Slovenian

Malagasy

Judges

1

1In zgodi se po smrti Jozuetovi, da vprašajo sinovi Izraelovi GOSPODA in reko: Kdo izmed nas naj gre prvi proti Kanaancem, da se ž njimi vojskuje?
1[Ny niadian'ny Zanak'Isiraely tamin'ny Kananita taorian'ny nahafatesan'i Josoa] Ary rehefa maty Josoa, dia nanontany tamin'i Jehovah ny Zanak'Isiraely hoe: Iza no hiakatra voalohany hiady amin'ny Kananita ho anay?
2In GOSPOD veli: Juda naj gre! glej, dal sem deželo v roko njegovo.
2Dia hoy Jehovah: Joda no hiakatra; indro, efa nanolotra ny tany ho eo an-tànany Aho.
3Juda pa reče svojemu bratu Simeonu: Pojdi z menoj v moj delež, da se bojujemo s Kanaanci; in jaz tudi pojdem s teboj v tvoj delež. Šel je torej Simeon ž njim.
3Ary hoy Joda tamin'i Simeona rahalahiny: Andeha hiara-miakatra amiko ianao ho any amin'ny lovako, ka aoka isika hiady amin'ny Kananita; ary izaho kosa dia handeha hiaraka aminao ho any amin'ny lovanao. Ary Simeona dia nandeha niaraka taminy.
4In Juda se odpravi v boj, in GOSPOD je dal Kanaance in Ferizejce v njih roke, in pobili so jih v Bezeku deset tisoč mož.
4Dia niakatra Joda, ary natolotr'i Jehovah teo an-tànany ny Kananita sy ny Perizita, ka nahafaty iray alin-dahy tany Bezeka izy.
5In zasačijo Adonibezeka v Bezeku ter se ž njim bojujejo, in porazijo Kanaance in Ferizejce.
5Ary nahita an'i Adoni-bezeka tany Bezeka izy, dia niady taminy ka naharesy ny Kananita sy ny Perizita.
6Adonibezek pa zbeži, in zasledujoč ga primejo in mu odsekajo palce na rokah in nogah.
6Nefa nandositra Adoni-bezeka;ary nanenjika azy izy ireto ka nisambotra azy, dia nanapaka ny ankihiben-tànany sy ny ankihiben-tongony.
7Tedaj reče Adonibezek: Sedemdeset kraljev z odsekanimi palci na rokah in nogah je pobiralo hrano pod mojo mizo; kakor sem storil, tako mi je poplačal Bog. In ga pripeljejo v Jeruzalem, in ondi umre.
7Ary hoy Adoni-bezeka: Mpanjaka fito-polo voatapaka ny ankihiben-tànany sy ny ankihiben-tongony no nitsindroka hanina teo ambanin'ny latabatro; ka mba tahaka ny nataoko ihany lahy ity no navalin'Andriamanitra ahy! Ary nentin'ireo ho any Jerosalema izy ka maty tany.
8Bojevali so se namreč sinovi Judovi zoper Jeruzalem ter ga dobili in jih pobili z ostrino meča in mesto zažgali.
8Ary namely an'i Jerosalema ny taranak'i Joda, ka nahafaka azy, dia namely azy tamin'ny lelan-tsabatra ka nandoro ny tanàna.
9Potem so šli sinovi Judovi doli bojevat se s Kanaanci, ki so prebivali na gorah in na jugu in v nižavi.
9Ary rehefa afaka izany, dia nidina ny taranak'i Joda hiady amin'ny Kananita izay nonina tany amin'ny tany havoana sy tany amin'ny tany atsimo ary tany amin'ny tany lemaka amoron-tsiraka.[Heb. Sefela]
10Tudi je šel Juda zoper Kanaance, ki so prebivali v Hebronu (Hebron pa se je nekdaj imenoval Arbovo mesto); in pobili so Sesaja in Ahimana in Talmaja.
10Dia nandeha Joda hiady amin'ny Kananita, izay nonina tany Hebrona (Kiriat-arba no anaran'i Hebrona taloha), ka namono an'i Sesay sy Ahimana ary Talmay.
11In odtod je šel zoper prebivalce v Debirju. (Debir pa se je nekdaj imenoval Kirjat-sefer.)
11Dia niala tao izy ka nandeha hiady amin'ny mponina any Debira (Kiriata-sefera no anaran'i Debira taloha).
12In Kaleb reče: Kdor udari Kirjat-sefer in ga vzame, njemu dam svojo hčer Akso za ženo.
12Ary hoy Kaleba: Izay mamely an'i Kiriata-sefera ka mahafaka azy dia homeko azy Aksa zanako-vavy ho vadiny.
13In dobil ga je Otniel, sin Kenaza, ki je bil Kalebov mlajši brat. In dal mu je hčer svojo Akso za ženo.
13Ary Otniela, zanakalahin'i Kenaza, zandrin'i Kaleba, no nahafaka azy; ka dia nomeny azy Aksa zananivavy ho vadiny.
14In zgodi se, ko je šla k njemu, da ga je izpodbujala, naj prosi njenega očeta njive. In spustila se je z osla; in Kaleb ji reče: Kaj ti je?
14Ary rehefa voampakatra ravehivavy, dia nanome vava ny lahy hangataka saha tamin-drainy; dia niala faingana tamin'ny borikiny izy, ka hoy Kaleba taminy: Inona moa no ilainao?
15Ona mu reče: Daj mi blagoslov; kajti dal si mi južni kraj, daj mi tudi studence voda. In Kaleb ji je dal studence gornje in dolnje.
15Ary hoy izy: Omeo tso-drano aho; fa tany tsy misy rano no nomenao ahy ka mba omeo loharano koa aho. Dia nomen'i Kaleba azy ny loharano ambony sy ny loharano ambany.
16In sinovi Kenejca, Mojzesovega svaka, so šli gori iz Palmovega mesta z Judovimi sinovi v Judejsko puščavo, ki je južno od Arada; in so šli in prebivali z ondotnim ljudstvom.
16Ary ny taranak'ilay Kenita, zaodahin'i Mosesy dia niara-niakatra tamin'ny taranak'i Joda niala tao amin'ny tanàna be rofia hankany an-efitr'i Joda, atsimon'i Arada nandeha ireo ka nonina teo amin'ny Isiraely.[Na: rafozan'][palma]
17Juda pa je šel s svojim bratom Simeonom, in udarijo Kanaance, ki so prebivali v Zefatu, in jih pokončajo s prokletjem. In imenovali so tisto mesto Hormo.
17Ary Joda nandeha niaraka tamin'i Simeona rahalahiny, dia namely ny Kananita, izay nonina tany Zefata, ka nataony ringana ireo, ary ny anaran'ny tanàna nataony hoe Horma.[Heb. herema][Horma = Herema]
18Juda je tudi dobil Gazo ž njeno pokrajino in Askelon ž njegovo pokrajino in Ekron ž njegovo pokrajino.
18Dia afak'i Joda Gaza sy ny sisin-taniny an Askelona sy ny sisin-taniny ary Ekrona sy ny sisin-taniny.
19In GOSPOD je bil z Judo, da si je prilastil gorovje; zakaj prebivalcev v dolini ni mogel pregnati, ker so imeli železne vozove.
19Ary Jehovah nomba an'i Joda, ka dia azony ny tany havoana; nefa tsy naharoaka ny mponina teny amin'ny tany lemaka izy, satria nanana kalesy vy ireny.
20In dali so Kalebu Hebron, kakor je bil govoril Mojzes; on je izgnal odtod tri sinove Enakove.
20Ary Hebrona dia nomeny an'i Kaleba, araka izay efa nolazain'i Mosesy, ka noroahin'i Kaleba niala tao izy telo lahy, taranaky ny Anakita.
21A Benjaminovi sinovi niso pregnali Jebusejcev, ki so prebivali v Jeruzalemu, ampak Jebusejci so bivali z Benjaminovimi sinovi do tega dne.
21Ary ny taranak'i Benjamina tsy nandroaka ny Jebosita, izay mponina any Jerosalema; fa ny Jebosita dia miara-monina amin'ny taranak'i Benjamina any Jerosalema ihany mandraka androany.
22Enako je šla tudi Jožefova hiša gori zoper Betel, in GOSPOD je bil ž njimi.
22Ary ny taranak'i Josefa dia niakatra koa hamely an'i Betela; ary Jehovah nomba azy.
23In Jožefova hiša pošlje ogledovat Betel; prej se je pa mesto imenovalo Luz.
23Dia naniraka hisafo an'i Betela ny taranak'i Josefa (Lozy no anaran'ny tanàna taloha);
24In ogledovalci vidijo moža, gredočega iz mesta, pa mu reko: Pokaži nam, prosimo, kod pridemo v mesto, in izkažemo ti milost.
24ary nahita lehilahy anankiray nivoaka avy tao an-tanàna ny mpisafo ka nanao taminy hoe: Mba atoroy kely anay ny fidirana mankao an-tanàna, dia hamindra fo aminao izahay.
25In pokaže jim vhod v mesto, in oni udarijo mesto z ostrino meča; tistega moža in vso rodovino njegovo pa izpustijo.
25Dia natoron-dralehilahy azy ny fidirana mankao an-tanàna, ka dia nasiany tamin'ny lelan-tsabatra ny tanàna; fa ralehilahy sy ny mpianakaviny rehetra dia navelany handeha.
26Mož pa gre v deželo Hetejcev in sezida mesto ter ga imenuje Luz; tako mu je ime do tega dne.
26Ary nandeha ho any amin'ny tanin'ny Hetita ralehilahy, ka nanorina tanàna izy, ary ny anarany dia nataony hoe Lozy, ary mbola izany ihany no anarany mandraka androany.
27Manase pa ni pregnal prebivalcev v Betseanu in po njegovih podložnih vaseh, tudi ne v Taanahu in po njegovih podložnih vaseh, ne prebivalcev v Doru in po njegovih podložnih vaseh, ne prebivalcev v Ibleamu in po njegovih podložnih vaseh, ne prebivalcev v Megidu in po njegovih podložnih vaseh; in Kanaancem se je zljubilo ostati v tisti deželi.
27Ary Manase tsy nahafaka an'i Beti-sana sy ny zana-bohiny, na Tanaka sy ny zana-bohiny, sady tsy naharoaka ny mponina tany Dora sy ny zana-bohiny, na ny mponina tany Ibleama sy ny zana-bohiny, na ny mponina tany Megido sy ny zana-bohiny, satria tian'ny Kananita hitoerana indrindra izany tany izany.
28Ko pa se je ojačil Izrael, je podvrgel Kanaance davku, a ni jih dočista pregnal.
28Fa rehefa nihahery kosa ny Isiraely, dia nampanaoviny fanompoana ny Kananita. fa tsy nandroaka azy rehetra izy.
29Tudi Efraim ni pregnal Kanaancev, ki so prebivali v Gezerju; in Kanaanci so prebivali v Gezerju med njimi.
29Ary Efraima tsy nandroaka ny Kananita. izay nonina tany Gazera; fa nonina teo aminy tany Gazera ny Kananita.
30Zebulon ni pregnal prebivalcev v Kitronu, ne prebivalcev v Nahalolu, in Kanaanci so prebivali med njimi, davku podvrženi.
30Zebolona tsy nandroaka ny mponina tany Kitrona, na ny mponina tany Nahalola; fa nonina teo aminy ny Kananita ka nampanaovina fanompoana.
31Aser ni pregnal prebivalcev v Aku, ne prebivalcev v Sidonu, v Ahlabu, v Akzibu, v Helbi, v Afiku, ne v Rehobu;
31Asera tsy nandroaka ny mponina tany Ako, na ny mponina tany Sidona, na ny tany Alaba, na ny tany Akziba, na ny tany Helba, na ny tany Afika. na ny tany Rehoba;
32temuč Aserjevci so prebivali med Kanaanci, ki so ostali v deželi; kajti niso jih izgnali.
32fa nonina teo amin'ny Kananita tompon-tany ny taranak'i Asera, fa tsy nandroaka azy.
33Neftali ni pregnal prebivalcev v Betsemesu, ne prebivalcev v Betanatu, temuč prebival je med Kanaanci, ki so ostali v deželi; toda prebivalci v Betsemesu in v Betanatu so jim plačevali davek.
33Naftaly tsy nandroaka ny mponina tany Beti-semesy, na ny mponina tany Bet-anata; fa nonina teo amin'ny Kananita tompon-tany izy, kanefa nampanaoviny fanompoana ny mponina tany Beti-semesy sy Bet-anata.
34Amorejci pa so spodili Danove sinove v gorovje in jih niso pustili, da bi šli doli v ravnino.
34Ary ny Amorita nanesika ny taranak'i Dana ho any amin'ny tany havoana, fa tsy namela azy hidina ho any amin'ny tany lemaka,
35In Amorejcem se je zljubilo ostati na gori Heresu, v Ajalonu in v Saalbimu; vendar pa jim je postala roka Jožefove hiše pretežka, in bili so davku podvrženi.In meja Amorejcev je šla od vzviška Akrabima, od Sele dalje gori.
35fa tian'ny Amorita hitoerana indrindra ny tendrombohitra Heresa sy ny tany Aialona sy Salbima; nefa nahery ny tanan'ny taranak'i Josefa, ka dia nampanaovina fanompoana ireo.Ary ny fari-tanin'ny Amorita dia hatramin'ny fiakarana Akrabima ka hatramin'ilay harambato no ho mankany.
36In meja Amorejcev je šla od vzviška Akrabima, od Sele dalje gori.
36Ary ny fari-tanin'ny Amorita dia hatramin'ny fiakarana Akrabima ka hatramin'ilay harambato no ho mankany.