Slovenian

Malagasy

Genesis

42

1Ko je torej videl Jakob, da je žita v Egiptu, reče sinom svojim: Kaj gledate drug drugega?
1[Ny nandehanan'ny zanak'i Jakoba hividy vary tany Egypta, sy ny nihaonany tamin'i Josefa]Ary fantatr'i Jakoba fa nisy vary tany Egypta, dia hoy izy tamin'ny zananilahy: Nahoana no mifampijery foana ianareo ?
2Glejte, veli, slišal sem, da je žita v Egiptu; idite tja doli in nakupite nam ondi, da bomo živeli in ne umremo.
2Dia hoy koa izy: Indro, efa reko fa misy vary any Egypta; andeha midina any ianareo, ka mividia ho antsika, mba ho velona isika, fa tsy ho faty.
3Šlo je torej deset bratov Jožefovih doli nakupit žita iz Egipta.
3Dia lasa nidina izy folo lahy rahalahin'i Josefa mba hividy vary tany Egypta.
4Benjamina pa, brata Jožefovega, ni poslal Jakob z brati njegovimi, ker je dejal: Da ga ne zadene nesreča!
4Fa Benjamina, rahalahin'i Josefa, tsy mba nampandehanin'i Jakoba niaraka tamin'ny rahalahiny; fa hoy izy: Andrao hisy loza hanjo azy.
5In pridejo sinovi Izraelovi kupovat med drugimi, ki so prihajali, kajti lakota je bila v deželi Kanaanski.
5Dia tonga ny zanak'Isiraely mba hividy vary niaraka tamin'izay nankany; fa tratry ny mosary koa ny tany Kanana.
6Jožef pa je bil vladar v deželi, on je vodil prodajo vsemu ljudstvu dežele; ko so torej prišli bratje Jožefovi, se mu priklonijo ponižno do tal.
6Ary Josefa no mpanapaka ny tany, sady izy no mpivaro-bary tamin'ny tompon-tany rehetra; ary tonga ny rahalahin'i Josefa ka niankohoka tamin'ny tany teo anatrehany.
7In Jožef, ko je videl brate svoje, jih spozna, toda delal se jim je tujega, ter jih ogovori trdo in vpraša: Odkod ste prišli? Reko mu: Iz dežele Kanaanske kupit živeža.
7Ary hitan'i Josefa ny rahalahiny, dia fantany ihany izy, nefa nody olon-kafa taminy izy ka niteny mafy taminy nanao hoe: Avy aiza ianareo? Ary hoy kosa izy: Avy any amin'ny tany Kanana izahay mba hividy hanina.
8Spoznal je torej Jožef brate svoje, a oni ga niso spoznali.
8Ary fantatr'i Josefa ny rahalahiny, nefa izy ireo kosa tsy mba nahafantatra azy.
9In spomni se Jožef tistih sanj, ki jih je imel o njih, in jim reče: Ogleduhi ste, prišli ste ogledovat nezavarovane kraje v deželi.
9Ary Josefa nahatsiaro ireo nofy nanofisany azy ka nanao taminy hoe: Mpisafo ianareo; hizaha ny fangadihadin'ny tany no nahatongavanareo.
10Oni pa mu reko: Ne, gospod moj, hlapci tvoji so prišli kupit žita.
10Fa hoy izy ireo taminy: Tsia, tompokolahy; fa tonga mba hividy hanina ny mpanomponao.
11Mi vsi smo sinovi enega moža; pošteni smo, nikdar niso bili ogleduhi hlapci tvoji.
11Zanaky ny lehilahy iray ihany izahay rehetra; olo-marina izahay, fa tsy mba mpisafo tsy akory ny mpanomponao.
12On pa jim reče: Nikakor, marveč prišli ste ogledovat nezavarovane kraje v deželi.
12Ary hoy izy taminy: Tsia, fa hizaha ny fangadihadin'ny tany no nahatongavanareo.
13In reko: Dvanajst je bilo hlapcev tvojih; bratje smo, sinovi enega moža v deželi Kanaanski: najmlajši, glej, je sedaj pri očetu našem, enega pa ni več.
13Fa hoy izy; Roa ambin'ny folo mirahalahy ny mpanomponao, zanaky ny lehilahy iray ihany any amin'ny tany Kanana; ary, indro, ny faralahy dia any amin'ny rainay ankehitriny, fa ny anankiray tsy ao intsony.
14Veli jim Jožef: To je tisto, kar sem vam rekel: Ogleduhi ste.
14Ary hoy Josefa taminy: Ilay voalazako taminareo ihany hoe: Mpisafo ianareo no marina;
15To bodi izkušnja vaša: kakor res živi Faraon, ne pojdete odtod, dokler ne pride sem brat vaš najmlajši.
15dia izao àry no hamantarana anareo: Raha velona koa Farao, tsy hiala atỳ ianareo, raha tsy tonga atỳ izany zandrinareo faralahy izany.
16Pošljite enega izmed sebe, ki naj pripelje brata vašega; vi pa bodite jetniki, da se preizkusijo besede vaše, je li resnica pri vas; če pa ne, kakor res živi Faraon, ste ogleduhi.
16Iraho ny anankiray aminareo, ary aoka izy haka ny zandrinareo, fa ianareo hafatotra, mba hofantarina ny teninareo, na marina na tsia; fa raha tsy izany, raha velona koa Farao, dia mpisafo tokoa ianareo.
17In jih dene vse skup v zapor tri dni.
17Dia nataony tao an-trano-maizina hateloana izy rehetra.
18Potem jim reče Jožef tretji dan: To storite in si ohranite življenje – Boga se bojim jaz:
18Ary nony tamin'ny andro fahatelo dia hoy Josefa taminy: Izao no ataovy, dia ho velona ianareo; fa izaho matahotra an'Andriamanitra:
19če ste pošteni, naj ostane eden brat vaš zvezan na mestu ječe vaše; vi pa pojdite, odnesite žito, da ne stradajo rodbine vaše.
19Raha olo-marina ary ianareo, dia aoka ny anankiray aminareo mirahalahy avy no hafatotra ao amin'ny trano-maizina nitoeranareo; ary mandehana ianareo hitondra vary noho ny mosary any amin'ny tranonareo;
20Najmlajšega brata svojega pa pripeljite k meni, in resnične se izkažejo besede vaše in ne umrete. In oni store tako.
20ary ny zandrinareo faralahy dia ento mankaty amiko; dia ho hita fa marina ny teninareo, ary tsy hovonoina ianareo. Ary nataony izany.
21Reko pa drug drugemu: Res, krivi smo zaradi svojega brata, ki smo videli bridkost duše njegove, ko nas je prosil usmiljenja, a nismo poslušali; zato nas je zadela ta stiska.
21Dia niresaka hoe izy: Efa meloka tokoa isika noho ny amin'ny rahalahintsika, satria nahita ny fahorian'ny fanahiny isika, raha nitaraina tamintsika izy, nefa tsy mba nihaino isika; koa izany no nahatongavan'izao fahoriana izao amintsika.
22In odgovori jim Ruben: Ali vam nisem prigovarjal, rekoč: Ne grešite zoper dečka? Pa me niste poslušali; zato se tudi sedaj, glejte, zahteva kri njegova.
22Dia namaly azy Robena ka nanao hoe: Moa tsy niteny taminareo va aho ka nanao hoe: Aza manota amin'ny zaza? nefa tsy mba nihaino ianareo; koa indro fa adinina ny ràny izao.
23Niso pa vedeli, da Jožef ume, zato ker je bil tolmač med njimi.
23Ary izy ireo tsy mba nahalala fa Josefa nahafantatra ny teniny, satria nisy mpandika teny niresahany taminy.
24In obrne se od njih, in je jokal. A zopet se vrne k njim in govori ž njimi. In vzame izmed njih Simeona in ga zveže pred njih očmi.
24Ary Josefa dia nihodina niala teo aminy ka nitomany; ary niverina nankeo aminy indray izy ka niteny taminy, ary dia naka an'i Simeona teo aminy izy ka namatotra azy teo imasony.
25In zapove Jožef, da naj napolnijo njih priprave z žitom ter jim vrnejo denar vsakemu v njegovo vrečo in jim podele brašna na pot. In so jim storili tako.
25Ary Josefa nanome teny hameno vary ny lasakany sady hamerina ny volan'ny isan-dahy ho ao anatin'ny lasakany avy ary hanome vatsy azy ho entiny eny an-dalana; dia nanao izany taminy izy.
26Nalože torej žito svoje na osle in odidejo odondod.
26Ary natainginy tamin'ny borikiny ny vary, dia lasa nandeha izy.
27Ko je pa razvezal eden vrečo svojo, da bi dal klaje svojemu oslu na prenočišču, zagleda denar svoj, ki je bil, glej, zvrha v vreči njegovi.
27Ary raha nosokafan'ny anankiray ny lasakany hampihinanany ny borikiny teo amin'izay handriany, dia hitany ny volany; fa, indro, teo am-bavan'ny lasakany izany.
28In reče bratom svojim: Vrnil se mi je denar moj, in glejte ga v vreči moji! In upade jim srce in prestrašijo se ter reko drug drugemu: Kaj nam je to storil Bog?
28Dia hoy izy tamin'ireo rahalahiny: Naverina ny volako, ka, indro, eo anatin'ny lasakako izany; dia ketraka ny fony, ary nifampijery amin-tahotra izy ka niresaka hoe: Inona izao ataon'Andriamanitra amintsika izao ?
29In ko pridejo k Jakobu, očetu svojemu v deželo Kanaansko, mu povedo vse, kar se jim je prigodilo, govoreč:
29Ary tonga tany amin'i Jakoba rainy, tany amin'ny tany Kanana izy, dia nambarany taminy izay rehetra efa nanjo azy, ka hoy izy :
30Trdo je z nami govoril tisti mož, one dežele gospod, in sprejel nas je kakor ogleduhe dežele.
30Mafy ny teny nataon-dralehilahy, tompon'ny tany, taminay, fa nataony ho mpisafo ny tany izahay.
31In rekli smo mu: Pošteni smo, nikdar nismo bili ogleduhi.
31Ary hoy izahay taminy: Olo-marina izahay, fa tsy mba mpisafo tsy akory;
32Dvanajst nas je bratov, sinov našega očeta: enega ni več in najmlajši je ta čas pri očetu našem v deželi Kanaanski.
32roa ambin'ny folo mirahalahy izahay no zanaky ny rainay; tsy ao intsony ny anankiray, ary ny faralahy dia any amin'ny rainay any amin'ny tany Kanana ankehitriny.
33In reče nam tisti mož, one dežele gospod: Tako bom spoznal, da ste pošteni: brata izmed sebe enega pustite pri meni in tisto, česar stradajo rodbine vaše, vzemite ter odidite;
33Dia hoy ralehilahy, tompon'ny tany, taminay: Izao ary no hahafantarako fa olo-marina ianareo : ny anankiray aminareo mirahalahy avy dia avelao atỳ amiko, ka mitondra vary noho ny mosary any amin'ny tranonareo, dia mandehana;
34in pripeljite brata svojega najmlajšega k meni, da spoznam, da niste ogleduhi, ampak poštenjaki. In brata vašega vam vrnem, in tržiti boste smeli po tej deželi.
34ary ento mankaty amiko ny zandrinareo faralahy, dia ho fantatro fa tsy mba mpisafo ianareo, fa olo-marina; dia homeko anareo ny rahalahinareo, ka dia hanao varotra eto amin'ny tany ianareo.
35Ko so pa praznili vreče svoje, glej, vsak je imel svoj zavitek denarja v vreči svoji; in ko so videli zavitke svojega denarja, so se bali oni in njih oče.
35Ary raha nandraraka izay tao anatin'ny lasakany izy ireo, dia, indro, ny volany am-ponosana samy teo anatin'ny lasakany avy; ary rehefa nahita ny volany am-ponosana izy sy ny rainy, dia samy raiki-tahotra.
36In Jakob, njih oče, jim reče: Pripravite me ob otroke! Jožefa ni več, in Simeona ni več, in Benjamina bi mi radi vzeli; zoper mene je vse to.
36Ary hoy Jakoba rainy taminy: Foananareo anaka aho: Josefa tsy eto intsony, Simeona koa tsy eto intsony, ary Benjamina indray halainareo; izaho ihany no ozoin'izany rehetra izany,
37A Ruben ogovori očeta svojega in reče: Ta dva sinova moja daj v smrt, ako ga ne pripeljem zopet k tebi. Daj ga meni v roko, in jaz ga pripeljem zopet k tebi.On pa veli: Ne pojde doli sinček moj z vami; zakaj brat njegov je umrl, in ta je sam ostal, in če njega zadene nesreča na potu, na katerega se pripravljate, spravite sivo glavo mojo z žalostjo v grob [Hebr. šeol.].
37Ary Robena niteny tamin'ny rainy ka nanao hoe: Vonoy ny zanako roa lahy, raha tsy entiko miverina atỳ aminao izy; atolory eto an-tanako izy, dia izaho no hitondra azy mody ho atỳ aminao indray.Ary hoy Jakoba: Tsy hidina hiaraka aminareo ny zanako; fa maty ny rahalahiny, ary izy irery ihany no sisa, ary raha hisy loza hanjo azy any amin'ny lalana izay halehanareo, dia hampidininareo any amin'ny fiainan-tsi-hita amin'alahelo ny volo fotsiko.
38On pa veli: Ne pojde doli sinček moj z vami; zakaj brat njegov je umrl, in ta je sam ostal, in če njega zadene nesreča na potu, na katerega se pripravljate, spravite sivo glavo mojo z žalostjo v grob [Hebr. šeol.].
38Ary hoy Jakoba: Tsy hidina hiaraka aminareo ny zanako; fa maty ny rahalahiny, ary izy irery ihany no sisa, ary raha hisy loza hanjo azy any amin'ny lalana izay halehanareo, dia hampidininareo any amin'ny fiainan-tsi-hita amin'alahelo ny volo fotsiko.