Slovenian

Malagasy

Isaiah

66

1Tako pravi GOSPOD: Nebo je prestol moj in zemlja nogam mojim podnožje. Kakšna bi neki bila hiša, ki bi jo mi zidali? in kje li počivanju mojemu mesto?
1[Ny toe-panahin'ny tena Isiraely sy ny fandavana ny tsy izy, ary ny fandrosoan'ny Fiangonana sy ny hamoriana ny firenena rehetra hankany Jerosalema, ary ny handringanana ny ratsy fanahy] Izao no lazain'i Jehovah: Ny lanitra no seza fiandrianako, Ary ny tany no fitoeran-tongotro; Trano manao ahoana no hataonareo ho Ahy? Ary fitoerana manao ahoana no ho fitsaharako ?
2Saj vse to je naredila roka moja in po njej je vse to postalo, govori GOSPOD. Ali na tega se ozrem: na ubožca in potrtega v duhu in na njega, ki trepeče pred besedo mojo.
2Fa izao zavatra izao no nataon'ny tanako. Ka dia ary izao rehetra izao, hoy Jehovah; Nefa izao no olona hotsinjoviko, Dia izay malahelo sy torotoro fanahy Sady mangovitra noho ny teniko.
3Kdor kolje vola, je, kakor kdor ubija moža, kdor daruje drobnico, kakor kdor seče glavo psu, kdor prinaša pitni dar, kakor bi daroval kri svinjsko, kdor žge kadilo v spomin, kakor kdor hvali malika: res, oni so izvolili pota svoja in gnusob svojih se veseli njih duša.
3Izay mamono omby dia hoatra ny mamono olona; Izay mamono ondry hatao fanatitra dia hoatra ny mamolaka ny vozon'alika; Izay manatitra fanatitra hohanina dia hoatra ny manatitra ran-kisoa; Izay mandoro ditin-kazo mani-pofona ho fanati-pahatsiarovana dia hoatra ny misaotra ny sampy. Eny, tahaka ny nifidianan'ireny ny halehany, Sy ny nifalian'ny fanahiny tamin'ny fahavetavetany,
4Tudi jaz izvolim, kar jih boli, in pripeljem nadnje, česar jih je strah; zato ker mi, ko sem klical, ni nihče odgovoril, ko sem govoril, niso poslušali, temuč so delali, kar je hudo v očeh mojih, in so izvolili tisto, kar mi ni po volji.
4Dia tahaka izany kosa no hifidianako ny fampahoriana azy, Sy handatsahako ny fahatahorany ho aminy, Satria niantso Aho, fa tsy nisy namaly, Niteny Aho, fa tsy nihaino izy; Fa nanao izay ratsy eo imasoko, Ary izay tsy sitrako no nofidiny.
5Čujte besedo GOSPODOVO, ki trepetate pred besedo njegovo! Bratje vaši, ki vas sovražijo in vas pehajo od sebe zaradi imena mojega, govore: Naj se GOSPOD izkaže častit, da vidimo radost vašo! Toda osramočeni bodo.
5Mihainoa ny tenin'i Jehovah, Hianareo izay mangovitra noho ny teniny! Hoy ny rahalahinareo izay mankahala anareo, Ka mandroaka anareo noho ny amin'ny anarako: Hampiseho ny voninahiny anie Jehovah, Mba ho faly mahita ny fifalianareo izahay! Kanefa ireny ho menatra kosa.
6Čujte, hrupa glas iz mesta! glas iz svetišča! glas GOSPODOV, ki povrača sovražnikom svojim, kar so zaslužili!
6Injany! horakoraka any an-tanàna, Ary feo ao amin'ny tempoly, Dia feon'i Jehovah izay mamaly ny ataon'ny fahavalony.
7Ko je niso še obšle porodne težave, je rodila; ko je ni še napadla bolečina, je povila moško dete.
7Fony mbola tsy nihetsi-jaza aza izy, dia niteraka; Fony mbola tsy nanaintaina aza izy, dia velon-jazalahy.
8Kdo je slišal kaj takega, kdo je videl kaj enakega? More li dežela biti rojena v enem dnevi? se li porodi narod mahoma? Komaj so Sion obšle težave, in že je rodil sinove svoje.
8Iza akory no efa nandre zavatra toy izany? Iza no efa nahita zavatra toy izany? Hisy tany hateraka indray andro va, Na firenena azo atao indray miteraka? Fa raha vao narary hiteraka Ziona, dia velon-jaza izy.
9Ali bi jaz odprl maternico, a ne dal poroditi? pravi GOSPOD; ali bi jaz, ki dajem roditi, zopet zadržal? veli Bog tvoj.
9Izaho moa hahatonga ho eo amin'ny fiterahana ka tsy hampiteraka va? hoy Jehovah; Izaho hampiteraka, nefa hampikombona indray va? hoy Andriamanitrao.
10Veselite se z Jeruzalemom in radujte se nad njim vsi, ki ga ljubite, udeležujte se veselja ž njim, ki ste žalovali nad njim!
10Miaraha mifaly amin'i Jerosalema, Ary miravoravoa aminy ianareo rehetra izay tia azy; Aoka hiara-mifaly aminy tokoa Hianareo rehetra izay malahelo noho ny aminy,
11da sesate in se nasitite na prsih tolažb njegovih, da se nasrkate in se vam dobro godi od obilnosti slave njegove.
11Mba hinonoanareo sy hivokisanareo amin'ny nonony mahafaly, Eny, mba higoka ianareo, Ka hiravoravo amin'ny haben'ny voninahiny.
12Kajti tako pravi GOSPOD: Glej, jaz napeljem proti njemu kakor reko mir in kakor poplavljajoč potok slavo narodov, in boste sesali; v naročjih vas bodo nosili in na kolenih ljubkali.
12Fa izao no lazain'i Jehovah: Indro, hitarihako fiadanana tahaka ny ony izy, Ary ny voninahitry ny firenena tahaka ny renirano tondraka, Ka hinono ianareo; Ary hosakalehina ianareo sady hohindrahindraina eo ambony lohalika.
13Kakor če koga tolaži mati njegova, tako hočem jaz tolažiti vas; in v Jeruzalemu boste obliti s tolažbo.
13Tahaka ny olona ampiononin-dreniny No hampiononako anareo; Eny, ao Jerosalema no hampiononana anareo.
14In boste videli, in veselilo se bo srce vaše, in kosti vaše se razcveto kako nežna trava. In očitna bo roka GOSPODOVA pri hlapcih njegovih in nevolja proti sovražnikom njegovim.
14Dia hahita izany ianareo, ka ho faly ny fonareo, Ary ny taolanareo ho tsara fitombo tahaka ny ahi-matiso; Ary ny tànan'i Jehovah dia ataony fantatry ny mpanompony, Fa ho tezitra amin'ny fahavalony kosa Izy.
15Zakaj, glej, GOSPOD pride z ognjem in vozovi njegovi bodo podobni vrtincu, da povračuje jezo svojo s togoto in karanje svoje z gorečimi plameni.
15Fa, indro, Jehovah ho avy amin'ny afo, Ary tahaka ny tadio ny kalesiny, Mba hanao famaliana amin'ny fahatezerany mirehitra, Sy ny fitenenany mafy amin'ny lelafo.
16Kajti GOSPOD bo sodbo vršil z ognjem in z mečem svojim proti vsemu mesu, in mnogo jih bode, ki jih prebode GOSPOD.
16Fa ny afo sy ny sabany no ho entin'i Jehovah hifandahatra amin'ny nofo rehetra; Ary ho maro ny voaringan'i Jehovah.
17Kateri se posvečujejo in se očiščajo za malikovanje na vrtih, za enim [Pomeni: za enim drevesom (ali: za Ašero.] v sredi, kateri jedo meso svinjsko, gnusobo in miši, skup se pokončajo, govori GOSPOD.
17Izay manamasina sy manadio ny tenany ho ao an-tanimboly, Ka manaraka ny iray ao afovoany, Ary mihinana ny henan-kisoa sy ny zava-betaveta ary ny totozy; Dia hiaraka ho levona avokoa, hoy Jehovah.
18Jaz pa vem njih dela, njih misli. Pride čas, da zberem vse narode in jezike; in pridejo in bodo gledali slavo mojo.
18Fa Izaho dia hamaly ny asany sy ny heviny, Ho avy ny hamoriana ny jentilisa rehetra sy ny samy hafa fiteny; Dia ho avy ireo ka hahita ny voninahitro.[Na: mahalala]
19In postavim znamenje med njimi, in izmed njih ubežnikov pošljem k narodom v Tarsis, Pul in Lud, ki streljajo z lokom, v Tubal in Javan, na daljne otoke, ki niso slišali vesti o meni in niso videli slave moje; in oznanjali bodo slavo mojo med narodi.
19Ary hasiako famantarana eo aminy, Ary izay afaka mandositra dia hirahiko ho any amin'ny jentilisa, Dia ho any Tarsisy sy Pola ary Lydia, izay manenjana tsipìka, Ary ho any Tobala sy Javana, Dia ho any amin'ireo nosy lavitra izay tsy mbola nandre ny lazako; Na nahita ny voninahitro, Ary hitory ny voninahitro any amin'ny jentilisa izy.[Heb. Loda]
20In pripeljejo vse brate vaše izmed vseh narodov v dar GOSPODU na konjih, na vozeh in nosilih, na mezgih in dromedarjih na goro svetosti moje, v Jeruzalem, pravi GOSPOD, kakor sinovi Izraelovi prinašajo pitno daritev v snažni posodi v hišo GOSPODOVO.
20Ary hitondra ny rahalahinareo rehetra izy, Avy any amin'ny jentilisa rehetra ho fanatitra ho an'i Jehovah, Mitaingin-tsoavaly sy ao anaty kalesy sy filanjana, Ary mitaingina ampondra sy rameva haingam-pandeha ho any Jerosalema tendrombohitro masina, hoy Jehovah, Dia tahaka ny fitondran'ny Zanak'Isiraely ny fanatitra hohanina ao anatin'ny vilia madio ho any an-tranon'i Jehovah;
21In tudi izmed njih jih vzamem za duhovnike in levite, pravi GOSPOD.
21Ary avy amin'ireo aza no hakako ho mpisorona sy Levita, hoy Jehovah.
22Zakaj kakor bodo ona nova nebesa in zemlja nova, ki jih hočem narediti, stala pred menoj, tako bo stalo seme vaše in ime vaše.
22Fa tahaka ny lanitra vaovao sy ny tany vaovao, izay hataoko, no haharitra eo anatrehako, hoy Jehovah, Dia toy izany ny haharetan'ny taranakareo sy ny anaranareo.
23In zgodi se, da bo od mlaja do mlaja in od sobote prihajalo vse meso molit pred mene, pravi GOSPOD.In pojdejo ven in videli bodo mrtva trupla tistih ljudi, ki so odpadli od mene; zakaj njih črv ne umre in njih ogenj ne ugasne, in gnusoba bodo vsemu mesu.
23Ary isaky ny voaloham-bolana sy isan-tsabata; Dia ho avy ny nofo rehetra hiankohoka eo anatrehako, hoy Jehovah.Ary hivoaka izy ireny ka hijery ny fatin'ny olona izay efa niodina tamiko; Fa ny kankany tsy ho faty, ary ny afony tsy hovonoina, Ary hataon'ny nofo rehetra ho fahavetavetana izy.
24In pojdejo ven in videli bodo mrtva trupla tistih ljudi, ki so odpadli od mene; zakaj njih črv ne umre in njih ogenj ne ugasne, in gnusoba bodo vsemu mesu.
24Ary hivoaka izy ireny ka hijery ny fatin'ny olona izay efa niodina tamiko; Fa ny kankany tsy ho faty, ary ny afony tsy hovonoina, Ary hataon'ny nofo rehetra ho fahavetavetana izy.