1Glejte, to vse je videlo moje oko, slišalo je moje uho in je razumelo.
1Indro, izany rehetra izany efa hitan'ny masoko, ary efa ren'ny sofiko ka fantany.
2Kolikor vi veste, vem tudi jaz, nisem nižji od vas.
2Izay fantatrareo dia mba fantatro koa; Tsy latsaka noho ianareo aho tsy akory.
3Toda jaz hočem govoriti k Vsegamogočnemu, želja mi je, predložiti pravdo svojo Bogu mogočnemu.
3Kanefa raha izaho, dia ny Tsitoha no tiako hitenenana, ary Andriamanitra no iriko handaharan-teny.
4Saj vi ste kovači laži, ničevi zdravniki vi vsi!
4Fa ianareo kosa dia mpamoron-dainga; Dokotera tsy mahomby ianareo rehetra,
5Da bi vendar docela molčali, ker štelo bi se vam v modrost!
5Enga anie ka hangina mihitsy ianareo, dia ho fahendrenareo izany!
6Čujte, prosim, pravičenje moje in poslušajte dokaze mojih ustnic!
6Masìna ianareo, henoy ny anatro, ary tandremo izay alahatry ny molotro.
7Boste li mogočnemu Bogu v prid govorili krivično, njemu na ljubav govorili prevaro?
7Hanao teny tsy marina ho enti-manamarina an'Andriamanitra va ianareo? Hiteny fitaka ho Azy va ianareo?
8Boste se li potegovali za Njegovo stran? ali pa hočete biti pravdniki Bogu mogočnemu?
8Hiangatra ho Azy va ianareo? Handaha-teny ho an'Andriamanitra va ianareo
9Dobro li bo, če vas preišče? ali pa ga morete prekaniti, kakor se človek prekani?
9Ho tsara aminareo va, raha mandinika anareo Izy? Na ho azonareo fitahina hoatra ny famitaka zanak'olombelona va Izy?
10Gotovo vas bo kaznoval, ako postopate pristransko na skrivnem!
10Hanameloka anareo mihitsy Izy, Raha miangatra mangingina ianareo.
11Ne spravi li vas njegova visokost v trepet in strah njegov ne prešine li vas?
11Tsy hampahatahotra anareo va ny fahalehibiazany? Ary tsy hitsatoka aminareo va ny fahatahorana avy aminy?
12Vaši modri izreki so prislovice iz pepela, vaši zagovori so okopi iz blata.
12Ireo teny tononinareo ireo dia ohabolana lavenona foana, ary manda fotaka ihany ny mandanareo.
13Molčíte, pustíte mi, da jaz govorim, pridi name karkoli!
13Mangina, ka mialà amiko ianareo, mba hitenenako; Fa aoka hanjo ahy ihany izay hanjo ahy.
14Čemu naj vzamem meso svoje med zobe in nevarnosti izpostavim življenje svoje?
14Nahoana no hitondra ny nofoko amin'ny nifiko aho? Tsia, fa manao ny aiko tsy ho zavatra aho.[Na: Ka manao ny aiko eo an-tanako]
15Glej, čeprav me usmrti, čakal Ga bom; samo poti svoje bom zagovarjal Njemu v obraz.
15Na dia hamono ahy aza Izy, mbola hanantena Azy ihany aho; Kanefa hanamarina ny lalako eo anatrehany aho.[Na: Indro, hamono ahy Izy, tsy manam-panantenana aho]
16Tudi to mi bo služilo v rešenje, da ne sme bogapozabnik stopiti pred Njega.
16Ary izao no ho famonjena ahy: Ny mpihatsaravelatsihy tsy sahy mankeo anatrehany.[Na: Ary ho famonjena ahy Izy, fa ny][Na: ratsy fanahy]
17Čujte, čujte govor moj, in moje izrecilo pridi v ušesa vaša!
17Mihainoa dia mihainoa ny teniko, ary aoka ho ren'ny sofinareo ny filazàko.
18Glejte vendar, pripravil sem pravdo svojo, vem, da se mi prizna pravičnost.
18Indro, fa efa voatoriko ny adiko; Fantatro fa hanan-drariny aho.[Na: voalamiko]
19Kdo je, ki se more z menoj prepirati? Kajti potem hočem molčati in preminiti.
19Iza no hahazo hifandahatra amiko? Fa raha izany, dia hangina aho ka hiala aina.
20Samo dvojega mi ne stóri, tedaj se ne bom skrival obličju Tvojemu.
20Izao zavatra roa loha izao ihany no aza mba atao amiko, dia tsy hiery Anao aho;
21Odtegni od mene roko svojo, in strah tvoj me ne plaši!
21Esory hanalavitra ahy ny tananao, ary aoka tsy hampahatsiravina ahy fampitahoranao.
22Potem kliči, in odgovorim, ali jaz bom govoril, in ti mi odgovarjaj!
22Dia miantsoa, fa izaho hamaly; Na aoka hiteny aho, ka valio aho.
23Koliko je mojih krivic in grehov? pokaži mi prestopek moj in greh moj!
23Firy ary ny heloko sy ny fahotako? Mba ampahalalao izay fiodinako sy fahotako aho.
24Zakaj skrivaš obličje svoje in me šteješ za sovražnika sebi?
24Nahoana no manafina ny tavanao Hianao, ka manao ahy ho fahavalonao?
25Hočeš li plašiti list, ki ga že veter odnaša, in preganjati suho strn?
25Moa izay ravin-kazo indaosin'ny rivotra avy va no ampitahorinao? Ary izay vodivary maina avy va no enjehinao?
26Kajti prisojaš mi mnoge bridkosti in v dedino mi daješ grehe moje mladosti.
26Fa zava-mangidy no tendrenao hamely ahy, ka ampanodiavinao ahy, ny heloky ny fahatanorako;
27Noge mi devaš v klado in paziš na vse steze moje, zaznamljaš mojih nog stopinje,dasi razpadam kakor črvojedina, kakor obleka, ki jo je razjedel molj.
27Dia mampiditra ny tongotro eo amin'ny boloky hazo Hianao ary mitsikilo ny diako rehetra; Ny hodiavin'ny tongotro dia feranao.Dia izaho ity izay mihalevona tahaka ny zavatra hanin'ny fositra, eny, tahaka ny fitafiana lanin'ny kalalao.
28dasi razpadam kakor črvojedina, kakor obleka, ki jo je razjedel molj.
28Dia izaho ity izay mihalevona tahaka ny zavatra hanin'ny fositra, eny, tahaka ny fitafiana lanin'ny kalalao.