1Ti pa so kralji dežele, ki so jih zmagali Izraelovi sinovi in posedli njih dežele za Jordanom proti solnčnemu vzhodu, od potoka Arnona do gore Hermona, in vso nižino proti vzhodu:
1[Ny anaran'ny mpanjaka izay novonoin'ny Zanak'Isiraely] Ary izao no mpanjakan'ny tany izay resin'ny Zanak'Isiraely, ka lasany ny taniny, teny an-dafy atsinanan'i Jordana hatramin'ny lohasahan-driaka Arnona ka hatramin'ny tendrombohitra Hermona sy ny ilany atsinanan'ny tani-hay [Heb. Arabà]
2Sihon, kralj Amorejcev, ki je prebival v Hesbonu in gospodoval od Aroerja, ki leži ob bregu potoka Arnona in sredi doline, in nad polovico Gileada tja do potoka Jaboka, ki je meja Amonovih sinov;
2Sihona, mpanjakan'ny Amorita, izay nonina tany Hesbona ka nanjaka hatrany Aroera, eo amoron'ny lohasahan-driaka Arnona, ka hatreo afovoan'ny lohasaha sy ny antsasak'i Gileada, dia hatramin'ny lohasahan-driaka Jaboka, fari-tanin'ny taranak'i Amona, [Heb. Arabà]
3in nad ravnino do morja Kinerotskega proti vzhodu, in tja do morja v nižini, to je Slano morje, proti vzhodu, koder drži pot do Bet-jesimota, in ob južni strani pod strminami Pizge.
3ary ny ilany atsinanan'ny tani-hay hatramin'ny Ranomasina Kinerota ka hatramin'ny ranomasina amin'ny tani-hay, dia ny Ranomasintsira, amin'ny lalana mankany Beti-jesimota, ary hatramin'ny tany atsimo eo am-bodin'i Pisga. [Heb. Arabà]
4In pokrajina Oga, kralja basanskega, ki je preostal izmed velikanov in je prebival v Astarotu in Edreju
4Ary azony koa ny tanin'i Oga, mpanjakan'i Basana, isan'ny Refaita sisa, izay nitoetra tany Astarta sy Edrehy,
5in gospodoval nad goro Hermonom in nad Salko in nad vsem Basanom tja do meje Gesurcev in Maakatovcev, in nad polovico Gileada do meje Sihona, kralja v Hesbonu.
5sy nanjaka tany an-tendrombohitra Hermona sy tany Saleka ary tany Basana rehetra hatramin'ny fari-tanin'ny Gesorita sy ny Makatita ary ny antsasak'i Gileada, fari-tanin'i Sihona, mpanjakan'i Hesbona.
6Mojzes, hlapec GOSPODOV, in sinovi Izraelovi so porazili ta dva kralja. In Mojzes, hlapec GOSPODOV, je dal njiju posest Rubenskim, Gadskim in polovici Manasejevega rodu.
6Mosesy, mpanompon'i Jehovah, sy ny Zanak'Isiraely no nandresy ireo; ary ny taniny nomen'i Mosesy, mpanompon'i Jehovah, ho lovan'ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasaky ny firenen'i Manase.
7In ti so kralji dežele, ki jih je porazil Jozue in sinovi Izraelovi na tej strani Jordana, proti zahodu, od Baalgada v Libanonski dolini tja do Gole gore, ki se vzdiguje proti Seiru. In Jozue je dal to Izraelovim rodovom v posest, vsakemu njegov del;
7Ary izao no mpanjakan'ny tany izay resin'i Josoa sy ny Zanak'Isiraely tany an-dafy andrefan'i Jordana, hatrany Bala-gada, eo an-dohasahan'i Libanona, ka hatramin'ny tendrombohitra mangadihady izay fiakarana ho any Seira, ka ny taniny nomen'i Josoa ny firenen'ny Isiraely araka ny fizarany,
8kar je bilo po gorovju in po nižavah in v nižini, po strminah, v puščavi in na južni strani, Hetejce, Amorejce, Kanaance, Ferizejce, Hevejce in Jebusejce:
8dia ny any amin'ny tany havoana sy amin'ny tany lemaka amoron-tsiraka sy amin'ny tani-hay sy amin'ny tany ambodin'ny tendrombohitra sy any an-efitra ary any amin'ny tany atsimo, dia ny an'ny Hetita sy ny Amorita sy ny Kananita sy ny Perizita sy ny Hivita ary ny Jebosita:[Heb. Sefela][Heb. Arabà]
9kralj v Jerihu, eden; kralj v Aju, ki je blizu Betela, eden;
9Ny mpanjakan'i Jeriko, iray; ny mpanjakan'i Ay, izay eo anilan'i Betela, iray;
10kralj v Jeruzalemu, eden, kralj v Hebronu, eden,
10ny mpanjakan'i Jerosalema, iray; ny mpanjakan'i Hebrona, iray;
11kralj v Jarmutu, eden, kralj v Lahisu, eden,
11ny mpanjakan'i Jarmota, iray; ny mpanjakan'i Lakisy, iray;
12kralj v Eglonu, eden, kralj v Gezerju, eden,
12ny mpanjakan'i Eglona, iray; ny mpanjakan'i Gazera, iray;
13kralj v Debirju, eden, kralj v Gederju, eden,
13ny mpanjakan'i Debira, iray; ny mpanjakan'i Gadera, iray;
14kralj v Hormi, eden, kralj v Aradu, eden,
14ny mpanjakan'i Horma, iray; ny mpanjakan'i Arada, iray;
15kralj v Libni, eden, kralj v Adulamu, eden,
15ny mpanjakan'i Libna, iray; ny mpanjakan'i Adolama, iray;
16kralj v Makedi, eden, kralj v Betelu, eden,
16ny mpanjakan'i Makeda, iray; ny mpanjakan'i Betela, iray;
17kralj v Tapuahu, eden, kralj v Heferju, eden,
17ny mpanjakan'i Tapoa, iray; ny mpanjakan'i Hefera, iray;
18kralj v Afeku, eden, kralj v Lašaronu, eden,
18ny mpanjakan'i Afeka, iray; ny mpanjakan'i Lasarona, iray;
19kralj v Madonu, eden, kralj v Hazorju, eden,
19ny mpanjakan'i Madona, iray; ny mpanjakan'i Hazora, iray;
20kralj v Simron-meronu, eden, kralj v Aksafu, eden,
20ny mpanjakan'i Simrona-merona, iray; ny mpanjakan'i Aksafa, iray;
21kralj v Taanahu, eden, kralj v Megidu, eden,
21ny mpanjakan'i Tanaka, iray; ny mpanjakan'i Megido, iray;
22kralj v Kedesu, eden, kralj v Jokneamu pri Karmelu, eden,
22ny mpanjakan'i Kadesy, iray; ny mpanjakan'i Jokneama any Karmela, iray;
23kralj v Doru na Dorskih višinah, eden, kralj Gojimov v Gilgalu, eden,kralj v Tirzi, eden: vseh kraljev trideset in eden.
23ny mpanjakan'i Dora eo amin'ny havoan'i Dora, iray; ny mpanjakan'ny firenen-tsamy hafa any Gilgala, iray;ny mpanjakan'i Tirza, iray. Iraika amby telo-polo no isan'ny mpanjaka rehetra.
24kralj v Tirzi, eden: vseh kraljev trideset in eden.
24ny mpanjakan'i Tirza, iray. Iraika amby telo-polo no isan'ny mpanjaka rehetra.