Slovenian

Malagasy

John

9

1In gredoč mimo, ugleda človeka, ki je bil slep od rojstva.
1Ary raha nandalo Jesosy, dia nahita lehilahy jamba hatry ny fony vao teraka.
2In vprašajo ga učenci njegovi, rekoč: Rabi, kdo je grešil: ta ali roditelji njegovi, da se je slep rodil?
2Ary ny mpianany nanontany Azy hoe: Raby ô, iza moa no nanota, io lehilahy io va, sa ny ray aman-dreniny, no dia teraka jamba izy?
3Jezus odgovori: Grešil ni ne ta, ne roditelji njegovi, temuč da se razodenejo dela Božja na njem.
3Jesosy namaly hoe: Tsy io lehilahy io no nanota, na ny ray aman-dreniny, fa ny hanehoana ny asan'Andriamanitra eo aminy.
4Jaz moram delati dela tega, ki me je poslal, dokler je dan; pride noč, ko nihče ne bo mogel delati.
4Isika tsy maintsy manao ny asan'izay naniraka Ahy, raha mbola antoandro; avy ny alina, ka tsy mahazo miasa ny olona.
5Dokler sem na svetu, sem luč sveta.
5Raha amin'izao tontolo izao Aho, dia fahazavan'izao tontolo izao.
6Rekši to, pljune na zemljo in napravi blato iz sline in pomaže z blatom slepcu oči
6Rehefa nilaza izany Izy, dia nandrora tamin'ny tany ka nanao feta tamin'ny rora, dia nahosony ny mason'ilay jamba.
7in mu reče: Pojdi, umij se v kopeli Siloamu (kar se tolmači: Poslan). Odide torej in se umije, ter se vrne z vidom.
7Ary hoy Izy taminy: Andeha, sasao ny masonao any amin'ny farihy Siloama (izay atao hoe, raha adika, Nirahina). Dia lasa izy ka nanasa, dia niverina nahiratra.
8A sosedje, in kateri so ga prej videli, da je bil berač, govore: Ni li ta, ki je sedel in prosjačil?
8Koa izay nifanolotra taminy sy izay nahita azy fa mpangataka izy taloha dia nanao hoe: Tsy ity va ilay nipetraka nangataka?
9Drugi pravijo: On je; drugi pa: Ni, le podoben mu je. Sam pravi: Jaz sem.
9Hoy ny sasany: Izy ity, fa hoy ny sasany: Tsia, fa tahaka azy ihany; ary hoy kosa izy: Izaho no izy.
10Reko mu torej: Kako pa so se ti odprle oči?
10Dia hoy ny olona taminy: Ahoana no nahiratan'ny masonao?
11On odgovori: Človek, ki se imenuje Jezus, je napravil blato, in mi je pomazal oči in mi rekel: Pojdi v Siloam in umij se. Šel sem torej in se umil, in sem izpregledal.
11Ary izy namaly ka nanao hoe: Ilay Lehilahy atao hoe Jesosy no nanao feta, dia nanosotra ny masoko ka nanao tamiko hoe: Mankanesa any Siloama, ka sasao ny masonao; koa nandeha aho, dia nanasa azy, ka dia nahiratra.
12Reko mu: Kje je on? Reče: Ne vem.
12Ary hoy ny olona taminy: Aiza moa izany Lehilahy izany? Hoy ralehilahy: Tsy fantatro.
13Peljejo ga k farizejem, tega, ki je bil nekdaj slep.
13Ary ilay jamba taloha dia nentiny tany amin'ny Fariseo.
14Bila je pa sobota tisti dan, ko je Jezus naredil blato in mu odprl oči.
14Ary tamin'ny andro Sabata no nanaovan'i Jesosy ny feta sy nampahiratany ny mason-dralehilahy.
15Zdaj ga torej vprašujejo tudi farizeji, kako je izpregledal. On jim pa reče: Blato mi je dal na oči, in umil sem se in vidim.
15Ary ny Fariseo koa nanontany azy izay nahiratan'ny masony. Dia hoy izy taminy: Nasiany feta ny masoko, dia nosasako, ka nahiratra aho.
16Tedaj reko nekateri izmed farizejev: Ta človek ni od Boga, ker sobote ne posvečuje. Drugi pravijo: Kako more človek grešnik take čudeže delati? In razpor je bil med njimi.
16Ary hoy ny Fariseo sasany: Tsy avy amin'Andriamanitra izany Lehilahy izany, satria tsy mitandrina ny Sabata Izy. Hoy ny sasany: Hataon'ny lehilahy mpanota ahoana no fahay manao fahagagana toy izany? Dia nisara-tsaina izy.
17Zopet reko slepcu: Kaj ti praviš o njem, ker ti je odprl oči? On pa reče: Prorok je.
17Ary hoy indray izy tamin'ilay jamba: Ahoana no ilazanao Azy, fa nampahiratra ny masonao Izy? Dia hoy izy: Mpaminany Izy.
18Judje torej niso verjeli, da je bil slep in da je izpregledal, dokler niso poklicali roditeljev tega, ki je izpregledal.
18Ary amin'izany ny Jiosy tsy nino azy ho efa jamba ka nahiratra, ambara-piantsony ny ray aman-drenin'ilay nahiratra
19In jih vprašajo, rekoč: Je li vaš ta sin, ki o njem pravite, da se je slep rodil? Kako pa sedaj vidi?
19ka nanontaniany hoe: Zanakareo moa ity, izay lazainareo fa teraka jamba? Koa nanao ahoana ary no nahiratany izao?
20Odgovore jim roditelji njegovi in reko: Vemo, da je ta sin naš in da se je slep rodil;
20Ny ray aman-dreniny namaly ka nanao hoe: Fantatray fa zanakay ity sady teraka jamba;
21kako pa sedaj vidi, ne vemo, ali kdo mu je oči odprl, tudi ne vemo. Njega vprašajte, leta ima, naj govori sam zase.
21fa tsy fantatray izay nahiratany izao; ary tsy fantatray izay nampahiratra ny masony; izy ihany no anontanio; efa lehibe izy, aoka izy no hilaza ny amin'ny tenany.
22To so rekli roditelji njegovi zato, ker so se bali Judov; zakaj Judje so se bili že dogovorili, naj se izobči iz shodnice, kdor bi ga pripoznal za Kristusa.
22Izany teny izany no nolazain'ny ray aman-dreniny, satria natahotra ny Jiosy izy; fa efa nifanaiky rahateo ny Jiosy fa raha misy manaiky Azy ho Kristy dia horoahina hiala amin'ny synagoga.
23Zato so roditelji njegovi rekli: Leta ima, njega vprašajte.
23Izany no nilazan'ny ray aman-dreniny hoe: Efa lehibe izy, koa izy no anontanio.
24Pokličejo torej drugič človeka, ki je bil slep, in mu reko: Daj Bogu čast! mi vemo, da je ta človek grešnik.
24Dia niantso ilay jamba teo aloha indray izy ka nanao taminy hoe: Omeo voninahitra Andriamanitra; izahay mahalala fa mpanota izany Lehilahy izany.
25On pa odgovori: Če je grešnik, ne vem; eno vem, da sem bil slep, in da sedaj vidim.
25Fa izy namaly hoe. Tsy fantatro na mpanota Izy, na tsia; zavatra iray loha ihany no fantatro: jamba aho teo aloha, fa mahiratra aho izao.
26Reko mu torej: Kaj ti je storil? Kako ti je odprl oči?
26Dia hoy izy taminy: Inona no nataony taminao? Nanao ahoana ange no nampahiratany ny masonao?
27Odgovori jim: Saj sem vam že povedal, in niste slišali; čemu hočete zopet slišati? Ali hočete tudi vi postati njegovi učenci?
27Dia namaly azy hoe izy: Efa voalazako taminareo rahateo, fa tsy nihaino ianareo; nahoana no te-hihaino indray ianareo? Moa te-ho mpianany koa va ianareo?
28Oni pa ga opsujejo in reko: Ti si njegov učenec; mi smo Mojzesovi učenci.
28Dia nanevateva azy izy ka nanao hoe: Ialahy no mpianany; fa izahay mpianatr'i Mosesy.
29Mi vemo, da je z Mojzesom govoril Bog; za tega pa ne vemo, odkod je.
29Izahay mahalala fa Mosesy no nitenenan'Andriamanitra; fa ny amin'izany Lehilahy izany, dia tsy fantatray izay nihaviany.
30Človek odgovori in jim reče: To je pa res čudno, da vi ne veste, odkod je, in vendar mi je odprl oči!
30Ralehilahy namaly azy hoe: Mba mahagaga tokoa lahy izany! fa tsy fantatrareo ny nihaviany, nefa nampahiratra ny masoko Izy.
31Vemo pa, da grešnikov Bog ne sliši, ampak če kdo časti Boga in izpolnjuje voljo njegovo, tega sliši.
31Fantatsika fa Andriamanitra tsy mihaino ny mpanota; fa izay mivavaka aminy sy manao ny sitrapony no henoiny..
32Od vekomaj se ni slišalo, da bi bil kdo odprl oči od rojstva slepemu.
32Hatrizay hatrizay dia tsy mbola re fa nisy nampahiratra ny mason'izay teraka jamba.
33Ko ta ne bi bil od Boga, ne bi mogel ničesar storiti.
33Raha tsy avy amin'Andriamanitra izany Lehilahy izany, dia tsy mahefa na inona na inona Izy.
34Odgovore in mu reko: Ves v grehih si se rodil, pa boš ti nas učil? In ga pahnejo ven.
34Ary namaly ireo ka nanao taminy hoe: Tena teraka tamin'ny ota ialahy, ka ialahy indray va mampianatra anay? Dia noroahiny izy.
35Jezus zasliši, da so ga vrgli ven, in ko ga najde, mu reče: Veruješ li v Sina Božjega?
35Jesosy nandre fa efa noroahiny ralehilahy; ary rehefa nahita azy Izy, dia nanao hoe: Mino ny Zanak-Andriamanitra va ianao?
36On odgovori in reče: In kdo je, Gospod, da bi veroval vanj?
36Ralehilahy namaly ka nanao hoe: Iza moa no Izy, Tompoko, mba hinoako Azy?
37Jezus mu reče: Videl si ga, in ki s teboj govori, ta je.
37Hoy Jesosy taminy: Efa nahita Azy ianao, sady Izay miresaka aminao izao no Izy.
38On pa reče: Verujem, Gospod! in ga moli.
38Ary hoy izy: Tompoko, mino aho. Dia niankohoka teo anatrehany izy.
39In Jezus veli: Na sodbo sem prišel jaz na ta svet, da izpregledajo, kateri ne vidijo, in kateri vidijo, da oslepe.
39Ary hoy Jesosy: Ho fitsarana no nahatongavako amin'izao tontolo izao, mba hahiratra ny tsy mahiratra, ary mba ho tonga jamba kosa ny mahiratra.
40In slišijo to izmed farizejev tisti, ki so bili ž njim, in mu reko: Ali smo tudi mi slepi?Jezus jim reče: Ko bi bili slepi, ne bi imeli greha; sedaj pa pravite: Vidimo; zato greh vaš ostaja.
40Ary ny Fariseo sasany izay teo aminy, nony nandre izany, dia nanao taminy hoe: Izahay koa va mba jamba?Hoy Jesosy taminy: Raha jamba ianareo, dia tsy ho nanan-keloka; nefa hoy ianareo ankehitriny: Mahiratra izahay; dia tsy afaka ny helokareo.
41Jezus jim reče: Ko bi bili slepi, ne bi imeli greha; sedaj pa pravite: Vidimo; zato greh vaš ostaja.
41Hoy Jesosy taminy: Raha jamba ianareo, dia tsy ho nanan-keloka; nefa hoy ianareo ankehitriny: Mahiratra izahay; dia tsy afaka ny helokareo.