny masina sy ny tsy masina izy, na mampiseho ny tsi-fitovian'ny maloto sy ny madio, ary mitampi-maso tsy hijery ny Sabatako izy, ary tsiratsiraina ao aminy Aho.
27Knezi njeni v njej so kakor volkovi, ki trgajo plen, da prelivajo kri, v pogubo spravljajo duše, samo da dobe krivičen dobiček.
27Toy ny amboa-dia mamiravira haza ny lehibeny ao aminy ka mandatsa-drà sy mahafaty aina ary mahazo harena amin'ny tsy marina.[Na: lopa]
28In proroki njeni jim mažejo vse z belilom s tem, da gledajo ničemurne prikazni in jim vedežujejo laži, govoreč: Tako pravi Gospod Jehova, ko vendar GOSPOD ni govoril.
28Ary ny mpaminaniny mandalotra azy amin'ny feta tsy madity ka mahita zava-poana sy maminany lainga aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo; nefa Jehovah tsy niteny tsinona.
29Ljudstvo na deželi je zabredlo v nasilstvo in goji grabež; ubožca in potrebnega tlačijo in tujcem delajo silo in krivico.
29Ny vahoaka manao an-keriny sy mandroba ka mampahory ny malahelo sy ny mahantra; ary ny vahiny dia ampahoriny tsy andrariny.
30In iskal sem moža med njimi, ki bi zazidal zid in stopil proti meni v razpoko za deželo, a nisem ga našel.Zato izlije nadnje srd svoj, z ognjem jeze svoje jih pokončam; njih dejanje jim spravim na glavo, govori Gospod Jehova.
30Ary nitady olona teo aminy Aho hanao manda sy hijanona eo amin'ny banga eo anatrehako hifona ho an'ny tany mba tsy handravako azy, kanjo tsy nahita;koa dia haidiko eo aminy ny fahatezerako; ny afon'ny fahatezerako no handaniako azy; ary hatsingeriko ho eo an-dohany ihany ny fanaony, hoy Jehovah Tompo.[Heb lalana]
31Zato izlije nadnje srd svoj, z ognjem jeze svoje jih pokončam; njih dejanje jim spravim na glavo, govori Gospod Jehova.
31koa dia haidiko eo aminy ny fahatezerako; ny afon'ny fahatezerako no handaniako azy; ary hatsingeriko ho eo an-dohany ihany ny fanaony, hoy Jehovah Tompo.[Heb lalana]