1In prišla mi je beseda GOSPODOVA, rekoč:
1[Ny fivadihan'ny Isiraely ampitahaina amin'ny tsi-fiovan'ny fitiavan'Andriamanitra] Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah hoe:
2Pojdi in kliči Jeruzalemu na ušesa, govoreč: Tako pravi GOSPOD: Spominjam se ti milote mladosti tvoje, ljubezni zaročitve tvoje, ko si hodila za menoj po puščavi, po deželi, kjer ničesar ne sejejo.
2Mandehana, ka miantsoa eo anatrehan'i Jerosalema hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Tsaroako ny niraiketan'ny fonao tamiko, fony ianao mbola tanora, sy ny fitiavanao, fony ianao vao nampakarina, dia ilay nanarahanao Ahy tany an-efitra, teny amin'ny tany tsy mbola nifafy zavatra;
3Svet je bil Izrael GOSPODU, prvenec njegovih pridelkov; vsem, ki so ga hoteli žreti, se je štelo v krivdo: nesreča je prišla nadnje, govori GOSPOD.
3Masina ho an'i Jehovah ny Isiraely sady santatra amin'ny vokany; Izay rehetra nihinana azy dia nohelohina, ny loza no nanjo ireny, hoy Jehovah.
4Poslušajte besedo GOSPODOVO, hiša Jakobova in vse rodovine hiše Izraelove!
4Mihainoa ny tenin'i Jehovah, ry taranak'i Jakoba, sy ianareo, ry fokony rehetra amin'ny taranak'Isiraely!
5Tako pravi GOSPOD: kaj so našli očetje vaši krivice pri meni, da so se ločili od mene in so šli za ničemurnostjo in postali ničemurni?
5Izao no lazain'i Jehovah: Inona moa no tsy marina hitan'ny razanareo tamiko, no dia nanalavitra Ahy izy sady nanaraka ny zava-poana, ka dia tonga zava-poana koa izy?
6In niso rekli: Kje je GOSPOD, ki nas je peljal iz dežele Egiptovske? ki nas je vodil po puščavi, po deželi pusti in jamnati, po deželi suše in smrtne sence, po deželi, koder ne hodi nihče in kjer ne prebiva noben človek.
6Ary izy tsy nanao hoe: Aiza Jehovah Izay nitondra antsika niakatra avy tany amin'ny tany Egypta sady nitarika antsika tany an-efitra, dia ilay tany foana sady be lavaka, tany karankaina sady aloky ny fahafatesana, tany izay tsy mba nalehan'olona akory na nonenan'olona?
7In pripeljal sem vas v deželo njiv, da bi uživali njen sad in dobroto njeno; ko ste pa prišli vanjo, ste oskrunili deželo mojo in dediščino mojo ste napravili v gnusobo.
7Ary nitondra anareo niditra ho any amin'ny tany mahavokatra Aho, mba hihinananareo ny vokatra sy ny zavatra tsara eo aminy; Kanjo nony tafiditra ianareo, dia nolotoinareo ny taniko, sady novetavetainareo ny lovako.
8Duhovniki niso rekli: Kje je GOSPOD? In oni, ki imajo v rokah postavo, me niso spoznali, in pastirji so odpadli od mene, in proroki so prorokovali v imenu Baalovem in hodili za stvarmi, ki nič ne koristijo.
8Ny mpisorona tsy nanao hoe: Aiza Jehovah? Ary ny mpiadidy ny lalàna tsy nahalala Ahy; Ny mpitondra koa nanota tamiko, ary ny mpaminany naminany tamin'ny anaran'i Bala ka nanaraka ireny tsy mahasoa.[Heb. mpiandry ondry]
9Zato se bom še pravdal z vami, govori GOSPOD; še z otroki vaših otrok se bom pravdal.
9Koa mbola hifandahatra aminareo Aho, hoy Jehovah, sy hiady amin'ny zafinareo koa.
10Pojdite vendar čez morje na otoke Kitimcev in poglejte, in pošljite v Kedar in pazite dobro, glejte pravim, se li je zgodilo kaj takega?
10Fa mità ho any amin'ny moron-dranomasin'i Kitima, ka izahao, ary maniraha ho any Kedara, ka diniho tsara, dia aoka ho hitanareo na mba efa nisy toy izao, na tsia:
11Ali je kateri narod zamenil bogove, čeprav niso bogovi? Ljudstvo moje pa je zamenilo slavo svojo za to, kar nič ne koristi.
11Moa nisy firenena efa nanova ny andriamaniny va? Nefa ireny dia tsy Andriamanitra akory. Fa ny oloko kosa efa nanakalo ny voninahiny tamin'ireny tsy mahasoa ireny.
12Strmite, nebesa, nad tem in strah vas bodi, zgrozite se silno! govori GOSPOD.
12Talanjona amin'izany ry lanitra! Ary matahora, ka mangorohoroa indrindra, ianareo! hoy Jehovah;
13Zakaj dvoje zlo je storilo ljudstvo moje: mene, vir živih vodá, so zapustili, da si izkopljejo vodnjake, počene vodnjake, ki ne drže vode.
13Fa zava-dratsy roa loha no nataon'ny oloko: Efa nahafoy Ahy, loharanon'aina, izy ka nihady lavaka famorian-drano ho an'ny tenany, nefa lavaka mitriatriatra tsy mahatan-drano.
14Je li Izrael hlapec? ali je v hiši rojen suženj? Zakaj je v plen?
14Moa mpanompo va Isiraely? Ompikely va izy? Koa nahoana no voababo izy?
15Zoper njega rjovejo mladi levi, zaganjajo svoj glas in pustošijo deželo njegovo; mesta njegova so požgana, da nihče ne prebiva v njih.
15Hamely azy no ampieronan'ny liona tanora sy amoahany feo ka mahatonga ny taniny ho lao nodorana ny tanànany, ka tsy nisy mponina.
16Tudi sinovi iz Nofa in Tahpanesa se ti pasejo po temenu.
16Ny mponina tao Memfisa sy Tapanesa aza efa nampangadihady ny tampon-dohanao.[Heb. Nofa]
17Nisi li sebi tega provzročila, ker si zapustila GOSPODA, Boga svojega, ko te je vodil po svojem potu?
17Moa tsy ny nahafoizanao an'i Jehovah Andriamanitrao tamin'ny andro nitondrany anao teny an-dalana va no nahatonga izany taminao?
18In zdaj, kaj si hočeš s potom v Egipt, da piješ vodo iz Sihorja [T. j. Nil.]? in kaj si hočeš s potom v Asirijo, da piješ vodo iz velereke?
18Koa inona no anton'ny ankanesanao amin'ny lalana mankany Egypta Hisotro ny ranon'i Sihora? Ary inona no anton'ny ankanesanao amin'ny lalana mankany Asyria hisotro ny rano amin'ny Ony? [Neily][Eofrata]
19Kaznuje te hudobnost tvoja in odpadi tvoji te pokoré; spoznaj torej in glej, kako je zlo in bridko, da si zapustila GOSPODA, Boga svojega, in da se me nič ne bojiš, govori Gospod, GOSPOD nad vojskami.
19Ny haratsianao no anafaizana anao, ary ny fihodinanao no ananarana anao; Koa fantaro sy hevero fa ratsy sady mangidy ny nahafoizanao an'i Jehovah Andriamanitrao sy ny tsy nisian'ny tahotrao Ahy, hoy Jehovah, Tompon'ny maro.
20Kajti že nekdaj si zlomila jarem svoj, raztrgala vezi svoje in si dejala: Ne maram sužnjevati! Toda na vsakem hribu visokem, pod vsakim zelenim drevesom si se vdajala nečistovanju.
20Fa hatramin'ny ela no efa nanapahanao ny zioga taminao sy efa nanitosanao ny fatoranao, ka hoy ianao: Tsy hety hanompo aho; Nefa teny amin'ny havoana andrandraina sy teny ambanin'ny hazo maitso rehetra no nandrianao nijangajanganao.
21In vendar sem te bil jaz zasadil plemenito trto od pristne sadike; in kako si se mi izpremenila v spačene ročice tuje trte!
21Fa Izaho namboly anao ho karazam-boaloboka tsara indrindra, dia rantsana tsara avokoa; Ka ahoana no nanjary sampany ratsy ianao ho voaloboka hafa?
22Res, ako bi se oprala s sodo in bi si vzela premnogo mila, ostane umazana krivica tvoja pred menoj, govori Gospod Jehova.
22Fa na dia misasa sirahazo aza ianao ka maka lavenona betsaka hanadiovana anao, ny helokao dia mbola voasoratra eo anatrehako ihany, hoy Jehovah Tompo.[Na: maloto]
23Kako smeš govoriti: Nisem se oskrunila, za Baali nisem hodila? Glej pot svoj po dolini, spoznaj, kaj si storila, kamela hitra, ki križem teka po svojih potih!
23Ahoana no anaovanao hoe: Tsy nanao izay nahaloto ahy aho, tsy nanaraka ireo Bala aho? Hevero ny nalehanao tany amin'ilay lohasaha, fantaro izay nataonao, ry ramevavavy haingam-pandeha mivezivezy amin'ny alehany,
24Divja oslica, vajena puščave, ki v poželenju duše svoje hlasta po sapi! Kdo bi oviral priložnost njeno? Vsi, ki je iščejo, se ne utrudijo, v mesecih njenih jo najdejo.
24Sy ry borikivavi-dia tamàna any an-efitra, izay manimbolo ny rivotra noho ny faniriany; Ary ny fahamaimaizany iza no mahasakana azy? Izay rehetra mitady azy dia tsy ho sasa-poana; Fa amin'ny volany no hahitany azy.
25Varuj nogo svojo, da se ne izbosi, in grlo svoje, da se ne užeja! Ali praviš: Zaman je! nikakor, kajti tujce ljubim in hočem za njimi tekati.
25Aza esorina ny kapa amin'ny tongotrao; Ary aoka tsy ho maina ny tendanao; Nefa hoy ianao: Tsy misy fanantenana; Tsia! fa ny hafa no tiako, ka dia hanaraka azy aho.
26Kakor je v sramoto tatu, ko ga zgrabijo, tako je v sramoto prišla hiša Izraelova, oni, njih kralji in knezi, njih duhovniki in proroki,
26Toy ny fangaihain'ny mpangalatra, raha azo, dia toy izany ny fangaihain'ny taranak'Isiraely, eny, izy sy ny mpanjakany sy ny lehibeny sy ny mpisorony ary ny mpaminaniny,
27ki pravijo lesu: Oče si moj, in kamenu: Ti si me rodil. Kajti obrnili so proti meni tilnik, ne pa obličja; ob času nesreče svoje pa govore: Vstani in reši nas!
27Dia izay manao amin'ny tapa-kazo hoe: Raiko ianao, ary amin'ny vato hoe: Hianao no niteraka ahy; Fa efa niamboho Ahy izy ka tsy nanatrika Ahy; Nefa amin'ny andro fahoriany kosa dia vao hanao hoe izy: Mitsangàna, ka vonjeo izahay.
28Kje neki so bogovi tvoji, ki si jih naredil sebi? Vstanejo naj, če te morejo rešiti ob času nesreče tvoje! Kajti kolikor mest, toliko bogov imaš, Juda.
28Fa aiza ireny andriamanitrao izay nataonao ho anao? Aoka hitsangana ireny, raha mahavonjy anao amin'ny andro fahorianao fa araka ny isan'ny tanànanao, ry Joda, no isan'ny andriamanitrao.
29Zakaj se prepirate z menoj? Saj ste se mi vsi izneverili, govori GOSPOD.
29Nahoana no mifandahatra amiko ianareo? Fa samy efa niodina tamiko ianareo rehetra, hoy Jehovah.
30Zastonj sem tepel sinove vaše, nauka niso sprejeli; vaš meč je pokončal proroke vaše kakor lev morilec.
30Foana ny namelezako ny zanakareo, fa tsy zaka nanarina izy; Ny sabatrareo nandringana ny mpaminaninareo, toy ny liona mamiravira.[Heb. nihinana]
31O rod, kakršen ste, pazite na besedo GOSPODOVO! ali sem bil puščava Izraelu, ali dežela črne teme? Zakaj govori ljudstvo moje: Gospodarji smo sami sebi, ne pridemo več k tebi!
31Ry taranaka, dinihonareo ny tenin'i Jehovah! Moa efa nanjary tany efitra ho an'ny Isiraely va Aho, na tany maizim-pito? Nahoana ny oloko no manao hoe: Afaka mikarenjy izahay ka tsy hankany aminao intsony?[Na: tany misy aizim-pito avy amin'i Jehovah]
32Ali pozabi devica lepotičje svoje in nevesta svoj pas? Ljudstvo moje pa je pozabilo mene dni brez števila.
32Hanadino ny firàvany va ny virijina, na hanadino ny fehin-kibony misy haingony va ny ampakarina? Nefa tsy hita isa ny andro nanadinoan'ny oloko Ahy.
33Kako lepo napravljaš pot svojo, da iščeš ljubezni! Zato si se tudi navadila hudobnosti na potih svojih.
33Kanto izany fandehanao hitady fitia izany, ka zarinao ho amin'ny ratsy ny dianao![Na: Ka na dia ny vehivavy ratsy fanahy aza dia ampianarinao ny fombanao]
34Celo na robu oblačil tvojih je kri duš nedolžnih ubožcev, ki jih nisi zalotila pri vlomu, ampak vsled vse tiste zlobe svoje si jih morila.
34Ary koa eo an-tsisin-dambanao no ahitana ny ran'ny olona malahelo izay tsy manan-tsiny, tsy tamin'ny tami-trano no nahazoanao azy, fa tamin'izany rehetra izany.
35Vendar praviš: Nedolžna sem; gotovo se je obrnila jeza njegova od mene. Glej, jaz pojdem v sodbo s teboj zato, ker praviš: Nisem grešila.
35Nefa hoy ianao: Tsy manan-tsiny aho, efa afaka amiko tokoa ny fahatezerany. Indro, hifandahatra aminao Aho noho ny anaovanao hoe: Tsy nanota aho.
36Kaj toliko tekaš, da premeniš pot svojo? Tudi zavoljo Egipta se ti bode sramovati, kakor si bila osramočena zavoljo Asirije;tudi od tega pojdeš, položivši roke na glavo svojo. Zakaj GOSPOD zameta nje, na katere se zanašaš, in ne pojde ti po sreči ž njimi.
36Nahoana ianao no maika hanova ny alehanao? Fa ho menatra noho ny amin'i Egypta koa ianao, toy ny nahamenaranao noho ny amin'i Asyria.Izany koa dia hialanao, ka hiloloha tanana ianao; Fa nolavin'i Jehovah ny tokinao, ka tsy hambinina amin'ireo ianao.
37tudi od tega pojdeš, položivši roke na glavo svojo. Zakaj GOSPOD zameta nje, na katere se zanašaš, in ne pojde ti po sreči ž njimi.
37Izany koa dia hialanao, ka hiloloha tanana ianao; Fa nolavin'i Jehovah ny tokinao, ka tsy hambinina amin'ireo ianao.