Slovenian

Malagasy

Jeremiah

40

1Beseda, ki je prišla Jeremiju od GOSPODA, potem ko ga je izpustil Nebuzaradan, glavar telesne straže, iz Rame, ko ga je bil dobil zvezanega z verigami sredi vseh ujetnikov iz Jeruzalema in iz Judeje, ki so jih odpeljavali v Babilon.
1[Ny nanafahana an'i Jeremia, sy ny niverenan'ny olona maro hipetraka ao amin'ny tany hotapahin'i Gedalia, ary ny namonoana an'i Gedalia] Izao no teny tonga tamin'i Jeremia avy tamin'i Jehovah, taorian'ny nandefasan'i Nebozaradana, lehiben'ny mpiambina, azy niala tany Rama, tamin'ilay nampanalany azy fony izy mbola nigadra tao amin'ny babo rehetra avy tany Jerosalema sy Joda, izay nentina ho babo tany Babylona.
2Sprejme torej glavar telesne straže Jeremija ter mu reče: GOSPOD, Bog tvoj, je napovedal to nesrečo zoper ta kraj;
2An'ny lehiben'ny mpiambina dia naka an'i Jeremia ka nanao taminy hoe: Jehovah Andriamanitrao nanambara izao loza izao, izay nanjo ity tanàna ity.
3in GOSPOD jo je pripeljal in storil, kakor je bil govoril, ker ste grešili zoper GOSPODA in niste poslušali glasu njegovega; zato se vam je to zgodilo.
3Ary Jehovah nahatonga izany ka nanao araka izay nolazainy, noho ny nanotanareo tamin'i Jehovah sy ny tsy nihainoanareo ny feony, dia izany no nahatonga izao zavatra izao taminareo.
4A sedaj glej, danes te oproščam teh verig, ki so na tvojih rokah; če se ti dobro vidi priti z menoj v Babilon, pridi; pazil bom dobro nate. Če se ti pa slabo zdi iti z menoj v Babilon, ostani tu. Glej, vsa dežela ti je odprta: kamor se ti zdi dobro in prav iti, tja pojdi!
4Ary, indro, ankehitriny vahako izao ny gadra amin'ny tananao. Koa raha sitraky ny fonao kosa ny hiaraka amiko hankany Babylona, dia andeha, fa hotandremako tsara ianao; nefa raha tsy sitraky ny fonao ny hiaraka amiko ho any Babylona, dia mijanòna ihany; indro, ny tany rehetra dia eo anoloanao, koa izay tany tianao sy sitrakao no andehano.
5Toda ker se on še ne more odločiti, mu veli: Povrni se h Gedaliju, sinu Ahikama, sina Safanovega, ki ga je kralj babilonski postavil čez mesta Judova, in bivaj pri njem sredi ljudstva; ali kamorkoli se ti prav vidi iti, tja pojdi! In glavar telesne straže mu je dal brašna in darilo ter ga je odpustil.
5Ary raha tsy mbola nety nandeha izy, dia hoy Nebozaradana: Miverena indray any amin'i Gedalia, zanak'i Ahikama, zanak'i Safana, izay voatendrin'ny mpanjakan'i Babylona ho mpanapaka ny tanànan'ny Joda ka tomoera aminy ao amin'ny olona, na mandehana any amin'izay tianao haleha na aiza na aiza. Dia nomen'ny lehiben'ny mpiambina vatsy sy fanomezana izy ka nalefany handeha.
6In Jeremija je prišel h Gedaliju, sinu Ahikamovemu, v Micpo, in prebival je ž njim sredi ljudstva, ki je bilo ostalo v deželi.
6Ary Jeremia nankany amin'i Gedalia, zanak'i Ahikama, tany Mizpa ka niara-nonina taminy tao amin'ny vahoaka izay sisa velona tamin'ny tany.
7Ko so pa slišali vsi poveljniki vojske, ki so bili na polju, oni in njih moštvo, da je kralj babilonski postavil čez deželo Gedalija, sina Ahikamovega, in da mu je izročil može in žene in otroke in nekaj ubožnega ljudstva dežele izmed tistih, ki se niso odpeljali v Babilon,
7Ary raha ren'ny mpifehy ny miaramila rehetra izay tany an-tsaha sy ny olom-peheziny fa ny mpanjakan'i Babylona efa nanendry an'i Gedalia, zanak'i Ahikama, ho mpanapaka ny tany sy ho mpitandrina ny lehilahy mbamin'ny zaza amim-behivavy ary ny malahelo sasany teo amin'ny tany izay tsy mbola lasan-ko babo tany Babylona,
8pridejo v Micpo h Gedaliju: Izmael, sin Netanijev, in Johanan in Jonatan, sinova Kareahova, in Seraja, sin Tanhumetov, in sinovi Ofaja Netofatčana in Jezanija, sin Maakatovca, oni s svojimi možmi.
8dia tonga tany amin'i Gedalia tany Mizpa izy, dia Isimaela, zanak'i Netania, sy Johanana sy Jonatana, zanak'i Karea, sy Seraia, zanak'i Tanometa, sy ny zanak'i Efay Netofatita ary Jazania, zanak'ilay Makatita, dia izy ireny sy ny olom-peheziny avy.
9In Gedalija, sin Ahikama, sinú Safanovega, priseže njim in njih možem in reče: Ne bojte se služiti Kaldejcem; ostanite v deželi in služite kralju babilonskemu, in vam bode dobro.
9Ary Gedalia, zanak'i Ahikama, zanak'i Safana, dia nianiana taminy sy tamin'ny olona-peheziny nanao hoe: Aza matahotra hanompo ny Kaldeana; monena amin'ny tany, ka manompoa ny mpanjakan'i Babylona, dia hahita soa ianareo.
10Kar se pa mene tiče, glejte, ostanem v Micpi, da služim Kaldejcem, ki pridejo k vam. Vi pa berite vino in poletni sad in olje in shranjujte jih v posode svoje; in stanujte v mestih svojih, ki ste jih posedli.
10Ary ny amiko, dia, indro, honina any Mizpa aho hanompo ny Kaldeana izay ho avy etỳ amintsika; fa ianareo dia manangona divay sy voankazo masaka fahavaratra ary diloilo, ka ataovy ao amin'ny fitehirizanareo, dia monena amin'izay tanàna nidiranareo.
11In tudi vsi Judje, ki so bili v Moabu in med Amonci in med Edomci in v vseh tistih pokrajinah, ko so slišali, da je kralj babilonski ostavil ostanek na Judovem in da je čezenj postavil Gedalija, sina Ahikama, sinu Safanovega,
11Ary koa, ny Jiosy rehetra izay tany Moaba sy tany amin'ny taranak'i Amona sy tany Edoma ary izay tany amin'ny tany rehetra dia nahare fa ny mpanjakan i Babylona efa namela ny Joda hisy sisa sady efa nanendry an'i Gedalia, zanak'i Ahikama, zanak'i Safana, ho mpanapaka azy,
12so se vrnili vsi tisti Judje iz vseh krajev, kamor so bili odgnani, in prišli so v deželo Judovo h Gedaliju v Micpo. In nabrali so vina in poletnega sadu prav mnogo.
12dia niverina ny Jiosy rehetra avy tany amin'ny tany rehetra izay efa nandroahana azy ka tonga tany amin'ny tanin'ny Joda ho any amin'i Gedalia tao Mizpa, ka nanangona divay sy voankazo sesehena masaka fahavaratra izy.
13Johanan pa, sin Kareahov, in vsi vojaški poveljniki, ki so bili na polju, pridejo h Gedaliju v Micpo
13Ary Johanana, zanak'i Karea, sy ny mpifehy ny miaramila rehetra izay tany an-tsaha dia tonga tany amin'i Gedalia tany Mizpa
14in mu reko: Ali pač veš, da je Baalis, kralj Amoncev, poslal Izmaela, sina Netanijevega, da te pripravi ob življenje? Ali jim ni verjel Gedalija, sin Ahikamov.
14ka nanao taminy hoe: Moa fantatrao tokoa va fa Balisa, mpanjakan'ny taranak'i Amona, dia naniraka an'Isimaela, zanak'i Netania, hamono anao? Nefa tsy nino azy Gedalia, zanak i Ahikama.
15In Johanan, sin Kareahov, je govoril skrivaj v Micpi Gedaliju, rekoč: Naj grem vendar in ubijem Izmaela, sina Netanijevega, in nihče ne bo vedel. Čemu naj te pripravi ob življenje, da bi se razkropili vsi Judje, ki so se zbrali pri tebi, in bi poginil ostanek Judov?Ali Gedalija, sin Ahikamov, je rekel Johananu, sinu Kareahovemu: Ne stori tega, kajti lažnivo govoriš o Izmaelu.
15Ary Johanana, zanak'i Karea, nilaza mangingina tamin'i Gedalia tao Mizpa nanao hoe: masìna ianao, aoka aho handeha hamono an'Isimaela, zanak'i Netania, fa tsy hisy olona hahalala izany tsy akory; fa nahoana no havela hamono anao izy ka hampiely ny Jiosy rehetra izay tafangona eto aminao ary hahalany ringana ny sisa amin'ny Joda?Fa hoy Gedalia, zanak'i Ahikama, tamin'i Johanana, zanak'i Karea: Aza manao izany ianao, fa miampanga lainga foana an'Isimaela ianao.
16Ali Gedalija, sin Ahikamov, je rekel Johananu, sinu Kareahovemu: Ne stori tega, kajti lažnivo govoriš o Izmaelu.
16Fa hoy Gedalia, zanak'i Ahikama, tamin'i Johanana, zanak'i Karea: Aza manao izany ianao, fa miampanga lainga foana an'Isimaela ianao.