1Hej, vsi, katerikoli ste žejni, pridite k vodam, in kateri nimate denarja, pridite, kupite in jejte! Pridite, pravim, kupite brez denarja in brez plačila vina in mleka!
1[Fiantsoana ny olona rehetra handray ny fahavoavan'Andriamanitra] He! ianareo rehetra izay mangetaheta, mankanesa amin'ny rano! Ary ianareo izay tsy manam-bola, avia, mividia, ka homàna! Eny, avia, mividia divay sy ronono, nefa tsy amim-bola, na amin-karena.
2Čemu trošite denar za to, kar ni kruh, in trud svoj za to, kar ne more nasititi? Poslušajte vendar mene in jejte, kar je dobro, in tolstino veselo uživaj duša vaša!
2Nahoana ianareo no mandany vola amin'izay tsy hanina, ary ny vokatry ny fisasaranareo amin'izay tsy mahavoky? Mihainoa dia mihainoa Ahy, ka hano izay tsara, dia aoka hiravoravo amin'ny matavy ny fanahinareo.[Na: mandanja]
3Nagnite uho in pridite k meni, poslušajte, in duša vaša bo živela! In sklenem z vami zavezo večno: milosti Davidove, stanovitne.
3Atongilano ny sofinareo, ka mankanesa atỳ amiko, mihainoa, dia ho velombelona ny fanahinareo; ary hanao fanekena mandrakizay aminareo Aho, dia ny famindram-po mahatoky nampanantenaina an'i Davida.
4Glej, za pričo narodom sem ga postavil, za vojvodo in zapovednika narodom.
4Indro, nataoko vavolombelona ho an'ny firenena Izy, ho mpanapaka sy komandy amin'ny firenena.
5Glej, rod, ki ga nisi spoznal, pokličeš, in rodovi, ki te niso spoznali, priteko k tebi, zaradi GOSPODA, Boga tvojega, in zavoljo Svetnika Izraelovega, ker te je oslavil.
5Indro, firenena izay tsy fantatrao no hantsoinao, ary firenena izay tsy nahalala Anao no hihazakazaka ho aminao noho ny amin'i Jehovah Andriamanitrao, sy ny Iray Masin'ny Isiraely, fa nomeny voninahitra Hianao.
6Iščite GOSPODA, dokler ga morete najti, kličite ga, dokler je blizu!
6Mitadiava an'i Jehovah, dieny mbola hita Izy, Miantsoa Azy, dieny mbola akaiky Izy.
7Zapusti naj brezbožnik pot svoj in mož krivični misli svoje in povrni se h GOSPODU, in usmilil se ga bo, in k Bogu našemu, ker je bogat v odpuščanju.
7Aoka ny ratsy fanahy hahafoy ny lalany, ary ny tsy marina hahafoy ny heviny; ary aoka hiverina ho amin'i Jehovah ireny, fa hamindra fo aminy Izy, Eny, ho amin'Andriamanitsika, fa hamela heloka dia hamela heloka tokoa Izy.
8Kajti misli moje niso vaše misli, tudi vaša pota niso moja pota, pravi GOSPOD.
8Fa ny fihevitro tsy fihevitrareo ary ny lalanareo kosa tsy mba lalako, hoy Jehovah.
9Marveč kakor so nebesa višja od zemlje, tako so pota moja višja nego vaša pota in misli moje nego vaše misli.
9Fa tahaka ny hahavon'ny lanitra noho ny tany no hahavon'ny lalako noho ny lalanareo sy ny fihevitro noho ny fihevitrareo.
10Kajti kakor pada dež ali sneg z neba in se ne vrača tja, temuč napaja zemljo ter jo dela rodovitno, da iz nje raste, da daje seme sejalcu in lačnemu kruh:
10Fa toy ny ranonorana sy ny oram-panala milatsaka avy any an-danitra ka tsy miverina any raha tsy efa nahavonto ny tany ka nampaniry sy nampahavokatra azy, mba hahatonga voa ho an'ny mpamafy sy hanina ho an'ny mpihinana, [Heb; nampiteraka]
11tako bode beseda moja, ki prihaja iz mojih ust: ne povrne se k meni prazna, temuč izvrši, kar me veseli, in bo uspeh imela v tem, za kar jo pošljem.
11Dia ho tahaka izany ny teniko izay aloaky ny vavako: Tsy hiverina amiko foana izy, raha tsy efa mahatanteraka izay sitrako ary ambinina amin'izay ampandehanako azy.
12Zakaj z radostjo izidete in z mirom vas bodo spremljali; gore in hribi zaženo pred vami radostno vpitje in vsa drevesa poljska bodo z rokami ploskala.Namesto grmovja zrastejo ciprese, namesto koprive vstane mirta: in bode GOSPODU v slavno ime, v znamenje večno, ki se ne iztrebi.
12Fa amin'ny fifaliana no hivoahanareo, ary amin'ny fiadanana no hitondrana anareo; ny tendrombohitra sy ny havoana hahavelona hoby eo alohanareo, ary ny hazo rehetra any an-tsaha hitehatanana.Ny hazo kypreso haniry ho solon'ny tsilo, ary ny rotra ho solon'ny sampivato; ary ho anarana ho an'i Jehovah izany, dia ho famantarana mandrakizay izay tsy hesorina. [myrta]
13Namesto grmovja zrastejo ciprese, namesto koprive vstane mirta: in bode GOSPODU v slavno ime, v znamenje večno, ki se ne iztrebi.
13Ny hazo kypreso haniry ho solon'ny tsilo, ary ny rotra ho solon'ny sampivato; ary ho anarana ho an'i Jehovah izany, dia ho famantarana mandrakizay izay tsy hesorina. [myrta]