Slovenian

Malagasy

Isaiah

40

1Tolažite, tolažite ljudstvo moje, govori Bog vaš.
1[Teny mahafaly, fampiononana ny Isiraely] Ampionony, ampionony ny oloko, Hoy Andriamanitrareo;
2Govorite na srce Jeruzalemu in kličite mu, da je dopolnjena vojna služba njegova, da je poravnana krivica njegova, da je dobil dvojno iz roke GOSPODOVE za vse grehe svoje.
2Mitoria teny soa mahafaly amin'i Jerosalema, ka lazao aminy fa vita ny adiny, sady voavela ny helony, ary efa nandray indroa heny tamin'ny tànan'i Jehovah izy ho valin'ny fahotana rehetra nataony. [Na: tapitra ny fe-taom-panompoany]
3Glas vpijočega v puščavi: Pripravljajte pot GOSPODU, ravnajte v pustinji cesto Bogu našemu.
3Injany! misy feon'ny miantso hoe: Manamboara lalana any an-efitra ho an'i Jehovah, manaova lalambe any an-tany foana ho an'Andriamanitsika.
4Vsaka dolina naj se dvigne in vsako goro in vsak grič znižajte, in kar je krivega, naj se poravna, in hribasto bodi ravnina!
4Aoka hasandratra ny lohasaha rehetra, Aoka haetry ny tendrombohitra sy ny havoana rehetra; Aoka ny be havoana ho tonga lembalemba, ary ny tany saro-dalana ho tonga lemaka;
5In razodene se slava GOSPODOVA in vse meso vkup jo bo videlo; kajti usta GOSPODOVA so govorila.
5Dia hiseho ny voninahitr'i Jehovah, ary ny nofo rehetra hiara-mahita izany; Fa ny vavan'i Jehovah no efa niteny.
6Glas govorečega: Oznanjaj! In vpraša: Kaj naj oznanjam? „Vse meso je trava in vsa milina njegova kakor cvetica na polju.
6Injany! misy miteny hoe: Miantsoa. Ary hoy izy: Ahoana anefa no antso hataoko? Ahitra ny nofo rehetra, ary ny hatsaran-tarehiny rehetra dia tahaka ny vonin-javatra any an-tsaha;
7Trava sahne, cvetica vene, ker veje nanjo dih GOSPODOV. Res, ljudstvo je trava!
7Maina ny ahitra, malazo ny voniny, satria tsofin'ny fofonain'i Jehovah ireny; Eny, ahitra tokoa ny olona.
8Trava sahne, cvetica vene, a beseda Boga našega ostane vekomaj!“
8Maina ny ahitra, malazo ny voniny; Fa ny tenin'Andriamanitsika dia haharitra mandrakizay.
9Idi na goro visoko, o Sion, ki oznanjaš veselo vest; povzdigni močno glas svoj, Jeruzalem, ki oznanjaš veselo vest; povzdigni ga, ne boj se, reci mestom Judovim: Glejte, Bog vaš!
9Ry Ziona, izay mitondra teny soa mahafaly ô, miakara any an-tendrombohitra avo; Ry Jerosalema izay mitondra teny soa mahafaly ô, Asandrato mafy ny feonao, asandrato, fa aza matahotra; Lazao amin'ny tanànan'ny Joda hoe. Indro Andriamanitrareo! [Na: Ry ilay mitondra teny soa mahafaly ho an'i Ziona][Na: Ry ilay mitondra teny soa mahafaly ho an'i Jerosalema]
10Glejte, Gospod, Jehova, prihaja kot mogočni in rama njegova gospoduje zanj; glejte, plačilo njegovo je pri njem in povračilo njegovo pred njim!
10Indro, Jehovah Tompo ho avy amin'ny heriny, ka ny sandriny ihany no hanapaka; indro, ny valim-pitia hatolony dia eny aminy, ary ny valin'asa homeny dia eo anoloany.
11Kakor pastir bo pasel čredo svojo, z roko svojo bo zbiral jagnjeta in jih nosil v naročju svojem, in doječe bo vodil rahlo.
11Hiandry ny ondriny tahaka ny mpiandry ondry Izy; Ny sandriny no hanangonany ny zanak'ondry, ka hotrotroiny eo an-tratrany ireny, ary horoahiny miadana ny ampianahany.
12Kdo je izmeril z dlanjo svojo vode in s pedjo svojo premeril nebesa in vtlačil zemlje prah v merico in s tehtnico pretehtal gore in hribe na njenih torilih?
12Iza no namatra ny rano teo am-pelatanany, ary nanjehy ny lanitra tamin'ny zehiny, sy namory ny vovo-tany tamin'ny vata, ary nandanja ny tendrombohitra tamin'ny fandanjana sy ny havoana tamin'ny mizana? [Heb. ampahatelon'ny efaha]
13Kdo je vodil duha GOSPODOVEGA, in kdo mu je bil svetovalec ter ga je učil?
13Iza no nanome hevitra ny Fanahin'i Jehovah, ary iza no mpanolo-tsaina nampianatra Azy?
14S kom se je posvetoval, da bi mu dodelil razuma in ga učil poti pravice in ga vadil v znanju in mu pokazal najvišje razumnosti pot?
14Iza no nidinihany ka nanome saina Azy sy nanoro Azy ny lalan'ny fitsarana ary nampianatra fahalalana Azy sy nampahafantatra Azy ny lalan'ny fahendrena ?
15Glej, narodi so kakor kapljica v vedru in se čislajo kakor prašek na tehtničnem torilu; glej, otoke vzdiguje kakor trohico.
15Indro, ny firenena dia tahaka ny rano indray mitete avy amin'ny siny ary atao ho tahaka ny vovoka madiniKa amin'ny mizana; Indro, ny nosy dia tsintsininy tahaka ny zavatra bitika indrindra. [Na: tahaka ny vovoka madinika paohin'ny rivotra]
16Tudi Libanona ne bi bilo dovolj za ogenj in živali njegovih ne bi bilo dovolj za žgalno daritev.
16Ary Libanona aza tsy ampy hataina, ary ny biby ao tsy ampy ho fanatitra dorana.
17Vsi narodi so kakor nič pred njim, manj nego nič in ničevost.
17Ny firenena rehetra dia tahaka ny tsinontsinona eo anatrehany, ka ataony ho naman'ny tsinontsinona sy ny zava-poana izy.
18Komu torej hočete primerjati Boga mogočnega? in kako podobo hočete postaviti poleg njega?
18Koa ampitovinareo amin'iza moa Andriamanitra ? Ary endrik'inona no ampanahafinareo Azy ?
19Podobo ulije umetnik in zlatar jo prevleče z zlatom in ji privari verižice srebrne.
19Ny mpiasa manao sarin-javatra an-idina, ary ny mpanefy volamena mametaka takela-bolamena aminy sy manao tongalika volafotsy an-idina.
20Kdor je ubožen, da ne more toliko darovati, izbere les, ki ne trohni; poišče si spretnega umetnika, da mu napravi podobo, ki se ne omaja.
20Izay malahelo ka tsy manan-katerina dia mifidy hazo tsy mety ho lò ary mitady mpiasa mahay zavatra mba hamorona sarin-javatra voasokitra izay tsy hihezongozona.
21Ali ne veste? ali ne čujete? ali se vam ne oznanja od začetka? ali ne umejete ustanovitve zemlje?
21Tsy fantatrareo va? Tsy efa renareo va? Tsy efa nambara taminareo fony taloha va? Tsy efa azonareo an-tsaina va ny amin'ny fanorenan'ny tany?
22On je, ki stoluje nad zemlje okrožjem, in prebivalci njeni so kakor kobilice, ki razprostira nebesa kakor tenčico in jih razpenja kakor šator v prebivanje;
22Izy no mipetraka amin'ny habakabaka ambonin'ny tany, ary ny mponina etỳ dia tahaka ny valala; Izy no mamelatra ny lanitra tahaka ny lamba manify kararavina ary manenjana azy tahaka ny lay hitoerana;
23ki deva v nič kneze, sodnike na zemlji nareja kakor ničevo stvar.
23Izy no mahatsinontsinona ny mpanapaka sy mahatonga ny mpitsara amin'ny tany ho tahaka ny zava-poana.
24Komaj so zasajeni, komaj zasejani, komaj se ukorenini v zemlji njih deblo, že pihne on vanje, in posuše se in piš jih odnese kakor slamico.
24Vao nambolena vetivety ireo, vao nafafy ireo, vao namaka tao amin'ny tany ny fotony, dia notsofin'Andriamanitra ireo, ka dia nalazo, ary nindaosin'ny tafio-drivotra tahaka ny vodivary izy.
25Komu me torej hočete pripodobiti, da bi mu bil enak? pravi Sveti.
25Koa ampitovinareo amin'iza moa Aho, hitahako aminy? Hoy ny Iray Masina.
26Povzdignite kvišku oči in glejte: Kdo je ustvaril vse te zvezde? On, ki vodi po številu njih vojsko, jih kliče vse po imenu; vsled presilne moči njegove in ker je mogočen v krepkoti, se niti ena ne pogreša.
26Asandrato ny masonareo, ka mijere; Iza no nahary ireny? Izy no mamoaka ny antokony araka ny isany sy miantso azy rehetra amin'ny anarany avy noho ny haben'ny fahatanjahany sy ny heriny tsy toha, ka tsy misy diso ireny na dia iray akory aza.
27Zakaj praviš, o Jakob, in govoriš, Izrael: Skrita je pot moja pred GOSPODOM in pravda moja gre mimo Boga mojega?
27Nahoana no miteny ianao, ry Jakoba ô, ary milaza ianao, ry Isiraely ô, hoe: Miafina tsy hitan'i Jehovah ny lalako, ary mihelina tsy hitan'Andriamanitro ny rariny tokony ho ahy?
28Ali ne veš? in nisi li slišal? GOSPOD je Bog večni, Stvarnik krajev zemlje; on ne opeša in se ne utrudi, nedoumna je razumnost njegova.
28Tsy fantatrao va? Tsy efa renao va fa Andriamanitra mandrakizay Jehovah, izay namorona ny faran'ny tany? Tsy mba mety ho reraka na sasatra Izy; Tsy takatry ny saina ny fahalalany.
29Trudnemu daje krepkosti in onemoglemu podeljuje obilo moči.
29Mampahatanjaka ny reraka Izy, ary izay kely hery dia omeny hery be.
30Pešajo res mladi in se utrujajo, in mladeniči se spotikajo in padajo;oni pa, ki čakajo GOSPODA, dobivajo nove moči, dvigajo se na perutih kakor orli, teko, a se ne utrudijo, hodijo, pa ne opešajo.
30Na dia ny tanora fanahy aza dia ho reraka sy ho sasatra, ary na dia ny zatovo aza dia mety ho tafintohina mafy;Fa izay miandry an'i Jehovah dia mandroso hery kosa; Elatra no hiakarany tahaka ny voromahery; Hihazakazaka izy, nefa tsy ho sasatra; Handeha izy, nefa tsy ho reraka.
31oni pa, ki čakajo GOSPODA, dobivajo nove moči, dvigajo se na perutih kakor orli, teko, a se ne utrudijo, hodijo, pa ne opešajo.
31Fa izay miandry an'i Jehovah dia mandroso hery kosa; Elatra no hiakarany tahaka ny voromahery; Hihazakazaka izy, nefa tsy ho sasatra; Handeha izy, nefa tsy ho reraka.