1Prorokovanje o dolini prikazni. Kaj ti je že, da si stopilo vse na strehe?
1[Faminaniana ny amin'ny loza hanjo an'i Jerosalema] Faminaniana ny amin'ny lohasahan'ny Fahitana. Inona re izato manjo anareo, no dia miakatra eny an-tampon-trano avokoa ianareo, [Heb. anao][Heb. ianao]
2O ropota polno, hrumeče mesto, o grad, radosti poln! Prebodeni tvoji niso prebodeni z mečem in ne umorjeni v vojski.
2Ry ilay be horakoraka, tanàna be tabataba, vohitra miravoravo? Ny faty eo aminao dia tsy mba novonoin-tsabatra, na maty an'ady.
3Vsi voditelji tvoji so zbežali skupaj, zvezani so bili, ne da bi bil kdo lok napel zoper nje; kar se je zasačilo tvojih, so bili zvezani skupaj, dasi so hoteli daleč zbežati.
3Niara-nandositra ny lehibenao, nafatotra tsy amin-tsipìka izy; Izay rehetra hita tao aminao dia niara-nafatotra, na dia nitady handositra lavitra aza. [Na: Nafatotry ny mpandefa zana-tsipìka]
4Zato pravim: Obrnite se od mene, da bridko jočem; ne trudite se, tolažeč me zaradi pokončanja hčere ljudstva mojega!
4Koa izany no anaovako hoe: Mihodina tsy hijery ahy, fa hitomany mafy dia mafy aho; Aza dia fatra-pampionona ahy noho ny fandringanana ny oloko zanakavavy
5Kajti dan je prestrašenja in teptanja in zmešnjave od Gospoda, Jehove nad vojskami, v dolini prikazni, dan podiranja zidu in kričanja proti gori.
5Fa ao amin'ny lohasahan'ny fahitana dia misy andron'i Jehovah, Tompon'ny maro, andro fitabatabana sy fanosihosena sy fahaverezan-kevitra, ary fandravana ny manda sy fidradradradrana manako hatrany an-tendrombohitra
6In Elam nosi tul, pelje zasedene vozove in konjike, in Kir odkriva ščit.
6Ary Elama mitondra ny tranon-jana-tsipìka mbamin'ny kalesy misy olona sy ny mpitaingin-tsoavaly; Ary Kira manaisotra ny fonon'ampinga
7In zgodi se, da bodo tvoje izbrane doline polne voz, in konjiki se razpostavijo proti vratom.
7Izay tsara indrindra amin'ny lohasahanao dia feno kalesy, ary ny mpitaingin-tsoavaly milahatra eo am-bavahady
8In odgrnejo ogrinjalo Judovo. In oziral se boš tisti dan po orožju v gozdni hiši.
8Dia alana ny fisalobonan'i Joda, ary mijery ny fiadiana ao an-Tranoala ianao amin'izany andro izany.
9In ogledujoč razpoke mesta Davidovega, vidite, da jih je mnogo; in nabirate vode iz spodnjega ribnika;
9Ary hilanareo fa banga be ihany ny tanànan'i Davida; Ary mamory ny rano avy amin'ny kamory ambany ianareo.
10in štejete hiše jeruzalemske in podirate hiše, da utrdite zid;
10Isainareo ny trano any Jerosalema, ka dia ravanareo ny trano ho enti-manamafy ny manda.
11in nabirališče delate med dvema zidoma za vode starega ribnika – ali ne ozirate se v Njega, ki je to naredil, in ne gledate Njega, ki je to osnoval zdavnaj.
11Mihady lavaka famorian-drano eo anelanelan'ny manda roa ianareo halenan ny rano avy amin'ny kamory ela; Kanefa tsy mijery Izay efa nanomana izao zavatra izao ianareo, na mahita Izay nikasa azy hatry ny fony ela.
12Gospod, Jehova nad vojskami, pač kliče tisti dan na jok in plakanje in britje in opasovanje z raševino,
12Ary amin'izany andro izany Jehovah, Tompon'ny maro, Hiantso fitomaniana sy fioriana sy fiharatana ary fisikinana lamba fisaonana.
13ali glej: pri vas radost in veselje, pobijanje goved in klanje drobnice, uživanje mesa in pitje vina: „Jejmo in pijmo, kajti jutri umremo!“
13Kanjo he izato hafaliana sy halavoravoana! Sy famonoana omby sy ondry aman'osy ary fihinanan-kena sy fisotroan-divay! Aoka isika hihinana sy hisotro, fa rahampitso dia ho faty.
14A razodel se je GOSPOD nad vojskami ušesom mojim: Res, ta krivica vam ne bo odpuščena, dokler ne umrete! govori Gospod, Jehova nad vojskami.
14Dia nambaran'i Jehovah, Tompon'ny maro, teo an-tsofiko izao: Tsy havela mihitsy ambara-pahafatinareo izao helokareo izao, hoy Jehovah, Tompon'ny maro.
15Tako pravi Gospod, Jehova nad vojskami: Dej, stopi k tistemu oskrbniku, Sebnu, ki gospoduje hiši, in reci:
15[Ny amin'ny nanonganana an'i Sebna sy ny nanendrena an'i Eliakima ho solony] Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Andeha mankao amin'ilay mpanolo-tsaina io, dia ao amin'i Sebna, lehiben'ny ao an-dapa, ka ataovy hoe:
16Kaj hočeš ti tukaj? in koga imaš tukaj, da si tu izsekal grob sebi? izsekavaš si grob na višini, votliš v skali prebivališče sebi!
16Manao inona etỳ ianao, ary inonao moa no etỳ, No manao fasana etỳ ianao, dia manao fasana ho anao etỳ amin'ny hantsana sy mandoaka fonenana ho anao etỳ amin'ny harambato? [Heb. ho azy]
17Glej, GOSPOD te s silo stran vrže kakor močan mož in krepko te zgrabi
17Indro, Jehovah hanipy mafy anao, eny, hofiazany mafy ianao,[Na: hosaronany]
18in trdo te zvije v klobčič, kakor kepo te vrže v kraj prostoren; tam umreš in tam ostanejo slavni vozovi tvoji, ti sramota hiši gospodarja svojega!
18Dia hovolavolainy toy ny kodiarana ka hahodiadiany ho any amin'ny tany malalaka; Dia any no hahafaty anao, ary ho any koa ny kalesin'ny voninahitrao ry ilay henatry ny mpianakavin'ny tomponao.
19Odslovim te iz službe tvoje, s stališča tvojega te zvrnejo.
19Ary horoahiko hiala amin'ny fitoeranao ianao sy haongako hiala amin'ny raharahanao [Heb. haongany]
20In zgodi se tisti dan, da pokličem hlapca svojega Eljakima, Hilkijevega sina.
20Ary amin'izany andro izany dia hantsoiko kosa Eliakima mpanompoko, zanak'i Hilkia;
21In oblečem ga v suknjo tvojo in ga utrdim s tvojim pasom, in tvoje gospostvo dam njemu v roke, in bode za očeta prebivalcem jeruzalemskim in hiši Judovi.
21Ary hampiakanjoiko azy ny akanjonao, sady hosikinako amin'ny fehin-kibonao izy; Ka dia hatolotro eo an-tànany ny fanapahanao, ary dia ho tonga rain'ny mponina eto Jerosalema sy ny taranak'i Joda izy.
22In ključ hiše Davidove položim na ramo njegovo: ko on odpre, nihče ne zapre, in ko zapre, nihče ne odpre.
22Ary hapetrako eo an-tsorony ny fanala hidin'ny tranon'i Davida; Dia hamoha izy, ka tsy hisy handrindrina; Ary handrindrina izy, ka tsy hisy hamoha.
23In zabijem ga kakor klin na trdnem mestu, in za časten prestol bode očetovi hiši svoji.
23Ary hatsatoko toy ny fihantonan-javatra eo amin'ny fitoerana mafy izy ka ho sezam-boninahitra ho an'ny mpianakavin-drainy.
24Nanj obesijo vso slavo očetove hiše njegove: mladike in izrastke, vsako posodico, od pitnih posod do vrčev. –Tisti dan, govori GOSPOD nad vojskami, se gane tisti klin, ki je bil zabit na trdnem mestu, in se zlomi in pade, breme pa, ki je na njem viselo, izgine; kajti GOSPOD nad vojskami je govoril.
24Ary hahantona eo aminy ny havesatry ny voninahitry ny mpianakavin-drainy rehetra, izay zanaka sy tera-drainy rehetra, dia ny fanaka madinita rehetra hatramin'ny lovia ka hatramin'ny siny samy hafa rehetra.Amin'izany andro izany, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, Dia hiala ilay fihantonan-javatra voatsatoka teo amin'ny fitoerana mafy; Eny, hokapaina izy ka hianjera, dia ho simba ny entana izay nihantona teo aminy; Fa Jehovah no efa niteny.
25Tisti dan, govori GOSPOD nad vojskami, se gane tisti klin, ki je bil zabit na trdnem mestu, in se zlomi in pade, breme pa, ki je na njem viselo, izgine; kajti GOSPOD nad vojskami je govoril.
25Amin'izany andro izany, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, Dia hiala ilay fihantonan-javatra voatsatoka teo amin'ny fitoerana mafy; Eny, hokapaina izy ka hianjera, dia ho simba ny entana izay nihantona teo aminy; Fa Jehovah no efa niteny.