Slovenian

Malagasy

Habakkuk

1

1Prorokovanje, ki ga je v prikazni prejel Habakuk, prorok.
1[Ny fandozana nataon'ny Kaldeana, ary ny fitarainan'ny mpaminany noho izany] Faminaniana ny loza hanjo, izay hitan'i Habakoka mpaminany.
2Kako dolgo, o GOSPOD, sem vpil k tebi, in ne slišiš! Vpijem k tebi o nasilstvu, a ne rešiš.
2Jehovah ô, indrisy ny hahelan'ny efa nitarainako, Nefa tsy nohenoinao! Mitaraina aho hoe: Loza! Nefa tsy vonjenao ihany.
3Zakaj dopuščaš, da vidim krivico, zakaj gledaš nadlogo? Kajti pustošenje in nasilstvo je pred menoj, in nastaja prepir in vnema se boj!
3Nahoana no ataonao mahita faharatsiana aho. Ary mijery fahoriana Hianao? Fa fandravana sy loza no eo anatrehako, Ary misy ady, sady miseho ny fifandirana.
4Zato izgublja postava veljavo in prava sodba ne pride nikdar na dan; kajti brezbožnik obdaja pravičnega, zato prihaja le popačena sodba na svetlo.
4Koa noho izany dia ngoly ny lalàna, Ary tsy mivoaka ny rariny; Fa irohonan'ny ratsy fanahy ny marina, Ka izany no ivoahan'ny fitsarana miangatra .[Heb. miolana]
5Ozrite se v narode in poglejte, in čudite se, strmite; kajti delam v dneh vaših delo, ki ga ne boste verovali, če kdo pripoveduje.
5Jereo any amin'ny jentilisa, ka diniho, ary gagà dia gagà; Fa manao zavatra amin'ny andronareo Aho, Izay tsy hinoanareo, na dia holazaina aminareo aza.
6Glejte, jaz obujam Kaldejce, tisto trdo in hitro ljudstvo, ki hodi po širjavi zemlje, da si lasti domovanja, ki niso njegova.
6Fa, indro, atsangako ny Kaldeana, Dia ilay firenena masiaka sady mirehidrehitra, Izay mamaky eran'ny tany Hahazoany fonenana izay tsy azy.[Heb. mangidy]
7Strašno je in grozovito; sodba in mogočnost njegova izvirata od njega samega.
7Mahatsiravina sy mahatahotra izy; Avy amin'ny tenany ihany ny fitsarany sy ny fahalehibiazany.
8Čili so konji njegovi bolj nego pardi in hitrejši nego volkovi na večer; ponosno dirjajo konjiki njegovi, jezdeci njegovi prihajajo oddaleč, lete kakor orel, ki plane na jed.
8Faingana noho ny leoparda ny soavaliny Sady masiaka noho ny amboadia hariva; Ny mpitaingin-tsoavaliny mampiriotra, eny, ny mpitaingin-tsoavaliny dia avy lavitra; Miezaka toy ny voromahery maika hihinana izy.[lopa]
9Vsi prihajajo zavoljo nasilstva! oči jim gledajo naravnost predse in ujetnike grabijo kakor pesek.
9Hampidi-doza no ihavian'izy rehetra; Ny handroso ihany no atrehiny fatratra, Ka manangona sambotra toy ny fasika izy.[Na: atrehan'izy rehetra]
10Smeje se to ljudstvo kraljem in knezi so mu v zasmeh; zasmehuje vsako trdnjavo, ker nanosi zemlje in jo vzame.
10Izy manakora ny mpanjaka, Ary ihomehezany ny mpanapaka; Ny tanàna mimanda rehetra dia ihomehezany, Ka dia manandratra tovon-tany izy ka mahafata azy.[Heb. vovoka]
11Potem puhne kakor veter mimo in preide ter se pregreši: ta moč njegova mu je bog!
11Dia mihelina toy ny rivotra izy Ary mandroso ka mahazo heloka. Izany heriny izany no andriamaniny!
12Nisi li ti od vekomaj, GOSPOD, Bog moj in Svetnik moj? Mi ne umrjemo. O GOSPOD, za sodbo si ga postavil, o Skala, strahovanje si mu zaukazal.
12Tsy hatrizay hatrizay va Hianao, Jehovah Andriamanitro, Iray Masiko? Tsy ho faty izahay; Ry Jehovah ô, ho famaizana no nanendrenao ireny, Ry Vatolampy ô, fananarana no nanangananao azy
13Prečiste so tvoje oči, da bi gledal hudo, in nepravde ne moreš videti: zakaj gledaš na tiste, ki ravnajo izdajalski, molčiš, ko brezbožnik požira pravičnejšega od sebe?
13Hianao, Izay madio maso ka tsy te-hitsinjo ny ratsy Ary tsy mahajery fahoriana, Nahoana Hianao no mijery izay mamitaka Ary mangina, raha ny ratsy fanahy mandrapaka ny marina noho izy,
14in dopuščaš, da se ravna z ljudmi kakor z morskimi ribami, kakor s črvadjo, ki nima vladarja? –
14Ary manao ny olona ho toy ny hazandrano any an-dranomasina, Sy ho toy ny biby mandady sy mikisaka, izay tsy mana-mpanapaka?
15Vse jih lovi s trnkom, jih vleče v mreži svoji in zbira v svojo vršo; ob tem se veseli in vriska.
15Aingainy amin'ny fintana izy rehetra, Samboriny amin'ny haratony Ary sarihany amin'ny harato tarihiny; Ka dia faly sy ravoravo izy.
16Zato daruje mreži in žge kadilo vrši svoji; kajti po njej ima debel delež in preobilen živež.Sme li zato vedno prazniti mrežo svojo in neprestano moriti narode neusmiljeno?
16Koa izany no amonoany zavatra hatao fanatitra ho an'ny haratony sy andoroany ditin-kazo manitra ho an'ny harato tarihiny; Fa ireo no ahazoany hanina matsiro sy anjara matavy.Koa noho izany dia hanaisotra ny ao amin'ny tandrohony va izy Ary hamono firenena mandrakariva ka tsy hiantra?
17Sme li zato vedno prazniti mrežo svojo in neprestano moriti narode neusmiljeno?
17Koa noho izany dia hanaisotra ny ao amin'ny tandrohony va izy Ary hamono firenena mandrakariva ka tsy hiantra?