Slovenian

Malagasy

Joshua

9

1Ko pa zaslišijo kralji, ki so bili tostran Jordana, po gorah in v nižavi in po vsem obrežju velikega morja tja do Libanona, Hetejci, Amorejci, Kanaanci, Ferizejci, Hevejci in Jebusejci,
1[Ny hafetsena nataon'ny Gibeonita mba tsy handringanana azy] Ary rehefa nandre izany ny mpanjaka rehetra izay etỳ an-dafin'i Jordana, na ny tany amin'ny tany havoana, na ny tany amin'ny tany lemaka amoron-tsiraka, na ny tany amoron'ny Ranomasina Lehibe tandrifin'i Libanona, dia ny Hetita, ny Amorita, ny Kananita, ny Perizita, ny Hivita ary ny Jebosita, [Heb. Sefela]
2so se zbrali vsi enodušno, da se vojskujejo z Jozuetom in z Izraelom.
2dia niray hina niangona hiady amin'i Josoa sy ny Isiraely izy.
3A prebivalci v Gibeonu, ko so slišali, kaj je storil Jozue Jerihu in Aju,
3Ary ny mponina tao Gibeona nahare izay nanaovan'i Josoa an'i Jeriko sy Ay,
4so tudi skovali zvijačo: gredo in se napravijo, kakor da bi bili poslanci, in denejo stare vreče na svoje osle in stare vinske mehove, razdrte in zašite,
4dia nanao hafetsena kosa izy ka nandeha, ary nody ho iraka ka nitondra lasaka tonta nasampiny teo amin'ny borikiny sy siny hoditra tonta sady triatra ka nofehipehezina nasiany divay, [Na: nitondra vatsy]
5tudi staro in zakrpano obuvalo si nataknejo na noge in na sebe staro obleko; in ves kruh, ki so ga imeli za brašno, je bil trd in plesniv.
5ary kapa tonta sady nitampintampina teo amin'ny tongony, ary lamba tonta notafiny; ary efa maina sy bobongolo ny mofo rehetra izay vatsiny. [Na. torotoro]
6In pridejo k Jozuetu v tabor v Gilgalu in reko njemu in Izraelovim možem: Prišli smo iz daljnih dežel; sklenite torej zavezo z nami!
6Dia nankany amin'i Josoa teo an-toby tany Gilgala izy ireo ka niteny taminy sy tamin'ny Isiraelita nanao hoe: Avy any an-tany lavitra izahay; koa ankehitriny mba manaova fanekena aminay ianareo.
7Možje Izraelovi pa reko Hevejcem: Morebiti prebivate med nami, kako naj sklenemo zavezo z vami?
7Ary hoy ny Isiraelita tamin'ireo Hivita ireo: Angamba mponina ato aminay ihany ianareo, ka hataonay ahoana no fanao fanekena aminareo?
8In reko Jozuetu: Hlapci smo tvoji. Jozue pa jih vpraša: Kdo ste? In odkod ste prišli?
8Fa hoy izy tamin'i Josoa: Mpanomponao izahay. Ary hoy Josoa taminy: Iza moa ianareo, ary avy aiza ?
9Odgovore mu: Hlapci tvoji so prišli iz silno daljnih dežel zaradi imena GOSPODA, tvojega Boga; zakaj slišali smo glas o njem in vse, kar je storil Egiptu,
9Dia hoy izy ireo taminy: Avy tany an-tany lavitra indrindra izahay mpanomponao noho ny anaran'i Jehovah Andriamanitrao; fa efa renay ny lazany sy izay rehetra nataony tany Egypta
10tudi vse, kar je storil dvema kraljema Amorejcev onostran Jordana, Sihonu, kralju v Hesbonu, in Ogu, kralju v Basanu, ki je bil v Astarotu.
10ary izay rehetra nataony tamin'ny mpanjaka roa tamin'ny Amorita, izay tany an-dafin'i Jordana, dia Sihona, mpanjakan'i Hesbona, sy Oga, mpanjakan'i Basana, izay tany Astarta.
11Zato so nam rekli naši starejšine in vsi prebivalci naše dežele: Vzemite si živeža na pot in pojdite jim naproti in jim recite: Hlapci smo vaši. Zdaj torej sklenite zavezo z nami!
11Dia niteny taminay ny loholonay sy ny mponina rehetra amin'ny taninay ka nanao hoe: Mitondrà vatsy eny an-tananareo ho any amin'ny haleha, dia mandehana hitsena azy, ka lazao aminy hoe: Mpanomponao izahay; koa ankehitriny manaova fanekena aminay.
12Ta kruh naš, ki smo ga iz svojih hiš vzeli za brašno, je bil še gorak, ko smo odhajali na pot k vam, zdaj pa, glej, je trd in plesniv.
12Itony mofonay itony dia vao mafana no nalainay tany an-tranonay ho vatsy tamin'ny andro nivoahanay hankatỳ aminareo; fa ankehitriny, indro, efa maina sy bobongolo izy; [Na: torotoro]
13In te vinske mehove smo napolnili nove, pa glej, razdrti so. In ta naša obleka in naše obuvalo se je prestaralo po silno dolgem popotovanju.
13ary vaovao ireto siny hoditra misy divay ireto izay nofenoinay; fa, indreo, efa triatra izy; ary efa rovitra ireto lambanay sy kapanay ireto noho ny halavitry ny naleha.
14In možje vzamejo od njih brašna, a ne vprašajo za svet GOSPODOVIH ust.
14Ary nangalan'ny olona ny vatsin'ireo, nefa tsy nanontany tamin'ny vavan'i Jehovah izy.
15In Jozue sklene mir ž njimi in jim stori zavezo, da bodo ohranjeni pri življenju; in knezi občine so jim prisegli.
15Ary Josoa dia nanao fihavanana taminy ka nanao fanekena taminy mba tsy hamono azy; ary ny lohan'ny fiangonana koa dia nianiana taminy.
16Ali po treh dneh, potem ko so storili ž njimi zavezo, jim pride na vest, da so oni njih sosedi ter da prebivajo med njimi.
16Ary nony efa afaka hateloana no nanaovany fanekena taminy, dia reny fa mifanakaiky aminy ihany ireo sady mitoetra eo aminy.
17Kajti ko so sinovi Izraelovi šli dalje, so tretji dan prispeli k njih mestom. Njih mesta pa so bila: Gibeon, Kefira, Beerot in Kirjat-jearim.
17Dia niainga ny Zanak'Isiraely ka tonga tany an-tanànan'ireo tamin'ny andro fahatelo. Ary Gibeona sy Kefira sy Berota ary Kiriata-jearima no tanànany.
18A sinovi Izraelovi jih niso pobili, zato ker so jim bili prisegli knezi občine pri GOSPODU, Izraelovem Bogu. In mrmrala je vsa občina na kneze.
18Fa tsy namely azy ny Zanak'Isiraely, satria Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, no efa nianianan'ny lohan'ny fiangonana taminy. Dia nimonomonona tamin'ireo loholona ny fiangonana rehetra.
19Vsi knezi pa reko vsej občini: Mi smo jim prisegli pri GOSPODU, Izraelovem Bogu, zato se jih ne moremo dotekniti.
19Fa hoy ny loholona rehetra tamin'ny fiangonana rehetra: Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, no efa nianiananay taminy; koa ankehitriny tsy mahazo mamely azy isika.
20Ali to jim hočemo storiti: ostanejo naj pri življenju, da ne pride srd nad nas zavoljo prisege, ki smo jim jo prisegli.
20Fa izao no hataontsika aminy: Havelantsika ho velona ihany izy, fandrao hisy fahatezerana mahatratra antsika noho ny fianianana nataontsika taminy.
21In reko jim knezi: Naj le žive! A morajo sekati drva in nositi vodo vsej občini, – kakor so jim knezi bili rekli.
21Ary hoy koa ny loholona taminy: Aoka ihany ho velona izy. Dia tonga mpikapa hazo sy mpantsaka rano ho an'ny fiangonana rehetra izy, araka ny teny nataon'ny loholona taminy.
22Tedaj jih pokliče Jozue in jih ogovori, rekoč: Zakaj ste nas prekanili, govoreč: Silno daleč smo od vas, pa prebivate med nami?
22Dia niantso azy ireo Josoa ka nanao taminy hoe: Nahoana no namitaka anay ianareo ka nanao hoe: Lavitra anareo indrindra izahay, kanjo eto aminay ihany no onenanareo?
23Zato ste zdaj prokleti, da nikdar ne nehajo biti iz vas hlapci, ki sekajo drva in nosijo vodo za hišo mojega Boga.
23Koa ankehitriny voaozona ianareo, ary tsy hisy ho afaka, fa ho andevo sy ho mpikapa hazo ary ho mpantsaka rano ho an'ny tranon'Andriamanitro ianareo.
24Odgovore Jozuetu in reko: V istini je bilo povedano nam, hlapcem tvojim, kar je zapovedal GOSPOD, tvoj Bog, svojemu hlapcu Mojzesu, da vam da vso deželo in iztrebi vse prebivalce v njej izpred vas; torej smo se spričo vas silno bali za življenje svoje in smo storili to.
24Dia namaly an'i Josoa izy ireo ka nanao hoe: Satria nambara tokoa taminay mpanomponao fa Jehovah Andriamanitrao efa nandidy an'i Mosesy mpanompony hanome anareo ny tany rehetra sy handringana ny mponina rehetra amin'ny tany eo anoloanareo, ary natahotra ny ho faty izahay noho ny aminareo, ka dia nanao izany zavatra izany;
25Sedaj pa glej, v roki smo tvoji: stóri, kar se ti zdi dobro in prav, da z nami storiš.
25koa ankehitriny, indreto, eto an-tananao izahay, koa araka izay ataonao ho tsara sy marina hatao aminay dia ataovy.
26In tako jim je storil in jih otel iz roke Izraelovih sinov, da jih niso pobili.In Jozue jih je tisti dan postavil, da sekajo drva in nosijo vodo občini in k oltarju GOSPODOVEMU, do tega dne, na mestu, ki bi si ga izvolil.
26Dia nanao izany taminy izy ka namonjy azy tamin'ny tanan'ny Zanak'Isiraely, mba tsy hahafaty azy ireo.Dia natolotr'i Josoa tamin'izany andro izany ireo ho mpikapa hazo sy ho mpantsaka rano ho an'ny fiangonana sy ho an'ny alitaran'i Jehovah mandraka androany eo amin'ny tany izay hofidiny.
27In Jozue jih je tisti dan postavil, da sekajo drva in nosijo vodo občini in k oltarju GOSPODOVEMU, do tega dne, na mestu, ki bi si ga izvolil.
27Dia natolotr'i Josoa tamin'izany andro izany ireo ho mpikapa hazo sy ho mpantsaka rano ho an'ny fiangonana sy ho an'ny alitaran'i Jehovah mandraka androany eo amin'ny tany izay hofidiny.