1Čujte besedo GOSPODOVO, sinovi Izraelovi! Kajti GOSPOD ima pravdo s prebivalci dežele, ker ni resnice in ni usmiljenja in ni spoznanja Božjega v deželi.
1[Ny fananarana ny Isiraely noho ny helony] Mihainoa ny tenin'i Jehovah, ianareo Zanak'Isiraely! Fa Jehovah manana ady amin'ny mponina amin'ny tany, satria tsy misy fahamarinana, na fitiavana, na fahalalana an'Andriamanitra eo amin'ny tany,
2Kletje je tu samo in laž in umor in tatvina in prešeštvovanje; nasilstvo počenjajo in kri za kri prelivajo.
2Fa fianianana sy lainga sy vonoana sy halatra sy fijangajangana kosa, eny, manao an-keriny izy ka mifanontona ny fandatsahan-drà.[Na: Fa ny fianianana sy ny lainga sy ny vonoana sy ny halatra ary ny fijangajangana no mihabetsaka]
3Zato žaluje dežela in medli vse, kar prebiva v njej, i zverine na polju i ptice pod nebom, in tudi ribe v morju ginejo.
3Ary noho izany dia mitomany ny tany ary reraka izay rehetra mitoetra ao aminy, dia ny bibi-dia sy ny voro-manidina; Eny, na dia ny hazandrano any anaty ranomasina aza dia ringana koa.[Na: Mbamin']
4Samo da jih nihče ne dolži in nihče ne kara! Kajti z ljudstvom tvojim je kakor ž njimi, ki se prepirajo z duhovnikom.
4Kanefa aza misy mandahatra, na mananatra; Fa ny oloko dia efa tahaka ny mifanditra amin'ny mpisorona.
5In padeš po dnevi in tudi prorok pade s teboj po noči; in uničim mater tvojo.
5Ka dia ho tafintohina antoandro ianao, ary ny mpaminany hiara-tafintohina aminao koa amin'ny alina, ary hovonoiko ny reninao.
6Uničuje se ljudstvo moje, ker nima spoznanja; ker si ti zavrgel spoznanje, te tudi jaz zavržem, da mi ne bodeš duhovnik; ker si pozabil svojega Boga postavo, pozabim tudi jaz otroke tvoje.
6Ringana ny oloko noho ny tsi-fisian'ny fahalalana. Satria ianao efa nandà ny fahalalana, dia mba holaviko kosa tsy ho mpisoroko intsony; Ary efa nanadino ny lalan'Andriamanitrao ianao, ka dia mba hohadinoiko kosa ny zanakao.
7Kolikor bolj so se množili, tem bolj so grešili zoper mene: njih slavo izpremenim v sramoto.
7Araka ny nitomboany no nanotany tamiko, ka dia hampodiko ho henatra kosa ny voninahiny.
8Ljudstva mojega daritve za greh uživajo in hlepé po njega krivici.
8Ny fanatitra noho ny ota izay aterin'ny oloko dia haniny ka satriny ihany ny ho diso ireny.
9In bode kakor ljudstvo tako duhovnik; in kaznoval jih bom za njih poti in jim poplačam njih dejanja.
9Ary ho sahala ihany ny hanjo ny olona sy ny mpisorona; Dia hovaliako izy noho ny lalany, ary ny ataony dia hatsingeriko aminy.
10In jedli bodo, pa se ne nasitijo, nečistovali bodo, pa se ne pomnože, ker so zapustili GOSPODA, da ne bi ga imeli v čislih.
10Ka dia hihinana izy, nefa tsy ho voky, hijangajanga izy, nefa tsy hihabetsaka, satria Jehovah efa tsy nahoany intsony.
11Nečistost in vino in mošt jemljejo pamet.
11Fijangajangana sy divay ary ranom-boaloboka no mahalasa ny saina.
12Ljudstvo moje vprašuje za svet svoj les, in palica njegova naj mu napoveduje; kajti duh nečistosti ga je zapeljal, in nečistujejo, ko so opustili Boga svojega.
12Ny oloko dia mila saina amin'ny tapa-kazony, ary ny tehiny no manambara aminy; Fa ny fanahim-pijangajangana no nampania azy, ary lasan-ko janga izy ka tsy manaiky an'Andriamaniny.
13Po vrhovih gorá darujejo in po hribih žgo kadilo, pod hrastom in topolom in terebinto, ker je prijetna njih senca; zato nečistujejo hčere vaše in snahe vaše prešeštvujejo.
13Eny an-tampon'ny tendrombohitra no amonoany zavatra hatao fanatitra, ary eny amin'ny havoana no andoroany ditin-kazo manitra, dia eny ambanin'ny hazo ôka sy ny popola ary ny terebinta, satria tsara alokaloka ireny; Koa izany no ijejojejoan'ny zanakavavinareo sy ijangajangan'ny vinantovavinareo.
14Ne morem kaznovati hčeri vaših, da nečistujejo, ne snah vaših, da prešeštvujejo, ker vi sami hodite v stran z nečistnicami in darujete skup z ljubodejkami; in ljudstvo, ki je brez razuma, se pogubi.
14Tsy hamaly ny zanakavavinareo Aho, raha mijejojejo izy, na ny vinantovavinareo, raha mijangajanga izy; Fa ny tenanareo aza dia miavaka hankamin'ny mpijangajanga sady mamono zavatra hatao fanatitra miaraka amin'ireo vehivavy mpanolotena hijangajanga ho fanompoan-tsampy, ka dia ho lavo ny firenena tsy misaina.[Heb. ireny]
15Ako nečistuješ ti, Izrael, vsaj Juda naj ne greši! In ne hodite v Gilgal ter ne potujte gori v Betaven, tudi ne prisegajte: Res kakor GOSPOD živi!
15Na dia mijangajanga aza ianao, ry Isiraely. Aoka ny Joda tsy mba hanota; Ary aza mankany Gilgala na miakatra any Betavena ianareo; Ary aza mianiana hoe: Raha velona koa Jehovah!
16Kajti Izrael se je upiral kakor neukročena junica; sedaj jih bo GOSPOD pasel kakor jagnje na široki planjavi.
16Fa ny Isiraely dia maditra toy ny vantotr'ombivavy maditra; Ankehitriny dia handrasan'i Jehovah toy ny zanak'ondry eny amin'ny malalaka izy.
17Efraim se je združil z maliki – pústi ga!
17Tafaraikitra amin'ny sampy Efraima; Aoka izy ho eo.
18Njih pijača se je izpridila; vedno in vedno nečistujejo; strastno ljubijo sramoto zaščitniki njegovi.Zajel jih je veter s perutmi svojimi, in osramočeni bodo zavoljo daritev svojih.
18Efa lefy ny divainy; Mahery mijangajanga izy; Fatra-pitia henatra ireo mpanapaka azy. [Na: Rehefa mitsahatra ny fibobohany, dia mahery mijangajanga izy][Heb. ampingany]Voapaoky ny elatry ny rivotra izy ka ho menatra noho ny zavatra novonoiny hatao fanatitra.
19Zajel jih je veter s perutmi svojimi, in osramočeni bodo zavoljo daritev svojih.
19Voapaoky ny elatry ny rivotra izy ka ho menatra noho ny zavatra novonoiny hatao fanatitra.