Slovenian

Malagasy

Job

4

1In odgovori Elifaz Temančan in reče:
1[Ny teny voalohany nataon'i Elifaza] Dia namaly Elifaza Temanita ka nanao hoe:
2Če poskusimo govoriti s teboj, morda ti bo nadležno? Ali kdo se more zdržati govora?
2Raha misy sahy miteny aminao, dia ho sosotra va ianao? Fa raha ny mamehy vava kosa, iza moa no mahazaka izany?
3Glej, mnoge si učil in trudne roke si krepčal.
3Indro, efa nananatra ny maro ianao. Ary ny tanana miraviravy efa nampaherezinao;
4Besede tvoje so bodrile omahujoče, in šibeča se kolena si utrjeval.
4Ny teninao efa nanohana izay efa saiky lavo, ary ny lohalika malemy efa nampahatanjahinao
5A ker je sedaj nad tebe prišlo, ti je bridko, in ker je tebe zadelo, si se prestrašil.
5Nefa ankehitriny mba manjo anao kosa izany, ka dia kivy ianao, Mihatra aminao izany, ka raiki-tahotra ianao
6Ni li tvoja bogaboječnost upanje tvoje in popolnost potov tvojih nada tvoja?
6Tsy ny fivavahanao va no tokinao? Ary tsy fanantenanao va ny fahitsian'ny lalanao? [Heb. fahatahoranao]
7Spomni se, prosim te, kdo je kdaj poginil nedolžen, kje so zatrli poštenjake?
7Masìna ianao, tsarovy fa iza moa no very tsy nanan-tsiny? Ary taiza no nisy olo-mahitsy naringana?
8Kolikor sem videl jaz: tisti, ki orjejo krivico in sejejo nesrečo, jo tudi žanjejo.
8Araka izay efa hitako, dia izay miasa heloka sy mamafy fahoriana no mijinja izany.
9Od diha Božjega ginejo, in sapa jeze njegove jih pokončava.
9Ny fofonain'Andriamanitra no andringanana azy. Eny, ny fofonain'ny fahatezerany no mahalevona azy.
10Rjovenje leva, glas ljutega leva utihne, in zobje levičevi bodo strti;
10Ny feon'ny olona, eny, ny feon'ny liona masiaka, ary ny nifin'ny liona tanora dia ombotana;
11krepek lev pogine, ker nima plena, in levinjina mladina se mora razkropiti.
11Mirenireny ny lion-dahy noho ny tsi-fahitany remby, ary miely ny zanaky ny liom-bavy.
12In mene je skrivoma došla beseda, uho moje je ujelo njeno šepetanje;
12Nisy teny tonga tamiko mangingina, ary ny sofiko nahare siosio avy taminy,
13v premišljevanju, ki ga sprožijo nočne prikazni, ko trdno spanje objema ljudi:
13Tamin'ny eritreritra avy amin'ny tsindrimandry alina, raha sondrian-tory ny olona,
14strah me je obšel in trepet, in vse kosti moje so se pretresle;
14Dia azon-tahotra sy hovotra aho, ka nampihorohoro ny taolako rehetra izany.
15kajti duh je šel mimo mene – vstali so pokoncu lasje telesa mojega.
15Ary nisy fanahy nandalo teo anatrehako ka nampitsangam-bolo ny tenako.
16Ustopil se je, a nisem mu spoznal obraza, podoba mi je bila pred očmi, šepet in glas sem začul:
16Nijanona izy, nefa tsy nahafantatra ny tarehiny aho; Nisy endri-javatra teo anoloan'ny masoko; Nisy fanginana, dia nandre feo aho nanao hoe:
17„Je li smrtnik pravičen pred Bogom ali mož čist pred Stvarnikom svojim?
17Ho marina noho Andriamanitra va ny zanak'olombelona? Ho madio noho ny Mpanao azy va ny olona?[Na: eo anatrehan']
18Glej, hlapcem svojim ne upa in angele svoje lahko okrivi zmote:
18Indro, tsy matoky ireo mpanompony aza Izy, eny, ny anjeliny aza ataony ho tsy tonga ohatra.
19koliko bolj one, ki prebivajo v ilovih hišah, ki jim je podlaga v prahu, ki jih je lahko zatreti kakor molje!
19Koa mainka izay mitoetra ao an-trano tany, sady avy tamin'ny vovoka no nihaviany, ary mora poritra noho ny kalalao izy;[Heb. ao amin'ny vovoka fiorenany]
20Od jutra do večera se stro, in preden kdo opazi, izginejo za vekomaj.Ni li tako? Ko se jim izdere vrv, ki veže njih šator telesni, umirajo, in to brez modrosti.“
20Indray andro monja dia montsana izy; Tsy misy misaina azy, na dia levona mandrakizay aza izy.Tsy voaongotra va ny kofehin-dainy ao aminy? Maty izy, nefa tsy mbola nanam-pahendrena.
21Ni li tako? Ko se jim izdere vrv, ki veže njih šator telesni, umirajo, in to brez modrosti.“
21Tsy voaongotra va ny kofehin-dainy ao aminy? Maty izy, nefa tsy mbola nanam-pahendrena.