Slovenian

Malagasy

Jeremiah

38

1In slišal je Sefatija, sin Matanov, in Gedalija, sin Pashurjev, in Jukal, sin Selemijev, in Pashur, sin Malkijev, besede, ki jih je Jeremija govoril vsemu ljudstvu, rekoč:
1[Ny nitoeran'i Jeremia tao an-davaka sy ny fara fihaonany tamin'i Zedekia] Ary Safatia, zanak'i Matana, sy Gedalia, zanak'i Pasora, sy Jokala, zanak'i Semelia, ary Pasora, zanak'i Malkia, dia nandre ny teny izay efa nolazain'i Jeremia tamin'ny vahoaka rehetra nanao hoe:
2Tako pravi GOSPOD: Kdor ostane v tem mestu, umrje od meča, lakote ali kuge; kdor pa pojde ven h Kaldejcem, bo živel, in življenje mu bo namesto plena in se ohrani v življenju.
2Izao no lazain'i Jehovah: Izay mitoetra amin'ity tanàna ity dia ho fatin-tsabatra sy mosary ary areti-mandringana; fa izay mivoaka hanatona ny Kaldeana kosa no ho velona; fa ny ainy no ho babony, ka ho velona izy.
3Tako pravi GOSPOD: Vsekakor bo to mesto dano v pest vojski kralja babilonskega, in on ga vzame.
3Izao no lazain'i Jehovah: Ity tanàna ity dia hatolotra eo an-tànan'ny miaramilan'ny mpanjakan'i Babylona tokoa ka ho afany.
4In rekli so knezi kralju: Usmrti naj se vendar ta mož! ker on dela, da pešajo roke bojevalcem, ki so še ostali v tem mestu, in roke vsemu ljudstvu, ko jim govori take besede; zakaj ta mož nikakor ne išče blaginje temu ljudstvu, ampak le nesreče.
4Dia hoy ny mpanapaka tamin'ny mpanjaka: Trarantitra ianao, aoka hovonoina ity lehilahy ity; fa mampiraviravy tanana ny miaramila izay sisa amin'ity tanàna ity mbamin'ny olona rehetra izy noho ny nitenenany taminy araka izany teny izany; fa ity lehilahy ity tsy mba mitady izay hiadanan'ity firenena ity, fa izay hahatonga loza aminy kosa.
5Njim pa reče kralj Zedekija: Glejte, v vaši roki je; kajti nič ne more kralj zoper vas.
5Dia hoy Zedekia mpanjaka: Indro, eo an-tananareo izy; fa ny mpanjaka tsy mahefa na inona na inona hisakana anareo.
6Vzemo torej Jeremija in ga vržejo v jamo Malkija, sinu kraljevega, ki je bila ob veži straže, spustivši Jeremija doli po vrveh. V jami pa ni bilo nič vode, ampak blato, in Jeremija se je pogreznil v blato.
6Ary naka an'i Jeremia izy ka nandatsaka azy tao amin'ny lavaka famorian-dranon'i Malkia, zanak'andriana, izay tao amin'ny kianjan'ny trano fiambenana; ary nampidininy tamin'ny mahazaka Jeremia. Ary tsy nisy rano tao amin'ny lavaka, fa fotaka fotsiny ihany, ka dia nilentika tamin'ny fotaka Jeremia.
7In slišal je Ebedmelek, Etiopec, komornik, ki je bil v hiši kraljevi, da so vrgli Jeremija v tisto jamo; kralj pa je tedaj sedel v vratih Benjaminovih.
7Ary Ebeda-meleka Etiopiana, tandapa anankiray tao amin'ny tranon'ny mpanjaka, raha nandre ny nandatsahany an'i Jeremia tao amin'ny lavaka (nipetraka teo amin'ny vavahadin'ny Benjamina ny mpanjaka androtr'iny),
8In šel je Ebedmelek ven iz hiše kraljeve ter govoril kralju, rekoč:
8dia nivoaka avy tao an-tranon'ny mpanjaka izy ka nanao tamin'ny mpanjaka hoe:
9Gospod moj, kralj! hudobno so delali ti možje v vsem, kar so storili Jeremiju proroku, ki so ga vrgli v jamo; umrje skoraj tam, kjer je, od glada, ker ni več kruha v tem mestu.
9Ry tompokolahy mpanjaka, ratsy avokoa izay rehetra nataon'ity firenena ity tamin'i Jeremia mpaminany, fa nataony tao an-davaka izy ka ho faty mosary ao amin'izay itoerany, satria tsy misy mofo intsony ato an-tanàna.
10In kralj ukaže Ebedmeleku Etiopcu takole: Vzemi si s seboj odtod trideset mož in potegni Jeremija proroka iz jame, dokler še ne umrje.
10Ary ny mpanjaka nandidy an'i Ebeda-meleta Etiopiana hoe: Mitondrà telo-polo lahy hiaraka aminao hampakatra an'i Jeremia mpaminany hiala ao anaty lavaka, dieny tsy mbola maty izy.
11Tedaj vzame Ebedmelek s seboj tiste može ter stopi v hišo kraljevo, v kraj pod zakladnico, odkoder vzame stare cunje in strohnele krpe; te spusti doli k Jeremiju v jamo po vrveh.
11Ary Ebeda-meleka nitondra ny olona niaraka taminy, ka dia lasa nankany amin'ny tranon'ny mpanjaka eo ambanin'ny trano firaketana, ary naka lamba rovitra sy vorodamba tao izy, ka nampidininy tamin'ny mahazaka ho ao amin'ny lavaka izany ho ao amin'i Jeremia.
12In reče Ebedmelek Etiopec Jeremiju: Deni si te stare cunje in strohnele krpe pod pazduhe in na vrvi! In Jeremija stori tako.
12Dia hoy Ebeda-meleka Etiopiana tamin'i Jeremia: Ataovy eo ambanin'ny helikao ireto lamba rovitra sy vorodamba ireto ho efitry ny mahazaka, dia nataon'i Jeremia izany;
13In vlekli so Jeremija po vrveh in ga potegnili iz jame. Potem je ostal Jeremija v veži straže.
13ka dia nosintoniny tamin'ny mahazaka Jeremia ka nakariny avy tao anaty lavaka, ary dia nitoetra teo amin'ny kianjan'ny trano fiambenana izy.
14In pošlje kralj Zedekija in pokliče Jeremija proroka k sebi k tretjemu vhodu, ki je bil pri hiši GOSPODOVI. In kralj veli Jeremiju: Prosim te besede božje, nič mi ne prikrivaj!
14Ary Zedekia mpanjaka naniraka naka an'i Jeremia mpaminany hankao aminy tao amin'ny fidirana fahatelo, izay ao an-tranon'i Jehovah. Dia hoy ny mpanjaka tamin'i Jeremia: Hanontany zavatra kely aminao aho, ka aza anafenana.
15In reče Jeremija Zedekiju: Če ti jo naznanim, me li gotovo ne usmrtiš? In če ti svetujem, me ne boš poslušal.
15Ary hoy Jeremia tamin'i Zedekia: Raha ambarako anao, dia tsy hovonoinao tokoa va re aho? Fa na dia omeko saina aza ianao, dia tsy hihaino ahy tsinona.
16Tedaj priseže kralj Zedekija skrivaj Jeremiju, rekoč: Kakor res živi GOSPOD, ki nam je ustvaril to dušo, ne usmrtim te in te ne dam v roko tistih mož, ki ti strežejo po življenju.
16Ary Zedekia mpanjaka nianiana mangingina tamin'i Jeremia nanao hoe: Raha velona koa Jehovah, Izay nanao izao fanahintsika izao, dia tsy hamono anao tokoa aho, na hanolotra anao eo an-tànan'ireto olona mitady ny ainao ireto.
17Reče torej Jeremija Zedekiju: Tako pravi GOSPOD, Bog nad vojskami, Bog Izraelov: Če pojdeš in se vdaš knezom kralja babilonskega, ohraniš svoje življenje in to mesto ne bo sežgano z ognjem; in živel boš ti in hiša tvoja.
17Dia hoy Jeremia tamin'i Zedekia: Izao ary no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Raha mivoaka hanatona ny mpanapaky ny mpanjakan'i Babylona tokoa ianao, dia ho velona ny ainao, sady tsy hodorana amin'ny afo ity tanàna ity, fa ho velona ianao sy ny mpianakavinao;
18Če pa ne pojdeš h knezom kralja babilonskega, bo to mesto dano v roko Kaldejcem, ki ga požgo z ognjem; ti pa se ne otmeš iz njih rok.
18fa raha tsy mivoaka hanatona ny mpanapaky ny mpanjakan'i Babylona kosa ianao, dia hatolotra eo an-tànan'ny Kaldeana ity tanàna ity, sady hodorany amin'ny afo izy, ary tsy ho afa-mandositra ny tànany ianao.
19Ko je pa rekel kralj Zedekija Jeremiju: Hudo se bojim Judov, ki so uskočili h Kaldejcem, da bi me ne dali v njih roko in se ne norčevali z menoj,
19Ary hoy Zedekia mpanjaka tamin'i Jeremia: Matahotra ny Jiosy izay efa nanatona ny Kaldeana aho, fandrao hatolony eo an-tànany aho ka hataony fihomehezana.
20je dejal Jeremija: Ne bodo te dali. Poslušaj, prosim, glas GOSPODOV, ki ti ga jaz oznanjam, in bode ti dobro in živela bo duša tvoja.
20Fa hoy Jeremia: Tsy hanolotra anao izy tsy akory. Trarantitra ianao, ankatoavy ny tenin'i Jehovah, izay lazaiko aminao, mba hahita soa ianao, ka ho velona ny ainao.
21Če se pa braniš iti tja, je to beseda, katero mi je pokazal GOSPOD:
21Fa raha tsy mety mivoaka kosa ianao, dia izao no teny efa nasehon'i Jehovah ahy:
22Glej, vse žene, ki so ostale v hiši kralja Judovega, bodo odpeljane h knezom kralja babilonskega, in one bodo govorile: Premamili so te in premagali prijatelji tvoji; zdaj, ko so v blato pogreznjene noge tvoje, so se umeknili.
22Indreo, ny vehivavy rehetra izay sisa ao an-tranon'ny mpanjakan'ny Joda dia ho entina mivoaka ho any amin'ny mpanapaky ny mpanjakan'i Babylona, ary ireo vehivavy ireo dia hanao hoe: Ireo sakaizanao no nitaona anao sady naharesy anao; Ary latsaka tao amin'ny honahona ny tongotrao, dia nilaozany nihemotra ianao.
23In vse žene tvoje in sinove tvoje odpeljejo h Kaldejcem, in ne iztrgaš se njih roki tudi ti ne, ampak roka kralja babilonskega te zgrabi in boš kriv, da se to mesto požge z ognjem.
23Ny vadinao rehetra sy ny zanakao dia ho entina mivoaka ho any amin'ny Kaldeana; ary ianao tsy ho afa-mandositra ny tànany, fa ho azon'ny tanan'ny mpanjakan'i Babylona; ary noho ianao no handoroana ity tanàna ity amin'ny afo.
24Tedaj reče Zedekija Jeremiju: Nihče naj ne zve teh besed, da ne umrješ.
24Dia hoy Zedekia tamin'i Jeremia: Aoka tsy ho ren'olona ary izany teny izany, mba tsy ho faty ianao.
25Če pa slišijo knezi, da sem govoril s teboj, ter pridejo k tebi in ti reko: Povej nam brž, kaj si govoril kralju, nič nam ne prikrivaj, pa te ne usmrtimo; in kaj je kralj rekel tebi?
25Fa raha ren'ny mpanapaka fa niresaka taminao aho, ary tonga aminao izy ka manao aminao hoe: Ambarao aminay ankehitriny izay nolazainao tamin'ny mpanjaka, aza afenina anay, fa tsy hamono anao izahay; ary ambarao koa izay nolazain'ny mpanjaka taminao;
26tedaj jim porečeš: Padel sem pred kralja in ga prosil, naj mi ne pusti zopet iti v hišo Jonatanovo, da tam ne umrjem. –
26dia ataovy aminy hoe: Noborahina teo anatrehan'ny mpanjaka ny fifonako, mba tsy hamerenany ahy ho faty any amin'ny tranon'i Jonatana.
27Prišli so pa vsi knezi k Jeremiju ter ga vprašali; in jim je povedal po vseh tistih besedah, ki mu jih je zapovedal kralj. Tako so molčali in ga pustili, ker se ni razvedela ona beseda.In ostal je Jeremija v veži straže prav do dne, ko je bil vzet Jeruzalem.
27Ary nankany amin'i Jeremia ny mpanapaka rehetra ka nanontany azy; dia nolazainy taminy araka izay teny rehetra nandidian'ny mpanjaka azy. Ary tsy niresaka taminy intsony ireo, ka dia tsy re ny raharaha.Ary Jeremia nitoetra teo amin'ny kianjan'ny trano fiambenana mandra-pahatongan'ny andro nanafahana an'i Jerosalema.
28In ostal je Jeremija v veži straže prav do dne, ko je bil vzet Jeruzalem.
28Ary Jeremia nitoetra teo amin'ny kianjan'ny trano fiambenana mandra-pahatongan'ny andro nanafahana an'i Jerosalema.