1Po teh dogodkih je prišla beseda GOSPODOVA Abramu v prikazni, rekoč: Ne boj se, Abram, jaz sem ti ščit, plačilo tvoje jako veliko.
1[Ny nanaovan'Andriamanitra fanekena tamin'i Abrama] Rehefa afaka izany, dia tonga tamin'i Abrama ny tenin'i Jehovah tamin'ny fahitana ka nanao hoe: Aza matahotra, ry Abrama; Izaho no ampinganao sy valim-pitia lehibe indrindra ho anao.
2Pa reče Abram: Gospod Jehova, kaj mi hočeš dati, ker jaz preminem brez otrok, in je on, ki bode posestnik hiše moje, Eliezer Damaščan?
2Ary hoy Abrama: Jehovah Tompo ô, inona no homenao ahy? fa izaho mandroso fahanterana nefa tsy manan-janaka, ary ny ho tompon'ny ahy dia ilay Eliezera avy any Damaskosy.
3Še reče Abram: Glej, meni nisi dal zaroda, in glej, moj domači hlapec bode dedič moj.
3Ary hoy koa Abrama: Indro, izaho tsy nomenao fara handimby, ka, indro, ny anankiray amin'ny ato an-tranoko no handova ahy.
4A glej, beseda GOSPODOVA mu reče: Ta ne bode dedič tvoj, marveč kateri pride iz osrčja tvojega, on bode dedič tvoj.
4Ary, indro, ny tenin'i Jehovah tonga taminy hoe: Tsy handova anao izany; fa izay haterakao, dia izy no handova anao.
5Nato ga pelje na plano in veli: Ozri se zdaj proti nebu in seštej zvezde, če jih moreš sešteti; in mu reče: Tako bode seme tvoje.
5Dia nitondra azy nivoaka teo ivelan'ny lay Izy ka nanao hoe: Jereo ange ny lanitra, ka isao ny kintana, raha mahisa azy ianao. Dia hoy Izy taminy: Ho tahaka izany ny taranakao.
6In Abram je veroval GOSPODU in on mu je štel to za pravičnost.
6Ary nino an'i Jehovah izy; ka dia nisainy ho fahamarinany izany.
7In mu reče: Jaz sem GOSPOD, ki sem te izpeljal iz Ura Kaldejcev, da ti dam to deželo, da jo posedeš.
7Ary hoy Izy taminy: Izaho no Jehovah Izay nitondra anao nivoaka avy tany Oran'ny Kaldeana, mba homeko anao ity tany ity ho lovanao.
8In ko je rekel Abram: Gospod Jehova, po čem naj spoznam, da jo posedem?
8Ary hoy Izy: Jehovah Tompo ô, ahoana no hahafantarako fa handova ity aho?
9mu veli: Vzemi zame triletno telico in triletno kozo in triletnega ovna ter grlico in goloba mladiča.
9Ary hoy Izy taminy: Itondray ombivavy kely efa telo taona Aho sy osivavy efa telo taona sy ondrilahy efa telo taona ary domohina sy zana-boromailala.
10Abram torej vzame zanj vse to, in ko je vsako žival prerezal po sredi, položi vsake polovico drugi polovici nasproti, ptic pa ni razpolovil.
10Dia nentiny teo aminy izany rehetra izany; ary nosasahiny ireny, ka nampifanandrifiny avy ny tapany; fa ny vorona tsy mba nosasahiny.
11Ko so pa ptice roparice planile na trupla ta, jih je Abram odganjal.
11Ary nidina teo amin'ny fatin'ireo ny vorona mpihaza, fa nandroaka azy Abrama.
12In ko se je solnce nagibalo, se loti Abrama trdno spanje, in glej, strah in tema velika ga obideta.
12Ary rehefa hilentika ny masoandro, dia sondrian-tory Abrama; ary, indro, aizina mahatsiravina indrindra no nahazo azy.
13In reče Gospod Abramu: Vedi za gotovo, da bodo potomci tvoji tujci v deželi, ki ni njihna, in jih bodo zasužnjili in jih stiskali štiristo let.
13Ary hoy Jehovah tamin'i Abrama: Aoka ho fantatrao marina fa ho vahiny any amin'ny tany izay tsy azy ny taranakao ary hanompo ny olona any; ary hampahoriny efa-jato taona izy.
14A tudi narod, ki mu bodo sužnjevali, bom jaz sodil, in potem izidejo z blagom obilnim.
14Ary izany firenena izany kosa, izay hotompoiny, dia hotsaraiko; ary rehefa afaka izany, dia hivoaka mitondra harem-bevava izy.
15Toda ti odideš k očetom svojim v miru, pokopan boš v lepi starosti.
15Nefa ianao kosa ho any amin'ny razanao amin'ny fiadanana; ho tratrantitra indrindra ianao vao hodi-mandry.
16Oni pa se vrnejo sem v četrtem rodu; zakaj krivica Amorejcev ni dozdaj še dopolnjena.
16Fa raha mby amin'ny zafiafy, dia hiverina atỳ izy; fa tsy mbola tanteraka ny heloky ny Amorita.
17In ko je solnce zatonilo in je bila trda noč, glej: peč kadeča in plamenica goreča, ki gre skozi med onimi deli.
17Ary rehefa maty ny masoandro, ka maizina dia maizina ny andro, dia, indro, nisy fatana fandoroana mivoa-tsetroka sy fanilo mirehitra, izay nandeha namaky teo anelanelan'ireo zavatra voasasaka ireo.
18Ta dan je sklenil GOSPOD zavezo z Abramom, govoreč: Semenu tvojemu sem dal to deželo od reke Egiptovske do one reke velike, reke Evfrata:
18Tamin'izany andro izany Jehovah nanao fanekena tamin'i Abrama ka nanao hoe: Ny taranakao efa nomeko ity tany ity hatrany amin'ny onin'i Egypta ka hatrany amin'ny ony lehibe, dia ny ony Eofrata,
19Kenejce in Kenizejce ter Kadmonce,
19dia ny Kenita sy ny Kenizita sy ny Kadmonita
20in Hetejce in Ferizejce ter Refaime,in Amorejce in Kanaance in Girgasejce ter Jebusejce.
20ary ny Hetita sy ny Perizita sy ny Refaitaary ny Amorita sy ny Kananita sy ny Girgasita ary ny Jebosita.
21in Amorejce in Kanaance in Girgasejce ter Jebusejce.
21ary ny Amorita sy ny Kananita sy ny Girgasita ary ny Jebosita.