1V enajstem letu, prvi dan meseca, mi je prišla beseda GOSPODOVA, govoreč:
1[Faminaniana ny amin'ny handravana an'i Tyro] Ary tamin'ny andro voalohany amin'ny volana tamin'ny taona fahiraika ambin'ny folo dia tonga tamiko ny tenin'Jehovah nanao hoe: zananivavy.
2Sin človečji, zato ker pravi Tir o Jeruzalemu: Ahá! strt je, ki je bil vrata narodom; k meni se je obrnil; napolnjen bodem, ker je on opustošen,
2Ry zanak'olona, noho ny nandatsan'i Tyro an'i Jerosalema hoe: Hià! sakoa izay! rava ilay vavahadin'ny firenena! Mba hifindra amiko kosa izao, ka ho feno aho, fa izy kosa ho foana,
3zato pravi tako Gospod Jehova: Glej, jaz sem zoper tebe, Tir, in storim, da se vzdignejo mnogi narodi zoper tebe, kakor morje zaganja valove.
3Dia izao no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, hamely anao Aho, ry Tyro, ka hampiakatra ny firenena maro hiady aminao, tahaka ny fampiakatry ny ranomasina ny onjany.
4In razvalé zidove Tira in podero stolpe njegove; in prst njegovo postržem ž njega in ga naredim v golo skalo.
4Ary horavan'ireo ny mandan'i Tyro, sady harodany ny tilikambony; Dia hofafako hiala aminy ny vovo-taniny, ka hataoko tahaka ny vatolampy mangadihady izy.
5Postane prostor sredi morja, na katerem bodo razprostirali mreže. Kajti jaz sem to rekel, govori Gospod Jehova. In bode v plen narodom.
5Ho famelarana harato eo amin'ny ranomasina izy; Fa Izaho no niteny izany, hoy Jehovah Tompo, ka dia ho babon'ny-firenena izy.
6In hčere njegove [T. j. njemu podložna mesta.], ki so na poljani, bodo umorjene z mečem. In spoznajo, da sem jaz GOSPOD.
6Ary ny zana-bohiny eny an-tanety dia hovonoina amin'ny sabatra; ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah.[Heb. zananivavy]
7Zakaj tako pravi Gospod Jehova: Glej, privedem nad Tir Nebukadnezarja, kralja babilonskega, kralja kraljev, od severa, s konji in z vozmi in s konjiki, in veliko množico ljudstva.
7Fa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, ho entiko avy any avaratra ho any Tyro Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, andrianan'ny andriana, mitondra soavaly sy kalesy sy mpitaingin-tsoavaly ary vahoaka betsaka.
8On umori z mečem hčere tvoje na poljani in postavi obležne stolpe zoper tebe in okrog tebe nanosi nasip in ščite povzdigne zoper tebe.
8Ny zana-bohitrao any an-tanety dia hovonoiny amin'ny sabatra; ary hanandratra tilikambo sy tovon-tany sady hanangana ampinga lehibe hamelezany anao izy.[Heb zanakao-vavy]
9In nameri metalnice svoje proti zidovom tvojim in s svojimi kladivi podre stolpe tvoje.
9Ary hametraka lohondry vy fandravana eo akaikin'ny mandanao izy, sady horavany amin'ny fiadiany ny tilikambonao.[Heb. sabany]
10Konj njegovih bode toliko, da te njih prah pokrije; vsled ropota jezdecev in koles in voz njegovih se bodo tresli zidovi tvoji, kadar pojde skozi vrata tvoja, kakor vhajajo v mesto, v katero so naredili predor.
10Ho feno ny vovo-taniny ianao noho ny habetsahan'ny soavaliny; hihorohoro ny mandanao noho ny fikorodondrodon'ny mpitaingin-tsoavaly sy ny kodia sy ny kalesy, raha miditra eo amin'ny vavahadinao tahaka ny olona miditra amin'ny tanàna izay voabanga izy.
11S kopiti konj svojih potepta vse ulice tvoje, ljudstvo tvoje pomori z mečem, in stebri moči tvoje se zvrnejo na tla.
11Ny kitron-tsoavaliny no hanitsakitsahany ny lalambenao rehetra; ny olonao dia hovonoiny amin'ny sabatra, ary ny tsangambatonao mafy dia hianjera amin'ny tany.
12In bogastvo tvoje pobero kot rop in kupčijsko blago tvoje jim bode v plen; in porušijo zidove tvoje in krasne hiše tvoje razdenejo; in tvoje kamenje in lesovje tvoje in prah tvoj pomečejo v vodo.
12Hobaboiny ny hirenao, horobainy ny rantonao, harodany ny mandanao, horavany ny tranonao mahafinantra; ary ny vatonao sy ny hazonao sy ny vovokao dia hataony any amin'ny rano.
13In storim, da umolkne glas pesmi tvojih in brenk citer tvojih se ne bo slišal več.
13Ary hatsahatro ny feon'ny hiranao, sady tsy ho re intsony ny fanenon'ny lokanganao.
14In naredim te v golo skalo; prostor bodeš, kjer bodo razprostirali mreže; ne boš sezidan več. Zakaj jaz, GOSPOD, sem to rekel, govori Gospod Jehova.
14Dia hataoko toy ny vatolampy mangadihady ianao ka ho famelarana harato sady tsy haorina intsony; fa Izaho Jehovah no niteny, hoy Jehovah Tompo.
15Tako pravi Gospod Jehova Tiru: Ali se ne bodo tresli otoki od hrupa padca tvojega, ko bodo ranjenci zdihovali, ko se bo morilo sredi tebe?
15Izao no lazain'i Jehovah Tompo amin'i Tyro: Tsy hihorohoro va ny moron-dranomasina noho ny fikotrokotroky ny firodananao, raha mitrona ny voatrabaka, ary misy vonoana eo ampovoanao?
16Tedaj stopijo vsi pomorski knezi s prestolov svojih in odlože plašče in slečejo pisana oblačila. Obleka jim bo trepet, na tleh sedeč, bodo vztrepetali vsak trenotek in strmeli ob tebi.
16Dia hidina hiala amin'ny seza fiandrianany ireo andrianan'ny ranomasina rehetra ka hiala akanjo sy hanaisotra ny fitadiany misoratsoratra; Hovotra no hitafiany, ka hipetraka amin'ny tany izy; ary hangovitra isaky ny indray mipi-maso izy ka ho gaga anao.
17In napravijo žalovanje zate in ti poreko: Kako si poginilo, sloveče mesto, ki so v tebi prebivali pomorščaki! ki je bilo močno na morju, ono in njegovi prebivalci, ki je strahovalo vse, ki so v njem prebivali.
17Ary hanao hira fahalahelovana ny aminao izy ka hanao aminao hoe: Indrisy! rava ianao, ry ilay nonenan'ny avy any an-dranomasina! Dia ilay tanàna malaza izay nahery teo amin'ny ranomasina, dia izy mbamin'ny mponina ao, izay nampahatahotra ny mponina rehetra eo aminy!
18Tedaj se bodo tresli otoki v dan padca tvojega, da, otoki daleč na morju bodo prestrašeni ob tvojem koncu.
18Ankehitriny dia raiki-tahotra ny amoron-dranomasina amin'ny andro hianjeranao; Eny, toran-kovitra ny nosy any an-dranomasina noho ny haharavanao.
19Zakaj tako pravi Gospod Jehova: Ko te naredim v mesto opustošeno, enako mestom, ki v njih ne stanujejo več, ko pripeljem nadte povodenj in te pokrijejo velike vode,
19Fa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Raha hataoko tanàna lao tahaka ireo tanàna haolo ianao, ary hampiakariko aminao ny rano lalina, ka hosaronan'ny rano be ianao,
20tedaj te pahnem doli k njim, ki gredo v jamo, k ljudstvu starodavnemu, in storim, da boš prebival v spodnjih krajih zemlje, v razvalinah od starodavnega, ž njimi vred, ki so šli v jamo, da ti ne ostane prebivalcev; a slavo postavim v deželi živečih.V strahoto te naredim, in ne bode te več; in iskali te bodo, a ne najdejo te nikdar več, govori Gospod Jehova.
20Dia hampidiniko hiaraka amin'izay mivarina any an-davaka ianao, Hankany amin'ny razana, ka hamponeniko any ambanin'ny tany ianao, dia any amin'ny fonenana efa lao hatramin'ny ela, hiaraka amin'izay mivarina any an-davaka, mba tsy honenana intsony; ary hasiako voninahitra eo amin'ny velona;Dia hataoko fampitahorana ianao, ka tsy ho eo intsony; Eny, hotadiavina ianao, nefa tsy ho hita intsony mandrakizay, hoy Jehovah Tompo.
21V strahoto te naredim, in ne bode te več; in iskali te bodo, a ne najdejo te nikdar več, govori Gospod Jehova.
21Dia hataoko fampitahorana ianao, ka tsy ho eo intsony; Eny, hotadiavina ianao, nefa tsy ho hita intsony mandrakizay, hoy Jehovah Tompo.