1Glej, v pravičnosti bo kraljeval kralj in po pravici bodo kneževali knezi.
1Indro, fa araka ny fahamarinana no hanjakan'ny mpanjaka, ary ny lehibe hanaraka araka ny rariny.
2In mož bode kakor zavetje pred vetrom in pribežališče pred povodnjijo, kakor potoki vodá na suhem kraju, kakor senca skale velike v žejni deželi.
2Ary hisy lehilahy ho fierena amin'ny rivotra sy ho fialofana amin'ny ranonoram-baratra; Ho ranovelona ao amin'ny tany karankaina izy, ho alo-batolampy lehibe amin'ny tany mahana. [Na: Ary samy]
3In vidcev oči ne bodo več zalepljene in ušesa poslušalcev bodo pazljivo poslušala.
3Ary tsy hikimpy ny mason'izay mahita, ary ny sofin'izay mandre dia hihaino.
4In srce nepremišljencev bo razumelo znanje in jecljajočih jezik bo hitro govoril in gladko.
4Ny fon'izay maimaika hahazo fahalalana, ary ny lelan'izay mikodedidedy hahay miteny mahitsy.
5In nespametneža ne bodo več nazivali plemenitnika, in zvijačnika ne bodo imenovali blagosrčneža.
5Ny adala tsy holazaina intsony hoe mitoetr'andriana, ary ny mpifetsy tsy holazaina hoe mahafoy be. [Heb. mpanankarena]
6Kajti nespametnež govori nespametnost in srce njegovo se peča s krivico, da počenja bogoskrunstvo in govori zapeljive zmote proti GOSPODU, da napravi prazno dušo lačnemu in žejnemu umakne pijačo.
6Fa ny adala mbola miteny fahadalana ihany, ary ny fony mamoron-keloka, mba hanaovany fihatsaram-belatsihy sy hitenenany hevi-diso ny amin'i Jehovah ary hanaovany izay tsy hahazoan'ny noana hanina sy izay tsy hahazoan'ny mangetaheta rano hosotroina. [Na: ratsy]
7Orodje zvijačnega je tudi hudobno: dela pregrešne naklepe, da pogubi ponižne z lažnivimi govori, tudi ko potrebni zagovarja pravico svojo.
7Ary ratsy ny hafetsen'ny mpifetsy; Mamoron-tsain-dratsy izy hanimbany ny ory amin'ny teny lainga, na dia miteny manan-drariny aza ny malahelo; [Heb. fiasan']
8Ali plemeniti misli plemenito in stanoviten je v stvareh plemenitih.
8Fa ny mitoetr'andriana kosa dia mamoron-tsaina araka izay mahamendrika andriana, ary izay mahamendrika andriana no ifikirany.
9Žene brezskrbne, vstanite, čujte glas moj, hčere prezaupne, poslušajte govor moj!
9[Anatra mafy tamin'ny vehivavy tao Jerosalema] Mitsangàna, ry vehivavy miadana, ka mandrenesa ny feoko; Ry zazavavy matokitoky foana, mihainoa ny teniko.
10V teh dneh, ko mine leto, bodete v strahu, prezaupne, kajti propade trgatev, pobiranja ne bode.
10Raha afaka herintaona mahery dia ho raiki-tahotra ianareo, ry vehivavy matokitoky foana; Fa hanjahitra ny taom-piotazam-boaloboka, ary tsy hisy ny fanangonam-boankazo
11Trepetajte, o brezskrbne, strah vas bodi, o prezaupljive, slecite se in bodite nage, in opašite si z raševnikom ledja.
11Mangovita, ry vehivavy miadana, mangorohoroa, ry vehivavy matokitoky foana; Endaho ny akanjonao, ka mitanjaha, ary misikìna lamba fisaonana.
12Trkali se bodo na prsi zaradi prekrasnih njiv, zaradi trte rodovitne.
12Miteha-tratra izy, fa malahelo ny saha nahafinaritra sy ny voaloboka vokatra.
13Po zemlji ljudstva mojega bo raslo trnje in bodljikovje, tudi na vseh hišah veselih v mestu radostnem.
13Ho rakotry ny tsilo sy ny hery ny tanin'ny oloko, eny, na dia ny ao amin'ny trano mahafaly rehetra ao an-tanàna ravoravo aza;
14Kajti grad bode prazen, šumovito mesto bode zapuščeno, grič Ofel in stražni stolp bosta za brlog vekomaj, na veselje divjim oslom, čredam za pašnik –
14Fa ho foana ny lapan'ny mpanjaka; Hitsahatra ny fihorikoriky ny tanàna; Ofela sy ny tilikambo fitazanana ho tonga naman'ny zohy ho mandrakizay, dia fikarenjen'ny boriki-dia sy fiandrasana ny andian'ny ondry aman'osy, [Na: Ny havoana]
15dokler se ne razlije nad nas duh z višave in se puščava izpremeni v njivo rodovitno, in rodovitna njiva se bo štela za gozd.
15Mandra-pandatsaka ny fanahy avy amin'ny avo ho amintsika, ka ny efitra ho tonga saha mahavokatra, ary ny saha mahavokatra hoheverina ho ala.
16In v puščavi se nastani pravica, in pravičnost bo prebivala na rodovitni njivi;
16Ary hitoetra any an-efitra ny rariny, Ary ny fahamarinana honina ao amin'ny saha mahavokatra.
17in delo pravičnosti bode mir in obrodek pravičnosti pokoj in varnost vekomaj.
17Ny asan'ny fahamarinana ho fiadanana; Ary ny vokatry ny fahamarinana dia ho fiadanana sy fahatokiana mandrakizay;
18In ljudstvo moje bo prebivalo v domovju miru in v varnih prebivališčih in v krajih za pokoj mirnih.
18Ary ny oloko hitoetra ao amin'ny fonenana mandry fahizay sy ao amin'ny fitoerana mahatoky ary ao amin'ny fialan-tsasatra feno fiadanam-po;
19A prej se bo toča usipala, ko se bo podiral gozd, in mesto bo globoko ponižano.Blagor vam, ki sejete poleg vseh vodá in puščate, da prosto hodijo noge volov in oslov!
19Nefa hilatsaka ny havandra, rehefa aripaka ny ala, ary halamaka dia halamaka ny tanàna.Sambatra izay mamafy eny amoron'ny rano rehetra sady mampiriaria ny omby sy ny boriky.
20Blagor vam, ki sejete poleg vseh vodá in puščate, da prosto hodijo noge volov in oslov!
20Sambatra izay mamafy eny amoron'ny rano rehetra sady mampiriaria ny omby sy ny boriky.