Slovenian

Malagasy

Isaiah

16

1Pošljite jagnje gospodovalcu dežele od Sele tja po puščavi do gore hčere sionske.
1Atero ny zanak'ondrin'ny mpanapaka ny tany, dia miala an'i Sela ka mamaky ny efitra hatramin'ny tendrombohitr'i Ziona zanakavavy.
2In zgodi se, da bodo hčere moabske ob brodih arnonskih kakor ptice tavajoče, kakor razpuščeno gnezdo.
2Ary tahaka ny vorona notairina niala tamin'ny akaniny ka mirenireny foana, dia ho toy izany ny zanakavavin'i Moaba ao amin'ny fitàna any Arnona.
3Posvetuj se, odloči se; senco svojo, Sion, naredi temno kakor noč opoldne; skrij pregnance, tavajočega ne izdaj!
3Manolora saina, manomeza rariny ataovy tahaka ny alina ny alokao, na dia amin'ilay andro mitataovovonana iny aza; Afeno izay voaroaka, Ary aza aseho izay mandositra!
4Bivajo naj pri tebi pregnanci moji, skrivališče bodi Moabu pred pokončevalcem! Kajti stiskalcu je določen konec, pokončevanje bo nehalo, zatiralci izginejo z zemlje.
4Aoka hitoetra ao aminao izay oloko voaroaka; Ary aoka ho fieren'i Moaba ianao, mba tsy ho azon'ny mpandringana izy; Fa tsy misy intsony ny mpampahory, tapitra ny loza, tsy misy amin'ny tany intsony ny mpanosihosy.[Na: Aoka ho fereny ianao ry Moaba]
5In prestol se utrdi po milosti, in na njem bo sedel v resnici v šatoru Davidovem on, ki bo sodil in iskal pravice in bo vrlo izvrševal pravičnost.
5Ary hisy seza fiandrianana hampitoerina amin'ny famindram-po, ka hisy hipetraka eo aminy amin'ny fahamarinana ao an-dain'i Davida, ary hitsara sy handinika izay marina izy, sady ho faingam-pamoaka ny rariny.
6Slišali smo o prevzetnosti Moabovi, da je silno ošaben, o napuhu njegovem in oholosti njegovi in togoti njegovi; bahanje njegovo je ničevo.
6Efa renay ny fiavonavonan'i Moaba fatra-piavonavona loatra izy dia ny fireharehany sy ny fiavonavonany sy ny fihoa-bavany ary ny fibedibediny foana.
7Zato bo tulil Moab nad Moabom, vsak bo tulil. Za grozdne gruče kir-haresetske boste zdihovali, zelo pobiti.
7Ary noho izany dia ho indray midradradradra Moaba, eny, samy hidradradradra avokoa izy rehetra; Fa hitomany ny ampempam-boalobok'i Kira-haresa ianareo ka ho ory indrindra.[Na: faharavany]
8Kajti njive hesbonske so zvenile, tudi trta sibemska; narodov gospodje so razbili prelepe rozge njene: segale so tja do Jazerja, vile so se po puščavi, mladike njene so se razširjale, šle čez morje.
8Fa malazo avokoa ny sahan'i Hesbona sy ny voalobok'i Sibma, norantsanan'ny andrian'ny firenena ny sakeliny, tonga hatrany Jazera sy nisandrahaka tany an-efitra izy, ny sampany nandadilady ka tafita ny ranomasina. [Na: Dia ireo izay nankaleo ny andrianan'ny firenena ny sakeliny]
9Zato jokam z jokom Jazerjevim za trto sibemsko, rosim te s solzami svojimi, o Hesbon in Eleale; kajti ob spravljanju letnih sadežev tvojih in ob trgatvi tvoji te je doletelo bojno vpitje.
9Koa izany no hitomaniako ny voalobok'i Sibma, toy ny fitomanian'i Jazera, handena anao amin'ny ranomasoko aho, ry Hesbona sy Elale; fa mihatra amin'ny vokatrao lohataona sy ny fararanonao ny fanakorana.[Na: fitomaniana an'i]
10In vzeto je veselje in radovanje z rodovitnega polja, in v vinogradih ne pojo, ni veselega vpitja, vina v kadi ne masti tlačilec; petju v tlačilnici sem naredil konec.
10Ny hafaliana sy ny haravoravoana efa nesorina tamin'ny saha mahavokatra, ka tsy hisy hoby na horakoraka ao amin'ny tanim-boaloboka; Ny mpanosihosy tsy hanosihosy divay intsony ao amin'ny famiazana; Efa natsahatro ny fihobiana amin'ny fararano.
11Zato zveni kakor harfa osrčje moje zavoljo Moaba in moj drob zaradi Kir-heresa.
11Ary noho izany ny tsinaiko dia mitaraina manao feon-dokanga noho ny amin'i Moaba, ary ny ato anatiko noho ny amin'i Kira-haresa.
12In zgodi se, ko se Moab prikaže, ko se bo trudil na mališki višavi in stopi v svetišče svoje, da bi molil, da nič ne opravi.
12Ary rehefa miseho Moaba ka sasatra ao amin'ny fitoerana avo. Ary mankao amin'ny fitoerany masina mba hivavaka, dia tsy hahazo na inona na inona izy.
13To je beseda, ki jo je GOSPOD takrat govoril o Moabu.Sedaj pa govori GOSPOD takole: V treh letih, kakor so leta najemnikova, pride slava Moabova v nečast z vso svojo veliko množico vred; in ostanek bode jako majhen in neznaten.
13Izany no tenin'i Jehovah nataony fahiny ny amin'i Moaba.Ary ankehitriny koa Jehovah miteny hoe: Amin'ny telo taona, tahaka ny taonan'ny mpikarama, dia ho tsinontsinona ny voninahitr'i Moaba, na dia betsaka aza ny vahoakany; ary izay sisa dia ho vitsy, eny, ho vitsy foana, fa tsy ho maro.[Na: ny hareny]
14Sedaj pa govori GOSPOD takole: V treh letih, kakor so leta najemnikova, pride slava Moabova v nečast z vso svojo veliko množico vred; in ostanek bode jako majhen in neznaten.
14Ary ankehitriny koa Jehovah miteny hoe: Amin'ny telo taona, tahaka ny taonan'ny mpikarama, dia ho tsinontsinona ny voninahitr'i Moaba, na dia betsaka aza ny vahoakany; ary izay sisa dia ho vitsy, eny, ho vitsy foana, fa tsy ho maro.[Na: ny hareny]