1In Jozue, sin Nunov, pošlje skrivaj iz Sitima dva moža kot oglednika in veli: Pojdita, oglejta deželo in Jeriho! Ta gresta in prideta v hišo neke nečistnice, po imenu Rahab, in ondi počineta.
1[Ny nanirahana ny mpisafo-tany roa lahy] Ary Josoa, zanak'i Nona, dia naniraka mpisafo roa lahy mangingina avy tany Sitima ka niteny taminy hoe: Mandehana, izahao ny tany, indrindra fa Jeriko. Dia niainga izy roa lahy ary niditra tao an-tranon'ny vehivavy janga anankiray atao hoe Rahaba, ka nandry tao.
2Povedal je pa nekdo kralju v Jerihu, rekoč: Glej, nocoj sta sem prišla moža od Izraelovih sinov, da ogledata deželo.
2Ary nisy nilaza tamin'ny mpanjakan'i Jeriko hoe: Injao, misy olona avy tamin'ny Zanak'Isiraely tonga atỳ izao alina izao hisafo ny tany.
3In pošlje kralj v Jerihu k Rahabi in ji sporoči: Izroči mi tista moža, ki sta prišla k tebi in sta stopila v hišo tvojo; zakaj prišla sta ogledovat vso deželo.
3Dia naniraka tao amin'i Rahaba ny mpanjakan'i Jeriko ka nanao hoe: Avoahy ireo lehilahy tonga ato an-tranonao ireo; fa hisafo ny tany no nihaviany.
4Žena pa je vzela moža in ju skrila. In reče: Res, prišla sta moža k meni, pa nisem vedela, odkod sta;
4Dia nalain-dravehivavy izy roa lahy ka nafeniny ary hoy izy: Tonga tatỳ amiko ihany tokoa ireny lehilahy ireny, nefa tsy fantatro izay nihaviany;
5in ko so se zapirala vrata, pri temi, sta šla moža ven; kam sta šla, ne vem. Hitite precej za njima, ker ju še dotečete.
5ary rehefa maizina ny andro, ka hohidiana ny vavahady, dia lasa nivoaka izy, ka tsy fantatro indray izay nalehany; enjeho faingana izy, fa ho tratranareo.
6Ona pa ju je peljala na streho in ju skrila pod lanena stebla, ki jih je imela po strehi razgrnjena.
6Kanjo efa nampiakarin-dravehivavy any an-tampon-trano izy ka nafeniny ao amin'ny tahon-drongony, izay efa nalahany teo amin'ny tampon-trano.
7In možje so hiteli za njima po poti k Jordanu, do broda; in brž ko so odšli tisti, ki so ju zasledovali, so zaprli mestna vrata.
7Ary ireo olona dia nanenjika azy tamin'ny lalana mankany Jordana hatrany amin'ny fitàna; ary rehefa lasa nivoaka izay nanenjika azy, dia nohidiana ny vavahady.
8Preden pa sta legla, stopi ona k njima na streho
8Ary raha mbola tsy natory izy roa lahy, dia niakatra nankao aminy tao an-tampontrano ravehivavy
9in reče možema: Vem, da vam je dal GOSPOD to deželo, ker nas je obšel strah spričo vas in zavoljo vas obupavajo vsi prebivalci te dežele.
9ka nanao taminy hoe: Fantatro fa efa nomen'i Jehovah anareo ny tany, ary efa latsaka aminay ny fahatahorana anareo, sady efa ketraka ny mponina rehetra amin'ny tany noho ny tahotra anareo.
10Zakaj slišali smo, kako je posušil GOSPOD vode Rdečega morja pred vami, ko ste šli iz Egipta; in kar ste storili dvema kraljema Amorejcev, ki sta bila onostran Jordana, Sihonu in Ogu, ki ste ju s prokletjem pokončali.
10Fa efa renay ny nanamainan'i Jehovah ny Ranomasina Mena teo anoloanareo tamin'ny nivoahanareo avy tany Egypta, sy izay nataonareo tamin'ny mpanjaka roa tamin'ny Amorita, izay tany an-dafin'i Jordana, dia Sihona sy Oga, izay novonoinareo.
11In ko smo to slišali, nam je kopnelo srce in nič ni ostalo poguma v nikomer zaradi vas; zakaj GOSPOD, vaš Bog, je Bog v nebesih zgoraj in na zemlji spodaj.
11Koa nony efa renay izany, dia ketraka ny fonay, ka very hevitra avokoa izahay noho ny aminareo; fa Jehovah Andriamanitrareo, Izy no Andriamanitra any amin'ny lanitra ambony sy etỳ amin'ny tany ambany.
12Sedaj pa, prisezita mi pri GOSPODU, ker sem vama storila milost, da tudi storita milost hiši mojega očeta, in dajta mi zanesljivo znamenje,
12Koa ankehitriny, masìna ianareo, mba ianiano amin'i Jehovah aho fa araka ny namindrako fo taminareo no mba hamindranareo fo amin'ny ankohonan'ny raiko kosa, ka omeo famantarana mahatoky aho
13da žive ohranite mojega očeta in mater mojo, brate in sestre moje in vse, kar jih imajo, in otmete smrti duše naše.
13fa hovelominareo ny raiko sy ny reniko sy ny anadahiko sy ny rahavaviko ary izay rehetra mety ho azy; dia hamonjy ny ainay tsy ho faty ianareo.
14In moža ji odgovorita: Najino življenje bodi namesto vas v smrt! Če ne izdaste tega našega opravila, hočemo, ko nam da GOSPOD deželo, tebi izkazati milost in zvestobo.
14Dia hoy izy roa lahy taminy: Ny ainay no ho faty hisolo anareo, raha tsy holazainareo izao raharahanay izao; ary raha omen'i Jehovah anay ny tany, dia hamindra fo sy hanao izay marina aminao izahay.
15Potem ju spusti po vrvi skozi okno; kajti njena hiša je bila pri mestnem obzidju in na obzidju je prebivala.
15Dia nampidina azy tamin'ny mahazaka avy teo amin'ny varavarankely izy; fa teo amin'ny màndan'ny tanàna ny tranony, ary teo amin'ny manda no nitoerany.
16In jima reče: Pojdita na gorovje, da vaju ne srečajo, ki so šli za vama, in ondi se skrijta tri dni, dokler se ne vrnejo vajini zasledovalci, in potem pojdita svojo pot.
16Dia hoy izy taminy: Mandehana any an-tendrombohitra, fandrao hifanena aminareo ny mpanenjika, ka miere any hateloana mandra-piveriny; ary rehefa afaka izany, dia vao mandehana any amin'izay halehanareo.
17Moža pa ji rečeta: Prosta bodeva te prisege, s katero si naju zavezala:
17Ary hoy izy roa lahy taminy: Izao no tsy hanananay tsiny ny amin'izany fianianana nampianianinao anay izany:
18glej, kadar pridemo v deželo, priveži to vrvico iz karmezinastih niti na okno, skozi katero si naju doli spustila; zberi tudi k sebi v hišo svojega očeta in mater svojo, brate svoje in vso rodbino očeta svojega.
18Indro, rehefa tonga eto amin'ny tany izahay, dia hafehinao eo amin'ny varavarankely izay nampidinanao anay io kofehy jaky io; ary ny rainao sy ny reninao sy ny anadahinao mbamin'ny ankohonan'ny rainao rehetra dia hovorinao ho ao an-tranonao;
19In kdorkoli pride iz vrat tvoje hiše na ulice, njegova kri bodi nad glavo njegovo, in midva bodeva nedolžna; ako se pa kdo dotakne kogarkoli teh, ki bodo s teboj v hiši, njega kri pridi nad najino glavo.
19ary izay rehetra mivoaka eo am-baravaran'ny tranonao ho eny ivelany, dia ho eo an-dohany ihany ny ràny, ary izahay tsy hanan-tsiny; fa izay rehetra mitoetra ao aminao ao an-trano, dia ho eo an-dohanay kosa ny ràny, raha tàhiny misy olona maninona azy akory;
20Ali če izdaš to naše opravilo, prosta bodeva prisege, s katero si naju zavezala.
20fa raha tàhiny hambarambaranao izao raharahanay izao, dia ho afaka amin'ny fianianana izay nampianianinao anay izahay.
21Ona reče: Bodi tako, kakor sta rekla. In odpravi ju, in odideta. In priveže karmezinasto vrvico na okno.
21Dia hoy ravehivavy: Eny ary, fa marina izany. Dia nampandehaniny izy roa lahy, ka lasa izy; ary nafehiny teo amin'ny varavarankely ilay kofehy jaky.
22Ona pa gresta in prideta na gorovje, in ondi ostaneta tri dni, dokler se niso vrnili njiju zasledovalci; ti so ju iskali po vsej poti, a ju niso našli.
22Dia nandeha izy roa lahy ka nankany an-tendrombohitra ary nitoetra tany hateloana mandra-piverin'ny mpanenjika; ary nitady azy tamin'ny lalana rehetra ny mpanenjika, nefa tsy nahita.
23Nato se vrneta tista dva moža doli z gorovja ter prestopita na ono stran in prideta k Jozuetu, sinu Nunovemu, in mu povesta vse, kar se jima je prigodilo.In rečeta Jozuetu: Res nam je dal GOSPOD v roke vso deželo, tudi vsi prebivalci v njej obupavajo spričo nas.
23Dia niverina izy roa lahy ka nidina avy tany an-tendrombohitra, dia nita ny ony ary nankany amin'i Josoa, zanak'i Nona, ka nilaza ny zavatra rehetra izay efa nihatra taminy,ka hoy izy tamin'i Josoa: Efa natolotr'i Jehovah eo an-tanantsika tokoa ny tany rehetra; ary efa ketraka ny mponina rehetra amin'ny tany noho ny tahotra antsika.
24In rečeta Jozuetu: Res nam je dal GOSPOD v roke vso deželo, tudi vsi prebivalci v njej obupavajo spričo nas.
24ka hoy izy tamin'i Josoa: Efa natolotr'i Jehovah eo an-tanantsika tokoa ny tany rehetra; ary efa ketraka ny mponina rehetra amin'ny tany noho ny tahotra antsika.