1Nato vstane zgodaj Jerub-baal, ki je Gideon, in vse ljudstvo, ki je bilo ž njim, in utabore se pri studencu Harodu; tabor Madiancev pa jim je bil na severni strani, pri Morejevem hribu v dolini.
1Dia nifoha maraina koa Jerobala (Gideona izany) sy ny vahoaka rehetra teo aminy ka nitoby teo akaikin'ny loharano Haroda; ary ny tobin'ny Midiana kosa teo avarany, teo an-dohasaha anilan'ny havoana More.[Haroda = Fangovitana; izahao and.3]
2GOSPOD pa reče Gideonu: Preveliko je ljudstva, ki je s teboj, da bi dal Madiana v njih roke, ker bi se Izrael hvalil zoper mene, govoreč: Moja roka me je rešila.
2Ary hoy Jehovah tamin'i Gideona: Maro loatra ny vahoaka eo aminao, ka tsy hanolotra ny Midiana eo an-tànany Aho, fandrao hirehareha amiko ny Isiraely ka hanao hoe: Ny tanako ihany no namonjy ahy.
3Zatorej razglasi sedaj, da sliši ljudstvo, in véli: Kdor se boji in trepeta, obrni se in pojdi nazaj z Gileadskega gorovja. In vrnilo se je ljudstva dvaindvajset tisoč, deset tisoč pa jih je ostalo.
3Koa ankehitriny andeha miantso eo anatrehan'ny vahoaka hoe: Na iza na iza no matahotra sy mangovitra, aoka izy hiverina ka hiala amin'ny tany havoan'i Gileada. Dia niverina ny olona roa arivo sy roa alina; fa ny iray alina no sisa.
4In GOSPOD reče Gideonu: Še je preveč ljudstva. Pelji jih doli k vodi, in ondi jih izkusim zate, in za kogar ti porečem, da naj gre s teboj, pojde s teboj; in za kogarkoli ti porečem, naj ne hodi s teboj, ne pojde.
4Fa hoy Jehovah tamin'i Gideona: Mbola maro ihany ny olona; koa ampidino ho eo amin'ny rano izy, ary eo no hizahako toetra azy ho anao; ary izay holazaiko aminao hoe: Io no hiaraka aminao, dia izy no hiaraka aminao; ary izay rehetra holazaiko aminao hoe: Io no tsy hiaraka aminao, dia izy kosa no tsy hiaraka aminao.
5In pelje ljudstvo doli k vodi. In GOSPOD reče Gideonu: Vsakega, ki bo lokal z jezikom vodo, kakor pes loče, postavi posebej; enako tudi vsakega, ki se spusti na kolena, da pije.
5Ary dia nampidinin'i Gideona ho eo amin'ny rano ny olona; ary hoy Jehovah taminy: Izay rehetra milelaka rano amin'ny lelany tahaka ny filelaky ny amboa dia atokàny, ary izay rehetra mandohalika kosa hisotro dia atokàny koa.
6In bilo je število tistih, ki so lokali, vodo noseč z roko k ustom, tristo mož; vse drugo ljudstvo pa se je spustilo na kolena, da pije vodo.
6Ary telon-jato lahy no isan'izay nanainga ny tànany tamin'ny vavany ka nilelaka; fa ny olona sisa rehetra dia nandohalika hisotro rano.
7In GOSPOD reče Gideonu: Po tistih tristo možeh, ki so lokali, vas rešim in dam Madiance v roko tvojo; naj se torej razide ljudstvo, vsak v kraj svoj.
7Ary hoy Jehovah tamin'i Gideona: Ny telon-jato lahy izay nilelaka rano no hamonjeko anareo ka hanolorako ny Midiana eo an-tananao; fa aoka ny olona sisa rehetra samy hody any amin'ny fonenany avy.
8In vzemo živeža za ljudstvo s seboj in trobente svoje; a vse druge može Izraelove pošlje vsakega v njegov šator, pri sebi pa obdrži le tristo mož. Tabor Madiancev pa mu je bil spodaj v dolini.
8Ary ny olona nitondra vatsy sy ny anjomarany teny an-tànany; ary ny Isiraely sisa dia nalefany hody samy ho any amin'ny lainy avy, fa ny telon-jato lahy ihany no nohazoniny; ary ny tobin'ny Midiana dia teo ambaniny teo an-dohasaha.[Na: Ary nitondra ny vatsin'ny olona ireo]
9In zgodi se tisto noč, da mu reče GOSPOD: Vstani, pojdi doli v tabor! zakaj dal sem ti ga v roko.
9Ary tamin'izany alina izany dia hoy Jehovah tamin'i Gideona: Mitsangàna, midina ho any amin'ny toby ianao; fa efa natolotro eo an-tananao io.
10Ako pa se bojiš iti doli, naj gre s teboj tvoj hlapec Pura doli k taboru;
10Fa raha matahotra hidina ianao, dia aoka hidina miaraka aminao ho any amin'ny toby Pora zatovonao;
11in slišal boš, kaj govore. Potem se ti ojačijo roke, da se zaženeš doli v tabor. Tedaj je stopil s svojim dečkom Purom doli k prednji straži, ki je bila ob taborišču.
11dia ho renao izay lazain'ny olona, ary rehefa afaka izany, dia hampaherezina ny tananao hidinanao any amin'ny toby. Dia nidina niaraka tamin'i Pora zatovony izy ho any an-tsisin'ny olona efa voaomana hiady, izay teo amin'ny toby.
12A Madianci in Amalekovci in vsi Jutrovci so bili pridrli v dolino kakor množica kobilic, in njih velblodov ni bilo sešteti, bilo jih je kakor peska ob morskem bregu.
12Ary ny Midiana sy ny Amalekita ary ny zanaky ny atsinanana rehetra dia nandry teny an-dohasaha, tahaka ny valala ny hamarony; ary tsy hita isa ny ramevany, tahaka ny fasika any amoron-dranomasina ny hamarony.
13In ko pride Gideon, glej, mož pripoveduje tovarišu svojemu sanje in pravi: Glej, imel sem sanje: videl sem, da se vali hlebec ječmenovega kruha k šatorišču Madiancev, in ko pride do šatora, butne vanj, da pade in se ves prevrne, in šator je bil podrt.
13Ary raha tonga tao Gideona, indro, nisy lehilahy nilaza nofy tamin'ny namany ka nanao hoe: Nanonofy aho, ka, indro, nisy mofo vary hordea nikodiadia ho eo amin'ny tobin'ny Midina ka nankamin'ny lay anankiray, dia nampiongana ka nampivadika azy, ka dia nipetraka teo ny lay.
14In tovariš mu odgovori in reče: To ni nič drugega nego meč Gideona, Joasovega sina, izraelskega moža: njemu v roko je Bog dal Madiana in vso vojsko.
14Dia namaly ilay namany ka nanao hoe: Tsy zavatra hafa izany, fa ny sabatr'i Gideona, zanak'i Joasy, lehilahy Isiraelita, mihitsy: efa natolotr'Andriamanitra eo an-tànany ny Midiana sy ny toby rehetra.
15In ko Gideon sliši, kako oni pripoveduje sanje in mu jih ta razloži, se prikloni Bogu; in vrne se v tabor Izraelov in veli: Vstanite! zakaj GOSPOD nam je dal v roko vojsko Madianskih.
15Ary rehefa ren'i Gideona ny filàzany ny nofy sy ny heviny, dia nivavaka izy; ary niverina ho any amin'ny tobin'ny Isiraely izy ka nanao hoe: Mitsangàna, fa efa natolotr'i Jehovah eo an-tananareo ny tobin'ny Midiana.
16Nato razdeli tristo mož v tri krdela in da vsakemu trobento v roko in prazne vrče in bakle notri v vrčih,
16Dia nozarainy telo toko ny telon-jato lahy, ary samy nomeny anjomara iray avy ho eny an-tànany ary siny tsy nisy rano sy fanilo tao anatin'ny siny.
17ter jim reče: Glejte name in me posnemajte! glejte, ko pridem na kraj tabora, kar storim, storite tudi vi.
17Dia hoy izy taminy: Mijere ahy ianareo, ka manaova araka izay ataoko; ary, indro, raha mankany amin'ny sisin'ny toby aho, dia izay ataoko ihany no mba ataovinareo koa.
18Ko zatrobim na trobento in vsi, ki bodo pri meni, trobite tudi vi na trobente povsod okoli tabora in kličite: Za GOSPODA in Gideona!
18Raha mitsoka ny anjomara izaho sy izay miaraka amiko, dia mba mitsofa ny anjomara manodidina ny toby rehetra koa ianareo, ka miantsoa hoe: An'i Jehovah sy Gideona!
19Ko pride torej Gideon in sto mož, ki so bili pri njem, na kraj tabora, ob začetku opolnočne straže, ko so ravnokar postavili stražo, zatrobijo na trobente in razbijejo tiste vrče v svojih rokah.
19Dia nankany amin'ny sisin'ny toby tamin'ny fiandohan'ny fiambenana faharoa Gideona sy ny zato lahy izay teo aminy; raha vao nalatsaka ny fiambenana; dia nitsoka ny anjomara ireo sady namaky ny siny teny an-tanany.
20In vsa tri krdela zatrobijo na trobente in razbijejo vrče, in drže prižgane bakle v levici, trobente pa v desnici, trobijo in kriče: Meč za GOSPODA in za Gideona!
20Dia mba nitsoka ny anjomara avokoa ny telo toko sady namaky ny sininy, ka nihazona ny fanilo teny an-tànany ankavia ary ny anjomara teny an-tànany ankavanana mba hotsofiny; dia niantso hoe izy: Ny sabatr'i Jehovah sy Gideona!
21In sleherni obstane na svojem mestu okoli tabora. In vsa vojska začne tekati, in vpijejo ter beže.
21Ary samy nijanona teo amin'ny fitoerany avy manodidina ny toby izy rehetra; dia nihazakazaka ny miaramila rehetra ka ninananana sady nandositra.
22In onih tristo trobi na trobente, in GOSPOD obrne vsakega meč zoper njegovega tovariša, in to po vsem taboru. In vojska beži tja do Betsite, proti Zereri, tja do meje Abel-mehole pri Tabatu.
22Dia nitsoka ny anjomara ny telon-jato lahy, ary nampifamelezin'i Jehovah tamin'ny sabatra ny miaramila eran'ny toby rehetra, dia nandositra hatrany Beti-sita izy ka hatrany Zereraha sy hatramin'ny fari-tanin'i Abela-mehola akaiky an'i Tabata.
23In zbero se možje Izraelovi iz Neftalija in iz Aserja in iz Manaseja in pode Madiance.
23Dia nivory ny lehilahy amin'ny Isiraely avy tamin'ny Naftaly sy ny Asera ary ny Manase rehetra ka nanenjika ny Midiana.
24In Gideon pošlje sle po vsem Efraimskem gorovju in sporoči: Pridite doli, Madiancem nasproti, in obsedite pred njimi vodo tja do Betbare in tudi Jordan. In zbero se vsi efraimski možje in obsedejo vodo do Betbare in tudi Jordan.In ujamejo dva madianska kneza, Oreba in Zeba, in umorijo Oreba na skali Orebovi in Zeba pri tlačilnici Zebovi; in podijo Madiance, in prineso glavi Oreba in Zeba Gideonu čez Jordan.
24Ary Gideona naniraka olona hitety ny tany havoan'i Efraima rehetra ka nanao hoe: Midina hisakana ny Midiana, ka vonjeo ny rano eo alohany hatrany Beti-bara sy Jordana. Dia nivory ny lehilahy rehetra amin'ny Efraima ka namonjy ny rano hatrany Beti-bara sy Jordana.Ary nisambotra ny andriana roa lahy amin'ny Midiana izy, dia Oreba sy Zeba, ary Oreba novonoiny teo ambonin'ny vatolampin'i Oreba, ary Zeba novonoiny teo amin'ny famiazam-boalobok'i Zeba, dia nanenjika ny Midiana izy; ary ny lohan'i Oreba sy Zeba dia nentiny tany amin'i Gideona tany an-dafin'i Jordana.
25In ujamejo dva madianska kneza, Oreba in Zeba, in umorijo Oreba na skali Orebovi in Zeba pri tlačilnici Zebovi; in podijo Madiance, in prineso glavi Oreba in Zeba Gideonu čez Jordan.
25Ary nisambotra ny andriana roa lahy amin'ny Midiana izy, dia Oreba sy Zeba, ary Oreba novonoiny teo ambonin'ny vatolampin'i Oreba, ary Zeba novonoiny teo amin'ny famiazam-boalobok'i Zeba, dia nanenjika ny Midiana izy; ary ny lohan'i Oreba sy Zeba dia nentiny tany amin'i Gideona tany an-dafin'i Jordana.