1Zgrudil se je Bel, omahnil je Nebo; njih maliki so bili naloženi živalim in govedom; stvari, ki ste jih prenašali, so tovor, breme utrujeni živali.
1[Ny fahatsinontsinon'ny sampin'i Babylona, sy fanomezan-toky ny Isiraely hifikitra amin'i Jehovah, ary ny hery sy ny fahalalan'i Jehovah] Mangozohozo Bela, efa miraika Nebo, ny sampiny dia nampitondraina ny biby folahina sy ny biby fiompy; Ny zavatra fitondranareo dia asampy ka tonga enta-mavesatra entin'ireo biby reraka.
2Omahnili so, zgrudili so se vsi, niso mogli oteti bremena, temuč sami so odšli v sužnost.
2Miraika sy mangozohozo avokoa izy, ka tsy mahavonjy ny entana akory; Fa na dia ny tenany aza dia lasan-ko babo koa.
3Poslušajte me, o hiša Jakobova in ves ostanek hiše Izraelove, ki vas nosim od materinega telesa, pestujem od materinega naročja!
3Mihainoa Ahy, ry taranak'i Jakoba sy izay sisa rehetra amin'ny taranak'Isiraely, izay nobabena hatrany an-kibo sy nentina hatrany am-bohoka:
4In prav do starosti sem jaz vedno isti, in do sivosti vas bom jaz nosil; jaz sem storil in jaz bom prenašal, jaz, pravim, bom nosil in rešil.
4Na dia mandra-pahantitrareo aza, dia tsy miova Aho, ary mandra-pahafotsy volonareo, dia Izaho ihany no hisahirana mitondra anareo. Izaho no nanao, ka Izaho ihany no hitrotro, eny, izaho no hitondra sy hanafaka.
5Komu me hočete prilikovati in enačiti ali me primerjati, da bi bili podobni?
5Hampitovinareo amin'iza moa Aho, sy amin'iza no hanoharanareo Ahy ary iza no hataonareo ho tahaka Ahy mba hitahany amiko?
6Kateri trosijo zlato iz mošnje in tehtajo srebro na tehtnici, najmejo za plačo zlatarja, ki naj naredi iz njega boga; padajo na tla ter se mu klanjajo,
6Izay mandraraka volamena avy ao an-kitapo sy mandania volafotsy amin'ny mizana dia manakarama mpanefy volamena mba hanao izany ho andriamanitra, hiankohofany sy hivavahany.
7vzdigujejo ga, nosijo ga na rami, nato ga postavijo na mesto svoje, kjer stoji; z mesta svojega se ne gane. Tudi vpijejo k njemu, a ne odgovori, nikogar ne reši iz stiske njegove.
7Dia betainy ho eny an-tsorony iny ka entiny ary apetrany eo amin'ny fitoerany iny, ka dia mitoetra eo; Tsy mahay miala eo amin'ny fitoerany iny; ary na dia misy mitaraina aminy aza, dia tsy mahay mamaly izy, na mahavonjy azy amin'ny fahoriany.
8Pomnite to in bodite možje, premislite v srcu, odpadniki!
8Tsarovy izany ka mahereza ianareo eritrereto tsara izany, ry mpiodina. [Na: misehoa ho lehilahy]
9Spominjajte se početkov od večnosti, da sem jaz Bog mogočni in nobenega ni drugega, da sem Bog, in nihče ni meni enak,
9Tsarovy ny zavatra taloha izay efa lasa ela; Fa Izaho no Andriamanitra, ka tsy misy hafa; Izaho no Andriamanitra, ka tsy misy tahaka Ahy,
10ki oznanjam od početka konec in od starodavnosti, kar se ni še zgodilo; ki velim: Sklep moj bo stal in storil bom vse, kar me veseli;
10Izay manambara ny farany hatramin'ny voalohany, ary nanambara hatramin'ny ela izay tsy mbola natao akory, dia ilay manao hoe: Ho tò ny fikasako, ary hefaiko ny sitrapoko rehetra,
11ki kličem od vzhoda ptico roparico, iz daljne dežele izvršitelja svojega sklepa. Govoril sem in tudi storim, da pride tisto; načrt sem napravil, pa tudi izvršim tisto.
11Izay miantso vorona mpihaza avy any atsinanana, dia lehilahy avy any an-tany lavitra hahefa ny fikasako; sady efa niteny izany Aho no hahatanteraka azy koa, sady nikasa Aho no hahefa azy.
12Poslušajte me, uporni v srcu, ki ste daleč od pravičnosti!Blizu sem pripravil pravičnost svojo, ni daleč, in zveličanje moje se ne bo obotavljalo; in na Sionu dam zveličanje, Izrael bode slava moja.
12Mihainoa Ahy ianareo madi-po izay lavitra ny fahamarinana:Hampanatoniko ny fahamarinako, ka tsy ho lavitra intsony; ary ny famonjeko tsy hitaredretra; fa hametraka famonjena ao Ziona Aho sy ny voninahitro ho an'ny Isiraely.
13Blizu sem pripravil pravičnost svojo, ni daleč, in zveličanje moje se ne bo obotavljalo; in na Sionu dam zveličanje, Izrael bode slava moja.
13Hampanatoniko ny fahamarinako, ka tsy ho lavitra intsony; ary ny famonjeko tsy hitaredretra; fa hametraka famonjena ao Ziona Aho sy ny voninahitro ho an'ny Isiraely.