1Kadar hočem zdraviti Izraela, se pokaže krivičnost Efraimova in zlobnost Samarije; kajti le laž uganjajo in tat prodira v hišo, zunaj ropa truma razbojnikov.
1Raha ta-hanasitrana ny Isiraely Aho, dia miseho ny helok'i Efraima sy ny faharatsian'i Samaria, fa manao fitaka izy; Miditra ny mpangalatra, ary ny jiolahy manao andiany dia mandehandeha eny ivelany.
2In ne reko si v srcu, da se spominjam vse njih zlobnosti; sedaj so jih že obdala njih dejanja, pred mojim so obličjem.
2Ary tsy heveriny ao am-po fa tsarovako ny faharatsiany rehetra; Ankehitriny dia gejan'ny nataony izy, efa tonga eo anatrehako izany.[Heb. ataony hoe]
3S hudobo svojo razveseljujejo kralja in kneze z lažmi svojimi.
3Amin'ny faharatsiany no ampifaliany ny mpanjaka, ary amin'ny laingany ny mpanapaka.
4Vsi so prešeštniki, podobni peči, ki jo je pek razbelil: on neha kuriti, ko je umesil testo, dokler se ne prekvasi.
4Samy mpaka vadin'olona avokoa izy rehetra ka toy ny fatana voafanan'ny mpanendy mofo, izay mitsahatra tsy misorona afo hatramin'ny ametafetany ny koba ka ambara-pitombony.
5V dan našega kralja so oboleli poglavarji od vinske vročine; on je podal svojo roko zasmehovalcem.
5Tamin'ny andron'ny mpanjakantsika dia nankarary tena tamin'ny fanafanan'ny herin'ny divay ny mpanapaka; Nifandray tanana tamin'ny mpaniratsira ny mpanjaka.
6Kajti pripravili so srce svoje kakor peč, ko kujejo zvijačo; njih pek spi vso noč, zjutraj gori peč kakor plameneč ogenj.
6Fa entin'ireo ho ao am-panotrehana ny fony, toy ny ho ao amin'ny fatana; Mandritra ny alina dia matory ihany ny mpanendy azy, ary nony maraina dia toy ny lelafo mirehitra ny fatana.
7Vsi so razbeljeni kakor peč in požirajo sodnike svoje. Vsi njih kralji so padli; nihče izmed njih me ne kliče.
7Samy mahamay toy ny fatana izy rehetra ka mandevona ny andriambaventiny; Efa lavo avokoa, ny mpanjakany, tsy misy miantso Ahy izy rehetra.
8Efraim se meša z ljudstvi; Efraim je kakor podpepelni kolač, ki ni bil obrnjen.
8Efraima dia miharoharo amin'ireo firenena; Efraima dia efa tonga ampempa tsy voavadika.
9Tujci so použili moč njegovo, on pa tega ne ve; tudi se mu je sivina po glavi razlezla, pa tega ne ve.
9Lanin'ny vahiny ny heriny, nefa tsy fantany akory izany; Eny, efa mipi-bolo ihany izy, saingy tsy fantany.
10In ošabnost Izraela mu priča v oči; a nočejo se vrniti h GOSPODU, svojemu Bogu, ne ga iskati kljub vsemu temu.
10Ary ny avonavon'Isiraely dia vavolombelona manameloka azy; Nefa, na dia izany rehetra izany aza, dia tsy miverina amin'i Jehovah Andriamaniny ihany izy, na mitady Azy.[Na: ny reharehany]
11In Efraim je kakor preprost golob, brez razuma: kličejo na pomoč Egipt, gredo v Asirijo.
11Ary Efraima dia efa tonga tahaka ny voromailala adaladala tsy manan-tsaina; Efa miantso an'i Egypta izy ary efa mankany Asyria.
12Kadar pojdejo, razgrnem čeznje mrežo svojo, kakor ptice nebeške jih potegnem doli; kaznoval jih bom tako, kakor se je oznanjalo njih občini.
12Raha vao mandeha izy, dia hovelariko aminy ny fandrika haratoko, ka hampidiniko ao toy ny voro-manidina izy; Hofaizako izy araka izay efa nambara tamin'ny fiangonany.
13Gorje jim! ker so zašli od mene; poguba nadnje! ker so se pregrešili zoper mene. Jaz bi jih rad odkupil, pa oni govore laži zoper mene.
13Lozan'ireny! satria nandositra Ahy izy, haringana izy! satria niodina tamiko; Izaho ta-hanavotra azy, fa izy kosa dia lainga no entiny milaza Ahy.
14In ne kličejo k meni v svojem srcu, temuč tulijo na ležiščih svojih; zbirajo se zavoljo žita in vina, uporno se stavijo zoper mene.
14Ary tsy mitaraina amiko ao am-pony izy, fa midradradradra foana ao am-pandriany; Mitangorona hitady vary sy ranom-boaloboka izy, dia miodina miala amiko.
15In jaz sem vadil njih roke in krepčal, a oni izmišljajo hudo zoper mene.Obračajo se, pa ne gori: so kakor lok, ki strelja napačno. Njih poglavarji padejo zavoljo srditosti svojega jezika: to jim bode v zasmehovanje v deželi Egiptovski.
15Ary Izaho no nampianatra sy nanatanjaka ny sandriny, nefa izy kosa dia misaintsain-dratsy Ahy,Miverina ihany izy, nefa tsy ho amin'ny Avo; Tonga tahaka ny tsipìka manjiona izy; Ho lavon-tsabatra ny mpanapaka azy noho ny firehitry ny lelany; Izany no ho latsany any amin'ny tany Egypta.
16Obračajo se, pa ne gori: so kakor lok, ki strelja napačno. Njih poglavarji padejo zavoljo srditosti svojega jezika: to jim bode v zasmehovanje v deželi Egiptovski.
16Miverina ihany izy, nefa tsy ho amin'ny Avo; Tonga tahaka ny tsipìka manjiona izy; Ho lavon-tsabatra ny mpanapaka azy noho ny firehitry ny lelany; Izany no ho latsany any amin'ny tany Egypta.