Slovenian

Malagasy

Jeremiah

50

1Beseda, ki jo je govoril GOSPOD zoper Babilon in zoper deželo Kaldejsko po Jeremiju proroku.
1[Faminaniana ny amin'i Babylona] Izao no teny nampilazain'i Jehovah an'i Jeremia mpaminany ny amin'i Babylona dia ny tanin'ny Kaldeana.
2Oznanjajte med narodi in poročajte! Dvignite prapor, razglasite, ne prikrivajte! Recite: Babilon je vzet, Bel osramočen, Merodak [Bel-Merodak je bil bog varuh v Babilonu.] potrt; v sramoti so njih podobe, potrti so njih grdi maliki.
2Ambaraonareo, eny, torio any amin'ny firenena, ary manangàna faneva, torio, fa aza afenina, ataovy hoe: Afaka Babylona! Mangaihay Bela, raiki-tahotra Merodaka! Eny, mangaihay ny sampiny, Raiki-tahotra ny sarin-javatra!
3Kajti zoper njega pride narod od severa: ta opustoši zemljo njegovo, da ne bode prebivalca v njej; zbeže, odidejo ljudje in živina.
3Fa misy firenena avy any avaratra miakatra hamely azy ka hahatonga ny taniny ho lao tsy hisy mponina intsony; Fa na ny olona na ny biby dia samy handositra ka ho lasa avokoa.
4V tistih dneh in v tistem času, govori GOSPOD, pridejo sinovi Izraelovi, oni s sinovi Judovimi vred; spotoma bodo venomer jokali in iskali GOSPODA, Boga svojega.
4Amin'izany andro izany sy amin'izany fotoana izany, hoy Jehovah, dia ho avy ny Zanak'Isirsely, dia izy mbamin'ny taranak'i Joda, eny, handeha izy sady hitomany eny am-pandehanana ka hitady an'i Jehovah Andriamaniny.
5Za Sion bodo povpraševali, tja gledajoč z obličjem in govoreč: Pridite in pridružite se GOSPODU z večno zavezo, ki se ne pozabi! –
5Hanontany ny lalana mankany Ziona izy sady hanatrika hankany ka hanao hoe: Avia, ka maneke ho an'i Jehovah amin'ny fanekena mandrakizay izay tsy hohadinoina.
6Čreda izgubljenih ovac je bilo ljudstva moje; njih pastirji so jih zavajali na gore, kjer se je gojila verolomnost: hodili so z gore na hrib, pozabili so počivališče svoje.
6Ondry very ny oloko, fa ny mpiandry azy nampirenireny azy, eny, nampirenireny azy teny an-tendrombohitra izy; Nirenireny teny an-tendrombohitra sy teny an-kavoana ireny. Ka hadinony ny tany fandriany.
7Katerikoli so jih zalotili, so jih žrli, in njih zatiralci so govorili: Ne bomo krivi, zato ker so grešili zoper GOSPODA, prebivališče pravičnosti, zoper GOSPODA, ki je bil upanje njih očetom.
7Izay rehetra nahita azy dia nandringana azy, ary ny fahavalony nanao hoe: Tsy manan-keloka izahay, satria izy efa nanota tamin'i Jehovah, fonenan'ny fahamarinana, dia Jedovah, fanantenan'ny razany.
8Bežite izsredi Babilona in odidite iz dežele Kaldejske in bodite kakor kozli pred čredo!
8Mandosira hila an'i Babylona, eny, mialà amin'ny tanin'ny Kaldeana, ary aoka ianareo ho tahaka ny anankiray izay tari-dalan'ny ondry aman'osy andiany.
9Zakaj, glej, jaz obudim in pripeljem zoper Babilon zbor velikih narodov iz severne dežele, in postavijo se v bojni red zoper njega; odtod bo vzet. Njih pšice bodo kakor izurjenega junaka, ki se ne vrne z boja prazen.
9Fa, indro, Izaho hamporisika sy hampiakatra firenena lehibe manao andiany avy any avaratra hamely an'i Babylona; Ary hilahatra hamely azy ireo, ka avy ao no hanafahany azy; Ny zana-tsipìkany ho tahaka ny lehilahy mahery sady mahay, izay tsy miverina foana.
10In Kaldejska bode v plen; vsi, ki jo plenijo, se nasitijo, govori GOSPOD.
10Ary Kaldea ho voababo; Izay rehetra mamabo azy dia ho afa-po, hoy Jehovah.
11Čeprav se veselite, čeprav se radujete, o plenilci posesti moje, čeprav poskakujete kakor junica, ki vrši žito, čeprav rezgetate kakor krepki konji:
11Satria, mifaly sy miravoravo ianareo, ry mpamabo ny lovako, eny, mifalihavanja toy ny ombivavy kely mively vary ianareo sady maneno toy ny soavaly matanjaka;[Na: ombivavy kely eny amin'ny ahitra]
12vendar se bo sramovala mati vaša silno, v sramoto pride porodnica vaša: glejte, zadnja bode med narodi, puščava, suha zemlja in samota.
12Dia ho menatra indrindra ny reninareo, hangaihay ilay niteraka anareo; Indro, ny faran'ny firenena, efitra sy tany karankaina ary tani-hay!
13Od srda GOSPODOVEGA se ne bo prebivalo v njej, ampak docela bo zapuščena. Kdorkoli pojde mimo Babilona, bo strmel in žvižgal zavoljo vseh kazni njegovih.
13Noho ny fahatezeran'i Jehovah dia tsy honenana Babylona. Fa ho tonga tany lao avokoa; Izay rehetra mandalo azy dia ho gaga ka hisitrisitra noho ny loza rehetra namelezana azy.
14Razpostavite se zoper Babilon kroginkrog vsi, ki napenjate lok! Prožite vanj strelice, ne hranite pšic! zakaj zoper GOSPODA je on grešil.
14Milahara manodidina hamely an'i Babylona, ianareo rehetra izay manenjana tsipìka; Asio izy, fa aza tsitsina ny zana-tsipìka, fa tamin'i Jehovah no nanotany.
15Ukajte zoper njega kroginkrog! Že podaja roko svojo: padle so utrdbe njegove, podrti so zidovi njegovi; ker to je maščevanje GOSPODOVO. Maščujte se nad njim, kakor je storil, mu storite!
15Akoray manodidina izy! Fa efa nikoy; Nirodana ny bateriny, rava ny mandany; Fa famalian'i Jehovah izany. Valio izy, eny, toy ny efa nataony no mba ataovinareo aminy kosa.
16Pokončajte sejalca iz Babilona in njega, ki suče srp ob žetvi! Od strahu pred zatirajočim mečem se povrnejo vsak k svojemu ljudstvu in zbeže vsak v svojo deželo.
16Aringano tsy ho any Babylona ny mpamafy sy izay mitana fijinjana amin'ny fararano; Fa noho ny sabatra mandoza dia samy hihodina ho any amin'ny fireneny avy izy, ary samy handositra ho any amin'ny taniny avy.
17Ovca razkropljena je Izrael, levi so jo pregnali. Prvi jo je žrl kralj asirski in sedaj, zadnjič, ta Nebukadnezar, kralj babilonski, ji je zdrobil kosti.
17Ondry iray voavily ny Isiraely, Liona no nanenjika azy; Voalohany dia ny mpanjakan'i Asyria no nandany azy. Ary farany dia ity Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, ity no nanapatapaka ny taolany.[Na: nikiky]
18Zatorej pravi tako GOSPOD nad vojskami, Bog Izraelov: Glej, jaz bom kaznoval kralja babilonskega in deželo njegovo, kakor sem kaznoval kralja asirskega.
18Koa izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Indro, hovaliko ny mpanjakan'i Babylona sy ny taniny toy ny efa namaliako ny mpanjakan'i Asyria.
19In storim, da se vrne Izrael na pašnik svoj in se bo pasel po Karmelu in Basanu, in duša njegova se bo sitila na gorovju Efraimskem in v Gileadu.
19Ary hampodiko ho any amin'ny saha fiandrasana azy indray ny Isiraely, ka hihinana ao Karmela sy Basana izy; Ary any an-tany havoan'i Daima sy Gileada no hahavoky azy.
20V tistih dneh in v tistem času, govori GOSPOD, se bo iskala krivica Izraelova, pa ne bode nobene, in grehi Judovi, a ne najde se jih nič, ker jim odpustim, katerim dam, da preostanejo.
20Amin'izany andro izany sy amin'izany fotoana izany, hoy Jehovah, dia hotadiavina izay heloky ny Isiraely, fa tsy hisy; Ary izay fahotan'ny Joda, fa tsy ho hita; Satria havelako ny helok'izay sisa narovako.
21Pojdi gori zoper deželo „Dvojni upor“, prav proti njej in zoper prebivalce v „Obiskovanju“! Pustoši in docela pokončuj zadaj za njimi, govori GOSPOD, in delaj prav po vsem, kar sem ti ukazal.
21Iakaro Ibefikomiana sy ny mponina ao Arapamaliana; Ravao sy aringano manarakaraka azy, hoy Jehovah, ary manaova araka izay rehetra nandidiako anao.[Anaran'i Babylona io][Heb. ataovy herema]
22Vojske hrup je v deželi in velik poboj!
22Misy tabataban'ady amin'ny tany sy fandringanana be.
23Kako je razsekano in zdrobljeno kladivo vse zemlje! Kako je Babilon v strmenje med narodi!
23Indrisy! tapaka sy torotoro ilay fampohazan'ny tany rehetra; Indrisy! Babylona efa tonga figagana any amin'ny firenena.
24Zanko sem ti nastavil, in ujel si se tudi, o Babilon, ne da bi bil zaznal; zalotili so te in zgrabili, ker si se vojskoval zoper GOSPODA.
24Nofandrihako ianao, ry Babylona, ka voa, nefa tsy fantatrao akory; Hita ka voasambotra koa ianao, Satria nila ady tamin'i Jehovah.
25Odprl je GOSPOD orožnico svojo in vzel je iz nje orožje nevolje svoje; zakaj Gospod, Jehova nad vojskami, ima delo pokončevalno v deželi Kaldejski.
25Novohan'i Jehovah ny firaketany. Ka navoakany ny fitaovan'ny fahatezerany; Fa misy hataon'i Jehovah, Tompon'ny maro, any amin'ny tanin'ny Kaldeana.
26Zberite se nadnjo od vseh strani, odprite žitnice njene; nakopičite je kakor kupe snopja in jo docela pokončajte; naj nima nobenega ostanka!
26Avia avokoa ianareo rehetra hamely azy; Vohay ny trano fitoeran-kanina, atobitobio toy ny antontan-bary, ka levony avokoa izay ao; Fa aza avela hisy sisa ho azy.[Heb. ataovy herema]
27Pomorite vse junce njene, naj gredo doli v klanje! Gorje jim! ker je prišel njih dan, čas njih obiskovanja!
27Vonoy ireo ombilahy rehetra, ary aoka hidina ho any amin'ny famonoana izy. Mahita loza izy, fa tonga ny androny, dia ny fotoana hamaliana azy.
28Čuj! glas bežečih in uhajajočih iz dežele Babilonske, da naznanijo na Sionu maščevanje GOSPODA, Boga našega, svetišča njegovega maščevanje.
28Injany! misy feon'izay mandositra sy izay afaka avy any amin'ny tany Babylona, hanambara ny famalian'i Jehovah Andriamanitsika ao Ziona, dia ny famaliana noho ny tempoliny.
29Skličite strelce proti Babilonu, vse, ki napenjajo lok! utaborite se ob njem kroginkrog, nihče naj ne ubeži! Povrnite mu po delu njegovem, prav kakor je storil, mu storite; zakaj zoper GOSPODA se je ponašal, zoper Svetega Izraelovega.
29Antsoy ny mpandefa zana-tsipìka hamely an'i Babylona. Dia ny mpanenjana tsipìka rehetra; Mitobia manodidina hamely azy; Aoka tsy hisy ho afaka izy; Valio araka ny asany izy, eny, araka ny asa rehetra nataony, no mba ataovy aminy kosa; Fa niavonavona tamin'i Jehovah izy, dia tamin'ny Iray Masin'ny Isiraely.[Na: ny mahery]
30Zatorej bodo popadali mladeniči njegovi po ulicah njegovih in vsi vojščaki njegovi poginejo tisti dan, govori GOSPOD.
30Koa hiampatrampatra eny ankalalahana ny zatovony, ary ho ringana ny miaramilany rehetra amin'izany andro izany, hoy Jehovah.
31Glej, jaz sem zoper tebe, o prevzetnež, govori Gospod, Jehova nad vojskami; zakaj tvoj dan je prišel, čas, ko te bom obiskoval.
31Indro, hiatrika aminao Aho, ry Ifiavonavonana, hoy Jehovah, Tompon'ny maro; Fa tonga ny andronao, dia ny fotoana hamaliako anao.
32Tedaj se spotakne prevzetnež in se zgrudi, da ga nihče ne zravna; in ogenj zažgem v mestih njegovih, ki pokonča vso okolico njegovo.
32Ho tafintohina Ifiavonavonana, dia ho lavo, ka tsy hisy hanarina azy; Ary handrehitra afo ao an-tanànany Aho, ka handevona ny manodidina azy rehetra izany.
33Tako pravi GOSPOD nad vojskami: Silo trpé sinovi Izraelovi in sinovi Judovi skupaj, in katerikoli so jih ujeli, jih trdo drže, branijo se jih izpustiti.
33Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Niara-nampahorina ny Zanak'Isiraely sy ny taranak'i Joda; Ary izay rehetra namabo azy dia mihazona azy mafy ka tsy mety mandefa azy.
34Njih odrešenik je močan, GOSPOD nad vojskami je ime njegovo: gotovo se potegne za njih pravdo, da upokoji deželo in vznemiri prebivalce v Babilonu.
34Mahery ny Mpanavotra azy, Jehovah, Tompon'ny maro, no anarany; Handahatra ny adiny tokoa Izy, mba hampiadana ny tany sy hampangovitra ny mponina any Babylona kosa.
35Meč nad Kaldejce, veli GOSPOD, in nad prebivalce v Babilonu in nad kneze njegove in modrijane njegove!
35Indro! hisy sabatra hamely ny Kaldeana mbamin'ny mponina any Babylona sy ny mpanapaka azy sy ny olon-kendriny, hoe Jehovah.
36meč nad blebetače njegove, da poneumijo, meč nad oblastnike njegove, da obupajo!
36Indro! hisy sabatra hamely ny mpibedibedy, ka ho very saina izy; Indro! hisy sabatra hamely ny lehilahy maheriny, ka hivadi-po izy.
37meč nad konje in vozove njegove in nad vse mešano ljudstvo, ki je sredi njega, da naj bodo kakor ženske! meč nad zaklade njegove, da se plenijo!
37Indro! hisy sabatra hamely ny soavaliny sy ny kalesiny mbamin'ny olona samy hafa firenena rehetra ao aminy, ka ho tonga toy ny vehivavy ireny! Indro! Hisy sabatra hamely ny firaketany, ka horobaina izany.
38suša nad vode njegove, da se posušé! ker to je dežela izrezanih podob in pri pošastnih malikih ravnajo brezumno.
38Ny fihantonan'ny andro no mahatankina ny ranony; Fa tany be sarin-javatra voasokitra izy, ary ny sampiny mahatahotra mahadala azy.
39Zato bodo tam prebivale zveri puščave z divjimi psi in noji bodo v njem gnezdili; in nikdar več se ne bo prebivalo v njem in naselitve ne bo v njem od roda do roda.
39Koa ny bibi-dia any an-efitra sy ny kary sy ny ostritsa no honina ao; Tsy honenana intsony mandrakizay izy ary tsy hitoerana hatramin'ny taranaka fara-mandimby.[Heb. jakala]
40Enako se podere, kakor je Bog podrl Sodomo in Gomoro in sosednja mesta njuna, govori GOSPOD: nihče ne bo ondi stanoval in bival ne bo v njem sin človekov.
40Toy ny nandravan'Andriamanitra an'i Sodoma sy Gomora mbamin'ny tanàna eny akaikiny, hoy Jehovah, no tsy hisian'olona honina any na zanak'olombelona hivahiny any.
41Glej, ljudstvo pride od severa in narod velik in mnogi kralji vstanejo od skrajnega konca zemlje.
41Indro, misy firenena avy any avaratra, dia firenena lehibe sy mpanjaka maro no mitsangana avy any amin'ny faran'ny tany.
42Lok in sulico bodo držali, krvoločni bodo in brez usmiljenja; njih glas bo bučal kakor morje in na konjih bodo jahali: vsak je oborožen zoper tebe, o hči babilonska, kakor mož na vojsko.
42Tsipika sy lefona no entiny; Lozabe sy tsy mamindra fo izy, ny feony dia mirohondrohona toy ny ranomasina, sady mitaingin-tsoavaly izy ary voaomana tahaka ny lehilahy ho amin'ny ady, hamely anao, ry Babylona zanakavavy.
43Slišal bo kralj babilonski glas o njih, in omahnejo mu roke; groza ga obide, bolečina kakor porodnico.
43Efa ren'ny mpanjakan'i Babylona ny lazany, ka miraviravy tànany izy; Fahoriana no mahazo azy, eny, fanaintainana tahaka ny vehivavy raha miteraka.
44Glej, kakor lev gre gori od veličja Jordanovega zoper trdno prebivališče; zdajci ga zapodim v beg od tod, in njega, ki je izvoljen, postavim nad to deželo. Kajti kdo je meni enak? in kdo bi me pozval na sodbo? in kdo je tisti pastir, ki bi mogel stati pred menoj?
44Indro, toy ny fiakatry ny liona avy ao amin'ny kirihitrala eny amoron'i Jordana no hiakarany ho any amin'ny misy ahitra mateza; Nefa hampandosiriko tampoka hiala ao aminy izy, ary izay olona anankiray voafidy no hotendreko hanapaka azy; Fa iza no tahaka Ahy, ary iza no hifandahatra amiko? Ary iza moa no mpiandry ondry mahajanona eo anatrehako?[Heb. ny reharehany][Na: fonenany mafy]
45Zatorej čujte GOSPODOV sklep, ki ga je sklenil zoper Babilon, in misli njegove zoper deželo Kaldejcev: Gotovo jih odvlečejo, najmanjše iz črede, gotovo se opustoši njih prebivališče ž njimi vred.Od glasu: Babilon je vzet! se potrese zemlja, in vpitje se bo čulo med narodi.
45Koa henoy ny saina avy amin'i Jehovah, izay nosaininy hamelezana an'i Babylona, sy ny heviny izay noheveriny hamelezana ny tanin'ny Kaldeana: Hoviraviraina tokoa ireny, dia ny kely indrindra amin'ny ondry; Ho gaga azy tokoa ny saha fiandrasana azy.Noho ny antsoantso hoe: "Efa afaka Babylona", dia mihorohoro ny tany, ary ny fitarainana dia re any amin'ny firenena.
46Od glasu: Babilon je vzet! se potrese zemlja, in vpitje se bo čulo med narodi.
46Noho ny antsoantso hoe: "Efa afaka Babylona", dia mihorohoro ny tany, ary ny fitarainana dia re any amin'ny firenena.