Slovenian

Malagasy

Isaiah

57

1Pravični gine, a nihče ne premisli v srcu, in z milostjo obdarovane pobira smrt, a nihče se ne zmeni, da se izpred nesreče pobira pravični.
1Maty ny marina, nefa tsy misy misaina izany, ary alaina ny olona tsara fanahy, nefa tsy misy mihevitra fa ny marina dia alaina tsy ho azon'ny loza hanjo. [Na: noho ny ratsy]
2V pokoj gre pravični; počivajo na ležiščih svojih, katerikoli hodijo v poštenosti svoji.
2Miditra amin'ny fiadanana izy, mandry amin'ny fandriany avy izy, dia izay rehetra mizotra amin'ny hitsiny.
3Vi pa, približajte se, vražarice otroci, prešeštnika in nečistnice zarod!
3Fa ianareo kosa dia mankanesa etỳ, ry zanaky ny mpanandro, ianareo taranaky ny mpaka vadin'olona sy ny mpijangajanga.
4Zoper koga se razveseljujete? komu se režite in kažete jezik? Ali niste rojeni v grehu, niste li seme lažnivo,
4Iza no ihomehezanareo? Iza no isanasananareo vava sy itrangatranganareo lela? Tsy taranaky ny fiodinana va ianareo sady taranaky ny lainga? [Na: zanaky ny fijangajangana]
5ki se razvnemate za malike pod slehernim drevesom zelenečim, ki koljete otročiče po dolinah, pod skalnimi razpokami?
5Dia ianareo izay mahamaimay ny fonareo amin'ny hazo terebinta eny ambanin'ny hazo maitso rehetra, ka mamono zaza eny an-dohasahan-driaka eny ambanin'ny tsefatsefaky ny harambato. [Na: amin'ny sampy]
6Med gladkimi kameni v potoku je tvoj del, nečistnica; oni, oni so delež tvoj; tudi njim si izlivala pitno daritev, darovala jedilno daritev. Ali naj se za to potolažim?
6Ao amin'ny vato kilonjy any an-dohasahan-driaka no anjaranao, eny, ireny ihany no anjaranao; ireny koa no nanidinanao fanatitra aidina sy nanateranao fanatitra hohanina. Hahatsindry fo amin'izany va Aho?
7Na visoki, vzvišeni gori si napravila ležišče svoje; tudi si hodila tja gori opravljat daritev.
7Teo an-tampon'ny tendrombohitra avo sy manerinerina no nametrahanao ny fandrianao, ka tany no niakaranao hamono zavatra natao fanatitra.
8In za vrati in za podbojem si postavila spomenik svoj. Kajti izneverila si se meni in si šla gori razkrit se, razširila si ležišče svoje in izgovorila sebi plačilo od njih; rada si se družila ž njimi, ozirala se po njih migljaju.
8Teo ivohon'ny varavarana sy ny tolam-baravarana no nametrahanao ny fampahatsiarovana anao; fa lavitra Ahy no nitanjahanao sy niakaranao, eny, nataonao malalaka ny fandrianao, ary nanao fanekena ny amin'izay hataon'ireny ianao; tia ny fandriana aminy ianao ka nizaha toerana ho anao.[Na: Ary nojerenao ny famantarana (Heb. tanana)]
9In hodila si h kralju z oljem in mnogo si rabila dišeča mazila, in pošiljala si poslance svoje daleč in se poniževala prav do pekla.
9Dia nivezivezy nankany amin'ny mpanjaka ianao nitondra diloilo, ary nataonao betsaka ny zava-manitrao, sady nampandehanina hatrany lavitra any ny irakao, ka nidina hatrany amin'ny fiainan-tsi-hita ianao. [Na: nihosotra][Na: nietry][Heb. Sheola]
10Na svojih mnogih potih si bila trudna, a nisi rekla: Zaman je! Poživila se je moč tvoja, zato nisi opešala.
10Noho ny halavitry ny nalehanao dia sasatra ianao, nefa ianao tsy niteny hoe: kivy aho izany! Nahazo aina ny tananao, ka dia tsy nahatsiaro reraka ianao.
11In koga si se plašila in bala, da si se lagala in se nisi spominjala mene, ne premislila tega v srcu? Nisem li jaz molčal, in to od nekdaj? in mene se nisi bala.
11Ary iza no nahinao sy natahoranao, no dia nandainga ianao ka tsy nahatsiaro ahy na nandatsaka am-po? Moa tsy efa nangina va Aho hatrizay hatrizay? Ka dia tsy natahotra Ahy ianao.
12Jaz razglasim pravičnost tvojo in dela tvoja, nič ti ne bodo koristila.
12Izaho no hanambara ny fahamarinanao ary ny asanao dia tsy hahasoa anao.
13Ko boš vpila, naj te rešijo zbrani maliki tvoji! toda nje vse pobere veter, sapa jih odnese. Kdor pa se zateka k meni, dobi deželo v last in podeduje goro svetosti moje.
13Raha mitaraina ianao, dia aoka ireo maronao no hamonjy anao, nefa hongahan'ny rivotra avokoa ireo sy ho lasan'ny tso-drivotra malemilemy aza; Fa izay mialoka amiko kosa no hanana ny tany sy handova ny tendrombohitro masina.
14In govorili bodo: Nasipajte, nasipajte, napravite pot, odpravite vsako spotiko s pota ljudstva mojega!
14Ary Izy hilaza hoe: Manandrata, eny, manandrata ka manamboara lalana, esory izay mahatafintohina eny amin'ny alehan'ny oloko.
15Zakaj tako pravi Visoki in Vzvišeni, ki prebiva v večnosti in ki mu je ime Sveti: Na višavi in v svetišču prebivam, tudi ž njim, ki je potrtega in ponižanega duha, da oživim duha ponižanih in oživim srce potrtih.
15Fa izao no lazain'ny Iray avo sy manerinerina, izay monina mandrakizay, masina no anarany: Ao amin'ny fitoerana avo sy masina no onenako, ary ao amin'ny torotoro fo sy ny manetry tena, hamelombelona ny fanahin'ny manetry tena sy hamelombelona ny fon'ny torotoro fo;
16Kajti vekomaj se ne bom prepiral in brezkončno se ne srdil, ker bi njih duh onemogel pred obličjem mojim in duše, ki jih sem jaz ustvaril.
16Fa tsy hifandahatra mandrakariva Aho ary tsy ho tezitra mandrakizay; Fandrao ho reraka eo anatrehako ny fanahy, dia ny aina izay nataoko. [Heb. fofonaina]
17Zaradi krivične dobičkoželjnosti njegove sem se razsrdil in ga udaril, skril sem se in se srdil; on pa se je tem bolj odvrnil po srca svojega potu.
17Ny helony noho ny fieremany no nahatezitra Ahy ka namelezako azy; fa niery Aho, satria tezitra, nefa niodina izy ka mbola nandroso tamin'ny lalana tian'ny fony ihany.
18Pota njegova vidim, ali ozdravim ga; in vodil ga bom in dajal tolažbe njemu in žalujočim njegovim.
18Efa nahita ny lalany Aho, nefa hahasitrana azy ihany, dia hitari-dalana azy Aho ka hampody ny fiononana ho aminy sy ho amin'ny malahelo ao aminy,
19Ustvarjam sad ustnic: Mir, mir njemu, ki je daleč, in njemu, ki je blizu, pravi GOSPOD; in hočem ga ozdraviti.
19Dia Izaho Izay mahary ny vokatry ny molotra: Fiadanana, fiadanana ho an'izay lavitra sy ho an'izay akaiky! hoy Jehovah, ka dia hahasitrana azy Aho.
20Brezbožni pa so kakor morje razdraženo: mirovati ne more in vode njegove izmetavajo blato in nesnago.Ni ga miru, pravi Bog moj, brezbožnim.
20Fa ny ratsy fanahy dia tahaka ny ranomasina misamboaravoara, eny, tsy mety tafatoetra izy, ka ny ranony dia mamoaka loto sy fotaka.Tsy misy fiadanana ho an'ny ratsy fanahy, hoy Andriamanitro.
21Ni ga miru, pravi Bog moj, brezbožnim.
21Tsy misy fiadanana ho an'ny ratsy fanahy, hoy Andriamanitro.