Slovenian

Malagasy

Jeremiah

8

1V tistem času, govori GOSPOD, bodo izgrebli kosti kraljev Judovih in kosti njegovih knezov in kosti duhovnikov in kosti prorokov ter kosti prebivajočih v Jeruzalemu iz njih grobov,
1Amin'izany andro izany, hoy Jehovah, dia hofongarina avy ao am-pasana ny taolan'ny mpanjakan'ny Joda sy ny taolan'ny lehibeny sy ny taolan'ny mpisorona sy ny taolan'ny mpaminany ary ny taolan'ny mponina any Jerosalema,
2in jih bodo razmetali pod solnce in mesec in pod vso vojsko nebeško, ki so jih ljubili in so jim služili in za katerimi so hodili in katere so iskali in se jim klanjali; ne bodo se zbirale in ne bodo se pokopavale, za gnoj bodo na licu zemlje.
2ka haeliny eo anatrehan'ny masoandro sy ny volana ary ny kintana rehetra eny amin'ny lanitra, izay efa tiany sy notompoiny sy efa narahiny sy efa notadiaviny ary efa niankohofany teo anatrehany: tsy hangonina na halevina intsony ireny, fa hatao zezika eny ambonin'ny tany.
3In smrt bo rajši volil nego življenje ves ostanek, tisti, ki bodo preostali iz te rodovine hudobne, preostali v vseh krajih, kamor jih zapodim, govori GOSPOD.
3Ary ny sisa rehetra amin'ity taranaka ratsy ity, izay mbola sisa any amin'ny tany rehetra nandroahako azy, dia haniry ny ho faty noho ny ho velona, hoy Jehovah, Tompon'ny maro.
4Še jim porečeš: Tako pravi GOSPOD: Ali kdo, kadar pade, rad ne vstane? ali kadar kdo zajde, ne mara se povrniti?
4[Ny nikirizan'ny olona tamin'ny fanaovan-dratsy, sy ny hamafin'ny loza hanjo azy] Ary koa, lazao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Ho lavo va ny olona ka tsy hiarina? Hihodina hivily va ny olona ka tsy hitodika hiverina?
5Zakaj se je torej odvrnilo to ljudstvo jeruzalemsko z neprenehljivim odpadanjem? Trdno se drže zvijače, nočejo se povrniti!
5Nahoana ity firenena eto Jerosalema ity no miodina amin'ny fiodinana tsy mety mitsahatra? Mikikitra mafy amin'ny fitaka izy ka tsy mety miverina.[Heb. ity firenena Jerosalema ity]
6Pazil sem in poslušal: govoré, kar ni prav; nihče se ne kesa hudobnosti svoje, da bi rekel: Kaj sem storil? Vsakdo izmed njih se je obrnil v teku svojem kakor konj, ki strmoglavo hiti v boj.
6Nihaino Aho, ka nandre, fa manao teny tsy marina izy: Ary tsy misy manenina ny amin'ny haratsiany hoe: Endrey izany nataoko izany! Izy rehetra dia samy mivily mankamin'ny alehany avy tahaka ny soavaly miriotra ho amin'ny ady.[Na: samy mivily eny am-pandehanany]
7Tudi čaplja pod nebom pozna svoje gotove čase, in grlica in žerjav in lastovka se drže časa svojega prihoda; ljudstvo moje pa ne pozna pravice GOSPODOVE.
7Na dia ny vano eny amin'ny lanitra aza dia mahalala ny fotoan'androny, ary ny domohina sy ny sidintsidina ary ny vanobe koa samy mitandrina ny fotoana fihaviany; Fa ny oloko kosa tsy mba mahalala ny fitsipik'i Jehovah.
8Kako govorite: Modri smo in postava GOSPODOVA je pri nas? Glejte, res je lažnivo pisalo pismoukov iz nje napravilo laž.
8Ahoana no anaovanareo hoe: Hendry izahay, ary ato aminay ny lalàn'i Jehovah? Nefa ny fanoratan-daingan'ny mpanoratra mahatonga azy ho lainga.
9Modri bodo osramočeni, oplašeni in ujeti; glej, besedo GOSPODOVO so zavrgli, in kakšna modrost bi bila v njih?
9Mahazo henatra ny hendry, raiki-tahotra sy voasambotra izy; Indro, ny tenin'i Jehovah dia nolaviny, ka inona intsony no fahendrena ananany?
10Zato izročim njih žene drugim, njih polja njim, ki jih bodo posedli. Kajti od najmanjšega do največjega so vsi vdani dobičku, od proroka do duhovnika, kolikor jih je, se pečajo s prevaro,
10Ary noho izany dia homeko ho an'ny sasany ny vadiny, ary ny sahany ho an'izay maka azy, satria izy rehetra, na ny kely na ny lehibe, dia samy fatra-pila harena, na mpaminany na mpisorona dia samy mamitaka avokoa.
11in hčeri ljudstva mojega zdravijo rano prav lahkomiselno, govoreč: Mir, mir! dasi ni miru.
11Fa nataotaony foana ny fanasitranany ny faharatran'ny oloko zanakavavy tamin'ny nanaovany hoe: Fiadanana, fiadanana; Kanjo tsy misy fiadanana tsinona!
12Ali jih je bilo sram, ko so delali gnusobo? Ne, sram jih ni nikakor in zardeti ne znajo. Zato padejo med padajočimi; tisti čas, ko jih obiščem, se zgrudijo, pravi GOSPOD.
12Nomenarina izy noho ny nanaovany fahavetavetana, nefa tsy mba menatra akory izy, ary tsy mba valahara; Koa ho lavo ao amin'izay lavo izy, amin'ny andro hamaliana azy dia ho tafintohina izy, ho Jehovah.
13Čisto jih iztrebim, govori GOSPOD; nobenega grozdja ne bo na trti in nobene smokve na smokvi in listje odpade, in karkoli sem jim dal, jim premine.
13Hakifako tokoa izy, hoy Jehovah; Tsy mamoa ny voaloboka, ary tsy misy voany ny aviavy, malazo ny raviny; Ary nanendry izay hanafika azy Aho.
14„Čemu posedamo? Zberimo se in idimo v trdna mesta, da poginemo tam! kajti GOSPOD, Bog naš, nas je določil v pogubo in nam dal piti sok trobelični, ker smo grešili zoper GOSPODA.
14Nahoana isika no mbola mipetra-poana? Mivoria ianareo, ka andeha isika hiditra any an-tanàna mimanda, ka dia ho faty ao; fa Jehovah Andriamanitra efa nanendry antsika ho faty ka nanome rano mangidy hosotrointsika Noho ny nanotantsika tamin'i Jehovah.
15Čakali smo miru, toda nič ni prišlo dobrega, časa ozdravljenja, a glej, le strah!“
15Nanantena fiadanana isika, kanjo tsy nahita soa; Ary andro fanasitranana, fa indro fampitahorana.[ Na: fahafinaretana]
16Od Dana sem se čuje prhanje konj njegovih; od glasu rezgetanja krepkih konj njegovih se trese vsa dežela; kajti gredo, da požro deželo in kar jo napolnjuje, mesto in nje, ki prebivajo v njem.
16Ny fiefonefon'ny soavaly dia re hatrany Dana: Mihorohoro ny tany rehetra noho ny fanenon'ny soavaly matanjaka; Fa avy izy ka mandany ny tany mbamin'ny izay rehetra ao aminy, dia ny tanàna sy izay monina ao.
17Kajti jaz, glejte, pošljem med vas kače, modrase, zoper katere ne pomaga nobeno rotenje, da vas zgrizejo, govori GOSPOD.
17Fa indro Aho handefa bibilava hamely anareo, dia menarana izay tsy azon'ody, ka hanaikitra anareo ireny, hoy Jehovah.
18O da bi se mogel poživiti v žalosti! V meni hira srce moje.
18Indrisy! enga anie ka hisy fahamiramiranana ho ahy eto amin'ny alaheloko, fa reraka ny foko ato anatiko.
19Glej, vpitje hčere ljudstva mojega se glasi močno iz daljne dežele: „Ali ni GOSPODA na Sionu? ni li Kralja njegovega v njem?“ Zakaj so me razdražili z rezanimi podobami svojimi, z ničemurnostmi inozemcev?
19Injany! misy feo fitarainan'ny oloko zanakavavy hatrany amin'ny tany lavitra hoe: Moa Jehovah tsy ao Ziona va? Ary tsy ao aminy va ny Mpanjakany? Nahoana no nahatezitra Ahy ireny tamin'ny sarin-javatra voasokitra ao aminy sy tamin'ny zava-poana avy amin'ny firenena hafa?
20„Minila je žetev, konec je poletju, in mi nismo rešeni!“
20Lasa ny fararano, tapitra ny taom-piotazana, nefa tsy voavonjy isika.
21Zavoljo pobitosti hčere ljudstva mojega sem pobit; črno hodim oblečen, groza me je objela.Ali ni nič balzama v Gileadu? ali ni nobenega zdravnika tam? Zakaj torej ni ozdravela hči ljudstva mojega?
21Torotoro aho noho ny fahatorotoroan'ny oloko zanakavavy; Misaona aho, ary horohoro no mahazo ahy.
22Ali ni nič balzama v Gileadu? ali ni nobenega zdravnika tam? Zakaj torej ni ozdravela hči ljudstva mojega?
22Moa tsy misy balsama va any Gileada? Moa tsy misy dokotera va any? Koa nahoana no tsy tanteraka ny fanasitranana ny oloko zanakavavy?Enga anie ka ho rano ny lohako, ary ho loharanon-dranomaso ny masoko, mba hitomaniako andro aman'alina noho ny voavono amin'ny oloko zanakavavy!
23Enga anie ka ho rano ny lohako, ary ho loharanon-dranomaso ny masoko, mba hitomaniako andro aman'alina noho ny voavono amin'ny oloko zanakavavy!