Slovenian

Malagasy

Job

1

1Živel je mož v deželi Uzovi, ime mu je bilo Job, in ta mož je bil popoln in pošten, ki se je bal Boga in se varoval hudega.
1[Ny amin'ny toetr'i Joba sy ny fizahan-toetra azy voalohany] Nisy lehilahy tany amin'ny tany Oza Joba no anarany; ary marina sy mahitsy izany lehilahy izany sady natahotra an'Andriamanitra ka nifady ny ratsy.
2In rodilo se mu je sedem sinov in troje hčer.
2Ary niteraka fito lahy sy vavy telo izy.
3In imel je živine sedem tisoč ovac, tri tisoč velblodov, petsto jarmov volov in petsto oslic in zelo veliko družino. In ta mož je bil imenitnejši od vseh, ki so bivali na Jutrovem.
3Ary ny fananany dia ondry aman'osy fito arivo sy rameva telo arivo sy omby arivo sy borikivavy diman-jato ary mpanompo maro be; ka dia nanan-karena be mihoatra noho ny zanaky ny atsinanana rehetra izany lehilahy izany.
4In sinovi njegovi so hodili in prirejali gostije, vsak v hiši svoji na svoj dan, in so poslali in povabili tri sestre svoje, da bi jedle in pile ž njimi.
4Ary fanaon'ny zananilahy ny nandeha sy nanao fanasana isaky ny an'androny avy isan-tranony; dia naniraka naka ny anabaviny telo mirahavavy izy hiara-mihinana sy misotro aminy.
5In bilo je, ko so minili zaporedoma dnevi njih gostovanja, da je Job poslal ponje in jih posvečeval: vstal je zgodaj zjutraj in daroval žgalne daritve po njih vseh številu; zakaj Job je rekal: Morebiti so se pregrešili sinovi moji in se odrekli [Ali: preklinjali.] Boga v srcu svojem. Tako je delal Job vsekdar.
5Ary isaky ny tapitra nitsingerina ireo andro fanasana ireo dia naniraka Joba ka nanamasina ireny ary nifoha maraina koa izy ka nanatitra fanatitra dorana araka ny isan'izy rehetra; fa hoy Joba: Fandrao efa nanota ny zanako ka nandà an'Andriamanitra tao am-pony. Izany no nataon'i Joba mandrakariva.
6In zgodi se nekega dne, da pridejo sinovi Božji postavit se pred GOSPODA, pa pride tudi satan [T. j. nasprotnik.] med njimi.
6Ary tamin'ny indray andro nony avy ireo zanak'Andriamanitra hiseho teo anatrehan'i Jehovah dia mba tonga teo koa Satana tafaharo taminy.
7GOSPOD pa reče satanu: Odkod si prišel? Satan odgovori GOSPODU in reče: Po zemlji sem letal semtertja in vseokrog jo obhajal.
7Dia hoy Jehovah tamin'i Satana: Avy taiza ianao? Dia namaly an'i Jehovah Satana ka nanao hoe: Avy nizahazaha teny amin'ny tany aho ka nivezivezy teny.
8In GOSPOD reče satanu: Si li opazoval hlapca mojega Joba? Kajti njemu ni na zemlji enakega, mož je popoln in pošten, ki se boji Boga in varuje hudega.
8Dia hoy Jehovah tamin'i Satana: Efa nandinika an'i Joba mpanompoko va ianao? Fa tsy misy tahaka azy eny ambonin'ny tany, fa olona marina sy mahitsy izy sady matahotra an'Andriamanitra ka mifady ny ratsy.
9Tedaj odgovori satan GOSPODU in reče: Mar je brez plačila, da se Job boji Boga?
9Ary Satana dia namaly an'i Jehovah ka nanao hoe: Moa tsy fanantenan-javatra va no atahoran'i Joba an'Andriamanitra?
10Nisi li kroginkrog varno ogradil njega in hiše njegove in karkoli ima? Delo njegovih rok si blagoslovil in imetje njegovo se je razraslo po deželi!
10Tsy Hianao va no nanao fefy manodidina azy sy manodidina ny tranony ary manodidina izay ananany rehetra? Notahinao ny asan'ny tànany ka manenika ny tany ny omby aman'ondriny.
11Pa le iztegni roko svojo in se dotakni vsega, kar ima, gotovo se ti v obraz tebe odreče!
11Fa ahinjiro ange ny tananao ka tendreo izay ananany rehetra raha tsy handà Anao eo imasonao aza izy e![Na: hahafoy Anao mihitsy]
12In GOSPOD veli satanu: Glej, vse, kar ima, v tvoji je roki, samo nanj ne sezi s svojo roko! In ven je šel satan izpred obličja GOSPODOVEGA.
12Dia hoy Jehovah tamin'i Satana: Indro eo an-tananao izay ananany rehetra; fa ny tenany ihany no aza aninjiranao ny tananao. Dia nivoaka Satana niala teo anatrehan'i Jehovah.
13In zgodi se nekega dne, ko so jedli in pili vino sinovi njegovi in hčere njegove v prvorojenega brata hiši,
13Ary tamin'ny indray andro dia nihinana sy nisotro divay teo an-tranon'ny zokiny lahimatoa ny zananilahy sy ny zananivavy;
14da pride sel k Jobu in mu reče: Voli so orali in oslice so se pasle poleg njih;
14ary nisy iraka tonga tany amin'i Joba ka nanao hoe: Ny omby niasa, ary ny borikivavy nandrasana teo anilany,
15v tem so pridrli Sabejci in jih odgnali, hlapce pa pobili z ostrino meča, in zbežal sem sam edini, da ti to sporočim.
15dia namely azy tampoka ny Sabeana ka namabo azy, ary ny ankizilahy dia nasiany tamin'ny lelan-tsabatra, ary izaho dia izaho irery ihany no afa-nandositra hilaza aminao.
16Ta je še govoril, ko pride drugi in reče: Ogenj Božji je šinil z neba in zapalil ovce in hlapce ter jih požgal, in zbežal sem sam edini, da ti sporočim.
16Raha mbola niteny izy, dia nisy anankiray koa tonga ka nanao hoe: Nisy afon'Andriamanitra latsaka avy tany an-danitra ary nandoro ny ondry aman'osy sy ny ankizilahy ka nandevona azy, ary izaho dia izaho irery ihany no afa-nandositra hilaza aminao.
17Ta je še govoril, ko pride drugi in reče: Kaldejci so naredili tri čete ter naskočili velblode in so jih vzeli ter pobili hlapce z ostrino meča, in zbežal sem sam edini, da ti sporočim.
17Raha mbola niteny izy, dia nisy anankiray koa tonga ka nanao hoe: Ny Kaldeana nanao telo toko, dia niroatany ny rameva ka nobaboiny, ary ny ankizilahy dia nasiany tamin'ny lelan-tsabatra, ary izaho dia izaho irery ihany no afa-nandositra hilaza aminao.
18Ta je še govoril, ko pride drugi ter reče: Sinovi tvoji in hčere tvoje so jedli in vino pili v prvorojenega brata svojega hiši,
18Raha mbola niteny izy, dia nisy anankiray koa tonga ka nanao hoe: Ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy dia nihinana sy nisotro divay tao an-tranon'ny zokiny lahimatoa;
19in glej, pritisne močan veter od puščave sem in butne ob štiri vogle hiše, da se je zrušila na mladino, in mrtvi so; in zbežal sem sam edini, da ti sporočim.
19ary, indro, nisy rivotra mahery avy tany an-efitra ka namely ny zoron-trano efatra, dia nianjera tamin'ny zatovo ny trano, ka maty izy rehetra, ary izaho dia izaho irery ihany no afa-nandositra hilaza aminao.
20Tedaj vstane Job in raztrga svoj plašč in si obrije glavo ter pade na zemljo in moli
20Dia nitsangana Joba ka nandriatra ny lambany, ary nanaratra ny lohany, dia niapoka tamin'ny tany ka niankohoka
21in reče: Gol sem prišel iz telesa matere svoje in gol se povrnem tja; GOSPOD je dal, GOSPOD je vzel, GOSPODOVO ime bodi hvaljeno!Pri vsem tem ni grešil Job in ni očital Bogu nič napačnega.
21sady nanao hoe: Nitanjaka no nivoahako avy tany an-kibon'ineny, ary mitanjaka no hiverenako any; Jehovah no nanome, ary Jehovah no nanaisotra; isaorana anie ny anaran'i JehovahTamin'izany rehetra izany dia tsy nanota Joba, na nanome tsiny an'Andriamanitra.
22Pri vsem tem ni grešil Job in ni očital Bogu nič napačnega.
22Tamin'izany rehetra izany dia tsy nanota Joba, na nanome tsiny an'Andriamanitra.