1Beseda GOSPODOVA, ki je prišla Joelu, sinu Petuelovemu.
1Ny tenin'i Jehovah, izay tonga tamin'i Joela, zanak'i Petoela.
2Čujte to, starci, in nagnite ušesa, vsi prebivalci dežele! Se li je zgodilo kaj takega v dneh vaših ali v očetov vaših dnevih?
2[Filazana ny loza nanjo, ary fitarainana sy anatra noho izany] Henoy izao, ry anti-panahy! Ary mandrenesa, ianareo mponina rehetra amin'ny tany! Moa mba efa nisy tamin'ny andronareo na tamin'ny andron'ny razanareo, va izao?
3Pripovedujte o tem otrokom svojim in vaši otroci svojim otrokom in njih otroci prihodnjemu rodu:
3Lazao amin'ny zanakareo izao, ary aoka ny zanakareo hilaza amin'ny zanany kosa, ary ny zanak'ireo kosa indray amin'ny taranaka mandimby azy.
4Kar je pustil žerec, je snedla kobilica; in kar je ostalo po kobilici, je snedel glodalec; kar pa je ostalo po glodalcu, je snedel pokončevalec [Imena četverim vrstam kobilic.].
4Izay sisan'ny kijeja dia nohanin'ny koraika; Ary izay sisan'ny koraika dia nohanin'ny valalavao: Ary izay sisan'ny valalavao dia nohanin'ny sompanga. [Heb. mpikiky][Heb. mpilelaka] [Heb. mpandany]
5Zdramite se, ki ste pijani, in jokajte! in tulite vsi, ki pijete vino, zavoljo novega vina, da je vzeto od vaših ust!
5Mifohaza, ianareo mpimamo, ka mitomania, eny, midradradradrà, ianareo mpisotro divay rehetra, noho ny ranom-boaloboka, satria tapaka tsy ho amin'ny vavanareo izany.
6Kajti narod je prišel gori v deželo mojo, mogočen in brezštevilen; njegovi zobje so levovi zobje in grizalo ima kakor levinja.
6Fa misy firenena mahery sady tsy hita isa miakatra hamely ny taniko; Ny nifiny dia nifin-diona, ary ny vazany dia vazan'ny liom-bavy.
7V pustoto je naredil vinsko trto mojo in polomil smokev mojo; dočista jo je ogolil in na tla pometal; obeljene so veje njene.
7Nataony simba tokoa ny voaloboko, ary notapatapahiny ny aviaviko; Nataony nakiky tokoa ireny ka nariany, eny, tonga fotsy ny rantsany.
8Plakaj, dežela, kakor devica, ki je oblečena v raševnik zavoljo zaročenca mladosti svoje.
8Midradradradrà toy ny virijina misikindamba fisaonana noho ny amin'ny vadin'ny fahatanorany.[Heb. lamba malailay]
9Jedilna in pitna daritev je odpravljena iz hiše GOSPODOVE; duhovniki, služabniki GOSPODOVI, žalujejo.
9Efa tapaka tsy ho ao amin'ny tranon'i Jehovah ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra aidina; Mitomany ny mpisorona, mpanao fanompoam-pivavahana ho an'i Jehovah.
10Opustošeno je polje, zemlja žaluje; ker žito je pošlo, novo vino se je posušilo, olje izginilo.
10Mariry ny saha, misaona ny tany fambolena; Fa simba ny vary, ritra ny ranom-boaloboka, mihena ny diloilo.[Heb. Malazo]
11Sram vas bodi, kmetovalci, tulite, o vinogradniki, zaradi pšenice in zaradi ječmena; kajti pokončana je poljska žetev.
11Aoka ho menatra ianareo mpiasa tany; midradradradrà, ianareo mpamboatra tanim-boaloboka, noho ny vary tritika sy ny vary hordea; Fa majifa ny vokatry ny saha;
12Usahnila je vinska trta, opešala smokev; margarana, tudi palma in jablan in vse drevje na polju je suho, in minilo je veselje otroke človeške.
12Maina ny voaloboka, malazo ny aviavy, ary malazo koa ny ampongaben-danitra sy ny rofia ary ny poma aza, dia ny hazo rehetra any an-tsaha; Eny, malazo ny fifalian'ny zanak'olombelona. [palma]
13Prepašite se z raševnikom in žalujte, duhovniki; tulíte, strežniki oltarja; pridite, prenočite v raševniku, služabniki mojega Boga! ker je hiši Boga vašega zadržana jedilna in pitna daritev.
13Misikina sy mitomania, ianareo mpisorona; midradradradrà, ianareo mpanao fanompoam-pivavahana eo amin'ny alitara; Andeha mandry amin'ny lamba fisaonana mandritra ny alina, ianareo mpanao fanompoam-pivavahana ho an'Andriamanitro, fa tapaka tsy ho ao amin'ny tranon'Andriamanitra ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra aidina.[Heb. lamba malailay]
14Posvetite post, razglasite praznično zborovanje, zberite starejšine, vse prebivalce dežele v hišo GOSPODA, Boga svojega, in vpijte h GOSPODU!
14Manamasina andro fifadian-kanina, miantsoa fivoriana masina, angòny ny loholona sy ny mponina rehetra amin'ny tany ho ao an-tranon'i Jehovah Andriamanitrareo, koa andeha mitaraina amin'i Jehovah.
15Gorje tega dneva! zakaj dan GOSPODOV je blizu in pride kakor razdejanje od Vsegamogočnega.
15Indrisy ny andro! Fa efa antomotra ny andron'i Jehovah, ka tahaka ny loza tsy toha avy amin'ny Tsitoha no fihaviny.
16Ni li nam pred očmi odvzet živež, veselje in radovanje iz hiše našega Boga?
16Moa tsy efa tapaka teo imasontsika va ny hanina, eny, ny fifaliana sy ny faharavoravoana tsy ho ao an-tranon'Andriamanitsika?
17Zrnje je zgnilo pod svojimi grudami; založnice so opustošene, skednji razdrti, kajti žito se je posušilo.
17Matimaso ao ambanin'ny baingan-tany ny vary nafafy, foana ny sompitra, mirodana ny trano fitehirizam-bary; Fa nalazo ny vary.
18Kako ječi živina! goveje črede tavajo klavrno, ker nimajo paše; tudi črede drobnice trpe pokoro.
18Indrisy, ny fitoreon'ny biby! Very hevitra ny omby andiany, satria tsy misy ahitra ho azy; Eny, na dia ny andian'ny ondry aman'osy aza dia mijaly noho ny heloka.
19O GOSPOD, k tebi kličem; ker ogenj je požrl pašnike v puščavi in plamen je požgal vse drevje na polju.Pa tudi zveri na polju žejne vpijejo k tebi, ker so posehnili potoki in je ogenj požrl pašnike v puščavi.
19Jehovah ô, Hianao no itarainako, fa efa levon'ny afo ny kijana any an-efitra, ary nisy lelafo efa nandoro ny hazo rehetra any an-tsaha.Na dia ny biby any an-tsaha aza dia mihanahana miandrandra Anao, satria ritra ny renirano, ary efa levon'ny afo ny kijana any an-efitra.
20Pa tudi zveri na polju žejne vpijejo k tebi, ker so posehnili potoki in je ogenj požrl pašnike v puščavi.
20Na dia ny biby any an-tsaha aza dia mihanahana miandrandra Anao, satria ritra ny renirano, ary efa levon'ny afo ny kijana any an-efitra.