1In GOSPOD je govoril Mojzesu in Aronu, rekoč jima:
1[Ny lalàna ny amin'ny biby madio sy maloto] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy sy Arona ka nanao taminy hoe:
2Govorita sinovom Izraelovim in recita: To so živali, ki jih smete jesti izmed vse živadi, ki je na zemlji.
2Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Izao no ho fihinanareo amin'ny biby rehetra ambonin'ny tany:
3Vse, kar dvoji parklje, in sicer kar ima ves parkelj razdeljen, in prežvekuje, izmed četveronožcev, smete jesti.
3Izay biby rehetra mivaky kitro, ka misaraka tsara ny kitrony, sady mandinika izy, no ho fihinanareo.
4Samo teh ne smete jesti izmed tistih, ki prežvekujejo, in izmed tistih, ki dvojé parkelj: velbloda, ki prežvekuje, pa nima razdvojenega parklja: nečist vam bodi;
4Kanefa amin'izay mandinika sy mivaky kitro dia izao kosa no tsy ho fihinanareo: Ny rameva, satria mandinika ihany izy, nefa tsy mba mivaky kitro: maloto aminareo izy;
5in skalnega jazbeca, ki prežvekuje, a nima razdvojenega parklja: nečist vam bodi;
5ary ny hyraka, satria mandinika ihany izy, nefa tsy mba mivaky kitro: maloto aminareo izy;
6in zajca, ki prežvekuje, a ne dvoji parklja: nečist vam bodi;
6ary ny rabitro, satria mandinika ihany izy, nefa tsy mba mivaky kitro; maloto aminareo izy;
7in svinje, ki pač dvoji parklje in to popolnoma, pa ne prežvekuje: nečista vam bodi.
7ary ny kisoa, satria mivaky kitro ihany izy ka misaraka tsara ny kitrony, nefa tsy mba mandinika izy: maloto aminareo izy.
8Njih mesa ne jejte in njih mrtvih trupel se ne dotikajte, nečiste naj vam bodo.
8Ny henan'ireny tsy ho fihinanareo, ary ny fatiny tsy hokasihinareo akory; zava-maloto aminareo ireny.
9Tele pa smete jesti od vseh, ki žive v vodah: karkoli ima plavute in luske v vodah, v morjih in rekah, smete jesti.
9Ary amin'izay rehetra ao anatin'ny rano dia izao no ho fihinanareo: Izay rehetra misy vombony sy kirany ao anaty rano, na ao anatin'ny ranomasina, na ao anatin'ny ony, no ho fihinanareo;
10Karkoli pa nima plavut in lusk v morjih in rekah, izmed vsega, kar se giblje po vodah in kar živi v vodi, bodi vam gnusoba.
10fa izay rehetra tsy misy vombony sy kirany kosa, na ao anatin'ny ranomasina, na ao anatin'ny ony, na amin'izay rehetra mihetsiketsika ao anaty rano sy amin'ny zava-manan'aina izay ao anaty rano; fahavetavetana aminareo ireny;
11Gnusne naj vam bodo: njih mesa ne jejte in njih mrline naj se vam studijo.
11eny, ho fahavetavetana aminareo ireny; tsy ho fihinanareo ny nofony, ary hataonareo ho zava-betaveta ny fatiny.
12Vse, kar nima plavut in lusk v vodah, bodi vam gnusoba.
12Izay rehetra tsy misy vombony na kirany ao anaty rano dia ho zava-betaveta aminareo.
13In te naj vam bodo mrzke med pticami, ne jejte jih, gnusoba so: orel in brkati ser in morski orel,
13Ary izao no ho zava-betaveta aminareo amin'ny vorona ka tsy ho fihinanareo, fa zava-betaveta izy: ny voltora sy ny gypa sy ny ankoay
14in sokol in kanja po svojih plemenih,
14ary ny papango sy ny voromahery, isan-karazany,
15in vsak gavran po svojih plemenih,
15ary ny goaika rehetra, isan-karazany,
16in noj in kukavica in morski galeb in jastreb po svojih plemenih,
16ary ny ostritsa sy ny tararaka sy ny vorondriaka sy ny hitsikitsika, isan-karazany,
17in skovir in potapljač in vir,
17ary ny vorondolo sy ny manarana sy ny vorondolo lehibe
18in sova in pelikan in mrhar,
18ary ny ibisa sy ny sama ary ny voltora madinika
19in štorklja in čaplja po svojih plemenih, smrdokavra in netopir.
19sy ny vano sy ny vanobe, isan-karazany, ary ny takidara sy ny manavy.
20Vsa okriljena živad, ki hodi po štirih nogah, vam bodi gnusoba.
20Ny zava-mandady rehetra izay manana elatra sady mandia tongotra efatra dia ho zava-betaveta aminareo;
21Samo to smete jesti izmed vse krilate živadi, ki hodi po štirih: kar ima stegna na zgornjem delu nog, da ž njimi skače po zemlji.
21nefa izao kosa no ho fihinanareo amin'ny zava-mandady izay manana elatra sady mandia tongotra efatra, dia izay manam-pingotra ambonin'ny faladiany hitsipihany eo amin'ny tany.
22Te smete jesti izmed nje: arbo po njenih plemenih, solhamo po njenih plemenih, hargolo po njenih plemenih in hagabo [Štiri vrste nam neznanih kobilic.] po njenih plemenih.
22Amin'ireny dia izao no ho fihinanareo; ny valala, isan-karazany, ny solama, isan-karazany, ary ny hargola, isan-karazany, ary ny hagaba, isan-karazany.
23Toda vsa druga krilata živad, ki ima štiri noge, vam bodi gnusoba.
23Fa ny zava-mandady rehetra izay manana elatra sady mandia tongotra efatra afa-tsy ireo dia ho zava-betaveta aminareo.
24In s temi se boste onečistili; kdorkoli se dotakne njih mrhovine, bode nečist do večera;
24Dia Ireo no ho zava-maloto aminareo; ary izay rehetra mikasika ny fatiny dia haloto mandra-paharivan'ny andro.
25in kdor koli ponese kaj njih mrhovine, naj si izpere oblačila, in nečist bodi do večera.
25Ary izay rehetra mitondra ny fatiny dia hanasa ny fitafiany ary haloto mandra-paharivan'ny andro.
26Vsaka žival, ki dvoji parklje, pa jih nima docela razdeljenih, tudi ne prežvekuje, vam bodi nečista: vsak, kdor se je dotakne, bode nečist.
26Ny biby rehetra izay mivaky kitro, nefa tsy mba misara-kitro tsara sady tsy mandinika, dia ho zava-maloto aminareo; haloto izay rehetra mikasika azy.
27In vse, kar hodi po svojih šapah med vso zverjadjo, ki hodi po štirih, vam bodi nečisto: kdorkoli se dotakne njih mrhovine, bode nečist do večera.
27Ary izay rehetra mandeha amin'ny faladiany, amin'ny biby rehetra izay mandia tongotra efatra, dia zava-maloto aminareo; haloto mandra-paharivan'ny andro izay rehetra mikasika ny fatiny.
28In kdor bi nosil njih mrhovino, naj si izpere oblačila, in bode nečist do večera; nečiste naj vam bodo.
28Ary izay mitondra ny fatiny dia hanasa ny fitafiany ka haloto mandra-paharivan'ny andro; ho zava-maloto aminareo ireny.
29In te naj vam bodo nečiste med živalmi, ki lazijo po zemlji: podlasica, miš in kuščarica po svojih plemenih,
29Ary izao no haloto aminareo amin'ny biby izay mandady na mikisaka amin'ny tany: ny kionkiona sy ny totozy ary ny sitry, isan-karazany,
30in anaka in koah in letaa in komet [Domnevno štiri vrste kuščaric.] in kameleon.
30ary ny anakà sy ny koaha sy ny letaha sy ny hometa ary ny tana.
31Te naj vam bodo nečiste med vso laznino: kdorkoli se jih dotakne, ko so mrtve, bode nečist do večera.
31Ireo no maloto aminareo amin'ny biby rehetra izay mandady na mikisaka; izay rehetra mikasika ny fatin'ireo dia haloto mandra-paharivan'ny andro.
32In na karkoli pade katerekoli izmed njih mrlina, bode nečisto: vsaka lesena posoda ali oblačilo ali koža ali vreča, kakršnosibodi orodje, s katerim se kaj dela, se mora deti v vodo, in nečisto bode do večera; potem bode čisto.
32Ary izay zavatra rehetra ilatsahan'ny fatin'Ireo, na fanaka hazo, na fitafiana, na hoditra, na lasaka, izay mety ho fanaovan-javatra na inona na inona, dia haloto, ka tsy maintsy hatao anaty rano izany, ary haloto mandra-paharivan'ny andro izy vao hadio.
33In vsaka prstena posoda, v katero pade ena izmed njih: vse kar je v njej, bode nečisto, in posoda naj se razbije.
33Ary ny amin'ny vilany tany rehetra izay ilatsahan'ny fatin'ireo, dia haloto izay ao anatiny na inona na inona, ary ny vilany dia hovakinareo.
34Vsaka jed, ki se jé, ako vanjo pride taka voda, bode nečista; in vsaka pijača, ki se pije, bode nečista v vsaki taki posodi.
34Ary ny hanina fihinana rehetra, izay asian-drano, sy ny fisotro rehetra izay sotroina dia haloto koa, na tamin'ny fanaka inona na tamin'ny fanaka inona.
35In vse, na kar pade kaj njih mrline, bode nečisto; peč in ognjišče naj se zrušita, nečisto je, in nečisto vam bodi.
35Ary haloto izay zavatra rehetra ilatsahan'ny fatin'ireo, na fanendasana, na vilany mirakotra, dia hovakivakina izany; fa maloto ireny, ary ho zava-maloto aminareo.
36Toda studenci in vodnjaki, kjer se steka voda, bodo čisti; ako se pa kdo dotakne mrhovine v njih, bode nečist.
36Kanefa ny loharano na ny lavaka famorian-drano izay misy rano be dia hadio ihany; fa izay mikasika ny fatin-javatra eo no haloto.
37In če kaj njih mrhovine pade na seme, ki je za setev, ostane čisto;
37Ary raha misy fatin'ireo latsaka amin'ny voan-javatra famafy, izay efa hafafy, dia hadio ihany izany.
38ako se pa voda izlije na seme in pade kaj njih mrhovine nanje, nečisto vam bode.
38Fa raha misy voan-javatra nalona tamin'ny rano ka ilatsahan'ny fatiny, dia ho zava-maloto aminareo izany.
39In če pogine ena izmed živali, ki so vam v živež: kdor se dotakne mrline njene, nečist bode do večera.
39Ary raha misy maty izay biby fihinanareo, dia haloto mandra-paharivan'ny andro izay mikasika ny fatiny.
40In ako bi kdo jedel od mrline njene, naj si izpere oblačila, in bode nečist do večera; in kdor ponese mrhovino njeno, naj si izpere oblačila, in bode nečist do večera.
40Ary izay mihinana amin'ny fatiny dia hanasa ny fitafiany, ary haloto mandra-paharivan'ny andro; ary izay mitondra ny fatiny dia hanasa ny fitafiany sady haloto mandra-paharivan'ny andro
41In sleherna laznina, ki lazi po zemlji, je gnusoba; ne smete je jesti.
41Ary ny zavatra rehetra izay mandady na mikisaka amin'ny tany dia ho zava-betaveta aminareo ka tsy ho fihinana.
42Vse, kar se plazi po trebuhu, in vse, kar hodi po štirih, in karkoli je mnogonožno med vso laznino, ki se giblje po zemlji: ne smete tega jesti, zakaj mrzko je.
42Izay rehetra mandady amin'ny kibony sy Izay rehetra mandia tongotra efatra ary izay rehetra maro tongotra, dia ny biby tehetra izay mandady na mikisaka amin'ny tany, dia tsy ho fihinanareo, fa zava-betaveta ireny.
43Ne ognušajte sami sebe s katero koli lazečo črvadjo in ne onečiščajte se ž njimi, da bi se s tem omadeževali.
43Aza mametaveta ny tenanareo amin'izay biby mandady na mikisaka; ary aza mandoto ny tenanareo aminy, mba tsy hahaloto anareo izany.
44Zakaj jaz sem GOSPOD, Bog vaš, zato se posvečujte in bodite sveti, ker jaz sem svet. Ne oskrunite torej sami sebe s katerokoli črvadjo, ki se giblje na zemlji.
44Fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo, dia manamasina ny tenanareo, ka dia ho masina ianareo, satria masina Aho; ary aza mandoto ny tenanareo amin'izay zavatra mandady na mikisaka amin'ny tany.
45Zakaj jaz sem GOSPOD, ki sem vas pripeljal iz dežele Egiptovske, da vam bodem Bog: sveti torej bodite, ker jaz sem svet.
45Fa Izaho no Jehovah Izay nitondra anareo niakatra avy tany amin'ny tany Egypta, mba ho Andriamanitrareo, ka dia ho masina ianareo, satria masina Aho.
46To je postava zastran živali in letečine in zastran vsake žive stvari, ki se giblje po vodah, in vsake golazni, ki lazi po zemlji;da ločite med nečistim in čistim, med živalmi, ki se uživajo, in živalmi, ki se ne smejo jesti.
46Izany no lalàna ny amin'ny biby sy ny vorona sy ny zava-manan'aina rehetra izay mihetsiketsika ao anaty rano ary ny zava-manan'aina rehetra izay mandady na mikisaka amin'ny tany,mba hanavahana ny maloto sy ny madio, ary ny biby izay ho fihinana sy ny biby izay tsy ho fihinana.
47da ločite med nečistim in čistim, med živalmi, ki se uživajo, in živalmi, ki se ne smejo jesti.
47mba hanavahana ny maloto sy ny madio, ary ny biby izay ho fihinana sy ny biby izay tsy ho fihinana.