1In Job odgovori in reče:
1[Ny teny navalin'i Joba] Dia namaly Joba ka nanao hoe:
2O da bi se stehtala nevolja moja in da bi na tehtnico položili nesrečo mojo vso!
2Enga anie ka holanjaina tokoa ny fahasosorako, ka hampifandaniaina amin'ny mizana izy sy ny fahoriako!
3Kajti sedaj je težja nego morski pesek. Zato so bile nepremišljene besede moje.
3Fa ankehitriny mavesatra noho ny fasika any an-dranomasina ny fahoriako, koa dia nirediredy aho.
4Zakaj pšice Vsemogočnega tiče v meni, katerih strup mora piti duh moj, Božje strahote so postavljene v boj zoper mene.
4Fa ny zana-tsipiky ny Tsitoha mitsatoka amiko, ka mifoka ny poizina avy aminy ny fanahiko; Ary ny fampitahorana Andriamanitra milahatra hamely ahy.
5Ali divji osel riga, kadar ima dosti trave, ali muka vol pri svoji krmi?
5Maneno va ny boriki-dia, raha eo amin'ny vilona? Na mimàmà va ny omby, raha eo amin'ny fihinany?
6Ali se more jesti neslastno in neslano? ali je okus v jajčjem beljaku?
6Azo hanina va ny matsatso, raha tsy asian-tsira? Na mba misy tsirony va ny tafotsin'atody? [Na: ranon-tsikobonkobon-danitra]
7Česar se ni hotelo moji duši dotekniti, to mi je kakor gnusna jed sedaj.
7Ny zavatra izay nolaviko tsy hotendrena, dia ireny no tsy maintsy haniko, na dia maharikoriko ahy aza.
8O da bi se zgodila prošnja moja, in da bi mi dal Bog, česar želim:
8Enga anie ka ho azoko izay angatahiko, ary homen'Andriamanitra ahy anie izay iriko!
9da me Bog izvoli streti, da oprosti roko svojo in me odreže!
9Ka ho sitrak'Andriamanitra anie ny hanorotoro ahy! Eny, halefany anie ny tànany ka hahamaito ny aiko,
10Tako bi mi še ostala tolažba, in radoval bi se v bolečini, ki mi ne prizanaša, da nisem zatajil besede Svetega.
10Dia hahita fiononana amin'izany aho ka hiravoravo na dia amin'ny fangirifiriana tsy mifaditrovana aza, satria tsy nandà ny tenin'ny Iray Masina aho.
11Kaj je moja moč, da naj stanovitno čakam, in kaj konec moj, da naj ostanem potrpežljiv?
11Inona moa ny heriko, no hanantena aho? Ary hanao ahoana moa ny farako, no hanindry fo aho? [Na: hanalava ny androko]
12Trdna li kot kamen je moja moč in meso moje je li iz brona?
12Herim-bato va ny heriko? Na varahina va ny nofoko?
13Ni li pač tako, da nimam pomoči v sebi nobene, in vsaka pospešitev rešenja je daleč od mene?
13Tsy efa foana va ny hery ho entiko mamonjy tena, ary tsy efa nakifika hiala amiko va ny faharetana?
14Prijatelj mora kazati usmiljenje obupujočemu, sicer se odreče strahu Vsegamogočnega.
14Izay efa mivarahontsana dia tokony hiantran'ny sakaizany. Fandrao mahafoy ny fahatahorana ny Tsitoha izy.
15Bratje moji so varali kakor hudournik, kakor struga hudournikov, ki se gubé,
15Ny rahalahiko mampihambo manana ahy tahaka ny ranotrambo, dia tahaka ny mason-drano any an-dohasahan-driaka, izay malaky ritra,
16ki se kalé od ledu, v katere se zateka sneg.
16Izay mainty azon'ny ranomandry Sady iafenan'ny oram-panala;
17Ob času, ko solnce vanje pripeka, presihajo, in ko je vroče, izginejo s svojega kraja.
17Fa raha taninin'ny hainandro izy, dia levona; raha maina ny andro, dia ritra eo amin'ny fitoerany izy;
18Vijejo se semtertja poti njih toka, gredo v puščavo in se razgube.
18Mivilivily no fandehany tankina izy ka levona.
19Gledale so tja karavane iz Teme, potne družbe iz Sabe so upale vanje:
19Ny antokon'i Tema mitazana, ny andian'i Sheba manantena azy;
20osramočene so bile, ker so se zanašale nanje, prišle so do tja, in rdečica jih je oblila.
20Very hevitra ireo, satria samy nanampo; tonga teo izy, kanjo nangaihay.
21Res, tako ste mi postali v nič; strahoto ste zazrli in se preplašili.
21Fa ankehitriny efa tsinontsinona ianareo; Nahita ny fahoriana ianareo ka raiki-tahotra.
22Ali sem morda rekel: Dajte mi, ali: Žrtvujte zame darilo od svojega blaga,
22Moa aho va efa nanao hoe: Omeo aho, ka mahafoiza zavatra ho ahy amin'ny fanananareo,
23ali: Oprostite me iz pesti zatiralčeve, ali: Odkupite me iz roke silovitnikove?
23Ary vonjeo amin'ny tanan'ny fahavalo aho, ka afaho amin'ny tanan'ny mpitohatoha?
24Poučite me, in molčal bom, in v čem sem se motil, razodenite mi!
24Mampianara ahy, dia hangina aho; Ary ampahafantaro izay nahadisoako aho.
25Kako krepke so poštene besede! A kaj dokazuje karanje vaše?
25Endrey ny herin'ny teny marina! Fa mba mahavoa inona kosa moa ny anatra ataonareo?
26Mislite li grajati besede moje? Saj v veter gredo govori obupujočega!
26Ny amin'ny teniko ihany va no ananaranareo ahy? Fa ho amin'ny rivotra ny tenin'ny olona mamoy fo.
27Še za siroto bi vi vrgli kocko in prodali prijatelja svojega!
27Eny, fa na dia ny kamboty aza dia ataonareo loka, ary ny sakaizanareo dia ataonareo varotra.
28In sedaj se blagovolite ozreti vmé, kajti v lice vam vendar ne bom lagal.
28Fa ankehitriny, masìna ianareo, mba atreho kely aho, dia ho hitanareo fa tsy handainga tsy akory aho.
29Povrnite se, ne zgodi naj se krivica, da, povrnite se, pravda moja je pravična!Je li nepravičnost na jeziku mojem? ali ne more okus moj razpoznati, kaj je pogubljivo?
29Masìna ianareo, diniho indray aho, ary aoka tsy hisy fitsarana tsy marina; eny, diniho indray aho, fa mbola ao ihany ny fahamarinako.Moa misy heloka va eo amin'ny lelako?
30Je li nepravičnost na jeziku mojem? ali ne more okus moj razpoznati, kaj je pogubljivo?
30Moa misy heloka va eo amin'ny lelako?