1Tisti dan bodo peli to pesem v deželi Judovi: Trdno mesto imamo; zveličanje nam Bog postavlja za obzidje in nasip.
1Amin'izany andro izany dia hohiraina eto amin'ny tanin'ny Joda izao fihirana izao: Manana tanàna mafy isika; Famonjena no hotendren'i Jehovah ho manda sy fiarovana.
2Odprite vrata, da vnide narod pravični, ki hrani vso zvestobo.
2Vohay ny vavahady, mba hidiran'ny firenena marina, izay mitana ny fahamarinana.
3Njemu, ki je stanoviten v misli, hraniš večni mir, ker upa vate.
3Ny saina tsy miovaova dia harovanao ao amin'ny fiadanana tanteraka, satria matoky Anao izy.
4Upajte v GOSPODA vekomaj, kajti v GOSPODU Jehovi je skala vekov.
4Matokia an'i Jehovah mandrakizay, fa Jehovah Tompo no Vatolampy mandrakizay.
5Zakaj on je ponižal stanujoče na visokem, ponižal je kvišku moleči grad; podrl jih je, zvrnil na tla, položil prav v prah.
5Fa naetriny ny mponina avo toerana; Ny tanàna avo dia arodany, eny, arodany ho amin'ny tany ka :azerany ho amin'ny vovoka.
6Tepta jih noga, ubožcev noge, siromakov stopinje.
6Hitsahin'ny tongotra izy, dia ny tongotry ny ory sy ny faladian'ny mahantra.
7Pot pravičnega je ravna; naravnost ravnaš stezo pravičnemu.
7Voaravona ny lalan'ny marina: Eny, aravonao ho marina indrindra ny alehan'ny marina.[Na: Hianao, Izay mahitsy, no manamarina]
8Da, na potu sodb tvojih, o GOSPOD, smo te čakali; k imenu tvojemu in k spominu tvojemu je bilo hrepenenje duše.
8Koa amin'ny lalan'ny fitsaranao, Jehovah ô, no iandrasanay Anao, ny anaranao sy ny fahatsiarovana Anao no irin'ny fanahinay.
9Iz srca sem te želel po noči in z duhom svojim znotraj sebe sem zgodaj hitel k tebi: zakaj ko zadevajo sodbe tvoje zemljo, se uče pravičnosti prebivalci sveta.
9Amin'ny fanahiko no aniriako Anao nony alina; Eny, ny saiko ato anatiko no itadiavako Anao fatratra; Fa raha mamely ny tany ny fitsaranao, dia mianatra fahamarinana ny mponina amin'izao tontolo izao.
10Če se izkaže milost brezbožniku, se ne uči pravičnosti: v deželi pravičnosti ravna krivično in noče videti visokosti GOSPODOVE.
10Na dia asiana soa aza ny ratsy fanahy, tsy mety mianatra fahamarinana izy; Eny, na dia ao amin'ny tanin'ny fahamarinana aza izy, mbola manao meloka ihany ka tsy mety mijery ny fahalehibiazan'i Jehovah.
11GOSPOD, roka tvoja se je vzdignila, pa ne vidijo. A videli bodo gorečnost tvojo za to ljudstvo, in bodo osramočeni; da, ogenj pokonča nasprotnike tvoje.
11Jehovah ô, avo ny tananao, nefa tsy jeren'ireo; Tsy maintsy hojereny ihany anefa ny fahasaro-piaronao amin'ny olonao, ka ho menatra izy; Eny, afo no handevona ny fahavalonao. [Na: Hijery ihany anefa izy ka ho menatra noho ny fialonany ny olonao]
12Za nas pa, GOSPOD, pripraviš mir; saj si tudi dovršil vsa dela naša za nas.
12Jehovah ô, manorina fiadanana ho anay Hianao: Fa ny asanay rehetra dia tanterahinao ho anay.
13GOSPOD, Bog naš, zapovedovali so nam drugi gospodje razen tebe; samo s teboj združeni hvalno spominjamo imena tvojega.
13Jehovah Andriamanitray ô, tsy Hianao ihany no efa nampanompo anay, fa tompo hafa koa; Nefa Hianao irery ihany no ahazoanay mankalaza ny anaranao.
14Mrtvi so, ne ožive, mrliči so, ne vstanejo več: zato ker si jih obiskal in pogubil, in pokončal si ves njih spomin.
14Ny maty tsy ho velona intsony, ny matoatoa tsy mba hitsangana; Fa novalianao izy ka naringanao, sady nolevoninao avokoa ny fahatsiarovana azy.
15Pomnožil si ta narod, o GOSPOD, pomnožil si ta narod, poveličal si sebe; razširil si vse meje dežele.
15Nampitombo ny firenena Hianao, Jehovah ô, Eny, nampitombo ny firenena Hianao ka nahazo voninahitra ho Anao; Nitarinao halalaka avokoa ny faritry ny tany.
16GOSPOD, v stiski so te iskali; molili so ponižno, kadar jih je trla pokora tvoja.
16Jehovah ô, nony azom-pahoriana izy, dia nitady Anao; Nony niharan'ny famaizanao izy, dia nanao vavaka anakampo.
17Kakor se noseča blizu poroda zvija in vpije v bolečinah svojih, tako smo bili pred obličjem tvojim, GOSPOD.
17Tahaka izay bevohoka efa madiva hiteraka ka miolanolana sy mitaraina noho ny faharariany, dia tahaka izany izahay teo imasonao, Jehovah ô,
18Noseči smo bili, zvijali smo se, a bilo je, kakor da bi rodili le sapo: rešitve nobene nismo napravili zemlji in niso se porodili prebivalci svetu.
18Efa bevohoka izahay, efa nihetsi-jaza izahay, Efa tahaka ny nitera-drivotra izahay; Tsy nahavita famonjena ho an'ny tany izahay, ka tsy niteraka ny mponina amin'izao tontolo izao.
19Ožive mrtveci tvoji; mrtva trupla moja vstanejo. Zbudite se in veselo pojte, kateri prebivate v prahu! kajti rosa svetlobe je rosa tvoja, in zemlja izvrže mrtve.
19Ho velona indray ny olonao izay efa maty, ny fatin'ny oloko hitsangana; Koa mifohaza sy mihobia, ianareo izay mandry ao amin'ny vovoka; Fa ny andonao dia tahaka ny andon'ny fahazavana, ary ny tany hiteraka ny maty. [Na: ando amin'ny anana][Heb. ny matoatoa]
20Pojdi, ljudstvo moje, stopi v hrame svoje in zapri si duri za seboj: skrij se za malo časa, dokler ne preide jeza.Zakaj, glej, GOSPOD prihaja iz kraja svojega, kaznovat prebivalce zemlje za njih krivico; in zemlja odkrije kri svojo in ne bo pokrivala več ubitih svojih.
20Mandehana, ry oloko, midìra ao amin'ny efi-tranonao, ary mirindrina varavarana ianao, ka miere kely indray mipi-maso monja Mandra-pahalasan'ny fahatezerana.Fa, indro, Jehovah mivoaka avy amin'ny fitoerany hamaly ny mponina amin'ny tany noho ny helony; Ary ny tany hampiseho ny rà izay nofohiny ka tsy hanafina intsony izay novonoina teo aminy.
21Zakaj, glej, GOSPOD prihaja iz kraja svojega, kaznovat prebivalce zemlje za njih krivico; in zemlja odkrije kri svojo in ne bo pokrivala več ubitih svojih.
21Fa, indro, Jehovah mivoaka avy amin'ny fitoerany hamaly ny mponina amin'ny tany noho ny helony; Ary ny tany hampiseho ny rà izay nofohiny ka tsy hanafina intsony izay novonoina teo aminy.