1Nato pristopijo vsi vojaški poveljniki in Johanan, sin Kareahov, in Jezanija, sin Hosajev, in vse ljudstvo od najmanjšega do največjega
1[Ny nangatahan'ny Jiosy an'i Jeremia haka hevitra amin'i Jehovah, ary ny anatra nataon'i Jeremia tamin'ny Jiosy kosa noho ny tsy nanekeny ny saina avy tamin'i Jehovah] Ary ny mpifehy ny miaramila rehetra sy Johanana, zanak'i Karea, sy Jazania, zanak'i Hosaia, mbamin'ny vahoaka rehetra, na kely na lehibe, dia nanatona
2in reko Jeremiju proroku: Sprejmi milo prošnjo našo in prosi za nas GOSPODA, svojega Boga, za ves ta ostanek; kajti ostalo nas je malo od mnogih, kakor nas vidiš;
2ka niteny tamin'i Jeremia mpaminany hoe: Masìna ianao, aoka hoborahina eto anatrehanao ny fifonanay, ary mba ivavaho amin'i Jehovah Andriamanitrao re izahay, dia ireto sisa rehetra ireto (fa vitsy izahay no sisa, na dia maro aza fahiny, dia araka izao hitan'ny masonao izao),
3da nam pokaži GOSPOD, tvoj Bog, pot, po katerem naj hodimo, in reč, katero naj storimo.
3mba hambaran'i Jehovah Andriamanitrao anay izay lalana mety halehanay sy izay zavatra tokony hataonay.
4In reče jim Jeremija prorok: Slišal sem vas; glejte, prosil bom GOSPODA, vašega Boga, po vaših besedah; in katerokoli besedo vam odgovori GOSPOD, vam jo naznanim, ne zadržim vam nobene besede.
4Dia hoy Jeremia mpaminany taminy: Efa reko izany; koa, indro, hivavaka amin'i Jehovah Andriamanitrareo ary aho araka ny teninareo; ary ny teny rehetra Izay havalin'i Jehovah anareo dia hambarako anareo, fa tsy hisy hafeniko.
5In Oni reko Jeremiju: GOSPOD bodi zoper nas priča resnična in zvesta, če ne bomo ravnali po vsaki besedi, s katero te pošlje k nam GOSPOD, tvoj Bog.
5Dia hoy izy tamin'i Jeremia: Jehovah no aoka ho vavolombelona marina sy mahatoky amintsika, raha tsy manao araka ny teny rehetra izay anirahan'i Jehovah Andriamanitrao anao aminay izahay.
6Bodisi dobro ali slabo, bomo poslušali glas GOSPODA, Boga svojega, ki te k njemu pošiljamo; da bi se nam dobro godilo, ko bomo poslušali glas GOSPODA, Boga svojega.
6Na ho soa, na ho ratsy, dia hohenoinay ny feon'i Jehovah Andriamanitray, izay nanirahanay anao, mba hahasoa anay, raha mihaino ny feon'i Jehovah Andriamanitray izahay.
7Ko pa je minilo deset dni, je prišla beseda GOSPODOVA Jeremiju.
7Ary nony afaka hafoloana, dia tonga tamin'i Jeremia ny tenin'i Jehovah.
8Tedaj pokliče Johanana, sina Kareahovega, in vse vojaške poveljnike, ki so bili ž njim, in vse ljudstvo od najmanjšega do največjega,
8Ary izy niantso an'i Johanana, zanak'i Karea, sy ny mpifehy ny miaramila rehetra izay teo aminy mbamin'ny olona rehetra, na kely na lehibe,
9in jim reče: Tako pravi GOSPOD, Bog Izraelov, ki ste me k njemu poslali, da padem predenj z vašo prošnjo:
9ka nanao taminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, Izay efa nanirahanareo ahy mba hoborahiko eo anatrehany ny fifonanareo:[Heb. hampiankohoka]
10Če hočete ostati v tej deželi, vas bom zidal in ne podiral ter vas sadil in ne roval, ker mi je žal hudega, katero sem vam storil.
10Raha mbola honina amin'ity tany ity ihany ianareo, dia haoriko ianareo, fa tsy horavako, ary hamboleko ianareo, fa tsy hongotako, fa manenina Aho ny amin'ny loza namelezako anareo.
11Ne bojte se kralja babilonskega, ki se ga bojite; ne bojte se ga, govori GOSPOD, ker jaz sem z vami, da vas ohranim in vas otmem iz roke njegove.
11Aza matahotra ny mpanjakan'i Babylona izay atahoranareo; eny, aza matahotra azy, hoy Jehovah, fa momba anareo Aho hamonjy sy hanafaka anareo amin'ny tànany.
12In izkažem vam usmiljenje, da se vas usmili in vam dovoli vrniti se na domača tla.
12Ary hataoko mahita famindram-po ianareo, dia hamindra fo aminareo izy ka hampody anareo ho any amin'ny taninareo.
13Ako pa porečete: Ne ostanemo v tej deželi, in ne boste poslušali glasu GOSPODA, Boga svojega,
13Fa raha hoy kosa ianareo: Tsy honina amin'ity tany ity izahay, ka tsy hihaino ny feon'i Jehovah Andriamanitrareo ianareo,
14pa boste govorili: Nikar, ampak v deželo Egiptovsko pojdemo, kjer ne bomo videli nobene vojske, ne slišali glasu trobente, ne stradali kruha, in tam bomo prebivali –
14fa manao hoe: Tsia; fa hankany amin'ny tany Egypta izahay, fa any no tsy hahitanay ady, na handrenesanay ny feon'ny anjomara na hahitanay mosary, ka dia any no honenanay,
15zdaj torej čujte besedo GOSPODOVO, ostanek Judov! Tako pravi GOSPOD nad vojskami, Bog Izraelov: Če res obrnete obličje svoje, da bi šli v Egipt, in če pojdete tja prebivat,
15dia mihainoa ny tenin'i Jehovah ankehitriny ianareo izay sisa amin'ny Joda: Izao no lazain'i Jehovah. Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Raha dia mikiry hankany Egypta ihany ianareo ka mandeha hivahiny any,
16zgodi se, da vas meč, ki se ga bojite, dojde tam v deželi Egiptovski; in lakota, katere vas je groza, vas bo preganjala tam v Egiptu, in tam umrjete.
16dia hahatratra anareo any amin'ny tany Egypta ny sabatra izay atahoranareo, ary ny mosary izay ahinareo no hanjohy anareo any amin'ny tany Egypta, ary any no hahafaty anareo.
17In zgodi se, da vsi možje, ki so obrnili obličje svoje, da bi šli v Egipt in tam prebivali, pomrjejo od meča, lakote in kuge, in nihče ne preostane, tudi ne ubeži tisti nesreči, ki jo jaz pošljem nadnje.
17Ary ny olona rehetra izay mikiry hankany Egypta hivahiny any dia ho fatin'ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana any; ary tsy hisy sisa ho afa-mandositra ny loza izay hataoko mihatra aminy.
18Kajti tako pravi GOSPOD nad vojskami, Bog Izraelov: Kakor se je izlila jeza in togota moja nad prebivalce jeruzalemske, tako se izlije togota moja nad vas, ko pridete v Egipt; in bodete v preklinjanje in strmenje in v kletev in sramoto, in ne boste več videli tega kraja.
18Fa izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Toy ny nanidinana ny fahatezerako sy ny fahavinirako tamin'ny mponina any Jerosalema, dia toy izany no hanidinana ny fahatezerako aminareo, raha mankany Egypta ianareo; ary ho fianianana sy ho figagana sy ho fanozonana ary ho fandatsa ianareo, sady tsy hahita ity tany ity intsony.
19Govoril vam je GOSPOD, o ostanek Judov: Ne hodite v Egipt! Dobro vedite, da sem vam to danes resno izpričal.
19Jehovah efa nilaza ny aminareo, ry sisa amin'ny Joda, hoe: Aza mankany Egypta ianareo; aoka ho fantatrareo tokoa fa efa nanariko androany ianareo.
20Varate se namreč duši svoji v škodo. Zakaj poslali ste me h GOSPODU, Bogu svojemu, rekoč: Prosi za nas GOSPODA, našega Boga; in vse, karkoli zapove GOSPOD, naš Bog, nam natanko naznani, in storili bomo.
20Kanjo efa nivily ianareo ka nahavoa ny ainareo tamin'ny nanirahanareo ahy ho amin'i Jehovah Andriamanitrareo hanao hoe: Mba ivavaho amin'i Jehovah Andriamanitsika re izahay, ary izay rehetra holazain'i Jehovah Andriamanitsika dia ambarao aminay, fa hataonay.
21In danes sem vam naznanil, a ne poslušate glasu GOSPODA, Boga svojega in vsega, za kar me pošilja k vam.Zdaj torej, vedite dobro, da umrjete od meča, lakote in kuge v kraju, kamor se vam hoče iti, da bi prebivali ondi.
21Ary efa nambarako taminareo androany; nefa tsy nihaino ny feon'i Jehovah Andriamanitrareo ianareo ny amin'izay zavatra nanirahany ahy ho aminareo.Koa aoka ho fantatrareo marimarina fa ho fatin-tsabatra sy mosary ary areti-mandringana ianareo any amin'ny tany izay tianareo hivahiniana.
22Zdaj torej, vedite dobro, da umrjete od meča, lakote in kuge v kraju, kamor se vam hoče iti, da bi prebivali ondi.
22Koa aoka ho fantatrareo marimarina fa ho fatin-tsabatra sy mosary ary areti-mandringana ianareo any amin'ny tany izay tianareo hivahiniana.