Slovenian

Malagasy

Jeremiah

5

1Obletite ulice jeruzalemske in poglejte ter izvedite in iščite po trgih njegovih, ali najdete moža, ali je kdo, ki dela pravico, ki išče zvestobe: in odpustim mestu.
1[Ny faharatsian'ny olona, izay nahatonga ny loza namely azy] Miveziveze eny an-dalamben'i Jerosalema ianareo, ka izahao sy fantaro ary tadiavo ao ankalalahana, fa raha mba misy olona hitanareo, izay manao ny marina sy mitady ny hitsiny, dia havelako ny helok'i Jerosalema.
2A čeprav pravijo: Kakor GOSPOD živi, vendar prisegajo po krivem. –
2Ary na dia misy aza manao hoe: Raha velona koa Jehovah, dia entiny mianian-tsy tò izany.
3O GOSPOD, ali se ne ozirajo oči tvoje v zvestobo? Tepel si jih, a ni jih bolelo, potrl si jih, a branili so se sprejeti nauk; obličje svoje so napravili trše od skale, nočejo se povrniti.
3Jehovah ô, tsy mijery ny toe-panahy mahatoky va ny masonao? Namely azy Hianao, nefa tsy nahatsiaro naharary izy; Nandany azy Hianao, nefa tsy nety nino anatra izy; Nohamafisiny mihoatra noho ny harambato ny tarehiny, tsy nety niverina izy.
4Tedaj sem rekel: Samo siromaki so taki; nespametno ravnajo, ker ne poznajo pota GOSPODOVEGA, ne pravice svojega Boga.
4Ka dia hoy izaho: Olona ambany ireto; Adala izy fa tsy mahalala ny lalan'i Jehovah, na ny fitsipik'Andriamaniny;
5Pojdem pa k prvakom in bom ž njimi govoril, zakaj oni poznajo pot GOSPODOV, pravico svojega Boga. Ali oni so vsi vkup zlomili jarem, raztrgali spone.
5Handeha ho any amin'ny lehibe aho lahy ka hiteny aminy, fa ireny dia mahalala ny lalan'i Jehovah sy ny fitsipik'Andriamaniny; Kanjo ireny koa aza dia samy efa nanapaka zioga sy nanito fatorana.
6Zato jih bo udaril lev iz gozda, večerni volk jih bo ugonobil, pard bo prežal po njih mestih: kdorkoli izmed njih pride na plano, ga raztrga zver; kajti premnogi so njih prestopki, mnogoštevilni njih odpadi. –
6Koa noho izany dia mamely azy ny liona avy any an'ala, ary mandringana azy ny amboadia avy any an-efitra, ny leoparda miandry hamely ny tanànany, ka izay rehetra mivoaka avy ao dia viraviraina; Fa efa maro ny fahadisoany, ary fatratra ny fiodinany.[lopa]
7Kako naj ti odpustim? Sinovi tvoji so me zapustili in prisegajo pri njih, ki niso bogovi. Kakor hitro sem jih nasitil, so prelomili zakon in v nečistničini hiši so se zbirali kupoma.
7Koa nahoana Aho no hamela ny helokao? Efa nahafoy Ahy ny zanakao ka efa nianiana tamin'izay tsy Andriamanitra; Efa nampianianiko izy, nefa nijangajanga ihany ka nirohitra niditra tao an-tranon'ny vehivavy janga.[Na: efa novokisako]
8Kakor napaseni konji so, ko vstanejo zjutraj; vsak rezgeta proti bližnjega svojega ženi.
8Tahaka ny soavaly tsara fahana izy ka nikarenjy tamin'izay tiany, samy naneno tamin'ny vadin'ny namany avy.
9Ali bi jih ne obiskal zavoljo tega? govori GOSPOD; in ali bi se nad takim narodom ne maščevala duša moja?
9Tsy hovaliako va izy amin'izany? hoy Jehovah; Ary tsy hialako fo va ny firenena toy izany?
10Splezajte na zidove njene in razgrajajte, a docela je ne pokončajte; potrebite odrastke njene, ker oni niso GOSPODOVI!
10Miakara eo amin'ny mandany ianareo, ka mameleza, nefa aza dia levonina avokoa izy; Esory ny sakeliny, satria tsy an'i Jehovah izy.
11Zakaj zelo nezvesto so ravnali proti meni, hiša Izraelova in hiša Judova, govori GOSPOD.
11Fa efa nivadika tamiko mihitsy ny taranak'Isiraely sy ny taranak'i Joda, hoy Jehovah.
12Zatajili so GOSPODA in govorili: „Njega ni; in ne zgodi se nam hudo in meča in gladu ne izkusimo;
12Nahafoy an'i Jehovah izy ka nanao hoe: Tsy Izy no izy; Tsy hisy loza hanjo antsika, ary tsy hahita sabatra na mosary isika;
13in tisti proroki preidejo kakor veter, in besede Božje ni v njih; njim samim se tako zgodi!“
13Ny mpaminany dia hanjary rivotra, ary tsy ao am-pony Ilay miteny; Eny, izany no hanjo azy.[Na: ny teny]
14Zatorej pravi tako Gospod, Bog nad vojskami: Zato ker govorite to besedo, glej, storim besede svoje v tvojih ustih v ogenj, to ljudstvo pa v les, in ogenj ga pokonča.
14Koa izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny maro. Noho ny nanaovanareo izany teny izany, indro, hataoko afo ny teniko izay eo am-bavanao, ary ity firenena ity ho kitay hazo ka holevoniny.
15Glej, jaz pripeljem zoper vas narod od daleč, o hiša Izraelova, govori GOSPOD: narod močan, narod starodaven, narod, čigar jezika ne poznaš, in ne razumeš, kaj govori.
15Indro, efa hitondra firenena avy lavitra Aho hamely anareo, ry taranak'Isiraely, hoy Jehovah, dia firenena mateza hery, Firenena hatry ny ela, Firenena izay tsy fantatrao ny fiteniny, ka tsy ho azonao izay lazainy.
16Njih tul je kakor grob odprt, vsi so junaki.
16Ny tranon-jana-tsipìkany dia tahaka ny fasana misokatra; Izy rehetra dia samy lehilahy mahery avokoa.
17In pojedó žetev tvojo in hrano tvojo, katero naj bi pojedli sinovi tvoji in hčere tvoje, pojedó črede tvoje in goveda tvoja, vinske trte in smokve tvoje, razdenejo z mečem trdna mesta tvoja, na katera se zanašaš.
17Ary hohaniny ny vokatrao sy ny haninao, hohaniny ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy, hohaniny ny ondry aman'osinao sy ny ombinao, hohaniny ny voalobokao sy ny aviavinao, sady horavany amin'ny sabatra ny tanàna mimanda izay itokianao.
18Toda tudi v tistih dnevih, govori GOSPOD, vas docela ne pokončam.
18Nefa na dia amin'izany andro izany aza, hoy Jehovah, tsy dia holevoniko avokoa ianareo.
19In zgodi se, ko porečete: Zakaj je nam storil GOSPOD, naš Bog, vse to? tedaj jim reci: Kakor ste me zapustili in ste služili tujim bogovom v svoji deželi, tako boste služili tujcem v deželi, ki ni vaša.
19Ary raha hoy izy: Nahoana Jehovah Andriamanitsika no dia nanao izany rehetra izany tamintsika? Dia hovalianao hoe: Toy ny nahafoizanareo Ahy sy ny nanompoanareo andriamani-kafa teo amin'ny taninareo no hanompoanareo ny firenen-kafa any amin'ny tany izay tsy anareo.[Heb. ianareo]
20Oznanjujte to v hiši Jakobovi in proglašajte v Judi, govoreč:
20Ambarao ao amin'ny taranak'i Jakoba, ary torio ao amin'ny Joda hoe:
21Poslušajte zdaj to, ljudstvo neumno in brez srca, ki imajo oči, in ne vidijo, ki imajo ušesa, in ne slišijo.
21Henoy izao, ry firenena adala sady tsy manan-tsaina, izay mana-maso, fa tsy mahita, ary manan-tsofina, fa tsy mandre:
22Mene li se ne bojite, govori GOSPOD, pred mojim li obličjem ne boste trepetali? ki sem naredil pesek morju v mejo, večno ograjo, ki je ne prestopi; čeprav se valovi zaletavajo, vendar ne premagajo, čeprav močno pljuskajo, vendar ne morejo preskočiti.
22Izaho va tsy atahoranareo? hoy Jehovah; Tsy mangovitra va ianareo eo anatrehako, izay nanao ny fasika ho fefin'ny ranomasina, dia fetra mandrakizay tsy azony hihoarana? Ka na dia mitopatopa aza ny onjany, dia tsy mahavaky azy, ary na dia mirohondrohona aza, dia tsy mahahoatra azy.
23Ali to ljudstvo ima srce trmasto in uporno; odstopili so in še dalje zahajajo.
23Fa ity firenena ity dia manana fo maditra sy miodina; Mihodina izy ka lasa,
24In ne govore v srcu svojem: Bojmo se zdaj GOSPODA, Boga svojega, ki daje dež zgodnji in pozni ob svojem času, nam hrani gotove tedne za žetev.
24Ary tsy manao anakampo akory hoe: Aoka isika hatahotra an'i Jehovah Andriamanitsika, izay mandatsaka ranonorana, dia ny loha-orana sy ny fara-orana amin'ny fotoany avy; Ary ireo herinandro voatendry ho amin'ny fararano dia tandremany ho antsika.
25Krivice vaše odvračajo to in grehi vaši odganjajo to dobro od vas.
25Ny helokareo no nampiala izany, ary ny fahotanareo no misakana ny soa tsy ho azonareo.
26Kajti med ljudstvom mojim so brezbožni; preže kakor ptičarji, stavijo pogubne zanke, lové ljudi.
26Fa misy hita fa ratsy fanahy ny oloko; Mamitsaka sy mijoko toy ny mpamandri-borona izy, mamela-pandrika izy, ka olona no azony.
27Kakor ptičev polna ptičnica, tako so njih hiše polne zvijače, zato so veliki in bogati.
27Toy ny tranom-borona feno vorona no mahafeno fitaka ny tranony; Ary noho izany dia tonga lehibe sy mpanankarena izy.
28Debeli, gladki so, da, stopajo predaleč v hudobnih dejanjih; ne potegujejo se za pravdo, pravdo sirotam, da bi jim šlo po sreči, in siromakom ne prisojajo pravice.
28Efa mihatavy izy ka mandimandina, dia mihoa-pampana amin'ny fanaovan-dratsy; Tsy mety mitsara ady mba hahazoan'ny kamboty ny rariny izy, ary ny adin'ny malahelo tsy mba tsarainy.
29Ali bi jih ne obiskal zavoljo tega? govori GOSPOD; ali bi se nad takim narodom ne maščevala duša moja?
29Tsy hovaliako amin'izany va izy? hoy Jehovah; Tsy hialako fo va ny firenena toy izany?
30Reč strahovita in grozna se godi v tej deželi:proroki prorokujejo lažnivo in duhovniki gospodujejo ž njih pomočjo, in ljudstvo moje vidi to rado. Kaj storite pa nazadnje?
30Zava-mahagaga sy mahatsiravina no atao eo amin'ny tany;Ny mpaminany maminany lainga, ny mpisorona : manapaka araka izay atoron'ireny, ary ny oloko mankasitraka izany; Koa hanao ahoana re ianareo any amparany?
31proroki prorokujejo lažnivo in duhovniki gospodujejo ž njih pomočjo, in ljudstvo moje vidi to rado. Kaj storite pa nazadnje?
31Ny mpaminany maminany lainga, ny mpisorona : manapaka araka izay atoron'ireny, ary ny oloko mankasitraka izany; Koa hanao ahoana re ianareo any amparany?