Slovenian

Malagasy

Judges

21

1In možje Izraelovi so prisegli v Micpi, rekoč: Nihče izmed nas ne sme dati hčere svoje Benjamincu za ženo!
1Ary ny lehilahy amin'ny Isiraely efa nianiana tany Mizpa nanao hoe: Aoka tsy hisy amintsika hanome ny zananivavy ho vadin'ny Benjamita.
2In ljudstvo pride v Betel in sedi ondi pred Bogom do večera, in povzdignejo glasove svoje in silno plakajo.
2Dia nankany Betela ny olona ka nitoetra teo anatrehan'Andriamanitra mandra-paharivan'ny andro, dia nanandratra ny feony ka nitomany mafy dia mafy
3In reko: O GOSPOD, Bog Izraelov, zakaj se je zgodilo to v Izraelu, da danes manjka enega rodu v Izraelu?
3nanao hoe: Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely ô, nahoana no tonga tamin'ny Isiraely izao ankehitriny, ka fongotra ny firenena iray amin'ny Isiraely?
4Drugo jutro pa vstane ljudstvo zgodaj, in zgrade ondi oltar in darujejo žgalne in mirovne žrtve.
4Ary nony ampitson'iny dia nifoha maraina koa ny olona ka nanorina alitara teo ary nanatitra fanatitra dorana sy fanati-pihavanana.
5In sinovi Izraelovi reko: Je li kdo iz vseh rodov Izraelovih, ki ni prišel sem v zbor h GOSPODU? Zakaj izrekli so bili veliko prokletje nad onim, ki ne bi prišel gori v Micpo h GOSPODU, rekši: Gotovo mora umreti.
5Ary hoy ny Zanak'Isiraely: Iza amin'ny ferenen'Isiraely rehetra no tsy niakatra teo amin'ny fiangonana hanatona an'i Jehovah? fa efa nisy fianianana lehibe ny amin'izay tsy niakatra ho any amin'i Jehovah tany Mizpa hoe: Hatao maty tokoa izy.
6In sinovi Izraelovi so se kesali zaradi Benjamina, brata svojega, in dejali: Danes je bil odsekan en rod od Izraela!
6Ary ny Zanak'Isiraely nanenina ny amin'i Benjamina rahalahiny ka nanao hoe: Misy firenena iray voafongotra eo amin'ny Isiraely ankehitriny.
7Kako naj storimo, da tisti, ki so ostali, dobodo žene? Kajti prisegli smo pri GOSPODU, da jim od svojih hčera ne damo žen!
7Ahoana no hataontsika amin'ireo sisa hahazoany vady; fa isika efa nianiana tamin'i Jehovah tsy hanome vady azy amin'ny zanakavavintsika?
8Zato vprašajo: Ali je kdo iz rodov Izraelovih, ki ni prišel gori h GOSPODU v Micpo? In glej, nihče ni prišel iz Jabesa v Gileadu v tabor k zborovanju.
8Dia hoy izy: Iza amin'ny firenen'Isiraely no tsy mba niakatra ho any amin'i Jehovah tany Mizpa? Ary, indro, tsy nisy olona avy tany Jebesi-gileada na dia iray akory aza nankany an-toby ho ao amin'ny fiangonana.
9Kajti ko so prešteli ljudstvo, glej, ni bilo ne enega iz prebivalcev v Gileadskem Jabesu.
9Fa rehefa voalamina ny olona, dia, indro, tsy nisy tao na dia iray akory aza avy tamin'ny tompon-tany tany Jabesi-gileada.
10In pošlje občina tja dvanajst tisoč najboljših junakov in jim zapove, rekoč: Pojdite in pobijte z ostrino meča prebivalce v Gileadskem Jabesu z ženami in otročiči!
10Dia naniraka lehilahy mahery roa arivo sy iray alin-dahy ny fiangonana ka nandidy azy hoe: Mandehana, ka mameleza ny mponina any Jabesi-gileada amin'ny lelan-tsabatra mbamin'ny zaza amim-behivavy.
11Ali to je stvar, ki jo storite: Pomorite vse moške in vsako ženo, ki se je združila z možem.
11Ary izao no hataonareo: Ny lehilahy rehetra sy ny vehivavy rehetra izay efa nahalala lahy dia haringanareo.[Heb. hataonareo herema]
12In dobe med prebivalci v Gileadskem Jabesu štiristo hčera, ki so bile device in niso poznale moža v združenju; te pridejo v tabor v Silo, ki je v Kanaanski deželi.
12Ary nahita zazavavy virijina efa-jato tsy mbola nahalala lahy teo amin'ny mponina tany Jabesi-gileada izy ka nitondra ireo ho any an-toby tany Silo any amin'ny tany Kanana.
13In pošlje vsa občina in naroči govoriti s sinovi Benjaminovimi, ki so bili na Rimonski skali, in jim ponudi mir.
13Ary ny fiangonana rehetra dia naniraka niteny tamin'ny taranak'i Benjamina, izay tao amin'ny harambato tao Rimona, ka niantso azy hihavana aminy.
14Benjaminci se torej vrnejo tisti čas, in oni jim dado žene, ki so jih ohranili pri življenju izmed žen v Gileadskem Jabesu; toda ni jih jim bilo zadosti.
14Dia niverina tamin'izany andro izany ny Benjamita, ka nomeny azy ireo vehivavy efa novelominy tamin'ny vehivavy tao Jabesi-gileada ireo; kanjo mbola tsy nahenina azy ihany ireo.
15In ljudstvo se je kesalo zaradi Benjamina, ker je GOSPOD storil pretrgo v rodovih Izraelovih.
15Ary ny olona nanenina noho ny amin'i Benjamina, satria nisy nobangain'i Jehovah ny firenen'Isiraely.
16Tedaj reko starejšine občine: Kako naj storimo, da dobé preostali žene, ker so žene iztrebljene iz Benjamina?
16Dia hoy ny loholon'ny fiangonana: Ahoana no hataontsika ho an'ireo sisa mba hahazoany vady, fa efa naringana ny vehivavy tamin'ny Benjamita?
17In reko: Dediščina mora ostati tistim, ki so zbežali iz Benjamina, da se ne zatre rod iz Izraela.
17Ary hoy izy: Tsy maintsy mahazo lova ny Benjamita izay afa-nandositra, mba tsy hisy firenena iray fongotra amin'ny Isiraely.
18Toda mi jim ne moremo dati hčer svojih za žene; zakaj sinovi Izraelovi so prisegli, rekoč: Proklet bodi, kdor da ženo Benjamincem!
18Nefa isika tsy mahazo manome azy ny zanakavavintsika ho vadiny, satria efa nianiana ny Zanak'Isiraely ka nanao hoe: Ho voaozona anie izay manome vady ho an'ny Benjamita.
19Reko torej: Glejte, praznik GOSPODOV je vsako leto v Silu, ki je severno od Betela, na vzhodni strani ceste, ki drži iz Betela gori v Sihem, in južno od Lebone.
19Dia hoy izy: Indro, misy andro firavoravoana isan-taona ho an'i Jehovah any Silo, izay avaratr'i Betela, atsinanan'ny lalambe miakatra avy any Betela hankany Sekema, ary atsimon'i Lebona.
20In naroče sinovom Benjaminovim, rekoč: Pojdite in prežite po vinogradih!
20Ary nandidy ny taranak'i Benjamina izy ka nanao hoe: Mandehana, ka manotreha any amin'ny tanim-boaloboka,
21Ko boste pa videli, da gredo hčere iz Sila na ples, planite iz vinogradov in si vsak ulóvi ženo iz silskih hčera ter odidite v deželo Benjaminovo!
21ka jereo, ka raha, indreo, mivoaka handihy ny zazavavy avy any Silo, dia mivoaha avy ao amin'ny tanim-boaloboka ianareo, ary samia misambotra amin'ny zazavavy avy any Silo ho vadiny avy, ka mandehana any amin'ny tanin'ny Benjamina indray.
22Ko pa pridejo njih očetje ali bratje pravdat se z nami, jim porečemo: Dajte jih v darilo nam; kajti za vsakega nismo dobili žene v boju; saj njim jih niste dali, sicer bi zdaj bili krivi.
22Ary raha mankany aminay hitaraina ny rainy na ny anadahiny, dia holazainay aminy hoe: Omeo anay ihany izy, fa izahay tsy mba nahazo vady tany amin'ilay ady teo; fa tsy ianareo no nanome azy; fa raha izany, dia meloka ihany ianareo.
23In sinovi Benjaminovi so storili tako in si vzeli žene, po številu svojem, iz plesalk, ki so jih ugrabili, in šli so in se vrnili v dediščino svojo in so zgradili mesta ter prebivali v njih.
23Dia nanao izany ny taranak'i Benjamina ka samy naka vady araka ny isany tamin'ny mpandihy izay nosamboriny; dia nandeha izy ka niverina ho any amin'ny lovany ary namboatra ireo tanàna ireo ka nonina tao.
24Sinovi Izraelovi so se pa razšli odtod tisti čas, vsak v svoj rod in k rodovini svoji, in vsak je šel odtod v dediščino svojo.V tistih dneh ni bilo kralja v Izraelu: vsakdo je delal, kar se mu je zdelo prav.
24Dia samy nandeha niala teo ny Zanak'Isiraely tamin'izany andro izany, samy ho any amin'ny fireneny sy ny fokony avy; dia niala teo ho any amin'ny lovany avy ny olona rehetra.Tsy nisy mpanjaka teo amin'ny Isiraely tamin'izany andro izany; fa samy nanao izay nataony ho marina avy izy rehetra.
25V tistih dneh ni bilo kralja v Izraelu: vsakdo je delal, kar se mu je zdelo prav.
25Tsy nisy mpanjaka teo amin'ny Isiraely tamin'izany andro izany; fa samy nanao izay nataony ho marina avy izy rehetra.