Slovenian

Malagasy

Jeremiah

52

1Zedekija je imel enoindvajset let, ko je zakraljeval, in kraljeval je enajst let v Jeruzalemu. Materi njegovi pa je bilo ime Hamutala, hči Jeremijeva iz Libne.
1[Tantaran'ny nahafahana an'i Jerosalema sy ny zavatra nanjo tamin'izany]Iraika amby roa-polo taona Zedekia, fony izy vao nanjaka, ary iraika ambin'ny folo taona no nanjakany tany Jerosalema; ary ny anaran-dreniny dia Hamotala, zanakavavin'i Jeremia avy any Libna.
2In delal je, kar je hudobno v očeh GOSPODOVIH, prav tako, kakor je bil delal Jojakim.
2Ary nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah izy, araka izay rehetra nataon'i Joiakima.
3Kajti vsled jeze GOSPODOVE se je tako godilo Jeruzalemu in Judi, dokler jih ni zavrgel izpred obličja svojega. In Zedekija se je uprl kralju babilonskemu.
3Fa ny fahatezeran'i Jehovah no nahatongavan'izany tamin'i Jerosalema sy ny Joda ambara-pandroakany azy tsy ho eo anatrehany. Ary Zedekia niodina tamin'ny mpanjakan'i Babylona.
4Zgodi se pa v devetem letu kraljevanja njegovega, deseti dan desetega meseca, da je prišel Nebukadnezar, kralj babilonski, on in vsa vojska njegova zoper Jeruzalem, in se utabore proti njemu. In naredili so obležne ogradbe okrog njega.
4Ary tamin'ny andro fahafolo tamin'ny volana fahafolo tamin'ny taona fahasivy nanjakan'i Zedekia, dia tonga Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, sy ny miaramilany rehetra, hamely an'i Jerosalema, ka nitoby tandrifiny sady nanao tilikambo manodidina azy izy.
5In mesto je bilo oblegano do enajstega leta kralja Zedekija.
5Ary ny tanàna dia nataony fahirano hatramin'ny fahiraika ambin'ny folo taona nanjakan'i Zedekia mpanjaka.
6Deveti dan četrtega meseca je nastala huda lakota v mestu, in ni bilo kruha za ljudstvo dežele.
6Ary tamin'ny andro fahasivy tamin'ny volana fahefatra dia mafy ny mosary tao an-tanàna, fa tsy nisy hanina ho an'ny olona tompon-tany.
7Tedaj je bilo mesto predrto, in vsi vojščaki so pobegnili in šli iz mesta po noči skozi vrata med dvojnim zidom, ki so bila poleg kraljevega vrta (Kaldejci pa so oblegali mesto kroginkrog), in šli so po poti proti nižini.
7Ary nisy voabanga ny tanàna, dia nandositra alina ny miaramila rehetra ka niala tao an-tanàna tamin'ny lalana mankamin'ny vavahady tanelanelan'ny manda roa, izay eo anilan'ny sahan'ny mpanjaka (fa ny Kaldeana nanodidina ny tanàna), ka nandeha tamin'ny lalana mankeny amin'ny tani-hay.[Heb. Arabà]
8Ali vojska Kaldejcev se je drevila za kraljem, in dohiteli so ga na planjavah ob Jerihu; vsa vojska njegova pa se je bila razkropila od njega.
8Ary ny miaramilan'ny Kaldeana nanenjika ny mpanjaka ka nahatratra an'i Zedekia teny amin'ny tani-hay any Jeriko; dia nipariaka nandao azy ny miaramilany rehetra.
9In ujeli so kralja in ga pripeljali gori h kralju babilonskemu, v Riblo v deželi Hamatski, in on je izrekel sodbo nad njim.
9Ary voasambotra ny mpanjaka ka nentiny niakatra ho any amin'ny mpanjakan'i Babylona tao Ribla any amin'ny tany Hamata, ka dia notsaraina tao izy.
10In kralj babilonski je poklal sinove Zedekijeve njemu pred očmi, poklal je tudi vse kneze Judove v Ribli.
10Ary ny mpanjakan'i Babylona namono ny zanakalahin'i Zedekia teo imason-drainy; ary ny mpanapaka ny Joda rehetra koa dia novonoiny tao Ribla.
11Nato mu je oslepil oči in ga zvezal z dvema bronastima verigama; in kralj babilonski ga je odpeljal na Babilonsko ter ga del v zapor do dne smrti njegove.
11Ary nopotsiriny ny mason'i Zedekia, dia nafatotry ny mpanjakan'i Babylona tamin'ny gadra varahina izy ka nentiny nankany Babylona ary nataony tao an-trano-maizina mandra-pahafatiny.
12Potem pride deseti dan petega meseca, ko je bilo devetnajsto leto kralja Nebukadnezarja, kralja babilonskega, Nebuzaradan, glavar telesne straže, ki je stal pred kraljem babilonskim, v Jeruzalem
12Ary tamin'ny andro fahafolo tamin'ny volana fahadimy tamin'ny taona fahasivy ambin'ny folo nanjakan'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, dia tonga tany Jerosalema Nebozaradana, lehiben'ny mpiambina, mpanompon'ny mpanjakan'i Babylona,[Heb. izay nitsangana teo anatrehan']
13in požge hišo GOSPODOVO in hišo kraljevo in vse hiše v Jeruzalemu, namreč vsako večjo hišo požge z ognjem.
13ka nandoro ny tranon'i Jehovah sy ny tranon'ny mpanjaka mbamin'ny trano rehetra tany Jerosalema: ny trano lehibe rehetra dia nodorany tamin'ny afo avokoa.
14In vsa vojska Kaldejcev, kar je je bilo pri glavarju straže, poruši vse zidove jeruzalemske okroginokrog.
14Ary ny manda rehetra manodidina an'i Jerosalema dia noravan'ny miaramilan'ny Kaldeana rehetra, izay nanaraka ny lehiben'ny mpiambina.
15In nekaj nizkih ljudi in ostanek ljudstva, kar ga je ostalo v mestu in uskoke, ki so odpadli h kralju babilonskemu, in ostanek množice odpelje ujete Nebuzaradan, glavar straže.
15Ary ny sasany tamin'ny olona malahelo mbamin'ny olona sisa tao an-tanàna sy izay efa nandositra nanatona ny mpanjakan'i Babylona mbamin'ny vahoaka maro be sisa dia nentin'i Nebozaradana, lehiben'ny mpiambina, ho babo avokoa.
16Samo iz najubožnejših ljudstva jih je pustil ondi Nebuzaradan, glavar telesne straže, da naj bodo vinogradniki in kmetovalci.
16Nefa ny olona malahelo dia namelan'i Nebozaradana, lehiben'ny mpiambina, ihany mba ho mpamboatra tanim-boaloboka sy ho mpiasa tany.
17In Kaldejci so razbili bronasta stebra, ki sta bila ob hiši GOSPODOVI, in stojala in bronasto morje, ki je bilo v hiši GOSPODOVI, ter odnesli ves njih bron v Babilon.
17Ary ireo andry varahina teo amin'ny tranon'i Jehovah sy ny fitoeran-tavin-drano sy ny tavin-drano varahina lehibe, izay teo amin'ny tranon'i Jehovah, dia novakivakin'ny Kaldeana, ka nentiny ho any Babylona ny varahina rehetra.[Heb. ranomasina]
18Odnesli so tudi lonce, lopate, utrinjače, čaše in torila in vse bronasto orodje, s katerim se je opravljala služba.
18Ary nentiny koa ny vilany fandraofan-davenona sy ny sotron'afo sy ny antsy sy ny lovia famafazana sy ny lovia kely mbamin'ny fanaka varahina rehetra izay nenti-nanao fanompoam-pivavahana.
19Tudi vrče in kadilnice in čaše, lonce, svečnike, torila in konvice, kar je bilo od zlata, v zlatu, kar od srebra, v srebru je vzel glavar telesne straže.
19Ary nentin'ny lehiben'ny mpiambina koa ny lovia sy ny fitoeran-davenon-jiro sy ny lovia famafazana sy ny fandraofan-davenona sy ny fanaovan-jiro sy ny lovia kely sy ny kapoaka na ny volamena na ny volafotsy dia samy nentin'ny lehiben'ny mpanapaka avokoa,
20Tista dva stebra, eno morje in dvanajst volov pod njim in stojala, ki jih je bil napravil Salomon za hišo GOSPODOVO; tehtati ni bilo mogoče brona od vseh teh priprav.
20ary ny andry roa sy ny tavin-drano lehibe iray atỳ ny omby varahina roa ambin'ny folo, Izay teo ambanin'ny fitoeran-tavin-drano, izay nataon'i Solomona mpanjaka ho an'ny tranon'i Jehovah; ny varahina tamin'izany fanaka rehetra izany dia tsy hita lanja.
21Višina enega stebra je bila osemnajst komolcev in vrvica, dvanajst komolcev dolga, ga je obdajala; debel pa je bil štiri prste, votel.
21Fa ny andry, dia valo ambin'ny folo hakiho no hahavony, ary roa ambin'ny folo hakiho ny manodidina azy; ary ny hateviny dia voantondro efatra, fa poakaty izy.
22In glavič na njem je bil iz brona, in višina glaviča je bila pet komolcev z mrežastim delom in granatnimi jabolki na glaviču kroginkrog, vse iz brona; in enak temu je bil drugi steber in na njem granatna jabolka.
22Ary nisy kapitaly varahina teo aminy; dimy hakiho no hahavon'ny kapitaly anankiray, ka nisy harato sy ampongabendanitra manodidina ny kapitaly, samy varahina avokoa izy. Ny andry faharoa koa sy ny ampongabendanitra dia mba tahaka izany ihany koa.
23In granatnih jabolk je bilo šestindevetdeset na vsako stran; vseh granatnih jabolk je bilo sto ob mrežastem delu kroginkrog.
23Ary nisy ampongabendanitra enina amby sivi-folo teo ivelany; ary ny ampongabendanitra rehetra manodidina ny harato dia zato.
24In glavar telesne straže je vzel Seraja, prvega duhovnika, in Zefanija, drugega duhovnika, in tri čuvaje pri vratih;
24Ary ny lehiben'ny mpiambina nisambotra an'i Seraia mpisoronabe sy Zefania mpisorona manarakaraka ary mpiandry varavarana telo lahy;
25iz mesta pa je vzel enega dvornika, ki je bil postavljen nad vojščaki, in sedem mož izmed tistih, ki so bili kralju najbližji in so se našli v mestu, in pisarja, vojnega poveljnika, ki je nabiral vojsko iz deželnega ljudstva, in šestdeset mož iz deželnega ljudstva, ki so se našli v mestu:
25ary tao an-tanàna no nisamborany ny tandapa anankiray, mpifehy ny miaramila, ary fito lahy tamin'izay mpitoetra eo anatrehan'ny mpanjaka, izay hita tao an-tanàna, ary ny mpanoratry ny komandin'ny miaramila, izay mpandamina ny ho miaramila, sy ny olona tompon-tany enim-polo lahy izay hita teo an-tanàna,
26te je vzel Nebuzaradan, glavar telesne straže, ter jih odpeljal h kralju babilonskemu v Riblo.
26dia nosamborin'i Nebozaradana, lehiben'ny mpiambina, ireo ka nentiny ho any amin'ny mpanjakan'i Babylona tao Ribla.
27In kralj babilonski jih je udaril in usmrtil v Ribli, v Hamatski deželi. Tako je bil Juda preseljen v ujetništvo iz dežele svoje.
27Dia novonoin'ny mpanjakan'i Babylona tao Ribla any amin'ny tany Hamata ireo. Toy izany no nitondrana ny Joda ho babo niala tamin'ny taniny.
28To je ljudstvo, katero je odpeljal Nebukadnezar: v sedmem letu tri tisoč triindvajset Judov.
28Izao no olona izay nentin'i Nebokadnezara ho babo tamin'ny taona fahafito, Jiosy telo amby roa-polo sy telo arivo;
29V osemnajstem letu Nebukadnezarja je odpeljal iz Jeruzalema duš osemsto trideset in dve.
29tamin'ny taona fahavalo ambin'ny folo nanjakan'i Nebokadnezara dia roa amby telo-polo amby valon-jato no olona nentiny ho babo avy tany Jerosalema;
30V letu dvajsetem in tretjem Nebukadnezarja je Nebuzaradan, glavar telesne straže, odpeljal iz Judov duš sedemsto štirideset in pet; vseh duš štiri tisoč šest sto.
30tamin'ny taona fahatelo amby roa-polo nanjakan'i Nebokadnezara dia Jiosy dimy amby efa-polo amby fiton-jato no nentin'i Nebozaradana, lehiben'ny mpiambina, ho babo. Ny tontalin'izy rehetra dia enin-jato amby efatra arivo.
31Zgodi se pa v tridesetem in sedmem letu ujetništva Jojahinovega, kralja Judovega, dvanajsti mesec, petindvajseti dan meseca, da je Evil Merodak, kralj babilonski, v letu, ko je začel kraljevati, povišal glavo Jojahina, kralja Judovega, izpeljavši ga iz ječe.
31Ary tamin'ny andro fahadimy amby roa-polo tamin'ny volana faharoa ambin'ny folo tamin'ny taona fahafito amby telo-polo taorian'ny namaboana an'i Joiakina, mpanjakan'ny Joda, tamin'ny taona vao nanjakan'i Evila-merodaka, mpanjakan'i Babylona, dia nasandrany hiala tao an-trano-maizina Joiakina, mpanjakan'ny Joda.[Heb. nasandrany ny lohany]
32In govoril je prijazno ž njim in prestol njegov je postavil nad prestol kraljev, ki so bili ž njim v Babilonu.
32Dia nitenenany soa izy, ka ny seza fiandrianany dia nataony ambony noho ny seza fiandrianan'ireo mpanjaka namany tao Babylona.
33In premenil mu je jetniško obleko; in je jedel kruh pred kraljem vedno, vse dni življenja svojega.Kajti živež njegov, stalen živež mu je dajal kralj babilonski, odmerjen za vsak dan do smrti, vse dni njegovega življenja.
33Ka dia novan'i Joiakina ny fitafiany fony izy mbola tao an-trano-maizina; ary nihinan-kanina teo anatrehany mandrakariva izy tamin'ny andro niainany rehetra.Ary ny hanina nohaniny dia hanina homena avy amin'ny mpanjakan'i Babylona, araka ny tokony ho anjarany isan'andro isan'andro tamin'ny andro rehetra niainany mandra-pahafatiny.[Na: ny sisim-bolombavany]
34Kajti živež njegov, stalen živež mu je dajal kralj babilonski, odmerjen za vsak dan do smrti, vse dni njegovega življenja.
34Ary ny hanina nohaniny dia hanina homena avy amin'ny mpanjakan'i Babylona, araka ny tokony ho anjarany isan'andro isan'andro tamin'ny andro rehetra niainany mandra-pahafatiny.[Na: ny sisim-bolombavany]